Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompo Amin’ny Fanahy Rehetra na eo aza ny Fisedrana

Manompo Amin’ny Fanahy Rehetra na eo aza ny Fisedrana

Tantaram-piainana

Manompo Amin’ny Fanahy Rehetra na eo aza ny Fisedrana

NOTANTARAIN’I RODOLFO LOZANO

Teraka teto Meksika aho, tao amin’ny tanànan’i Gómez Palacio, any amin’ny Fanjakan’i Durango, tamin’ny 17 Septambra 1917. Nafotaka ny Revolisiona Meksikanina tamin’izay. Na dia nitsahatra tamin’ny 1920 aza ilay revolisiona, dia nitohy nandritra ny taona maro nanaraka ireo hotakotaka tao amin’ilay faritra nisy anay, ka nanasarotra be ny fiainana.

INDRAY mandeha, rehefa fantatr’i Neny fa hifanandrina ireo miaramila mpikomy sy ny tafika, dia tsy navelany hivoaka ny trano nandritra ny andro maromaro izahay efatra mirahalahy sy ireo anabavinay roa. Tsy nanan-kohanina firy izahay, ary tsaroako fa niafina tao ambany fandriana niaraka tamin’ny zandriko vavy aho. Taorian’izay, dia nanapa-kevitra ny hitondra anay ankizy ho any Etazonia i Neny, ary tatỳ aoriana, dia nanaraka anay tany i Dada.

Tonga tany Kalifornia izahay tamin’ny 1926, taloha kelin’ny nitrangan’ny Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe tany Etazonia. Nifindrafindra monina tany amin’izay toerana rehetra nahitanay asa izahay, ohatra, tany San Joaquin Valley, Santa Clara, Salinas, ary tany King City. Nianatra niasa teny an-tsaha sy nioty voankazo sy legioma isan-karazany izahay. Na dia niasa mafy aza aho fony kely, dia nahafinaritra be izany.

Nandre ny fahamarinana ara-baiboly

Tamin’ny Martsa 1928, dia nitsidika anay ny Mpianatra ny Baiboly iray, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. Lehilahy zokiolona niteny espaniola izy io, ary Esteban Rivera no anarany. Nanaitra ahy ny lohatenin’ilay bokikely navelany hoe “Aiza moa Ireo Maty?” (anglisy) sy ny loha hevitra tao anatiny. Na dia mbola kely aza aho, dia nianatra ny Baiboly ary nifanerasera tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly. Tamin’ny farany, dia nanjary mpidera an’i Jehovah be zotom-po koa i Neny sy i Aurora anabaviko.

Teo antenatenan’ireo taona 1930, dia nisy Efitrano Fanjakana iray naorina tany San Jose, ho an’ilay kongregasiona niteny anglisy. Koa satria Espaniola maro no niasa teny amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana tao amin’ilay faritra, dia nanomboka nitory tamin’izy ireo izahay, ary nanao ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Nanampy anay ireo Vavolombelona espaniola avy tany San Francisco, izay 80 kilaometatra eo ho eo avy ao San Jose. Tamin’ny farany, dia tokotokony ho 60 ny isan’ny mpanatrika ireo fivoriana tamin’ny teny espaniola, tao amin’ilay Efitrano Fanjakana tany San Jose.

Tatỳ aoriana, tamin’ny 28 Febroary 1940, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano aho, tamin’ny fivoriambe iray tany San Jose. Ny taona nanaraka, dia voatendry ho mpisava lalana, mpanompo manontolo andron’ny Vavolombelon’i Jehovah, aho. Avy eo, tamin’ny Aprily 1943, dia nasaina nifindra tany Stockton, izay 130 kilaometatra eo ho eo avy eo San Jose, aho, mba hamorona kongregasiona iray miteny espaniola. Tamin’izany fotoana izany, dia sady mpiandraikitra mpitantan-draharaha tao amin’ilay kongregasiona anglisy tany San Jose aho, no nikarakara ireo Vavolombelona niteny espaniola tany. Nifindra tany Stockton aho, rehefa avy namindra ireo andraikitra ireo tamin’ny olon-kafa.

Fitsapana ny tsy fivadihana

Nanomboka tamin’ny 1940, dia voantso imbetsaka hanao raharaha miaramila aho, nefa nekena foana ny fandavako tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Nirotsaka tamin’ny ady lehibe faharoa i Etazonia, tamin’ny Desambra 1941, ary taoriana kelin’izay, dia nihamafy ny fanerena hanao raharaha miaramila. Farany, tamin’ny 1944, dia naiditra am-ponja aho. Nohazonina tao anaty lakaly iray niaraka tamin’ny mpanao heloka bevava aho, teo am-piandrasana ny didim-pitsarana. Rehefa fantatr’izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah aho, dia maro tamin’izy ireo no nanontany momba ny ho fiantraikan’ny heloka bevava nataony, eo amin’ny lazany eo anatrehan’Andriamanitra.

Nandoa ny antoka tokony ho naloako ireo Vavolombelona tany San Jose, mba hahazoako fahafahana teo am-piandrasana ny fitsarana. Nanaiky hikarakara maimaim-poana ny raharahako ny mpisolovava iray tao Los Angeles; nisolo tena ireo voampanga tamin’ny raharaha momba ny zo sivily izy. Nanapa-kevitra ny hanafaka ahy ilay mpitsara, raha nijanona tsy ho mpisava lalana intsony aho, nanao asa hafa, ary nanao tatitra isam-bolana tany amin’ireo manam-pahefana federaly. Tsy nanaiky izany fanapahan-kevitra izany aho, ka nomelohina hanefa sazy roa taona any amin’ny fonjan’ny Nosy McNeil, any amin’ny Fanjakan’i Washington. Tao dia nampiasa ny fotoanako tamin’ny fianarana mafy ny Baiboly aho. Nianatra nitendry milina fanoratana koa aho. Tsy ampy roa taona akory, dia nafahana noho ny fitondran-tena tsara aho. Nanao fandaharana avy hatrany aho mba hanohizana ny fanompoan’ny mpisava lalana.

Asa nitatra

Tamin’ny ririnina 1947, dia voatendry hiasa teo amin’ireo olona niteny espaniola tany Colorado City, any Texas, izahay sy ny namako iray mpisava lalana. Nangatsiaka aoka izany anefa ny andro, ka nankany San Antonio izahay, satria nafana kokoa tany. Nanoram-be anefa tany, ka niato ny fanompoana isan-trano nataonay. Tsy ela dia lany ny volanay. Nandritra ny herinandro maro, dia mofo nasiana laisoa manta ary dite vita tamin’ny liozerina (karazam-bilona) no sakafonay. Nody tany aminy ny namako, fa izaho kosa nijanona. Rehefa fantatr’ireo Vavolombelona niteny anglisy ny zavatra nilaiko, dia nanomboka nanampy ahy izy ireo.

Ny lohataona nanaraka, dia niverina tany amin’ny toerana nanendrena ahy tany Colorado City aho, ary tatỳ aoriana, dia niforona ny kongregasiona kely iray tamin’ny teny espaniola. Avy eo, dia nifindra tany Sweetwater, any Texas, aho, ary nanampy tamin’ny fiforonan’ny kongregasiona hafa iray tamin’ny teny espaniola tany. Raha mbola tany Sweetwater aho, dia naharay taratasy iray nanasa ahy hanatrika ny kilasy faha-15 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, mba hahazo ny fampiofanana ho misionera, nanomboka tamin’ny 22 Febroary 1950. Nahazo diplaoma aho tamin’iny fahavaratra iny, tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tao amin’ny Yankee Stadium tany New York, ary nijanona telo volana tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn. Tao aho no nahazo fampiofanana ho amin’ilay asa nanendrena ahy eto amin’ny biraon’ny sampan’i Meksika.

Asa teto Meksika

Tonga teto Mexico aho tamin’ny 20 Oktobra 1950. Tokony ho tapa-bolana tatỳ aoriana, dia voatendry ho mpiandraikitra ny sampana aho, ary niandraikitra izany nandritra ny efa-taona sy tapany. Nanampy ahy be ny zavatra niainako fony aho mpisava lalana, fony aho tany am-ponja, tao Gileada ary tany Brooklyn. Rehefa tonga teto Meksika aho, dia hitako avy hatrany fa nilaina ny nanatsara ny fahasalamana ara-panahin’ireo rahalahy sy anabavintsika meksikanina. Nilaina indrindra indrindra ny nanampy azy ireo hifikitra mafy tamin’ny fari-pitsipi-pitondran-tena ambony ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Atỳ amin’ireo tanin’i Amerika Latinina, anisan’izany i Meksika, dia fanaon’ireo olon-droa ny nanao tokantranomaso. Namela an’io fanao tsy araka ny Soratra Masina io hanjaka ireo fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, ary indrindra fa ny Eglizy Katolika Romanina. (Hebreo 13:4). Noho izany, dia tonga mpikambana tao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny sasany, na dia tsy vita soratra aza. Nomena enim-bolana àry ireny olona ireny mba hanitsiany ny tarehin-javatra. Rehefa tsy nanao izany izy ireo, dia tsy nekena ho Vavolombelon’i Jehovah intsony.

Ho an’ny maro, dia mora ny nanitsy ny fiainany. Tsy nila afa-tsy ny nisora-panambadiana izy ireo. Sarotra kokoa ny toe-javatra nisy ny hafa. Ohatra, nanambady indroa ny sasany, ary intelo mihitsy aza, nefa tsy nahazo fisaraham-panambadiana ara-dalàna mihitsy hatramin’izay. Rehefa nifanaraka tamin’ireo fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra ny fanambadian’ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny farany, dia nahazo fitahiana ara-panahy maro ireo kongregasiona.​—1 Korintiana 6:9-11.

Tamin’izany fotoana izany, dia ambany ny fari-pahaizana teto Meksika, tamin’ny ankapobeny. Efa nanomboka nandamina kilasy fampianarana mamaky teny sy manoratra tao amin’ireo kongregasiona, ny biraon’ny sampana, na dia talohan’ny nahatongavako tamin’ny 1950 aza. Nalamina indray ireny kilasy ireny, ary nisy fandaharana natao mba hanoratana azy ireny tany amin’ny fanjakana. Hatramin’ny nandraisana an-tsoratra ireo kilasy tamin’ny 1946, dia maherin’ny 143 000 ny isan’ny olona nampianarina namaky teny sy nanoratra tao amin’ny kilasy notarihin’ireo Vavolombelona, teto Meksika!

Be fameperana ireo lalàna momba ny fivavahana teto Meksika. Tao anatin’ireo taona faramparany anefa, dia nisy fiovana lehibe tamin’io lafiny io. Tamin’ny 1992, dia nisy lalàna vaovao iray navoaka momba ireo raharaha ara-pivavahana, ka nosoratana ara-panjakana ho toy ny fikambanana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah eto Meksika, tamin’ny 1993.

Loharanom-pifaliana lehibe ho ahy ireny fiovana ireny, zavatra tsy azoko noeritreretina mihitsy teo aloha. Tao anatin’ny taona maro, dia imbetsaka aho no nitsidika ireo biraom-panjakana, ary tsy natoky ahy loatra ny olona tany. Mahafinaritra anefa ny mahita fa voakarakaran’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna ato amin’ny biraon’ny sampana ireny raharaha ireny, ka tsy dia voasakantsakana firy ny asa fitoriana ataonay amin’izao fotoana izao.

Miara-manompo amin’ny vadiko izay misionera

Rehefa tonga teto Meksika aho, dia efa nisy maro tamin’ireo nahazo diplaoma avy tamin’ireo kilasin’i Gileada teo aloha, teto. Iray tamin’izy ireny i Esther Vartanian, Vavolombelona armenianina izay nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Vallejo, any California, tamin’ny 1942. Nivady izahay tamin’ny 30 Jolay 1955, ary taorian’izay, dia mbola teto Meksika ihany izahay no niasa. Nanohy ny asa misionera teto Mexico i Esther, ary nipetraka tato amin’ny Betela izahay. Nanohy ny fanompoako tato aho.

Tamin’ny 1947 i Esther no tonga tany amin’ny toerana voalohany nanendrena azy ho misionera, tao Monterrey, any Nuevo León, eto Meksika. Tsy nisy afa-tsy kongregasiona iray monja nisy Vavolombelona 40 tany Monterrey; rehefa nafindra teto Mexico anefa izy, tamin’ny 1950, dia nisy kongregasiona efatra tany. Amin’izao fotoana izao, ato amin’ny Betela, atỳ akaikin’i Mexico, dia misy tanora roa, havan’ireo fianakaviana niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Esther, fony izy nanompo tany Monterrey.

Tamin’ny 1950, dia saika ilay tanànan’i Mexico manontolo no faritany nitorian’ireo misionera. Nandeha an-tongotra, na nandeha aotobisy efa tonta be sady feno hipoka izy ireo, namakivaky ilay toerana nanendrena azy ireo. Rehefa tonga aho tamin’ny faramparan’ny taona 1950, dia nisy kongregasiona fito. Nitombo ho 1 600 eo ho eo izao ny isan’izy ireo, ary efa mihoatra lavitra ny 90 000 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana ao Mexico, ary tamin’ny taon-dasa, dia nisy olona maherin’ny 250 000 nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tao! Nanana tombontsoa izahay sy i Esther nanompo tao amin’ny kongregasiona maro tamin’ireny, tao anatin’ireo taona maro lasa.

Rehefa manomboka fampianarana ny Baiboly izahay sy i Esther, dia miezaka foana ny hanaitra ny fahalianan’ilay raim-pianakaviana, mba hianatra daholo ilay fianakaviana manontolo. Tamin’izany fomba izany no nahitanay fianakaviana be dia be, maro anaka, nanjary nanompo an’i Jehovah. Mino aho fa izao no iray amin’ireo antony mampandroso haingana ny fanompoam-pivavahana marina eto Meksika: Matetika ny fianakaviana manontolo no tafaray amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana marina.

Notahin’i Jehovah ilay asa

Hatramin’ny 1950, dia niavaka ny fandrosoan’ilay asa teto Meksika, na teo amin’ny fitomboan’ireo tarehimarika izany na teo amin’ny fanovana ny fandaminan-javatra. Tena fahafinaretana tokoa ny nandray anjara kely tamin’ilay fitomboana, sy ny niara-niasa tamin’ny olona tia mandray vahiny sy falifaly toy ireny.

Nitsidika anay i Karl Klein, izay mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy i Margaret vadiny, fony izy ireo nanao vakansy, taona vitsivitsy lasa izay. Naniry hahita ny fandehan’ny asa tao amin’ny faritaninay teto Meksika ny Rahalahy Klein, ka nandeha tao amin’ny kongregasiona nisy anay tamin’izany fotoana izany, tao San Juan Tezontla, akaikin’i Mexico, izy sy i Margaret. Kely ny efitranonay, nirefy tokotokony ho efatra metatra sy sasany ny sakany ary dimy metatra sy sasany ny lavany. Rehefa tonga izahay, dia efa nisy olona 70 teo ho eo tao, ary zara raha nisy toerana azo nijoroana. Nipetraka teo ambonin’ny seza ny zokiolona, ny tanora teo ambonin’ny dabilio, ary ny ankizy kely teo ambonin’ny biriky na tamin’ny tany.

Niaiky volana ny Rahalahy Klein, satria samy efa vonona ny Baibolin’ny ankizy rehetra, ka niara-nijery ireo andinin-teny tao amin’ny Baiboly tamin’ny mpandahateny izy ireo. Taorian’ilay lahateny ampahibemaso, dia namelabelatra ny Matio 13:19-23 ny Rahalahy Klein, ary nilaza fa nisy betsaka tamin’ilay “tany tsara” nolazain’i Jesosy, teto Meksika. Amin’izao fotoana izao, dia fito tamin’ireo ankizy nanatrika fivoriana tamin’io andro io no miasa amin’ilay tetik’asa goavana fanitarana ny tranon’ny sampana, akaikin’i Mexico. Miasa ato amin’ny Betela ny hafa iray, ary misy maromaro mpisava lalana!

Rehefa tonga teto Mexico aho, dia tsy nisy afa-tsy mpikambana 11 monja tato amin’ny sampana. Misy 1 350 eo ho eo izahay izao miasa ato, ka ny 250 eo ho eo no manao fanorenana tranon’ny sampana vaovao. Rehefa vita daholo izany asa izany, angamba amin’ny 2002, dia ho afaka handray olona 1 200 eo ho eo fanampiny izahay, ao amin’ireo trano vao naorina. Eritrereto fa tamin’ny 1950, dia latsaka ny 7 000 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana nanerana an’i Meksika, nefa efa mihoatra lavitra ny 500 000 ny isan’izy ireo amin’izao fotoana izao! Dibo-kafaliana ny foko mahita ny fomba nitahian’i Jehovah ireo ezaka nataon’ireo rahalahintsika meksikanina manetry tena sady miasa mafy aoka izany mba hiderana azy.

Miatrika zava-tsarotra lehibe

Iray tamin’ireo zava-tsarotra lehibe natrehiko tato ho ato ny aretina. Tamin’ny ankapobeny, dia salama tsara aho hatramin’izay. Tamin’ny Novambra 1988 anefa, dia tapaka lalan-dra aho, ka nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny vatako izany. Noho ny fanampian’i Jehovah, ary tamin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena sy ny fitsaboana hafa, dia somary nihatsara ny fahasalamako; tsy miasa tsara araka izay iriko anefa ny tapany sasany amin’ny vatako. Manohy manaraka fitsaboana aho, mba tsy ho voan’ny aretin’andoha mafy sy ireo vokany hafa mbola eo.

Na tsy mahavita zavatra betsaka araka izay iriko intsony aza aho, dia afa-po, satria fantatro fa afaka nanampy olona maro hahafantatra ireo fikasan’i Jehovah sy ho tonga mpanompony vita fanoloran-tena aho. Mahafinaritra ahy koa ny miresaka amin’ny rahalahy sy anabavy kristianina betsaka araka izay azo atao, rehefa mitsidika ny sampana izy ireo; tsapako fa mifampahery izahay amin’izany.

Tena nankahery ahy ny fahafantarana fa mankasitraka ny fanompoantsika azy i Jehovah ary tsy very maina izay nataontsika. (1 Korintiana 15:58). Na voafetra aza ny mety ho vitako ary na marary aza aho, dia noraisiko tam-po ireo teny ao amin’ny Kolosiana 3:23, 24, manao hoe: “Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny [fanahy rehetra tahaka ny ho an’i Jehovah, NW ], fa tsy ho an’olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny”. Nifanaraka tamin’io torohevitra io, dia nianatra nanompo an’i Jehovah tamin’ny fanahy rehetra aho, na dia eo aza ny fisedrana.

[Sary, pejy 24]

Tamin’ny 1942, fony aho mpisava lalana

[Sary, pejy 24]

Nanomboka ny asa misionera nanendrena azy teto Meksika ny vadiko tamin’ny 1947

[Sary, pejy 24]

Miaraka amin’i Esther ankehitriny

[Sary, pejy 26]

Ambony ankavia: Ny fianakavian’ny Betelan’i Meksika tamin’ny 1952, ary izaho eo anoloana

Ambony: Maherin’ny 109 000 no nivory tato amin’ity kianjan’i Mexico ity tamin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1999

Ambany ankavia: Ny tranon’ny Betela vaovao ankehitriny, madiva ho vita