“Mihazakazaha toy Izany”
“Mihazakazaha toy Izany”
ALAO sary an-tsaina ange ny tenanao ao amin’ny kianja filalaovana iray hipoka olona mientanentana e! Miditra ny kianja ireo atleta. Mihorakoraka ny vahoaka rehefa mipoitra ny atleta tiany indrindra. Vonona hampihatra ny fitsipika ny mpitsara. Rehefa mandeha ny fifaninanana, dia re ao anatin’ny hiakam-pandresena ny tomany noho ny fahadisoam-panantenana. Tehaka mirefodrefotra no andraisana ireo mpandresy!
Tsy fisehoan-javatra ara-panatanjahan-tena maoderina izany atrehinao izany, fa fisehoan-javatra 2 000 taona lasa teo ho eo izay, tao amin’ny Andilan-tanin’i Korinto. Natao tao isaky ny roa taona ny Lalao Ismika nalaza, nanomboka tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. ka hatramin’ny taonjato fahefatra am.f.i.. Nandritra ny andro maro, dia nitana ny fahalianan’i Gresy manontolo ilay fisehoan-javatra. Tsy fifaninanana teo amin’ny atletisma fotsiny ilay lalao. Marika ahafantarana ny fahavononan-kiady ireo atleta. Ireo mpandresy—izay nohindrahindraina ho toy ny kalazalahy—dia nahazo satroboninahitra ravinkazo. Notolorana fanomezana tondraka izy ireo, ary nanome azy vola be nahantoka ny fiainany manontolo ny tao amin’ilay tanàna.
Nahafantatra tsara ny Lalao Ismika teo akaikin’i Korinto ny apostoly Paoly, ary nampitaha ny fomba fiaina kristianina tamin’ny fifaninanana eo amin’ny atletisma. Niresaka momba ny mpihazakazaka sy ny mpanao tolona ary ny mpanao ady totohondry izy, ary nasehony mazava tsara ny valisoa avy amin’ny fiofanana tsara sy ny ezaka tsara fiantefa ary ny fiaretana. Mazava ho azy fa nahafantatra ny momba ilay lalao koa ny Kristianina nanoratany. Tsy isalasalana fa anisan’ireo vahoaka nihorakoraka tao amin’ny kianja ny sasany. Koa takatr’izy ireo avy hatrany àry ny fanoharan’i Paoly. Ahoana ny amintsika amin’izao andro izao? Isika koa dia mihazakazaka—ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny firesahan’i Paoly momba ireo fifaninanana ireo?
“Manezaka araka ny fitsipika”
Henjana dia henjana ny zavatra notakina mba handraisana anjara tamin’ilay lalao fahiny. Nisy mpanao fanambarana iray nitondra ny atleta tsirairay teo amin’ny mpijery ary niantsoantso hoe: ‘Misy afaka miampanga an’ity lehilahy ity ho nanao heloka bevava ve? Mpangalatra ve izy sa ratsy fanahy sy manana fomba fiaina sy fitondran-tena mamoafady?’ Araka ny Archaeologia Graeca, dia “tsy nisy olona nalaza ho mpanao heloka bevava, na nanana havana [akaiky] mpanao heloka bevava, navela hifaninana”. Ary ny fandikana ny fitsipi-dalao dia nahazoana sazy navesatra, ka tsy navela hifaninana ny mpandika fitsipika.
Io zava-misy io dia manampy antsika hahatakatra ny tenin’i Paoly hoe: “Raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny [fitsipika, NW ].” (2 Timoty 2:5). Toy izany koa fa mba hanaovantsika ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, dia tsy maintsy mahafeno ireo fepetra takin’i Jehovah isika, ka hanaraka ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony, nosoritany ao amin’ny Baiboly. Kanefa, mampitandrina antsika toy izao ny Baiboly: “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”. (Genesisy 8:21). Araka izany, na dia efa nanomboka ilay hazakazaka aza isika, dia tsy maintsy mitandrina mba hanohy hanezaka araka ny fitsipika, mba hankasitrahan’i Jehovah hatrany sy hahazoana ny fiainana mandrakizay.
Ny fanampiana lehibe indrindra mba hanaovana toy izany dia ny fitiavana an’Andriamanitra. (Marka 12:29-31). Izany fitiavana izany dia hahatonga antsika haniry hampifaly an’i Jehovah sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony.—1 Jaona 5:3.
‘Esory izay rehetra mitambesatra’
Tamin’ny lalao fahiny, dia tsy nisy fitafiana na fitaovana nanavesatra ireo mpihazakazaka. “Tamin’ny hazakazaka an-tongotra, (...) ireo mpifaninana dia toa nitanjaka tanteraka”, hoy ilay boky hoe The Life of the Greeks and Romans. Kinga sy afaka nihetsika tsara, ary mailaka ireo atleta raha nitanjaka. Tsy nisy hery verivery fotsiny noho ny amin-javatra nanavesatra tsy amin’ny antony. Azo inoana fa izany no tao an-tsain’i Paoly fony izy nanoratra toy izao ho an’ireo Kristianina hebreo: “Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika (...), ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”.—Hebreo 12:1.
Karazan-javatra manavesatra inona no afaka manakana antsika eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana? Iray amin’izany ny faniriana hanangona zavatra ara-nofo tsy tena ilaina, na ny fihazonana fomba fiaina andaniam-bola be. Ny sasany dia mety hitodika any amin’ny harena mba hahazoany filaminan-tsaina, na hihevitra azy io ho loharanom-pahasambarana. Ny zavatra “mitambesatra” tafahoatra toy izany dia mety hampiadam-pandeha ny mpihazakazaka iray, ka ho tonga hatramin’ny hoe mety tsy ho tena zava-dehibe aminy intsony Andriamanitra, amin’ny farany. (Lioka 12:16-21). Ny fiainana mandrakizay dia mety hanjary ho toa toy ny fanantenana mbola lavitra. ‘Ho avy ny tontolo vaovao indray andro any’, hoy ny mety ho fanjohian-kevitry ny olona iray, ‘nefa mandra-pahatongan’izany, dia azontsika atao koa ny manararaotra izay atolotr’ity tontolo ity.’ (1 Timoty 6:17-19). Ny fomba fijery miahy fatratra ny zavatra ara-nofo toy izany dia afaka mampiala mora foana ny olona iray amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, na manakana azy tsy hanomboka azy io mihitsy aza.
Tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, dia hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tianay; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna hianareo.” Avy eo, rehefa avy nilaza ny fiahian’i Jehovah ny amin’ny zavatra ilain’ny biby sy ny zavamaniry izy, sy nilaza fa mihoatra noho ireo ny olombelona, dia nananatra toy izao: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.”—Matio 6:24-33.
‘Mihazakazaha amin’ny fiaretana’
Tsy ny hazakazaka an-tongotra fahiny rehetra akory no fohy. Nisy iray nantsoina hoe doʹli·khos, izay nahatratra tokony ho efatra kilaometatra teo ho eo. Fitsapana iray nitaky tanjaka sy fiaretana izy io. Araka ny lovantsofina, tamin’ny 328 al.f.i., dia nisy atleta iray nantsoina hoe Ageas nandresy tamin’io hazakazaka io. Taorian’izany avy hatrany izy dia nanainga ka nihazakazaka indray hatrany Argos, tanànany, mba hanambara ny fandreseny. Tamin’io andro io, dia nihazakazaka sahabo ho 110 kilaometatra izy!
2 Timoty 4:7, 8). Tahaka an’i Paoly, dia tsy maintsy ‘mahatanteraka’ ny fihazakazahantsika isika. Raha mihena ny fiaretantsika, satria fotsiny hoe somary lava tsy araka ny nanampoizantsika azy tany am-boalohany ilay hazakazaka, dia tsy hahazo ny valisoantsika isika. (Hebreo 11:6). Tena ho loza mihitsy izany, satria efa akaiky dia akaiky antsika ny tsipika fahatongavana!
Ny an’ny Kristianina koa dia hazakazaka lavitra ezaka izay mitsapa ny fiaretantsika. Ny fiaretana amin’io hazakazaka io hatramin’ny farany dia ilaina mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny lokan’ny fiainana mandrakizay. Nihazakazaka toy izany i Paoly. Rehefa nadiva hifarana ny fiainany, dia afaka nilaza toy izao izy: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana”. (Ilay loka
Nomena fehiloha voarandrana, izay mazàna natao tamin’ny ravinkazo sy noravahana voninkazo, ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana teo amin’ny atletisma grika fahiny. Satroboninahitra ravintsara no azon’ireo mpandresy tamin’ny Lalao Pytika. Satroboninahitra ravin’oliva dia no azon’izy ireo tamin’ny Lalao Olympika, fa tamin’ny Lalao Ismika kosa dia satroboninahitra ravin-kesika no nomena azy ireo. “Mba handrisihana an’ireo mpifaninana”, hoy ny nomarihin’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, “dia narantiranty ho tazan’ny mason’izy ireo, teo ambonin’ny seza avo, na ny latabatra, teo amin’ilay kianja, ireo satroboninahitra, ireo valisoam-pandresena, sy ny sampan-drofia, nandritra ilay fifaninanana.” Ho an’ilay mpandresy, dia voninahitra lehibe ny fananana ilay satroboninahitra teo amin’ny lohany. Rehefa nody izy, dia nitaingina kalesy tamim-pandresena niditra ny tanàna.
Izany no tao an-tsain’i Paoly rehefa nanontany toy izao an’ireo Korintianina nanoratany izy: “Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. (...) Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lo.” (1 Korintiana 9:24, 25; 1 Petera 1:3, 4). Fifanoheran-javatra re izany! Tsy sahala amin’ireo satroboninahitra nihanalazo, tamin’ny lalao fahiny, fa ny loka miandry an’ireo mahatanteraka ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana dia tsy ho simba na oviana na oviana.
Mahakasika an’io satroboninahitra tsara kokoa io, dia nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba hianareo.” (1 Petera 5:4). Moa ve misy loka atolotr’ity tontolo ity azo ampitahaina amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana, dia ilay lokan’ny tsy fahalovana be voninahitra any an-danitra miaraka amin’i Kristy?
Amin’izao andro izao, dia tsy voahosotr’Andriamanitra mba ho zanany ara-panahy sy tsy manana fanantenana ny ho any an-danitra ny ankamaroan’ny mpihazakazaka kristianina. Tsy mihazakazaka mba hahazo ilay lokan’ny tsy fahafatesana izy ireo. Kanefa, mametraka loka tsy manam-paharoa eo anoloan’izy ireo koa Andriamanitra. Izany dia ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahalavorariana eo amin’ny tany zary paradisa eo ambanin’ilay Fanjakana any an-danitra. Na inona na inona loka banjinin’ny mpihazakazaka kristianina iray, dia tokony hihazakazaka amim-pahatapahan-kevitra sy amin-kery lehibe, mihoatra noho ny mpihazakazaka ao amin’ny atletisma, izy. Nahoana? Satria tsy halazo na oviana na oviana ilay loka: “Izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.”—1 Jaona 2:25.
Noho ny fisian’izany loka tsy manam-paharoa izany eo anoloan’ny mpihazakazaka kristianina, ahoana no tokony hiheverany ireo fanangolen’ity tontolo ity? Tokony hihevitra izany toa an’i Paoly izay nilaza toy izao izy: “Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra Filipiana 3:8, 13, 14). Nihazakazaka i Paoly ka nibanjina ilay loka. Tokony hanao toy izany koa isika.
rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny”. Mifanaraka amin’izany, dia tena nihazakazaka tamin-kery mihitsy i Paoly! “Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny [loka]”. (Ilay Modelintsika Tsara Indrindra
Nahazo fideran’ny olona hatraiza hatraiza ireo tompon-daka, tamin’ny lalao fahiny. Nanao tononkalo momba azy ireo ny poety, ary nanao sarivongana azy ireo ny mpanao sokitra. Nilaza i Věra Olivová, mpahay tantara iray, fa “heni-boninahitra sy tena tiam-bahoaka”, izy ireo. Nataon’ireo tanora ho modely koa izy ireo.
Iza no “tompon-daka” namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny Kristianina? Mamaly toy izao i Paoly: “Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” (Hebreo 12:1, 2). Eny, raha tiantsika ny ho mpandresy eo amin’ny hazakazaka ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia ilaintsika ny mibanjina an’i Jesosy Kristy, ilay Modelintsika. Afaka manao izany isika amin’ny famakiana tsy tapaka ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara sy amin’ny fisaintsainana ny fomba azontsika anahafana azy. Ny fianarana toy izany dia hanampy antsika hahatakatra fa nankatò an’Andriamanitra sy nanaporofo ny hatsaran’ny finoany tamin’ny fiaretany i Jesosy Kristy. Ho valisoa noho ny fiaretany, dia nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra sy tombontsoa mahatalanjona maro izy.—Filipiana 2:9-11.
Mazava ho azy fa ny fitiavany no toetran’i Jesosy niavaka indrindra. “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:13). Nanome heviny lalina kokoa an’ilay teny hoe “fitiavana” izy, tamin’ny filazana tamintsika mba ho tia na dia ny fahavalontsika aza. (Matio 5:43-48). Koa satria tia ny Rainy any an-danitra i Jesosy, dia nahita fifaliana nanao ny sitrapon’ny Rainy izy. (Salamo 40:9, 10; Ohabolana 27:11). Ny fibanjinantsika an’i Jesosy Modelintsika sy mpitarika ny diantsika eo amin’ilay hazakazaka mafy ho amin’ny fiainana, dia hanosika antsika koa ho tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika ary hahita tena fifaliana eo amin’ny fanompoana masina ataontsika. (Matio 22:37-39; Jaona 13:34; 1 Petera 2:21). Tadidio fa tsy mangataka izay tsy ho vita i Jesosy. Manome toky antsika izy hoe: “Malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28-30.
Tahaka an’i Jesosy, dia mila mibanjina ilay loka natokana ho an’izay rehetra miaritra hatramin’ny farany isika. (Matio 24:13). Raha manezaka araka ny fitsipika isika, sy raha manaisotra izay rehetra manavesatra, ary raha mihazakazaka amim-piaretana, dia afaka matoky ny hahazo fandresena. Manasa antsika handroso ilay tanjona efa manangasanga! Manavao ny tanjatsika izy io noho ny fifaliana omeny antsika, dia fifaliana izay mahatonga ny lalana eo anoloantsika ho mora handehanana kokoa.
[Sary, pejy 29]
Hazakazaka lavitra ezaka ny hazakazaka kristianina—mitaky fiaretana izy io
[Sary, pejy 30]
Tsy tahaka an’ireo atleta nahazo satroboninahitra, fa afaka manantena loka tsy mety simba kosa ireo Kristianina
[Sary, pejy 31]
Ho an’izay rehetra miaritra hatramin’ny farany ilay loka
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
Copyright British Museum