Nitondra Fandriampahalemana ve ny Taonarivo Vaovao?
Nitondra Fandriampahalemana ve ny Taonarivo Vaovao?
NOSOKAFANA tany Paris sy New York tamin’ny 14 Septambra 1999, ny Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Fampiroboroboana ny Fandriampahalemana, izay nambaran’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ho an’ny taona 2000. I Frederico Mayor, tale jeneraly taloha tao amin’ny UNESCO, dia nanao fiangaviana mafy ny “mba hisian’ny fihetsiketsehana maneran-tany ho amin’ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny tsy fampiasan-kerisetra”.
Manana fitenenana toy izao ny UNESCO: “Koa satria manomboka ao an-tsain’ny olona ny ady, dia ao an-tsain’ny olona no tsy maintsy anorenana ny fitandroana ny fandriampahalemana”. Mifanaraka amin’izany, dia mikasa hampiroborobo kokoa ny fandriampahalemana ilay fikambanana, amin’ny alalan’ny “fampianarana sy ny fifanakalozan-kevitra ary ny fiaraha-miasa”. Nanazava A toa Mayor fa tsy ampy ny “hoe tia fihavanana [ny olona], eny fa na dia ny hoe mpitolona ho an’ny fandriampahalemana aza, fa tokony ho mpampihavana kosa”.
Nampalahelo fa tsy nahitana fandriampahalemana velively ny taona 2000. Ny tantara maoderina—anisan’izany ny fisehoan-javatra tamin’ny taona 2000—dia nanasongadina ny tsy fahafahan’ny olona nisakana ady sy herisetra, na dia teo aza ny ezaka tamim-pahatsorana ho amin’ny fandriampahalemana sy ny tsy fisian-kerisetra.
Mendri-komarihina anefa fa misy fifandraisana tokoa amin’ny fampianarana sy ny fandriampahalemana. Nanambara mialoha toy izao i Isaia mpaminany, 2 700 taona lasa teo ho eo izay: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13, izahay no manao sora-mandry.) Io mpaminany io ihany dia nahita mialoha ny fotoana hitanjozoran’ny olona avy amin’ny firenena rehetra ho any amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah Andriamanitra mba hianarana ny lalany. Inona no vokatr’izany? “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Isaia 2:2-4, izahay no manao sora-mandry.) Mifanaraka amin’izany faminaniana izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manao asa fampianarana maneran-tany, izay efa nanampy olona an-tapitrisany maro handresy ny fifankahalana ara-pirenena sy ara-pirazanana izay fototry ny ankamaroan’ny ady.
Ela ny ela, ka tsy hisy ady intsony eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hitondra fandriampahalemana sy filaminana eto an-tany. (Salamo 72:7; Daniela 2:44). Amin’izany, dia ho tanteraka ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Jereo ny asan’i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ny ady hatramin’ny faran’ny tany Izy”.—Salamo 46:8, 9.