Mahita Fahasambarana Ireo Mpankatò ny Tenin’andriamanitra
Mahita Fahasambarana Ireo Mpankatò ny Tenin’andriamanitra
“Takatsika fa ity fivoriambe ity, dia anisan’ireo fandaharana ataon’i Jehovah mba hanomanana antsika hanao asa bebe kokoa momba ilay Fanjakana”, hoy ny iray tamin’ireo mpandahateny, teo am-piandohan’ilay Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”. Hoy ihany izy: “Niomana isika mba hampianarina ny amin’ny fiainam-pianakaviana sambatra, mba hampirisihina hitoetra ho akaiky ny fandaminan’i Jehovah, sy mba ho voatosika hihazona ny zotom-pontsika eo amin’ny fanompoana momba ilay Fanjakana, ary mba hampahatsiahivina ny ilana hiambina hatrany.”
NANOMBOKA tamin’ny faramparan’ny May 2000, dia nirohotra nankany amin’ny toerana an’arivony maro maneran-tany ny mpankatò ny Tenin’Andriamanitra sy ny namany an-tapitrisany maro, mba handray fampianarana lehibe ara-baiboly. Inona no nianaran’izy ireo nandritra ilay fivoriambe naharitra telo andro?
Andro voalohany—Tsy manadino izay nataon’i Jehovah
Tao amin’ny lahateny fanokafana, dia nanasa ny mpanatrika ny mpitari-draharaha mba hahita ireo fitahiana entin’ny fiaraha-manompo an’i Jehovah any amin’ireo fivoriambe. Nahazo toky ny mpanatrika rehetra fa hihamatanjaka ny finoany ary hihamafy ny fifandraisany manokana amin’i Jehovah.
Mahafantatra izay ilaintsika mba hahasambatra ny tsirairay avy amintsika ilay “Andriamanitra sambatra”. (1 Timoty 1:11, NW ). Noho izany, dia nohamafisin’ilay lahateny hoe “Mitondra Fahasambarana ny Fanaovana ny Sitrapon’Andriamanitra”, fa manoritra ny fomba fiaina tsara indrindra ny Tenin’i Jehovah, ny Baiboly. (Jaona 13:17). Nasehon’ireo fanadinadinana Vavolombelon’i Jehovah maromaro, efa hatramin’ny ela, fa mampisy heviny ny fiainantsika ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ao anatin’ny tarehin-javatra samihafa. Nantitranterin’ilay lahateny nanaraka hoe “Aoka Ianao ho Ravoravo Amin’ny Hatsaram-pon’i Jehovah”, fa amin’ny maha ‘mpanahaka an’Andriamanitra’ ny Kristianina, dia iriny ny haneho ireo karazana “fahatsarana rehetra”, eo amin’ny fiainany. (Efesiana 5:1, 9). Ny fomba tsara indrindra anaovana izany dia ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fanaovana mpianatra.—Salamo 145:7.
Nasehon’ilay lahateny hoe “Miorena Tsara Hatrany Toy ny Mahita Ilay Tsy Hita”, fa manampy antsika “hahita” an’ilay Andriamanitra tsy hita maso ny finoana matanjaka. Nilaza ilay mpandahateny fa ny olona araka ny fanahy dia mahafantatra ireo toetran’Andriamanitra, anisan’izany ny fahafahany hamantatra na izay eritreretintsika aza. (Ohabolana 5:21). Nitantara ireo dingana nataony mba hampitomboana finoana matanjaka kokoa, ary mba hametrahana ny tombontsoa ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany, ireo olona nadinadinina.
Nifarana tamin’ilay lahateny fototra hoe “Miderà An’i Jehovah—Ilay Mpanao Zava-mahatalanjona” ny fotoam-pivoriana tamin’ny maraina. Izany dia nanampy ny mpanatrika hahatakatra fa arakaraka ny ianarantsika momba an’i Jehovah no ahitantsika antony maro kokoa iderana azy amin’ny maha Mpanao zava-mahatalanjona azy. Nila
za ilay mpandahateny hoe: “Rehefa mandinika ny zavatra noforonina mahavariana, mbamin’ireo zava-mahatalanjona rehetra ataon’Andriamanitra ho antsika amin’izao fotoana izao isika, dia manosika antsika hidera azy ny fankasitrahana amim-pahatsorana. Te hidera azy isika rehefa misaintsaina ireo zava-mahagaga nataony ho an’ny vahoakany fahiny. Ary mitady fomba hanehoana ny fankasitrahantsika koa isika, rehefa mandinika ireo fampanantenana zava-mahatalanjona mbola hataon’i Jehovah.”Nanomboka tamin’ilay lahateny hoe “Aza Ketraka Amin’ny Fanaovan-tsoa”, ny fotoam-pivoriana ny tolakandro, ary nampahatsiahy ny mpanatrika rehetra izany, fa ireo faneren’ity tontolo ity dia manamafy fa akaiky ny farany. (2 Timoty 3:1). Rehefa tsy ketraka anefa isika, dia hanaporofo fa “naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”.—Hebreo 10:39.
Torohevitry ny Baiboly inona no nomena mahakasika ny fiainam-pianakaviana? Nanomboka tamin’ilay lahateny hoe “Rehefa Mifidy Vady” ny fitohitohizan-dahateny voalohany tamin’ilay fivoriambe—“Aoka Ianareo ho Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”. Anisan’ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra raisin’ny olona ny fifidianana vady. Noho izany, dia tokony hiandry mandra-pahamatotra azy ny Kristianina vao hanambady, ary tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” izy ireo. (1 Korintiana 7:39). Ny tapany nanaraka tamin’ilay fitohitohizan-dahateny dia namelabelatra fa irin’i Jehovah hahomby, ka hatanjaka ara-panahy ny fianakaviana rehetra, ary nanolotra fomba azo ampiharina mba hanatanterahana izany izy io. Ny tapany farany dia nampahatsiahy ny ray aman-dreny fa ny fampianarany ny zanany ho tia an’i Jehovah, dia manomboka amin’ny fitiavany an’i Jehovah.
Ireo lafin-javatra nasehon’ilay lahateny hoe “Mitandrema Amin’ny Tsaho sy ny Fifosana” dia nanampy ny rehetra mba hahita fa na dia misy aza zava-mahagaga tena mitranga, dia tokony hanao zavatra amim-pahendrena isika, fa tsy ho mora ambakaina, rehefa mandre fitantarana mampitolagaga. Tsara kokoa ho an’ny Kristianina ny miresaka momba izay fantany ho marina, dia ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana. Tena nampionona sy namelombelona ny maro ilay lahateny hoe “Fizakana ny ‘Tsilo Amin’ny Nofo’ ”. Izy io dia nanampy azy ireo hahita fa na dia mety hiatrika fitsapana mitohy aza isika, dia manome hery antsika i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanahiny masina sy ny Teniny ary ireo rahalahintsika kristianina. Tena nampahery ireo zavatra niainan’ny apostoly Paoly manokana, raha ny amin’io lafiny io.—2 Korintiana 12:7-10; Filipiana 4:11, 13.
Nifarana tamin’ilay lahateny hoe “Fiaraha-mamindra Amin’ny Fandaminan’i Jehovah”, ny andro voalohany. Nodinihina ny lafin-javatra telo izay nanaovan’ny fandaminan’Andriamanitra fandrosoana indrindra: 1) ny fahatakarana ny fahazavana ara-panahy mihamitombo, omen’i Jehovah, 2) ny fanompoana nampiandraiketin’Andriamanitra antsika, ary 3) ireo fanitsiana ara-potoana ny fomba fiasan’ny Hebreo 3:14). Nazava ho azy ny valiny. Izany dia nitarika ho amin’ny fivoahan’ny bokikely vaovao iray hoe Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! Izy io dia ho fitaovana mahery hampianarana ny olona tsy nahita fianarana firy na tsy mahay mamaky teny firy, hahafantatra ny momba an’i Jehovah.
fandaminana. Avy eo, dia nilaza tamin-toky ilay mpandahateny hoe: “Liana mafy ny amin’ny zavatra miandry antsika isika.” Nanontany izy hoe: “Mety hisy isalasalana ve ny amin’ny hoe, maro be ny antony tokony hihazonantsika hatramin’ny farany ilay fatokiana nananantsika tamin’ny voalohany?” (Andro faharoa—Aza mitsahatra milaza ireo asa mahatalanjon’Andriamanitra
Taorian’ny fandinihana ny andinin-teny ho an’iny andro iny, dia nitohy ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe, tamin’ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Mpitory ny Tenin’Andriamanitra”. Nanintona ny saina ho amin’ny fahombiazan’ny asa fitoriana ataontsika maneran-tany, amin’izao andro izao, ny tapany voalohany. Sedraina anefa ny fiaretantsika amin’io asa io, noho ny ankamaroan’ny olona mandà ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nisy mpitory efa hatramin’ny ela maromaro nanazava ny fomba nihazonany ny fifaliany teo amin’ny fanompoana, tamin’ny fanatanjahana ny sainy sy ny fony mba hiatrehana ny zava-tsarotra, dia ny tsy firaharahana na ny fanoherana. Ny tapany faharoa dia nampahatsiahy ny mpanatrika ny fivoriambe fa miezaka mitory amin’ny olona, na aiza na aiza, ny Vavolombelon’i Jehovah, na ara-potoana izany na tsy ara-potoana. Ary nilazalaza ny fomba maro samihafa ahafahan’ny Kristianina rehetra manitatra ny fanompoany manokana, ny tapany farany. Nohamafisin’ilay mpandahateny fa mba hanaovana izany, dia tokony homentsika ny toerana voalohany indrindra ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia hanahirana sy hitaky fandavan-tena aza ny fanaovana izany.—Matio 6:19-21.
Koa satria miaina ao amin’ny tontolo tsy tia an’Andriamanitra, sy tsy mety afa-po amin’ny fikatsahana zavatra ara-nofo isika, dia tena ara-potoana ilay lahateny hoe “Mambole Fifikirana Amin’Andriamanitra Omban’ny Fahaiza-mianina”. Niorina tamin’ny 1 Timoty 6:6-10, 18, 19, ny zavatra sasany nolazain’ilay mpandahateny, ka nasehony fa ny fifikirana amin’Andriamanitra dia manampy ny Kristianina hanalavitra ny fitiavam-bola, izay mety hitarika azy ireo hivily, ka hiteraka alahelo be. Nohamafisiny fa na toy inona na toy inona vola ananantsika, ny fahasambarantsika dia miankina amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny fahasalamantsika ara-panahy. Tohina mafy ny fon’ny maro, noho ilay lahateny hoe “Tsy Manao Izay Mampaha menatra An’Andriamanitra”. Nohamafisina fa tsy hadinon’i Jehovah na oviana na oviana ny Vavolombelony mahatoky. Hanampy ny maro mba hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka ho an’ny fiainana, ny ohatra tsy manan-tsahala navelan’i Jesosy Kristy, izay “tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay”.—Hebreo 13: 8.
Namarana ny fotoam-pivoriana tamin’ny maraina ny lahatenin’ny batisa, izay misongadina foana amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Akory ny hafaliana nahita ireo vaovao vita fanoloran-tena, nanaraka ny dian’i Kristy tamin’ny fanekeny hatao batisa tao anaty rano! (Matio 3:13-17). Izay rehetra manao io dingana io dia efa nahavita zavatra betsaka amin’ny maha mpankatò ny Tenin’Andriamanitra azy. Ambonin’izany, rehefa vita batisa izy ireo, dia tonga minisitry ny vaovao tsara voatokana, ka faly tokoa mahafantatra fa anisan’ny manamasina ny anaran’i Jehovah ny tenany.—Ohabolana 27:11.
Nisy torohevitra nivantana sy nazava nomena tao amin’ilay lahateny hoe “Ilaina ny Fahamatorana mba ‘Hanavahana ny Tsara sy ny Ratsy’ ”. Tsy mahafa-po velively ny fari-pitsipik’ity tontolo ity ny amin’izay tsara sy izay ratsy. Noho izany, dia mila miantehitra amin’ireo fari-pitsipik’i Jehovah isika. (Romana 12:2). Nampirisihina hiezaka mafy ny rehetra, mba hahafantarana marina tsara an’ireo lalan’Andriamanitra, ka hitombo ho amin’ny fahamatorana. Amin izay, rehefa zatra mampiasa tsara ny saintsika isika, dia hahay “hanavaka ny tsara sy ny ratsy” izy io.—Hebreo 5:11-14.
Nanaraka izany ny fitohitohizan-dahateny hoe “Miezaha Mafy mba ho Salama Ara-panahy”. Takatry ny tena Kristianina fa zava-dehibe ny ho salama ara-panahy sy ny hihazonana Matio 7:13, 14; Lioka 13:24). Tsy mitsahatra “amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana rehetra” koa ny olona araka ny fanahy. (Efesiana 6: 18). Takatsika fa ny vavaka ataontsika dia mampiseho ny halalin’ny finoantsika sy ny fandavan-tenantsika, ny hoe aiza ho aiza ny fahasalamantsika ara-panahy, ary koa izay heverintsika ho “zavatra lehibe kokoa”. (Filipiana 1:10). Nohamafisina koa fa zava-dehibe ny mamboly fifandraisana mafana sy feno fitiavana amin’i Jehovah, sahala amin’ny fifandraisan’ny zanaka mankatò iray amin’ny rainy tsara fanahy. Tsy vitan’ny hoe manana fivavahana fotsiny isika—na dia marina aza izy io—fa tokony hanorina finoana matanjaka koa, ‘toy ny mahita an’Andriamanitra’.—Hebreo 11:6, 27.
an’izany hatrany. Mitaky fiezahana mafy eo amin’ny famakian-teny sy ny fianarana ary ny fisaintsainana izany. (Nodinihina misimisy kokoa tao amin’ilay lahateny hoe “Ataovy Miharihary ny Fandrosoanao”, ny fandrosoana ara-panahy. Nisy lafin-javatra telo nodinihina mba hanaovana izany fandrosoana izany: 1) ny fampitomboana ny fahalalana sy ny fahazoana hevi-javatra ary ny fahendrena 2) ny famokarana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, ary 3) ny fiantsorohana ny andraikitsika ao anatin’ny fianakaviana.
Teo amin’ny fifaranan’ilay lahateny famaranana tamin’iny andro iny hoe “Fandehanana Amin’ny Fahazavana Mihamitombon’ny Tenin’Andriamanitra”, dia faly ireo mpanatrika ny fivoriambe nandray ilay boky vaovao hoe Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I. Izy io no voalohany amin’ireo boky roa miresaka ny toko tsirairay ao amin’ny bokin’i Isaia ao amin’ny Baiboly. “Manana hafatra ho antsika amin’izao andro izao ny bokin’i Isaia”, hoy ny nomarihin’ilay mpandahateny. Nanohy ny teniny toy izao izy: “Marina fa maro amin’ireo faminaniany no tanteraka tamin’ny andron’i Isaia (...). Na izany aza, dia maro amin’ireo faminanian’i Isaia no eo am-pahatanterahany amin’izao andro izao, ary ny sasany kosa dia ho tanteraka ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra.”
Andro fahatelo—Aoka ianareo ho mpankatò ny Tenin’i Jehovah
Nanomboka tamin’ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro, ny andro farany tamin’ilay fivoriambe. Nanaraka izany ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Faminaniana Lehibe Nataon’i Zefania ho An’ireo Manao ny Sitrapon’Andriamanitra”. Nasehon’ireo lahateny telo tamin’iny fitohitohizan-dahateny iny, fa hampahory ireo izay tsy mety manaraka ny fampitandremany i Jehovah, sahala amin’ny nataony tamin’ny andron’i Joda nania. Handeha sahala amin’ny jamba tsy misy mpitantana izy ireo, ka tsy ho afaka hahita famonjena, satria nanota tamin’Andriamanitra. Manohy mitady an’i Jehovah amim-pahatokiana kosa ny Kristianina marina, ka ho voafina amin’ny andro fahatezeran’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia efa mahazo fitahiana maro izy ireo dieny izao. Sambatra izy ireo, satria afaka miteny ny “fiteny madio”, dia ny fahamarinana ara-baiboly. (Zefania , NW ). Nanamarika toy izao ilay mpandahateny: “Tsy ny finoana ny fahamarinana sy ny fampianarana azy io amin’ny hafa ihany no tafiditra amin’ny fitenenana ny fiteny madio, fa eo koa ny fampifanarahana ny fitondran-tenantsika amin’ny lalàna sy foto-pitsipik’Andriamanitra.” 3:9
Tsy andrin’ny mpanatrika ny fivoriambe ilay fampisehoana tantara hoe “Ohatra Fampitandremana ho An’ny Androntsika”. Nasehon’iny fampisehoana tantara iny, fa Isiraelita an’arivony maro no namoy ny ainy teo amin’ny sisin’ny Tany Nampanantenaina, satria nanadino an’i Jehovah izy ireo, ary babon’ny fandrokidrokian’ireo vehivavy mpanompo sampy, ka tafalatsaka tao anatin’ny fijangajangana sy ny fanompoam-pivavahan-diso. Teo am-boalohany, dia sahiran-tsaina i Jamina, anisan’ireo nanana anjara lehibe tao amin’ilay tantara: teo ireo vehivavy moabita nanintona azy, nefa teo koa ny fifikirany tamin’i Jehovah. Nisongadina ny fanjohian-kevitra diso sy ny fisainana mamitaka nananan’i Zimry, ary toy izany koa ny finoana sy ny fandavan-tenan’i Finehasa. Naseho mazava ny loza entin’ny fiarahana amin’ireo izay tsy tia an’i Jehovah.
Iny fampisehoana tantara iny dia nampiditra ho amin’ilay lahateny nanaraka hoe “Aoka Ianareo Tsy ho Tonga Mpihaino Manadino”. Nasehon’ny fandinihana ny 1 Korintiana 10:1-10 fa mitsapa ny fankatoavantsika i Jehovah, mba hamantarana raha mendrika ny hahazo lova ao amin’ny tontolo vaovao isika. Ho an’ny sasany, dia manakona ny zava-kendrena ara-panahy ireo faniriana ara-nofo, eny, fa na dia amin’izao fidirana ao amin’ny tontolo vaovao efa antomotra izao aza. Nampirisihina ny rehetra mba tsy hamoy ilay fahafahana ‘hiditra ao amin’ny fitsaharan’i Jehovah’.—Hebreo 4:1.
Momba ilay foto-kevitra hoe “Ny Antony Tokony Handinihina Ireo Asa Mahatalanjon’Andriamanitra”, ny lahateny ampahibemaso. Ireo ‘asa mahatalanjon’i’ Jehovah dia maneho ny fahendreny sy ny fahefana ananany eo amin’ny zavatra noforonina rehetra manodidina antsika. (Joba 37:14). Ampy mba hampiaiky volana an’i Joba ny amin’ny herin’ilay Mpamorona tsitoha, ny fanontaniana maromaro nampieritreritra napetrak’i Jehovah taminy. Amin’ny hoavy, dia hanao ‘asa mahatalanjona’ koa i Jehovah, ho tombontsoan’ireo mpanompony mahatoky. Namarana toy izao ny mpandahateny: “Manana antony be dia be tokony handinihana ireo asa mahatalanjon’i Jehovah isika—izay nataony tamin’ny lasa, izay ataony eo amin’ny zavatra noforoniny manodidina antsika ankehitriny, izay ampanantenainy fa hataony amin’ny hoavy tsy ho ela.”
Taorian’ny famintinana lahatsoratra fianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ilay herinandro, dia natao ny lahateny famaranana tamin’ilay fivoriambe. Ny lohatenin’io lahateny nampientam-po io dia hoe “Hevero ho Zava-dehibe ny Tombontsoanao Amin’ny Maha Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra Anao”, ary nohamafisin’izy io fa voninahitra ny hoe mpankatò ny Tenin’Andriamanitra. (Jakoba 1:22). Nampahatsiahivina ny mpanatrika fa tombontsoa tsy manam-paharoa ny hoe mpankatò ny Tenin’Andriamanitra, ary arakaraka ny ananantsika azy io no hitomboan’ny fiheverantsika azy io ho sarobidy. Nampirisihina ny rehetra, mba hanome taratr’ilay fampaherezana mahasoa azo tamin’iny fivoriamben’ny distrika iny, ka haniry ho mpankatò ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fomba feno. Io no hany loharanom-pahasambarana lehibe indrindra!
[Efajoro/Sary, pejy 25]
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
Ny zoma tolakandro, dia nisy bokikely vaovao navoaka mitondra ny lohateny hoe Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! Tena ilaina any amin’ny faritra maro amin’ny tany ny fampianarana ara-baiboly notsorina, ary hampiasaina hanatanterahana an’izany io bokikely io. Ho fitahiana lehibe izy io ho an’ireo olona tsy mahay mamaky teny na manoratra tsara.
[Efajoro/Sary, pejy 26]
Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra
Faran’izay faly ireo mpanatrika ny fivoriambe, nahazo ilay Boky 1 amin’Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra, misy boky roa. Antitranterina ao amin’io zavatra vita an-tsoratra io fa, mahasoa ny faminanian’i Isaia, amin’izao androntsika izao.