Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiandraikitra sy Mpanampy Amin’ny Fanompoana Voatendry Amin’ny Fomba Teokratika

Mpiandraikitra sy Mpanampy Amin’ny Fanompoana Voatendry Amin’ny Fomba Teokratika

Mpiandraikitra sy Mpanampy Amin’ny Fanompoana Voatendry Amin’ny Fomba Teokratika

“Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho [mpiandraikitra, “NW”]”.​—ASAN’NY APOSTOLY 20:28.

1, 2. Ahoana no ahatanterahan’ny Isaia 60:22 ankehitriny?

EFA hatramin’ny ela i Jehovah no nanambara mialoha fa hisy zavatra hiavaka hitranga amin’izao fotoan’ny farany izao. Izao tokoa mantsy no nambara tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.”​—Isaia 60:22.

2 Misy porofo ve fa tanteraka io faminaniana io ankehitriny? Eny tokoa! Raha ny kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah no resahina, dia nisy iray niforona tany Allegheny, Pennsylvanie, any Etazonia, tao anatin’ireo taona 1870. Avy tamin’izany fiandohana kely izany no nipoiran’ireo kongregasiona an’aliny maro miroborobo maneran-tany. Mpitory ilay Fanjakana an-tapitrisany maro, izay tonga firenena mahery ankehitriny, no ao anatin’ny kongregasiona maherin’ny 91 000, any amin’ny tany 235 maneran-tany. Manamafy tsy misy fisalasalana izany fa eo am-panafainganana ny fanangonana ireo mpivavaka marina aminy i Jehovah, alohan’ny hipoahan’ny “fahoriana lehibe” efa antomotra dia antomotra.​—Matio 24:21; Apokalypsy 7:9-14.

3. Midika ho inona ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”?

3 Rehefa avy nanolo-tena ho an’i Jehovah ireny olona an-tapitrisany maro ireny, dia natao batisa ‘tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina’, araka ny toromarik’i Jesosy. (Matio 28:19). Ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray” dia midika fa manaiky an’i Jehovah ho Rainy any an-danitra ireny olona nanolo-tena ireny, manaiky azy ho Mpanome aina, ary manaiky ny fiandrianany. Ny batisa ‘amin’ny anaran’ny Zanaka’ kosa dia midika fa manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpanavotra azy sy Mpitarika azy ary Mpanjakany izy ireo. Manaiky koa izy ireo fa manan-kery eo amin’ny fiainany ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny heriny miasa. Midika izany fa natao batisa ‘tamin’ny anaran’ny fanahy masina’ izy ireo.

4. Ahoana no anokanana ireo mpanompo kristianina?

4 Voatokana ho mpanompon’i Jehovah Andriamanitra ireo mpianatra vaovao, amin’ny fotoana anaovana batisa azy. Iza no manokana azy ireo? Mihatra amin’izy ireo koa ireto teny voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 3:5 (NW ) ireto: “Ny mahatonga anay hanana ny toetra ilaina ampy tsara [mba ho mpanompo] dia avy amin’Andriamanitra.” Tsy misy voninahitra irin’izy ireo mihoatra noho ny hoe i Jehovah Andriamanitra mihitsy no manokana azy ireo! Aorian’ny batisany, dia hitombo ara-panahy hatrany ireo mpanompon’ny “vaovao tsara” ireo, raha mbola manaiky koa ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra sy mampihatra hatrany ny Teniny.​—Matio 24:14, NW; Asan’ny Apostoly 9:31.

Fanendrena teokratika, fa tsy demokratika

5. Fidina amin’ny fomba demokratika ve ireo mpiandraikitra kristianina sy ireo mpanampy amin’ny fanompoana? Hazavao.

5 Ilaina ny fiandraiketana matotra avy amin’ireo mpiandraikitra mahafeno fepetra, sy ny fanampian’ireo mpanampy amin’ny fanompoana za-draharaha, mba hikarakarana ny zavatra ara-panahy ilain’ireo mpitory marisika tsy mitsaha-mitombo. (Filipiana 1:1). Amin’ny fomba ahoana no anendrena ireny lehilahy araka ny fanahy ireny? Tsy mitovy amin’ny fomba ampiasaina ao amin’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina akory. Tsy fidina amin’ny fomba demokratika, ohatra, ireo mpiandraikitra kristianina. Ny fomba demokratika mantsy dia midika fa nolanin’ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona izy ireo. Atao amin’ny fomba teokratika kosa ireny fanendrena ireny. Inona no hevitr’izany?

6. a) Inona no atao hoe tena teokrasia? b) Nahoana no teokratika ny fanendrena ireo mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana?

6 Raha tsorina, dia fanapahan’Andriamanitra no atao hoe tena teokrasia. Manaiky an-tsitrapo ny fanapahany ny Vavolombelon’i Jehovah ary miara-miasa mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Salamo 143:10; Matio 6:9, 10). Teokratika ny fanendrena ireo mpiandraikitra kristianina, na loholona, ary torak’izany koa ny fanendrena ireo mpanampy amin’ny fanompoana, satria atao araka ny fandaharan’Andriamanitra voalazalaza ao amin’ny Soratra Masina ny fanolorana sy ny fanendrena ireny lehilahy tompon’andraikitra ireny. “Lohany ambonin’izy rehetra” i Jehovah, ka mazava ho azy fa manan-jo hamaritra izay ho fomba fiasan’ny fandaminany hita maso.​—1 Tantara 29:11; Salamo 97:9.

7. Ahoana no itantanana ny Vavolombelon’i Jehovah?

7 Tsy sahala amin’ny fivavahana maro ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy mba manapa-tena ny amin’izay fomba fiasany eo amin’ny sehatry ny fitantanana ara-pivavahana. Miezaka mafy hifikitra amin’ny fari-pitsipik’i Jehovah ireo Kristianina tso-po ireo. Ireo mpiandraikitra eo aminy dia tsy voatendrin’ny fiangonana na iza na iza, na fiangonana tsy miankina io, na misy ambaratongam-pahefana samihafa, na entin’ny presbytera. Raha misy mitady hisalovana ireny fanendrena ireny eo amin’izao tontolo izao, dia tsy mety manaiky lembenana ny vahoakan’i Jehovah. Tsy miova mihitsy izy ireo fa mihazona hatrany ilay toerana tanany, dia ilay nambaran’ny apostoly mazava tsara tamin’ny taonjato voalohany, manao hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29). Noho izany, dia manaiky an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra ireo Vavolombelona. (Hebreo 12:9; Jakoba 4:7). Ahazoana sitraka amin’Andriamanitra ny fanarahana ny fomba teokratika.

8. Inona no maha samy hafa ny fomba demokratika sy ny fomba teokratika?

8 Mpanompon’i Jehovah, ilay Teokraty Lehibe, isika, ka fahendrena ny mitadidy ireo fahasamihafan’ny fomba demokratika sy ny fomba teokratika. Mitaky ny hananan’ny mpifidy zo mitovy hifidy izay hisolo tena azy ny fomba demokratika, ary matetika no lafiny mampiavaka azy io ny fanaovana fampielezan-kevitra mba hahazoana toerana, sy ny fandaniana izay voafidin’ny maro an’isa. Tsy misy idiran’ny fomba toy izany amin’ireo fanendrena teokratika. Tsy avy amin’olombelona ireny fanendrena ireny, ary tsy avy amina fikambanana ara-dalàna koa. Toa niresaka an-kolaka ny amin’ny nanendren’i Jesosy sy i Jehovah azy ho “Apostolin’ny jentilisa” i Paoly, ka nilaza tamin’ireo Galatianina fa “tsy avy tamin’ny olona, na tamin’ny alalan’olona” ny fanendrena azy, “fa tamin’i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ny maty”.​—Romana 11:13; Galatiana 1:1.

Voatendrin’ny fanahy masina

9. Inona no lazain’ny Asan’ny Apostoly 20:28, momba ny fanendrena mpiandraikitra kristianina?

9 Nampahatsiahivin’i Paoly an’ireo mpiandraikitra nonina tany Efesosy fa voatendrin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy masina izy ireo. Hoy izy: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay [nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra, NW ], hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny [ran’ny Zanany, NW ].” (Asan’ny Apostoly 20:28). Nila ny fitarihan’ny fanahy masina hatrany ireo mpiandraikitra kristianina ireo, teo am-panefan’izy ireo ny adidiny hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. Raha tsy nahafeno intsony ny fepetra takin’Andriamanitra ny lehilahy iray voatendry ho amin’ny andraikitra iray, dia nanao izay hanesorana azy tsy ho eo amin’ny toerany ny fanahy masina tamin’ny farany.

10. Nahoana no azo lazaina fa manana anjara asa tena lehibe eo amin’ny fanendrena teokratika ny fanahy masina?

10 Nahoana no azo lazaina fa manana anjara asa tena lehibe ny fanahy masina? Voalohany, dia satria ara-tsindrimandrin’ny fanahy masina ilay firaketana an-tsoratra milazalaza ireo fepetra takina mba hahazoana andraikitra ara-panahy. Nanoritra ireo fepetra tokony hofenoin’ny mpiandraikitra sy ny mpanampy amin’ny fanompoana i Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty sy i Titosy. Nanonona fepetra 16 teo ho eo izy, tamin’ny fitambarany. Ireo mpiandraikitra, ohatra, dia tokony tsy hanan-tsiny, hahonon-tena, ho hendry, ho tia filaminana, ho tia mampiantrano vahiny, hahay hampianatra, ho loham-pianakaviana fakan-tahaka. Tokony hahay handanjalanja izy ireo raha ny amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola, tsy tokony ho tia vola, ary tokony hahafehy tena. Fepetra ambony mitovy amin’izany no notakina tamin’ireo lehilahy niezaka ho voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana.​—1 Timoty 3:1-10, 12, 13; Titosy 1:5-9.

11. Inona no sasany amin’ireo fepetra tsy maintsy fenoin’ireo lehilahy miezaka hahazo andraikitra ao amin’ny kongregasiona?

11 Rehefa dinihina ireo fepetra takina ireo, dia hita fa tsy maintsy fakan-tahaka eo amin’ny fitondran-tena kristianina ireo mitarika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy maintsy manome porofo ireo lehilahy miezaka hahazo andraikitra ao amin’ny kongregasiona fa miasa amin’izy ireo ny fanahy masina. (2 Timoty 1:14). Tsy maintsy hita miharihary eo amin’ireny lehilahy ireny ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, dia ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po”. (Galatiana 5:22, 23). Hiseho eo amin’ny fifandraisany amin’ireo mpiray finoana aminy sy ny hafa ny vokatry ny fanahy toy izany. Mazava ho azy fa mety hanan-tombo ny sasany eo amin’ny fanehoana ny vokatry ny fanahy sasany, fa ny hafa kosa mety hahafeno bebe kokoa ireo fepetra hafa takina amin’ny mpiandraikitra. Eo amin’ny fomba fiainany amin’ny ankapobeny anefa, dia tokony hasehon’ireo rehetra manantena ny ho voatendry ho mpiandraikitra na mpanampy amin’ny fanompoana fa lehilahy araka ny fanahy izy ireo, mahafeno ireo fepetra takin’ny Tenin’Andriamanitra.

12. Iza no azo lazaina ho voatendrin’ny fanahy masina?

12 Nampirisika ny hafa hanahaka azy i Paoly, ary afaka niteny izany tsara izy satria nanahaka an’i Jesosy Kristy, izay ‘namela fianarana ho antsika, mba hanarahantsika ny diany’. (1 Petera 2:21; 1 Korintiana 11:1). Azo lazaina ho voatendrin’ny fanahy masina àry ireo mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina, amin’ny fotoana anendrena azy ho mpiandraikitra na mpanampy amin’ny fanompoana.

13. Ahoana no anampian’ny fanahy masina an’ireo manao fanolorana lehilahy mba hanompo ao amin’ny kongregasiona?

13 Misy lafin-javatra hafa iray mampiseho ny fomba fiasan’ny fanahy masina eo amin’ny fanolorana sy ny fanendrena mpiandraikitra. Nilaza i Jesosy fa ‘ny Ray, Izay any an-danitra, dia hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy’. (Lioka 11:13). Koa rehefa mivory mba hanolotra lehilahy hiantsoroka andraikitra ao amin’ny kongregasiona àry ireo loholona ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana, dia mivavaka izy ireo mba hitarihan’ny fanahin’Andriamanitra azy. Rehefa manao fanolorana izy ireo, dia ataony fototra iorenan’izany ny voalazan’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ary manampy azy ireo koa ny fanahy masina mba hahaizany hanavaka raha mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina na tsia, ny olona iray eritreretin’izy ireo hotendrena. Tsy tokony hisy heriny tafahoatra eo amin’ireo manao fanolorana ny fisehoana ivelan’ilay olona atolotra, na ny fianarana vitany, na ny fahaizana voajanahary ananany. Ny tsy maintsy ifantohan’izy ireo voalohany indrindra dia hoe lehilahy araka ny fanahy ve ilay olona, lehilahy izay tsy hampisalasala ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona ny hanatona azy mba hitadiavana torohevitra ara-panahy.

14. Inona no fianarana raisintsika avy amin’ny Asan’ny Apostoly 6:1-3?

14 Na dia miara-miasa aza ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny fitambaran-doholona rehefa manolotra rahalahy ho loholona na mpanampy amin’ny fanompoana, dia atao araka ilay modely nomena tamin’ny taonjato voalohany ny tena fanendrena. Indray mandeha, dia nisy nilana lehilahy mahafeno fepetra ara-panahy mba hisahana asa lehibe. Nanome izao toromarika izao ny fitambara-mpitantana: “Mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.” (Asan’ny Apostoly 6:1-3). Na dia ireo lehilahy nasaina nizaha olona toy izany aza no nanao ireo fanolorana, dia ireo lehilahy tompon’andraikitra tao Jerosalema kosa no nanao ny fanendrena. Modely mitovy amin’izany no arahina ankehitriny.

15. Inona no anjara asan’ny Fitambara-mpitantana eo amin’ny fanendrena lehilahy?

15 Manendry mivantana ireo rehetra anisan’ny Komitin’ny Sampana ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa manapa-kevitra ny amin’izay afaka hiantsoroka andraikitra mavesatra toy izany ny Fitambara-mpitantana, dia mitadidy ireto tenin’i Jesosy ireto: “Izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.” (Lioka 12:48). Ankoatra ny fanendrena ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana, dia manendry loholon’ny Betela sy mpiandraikitra mpitety faritany koa ny Fitambara-mpitantana. Manome fahefana rahalahy mendri-pitokisana anefa izy ireo mba hisolo tena azy eo amin’ny fanaovana fanendrena sasany. Misy ohatra araka ny Soratra Masina koa momba izany.

‘Manendre loholona araka ny nandidiako anao’

16. Nahoana no namela an’i Titosy tany Kreta i Paoly? Midika ho inona momba ny fanendrena teokratika ankehitriny izany?

16 Nilaza toy izao tamin’i Titosy mpiara-miasa taminy i Paoly: “Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao”. (Titosy 1:5). Avy eo dia nosoritan’i Paoly ireo toetra tokony hotadiavin’i Titosy teo amin’ireo lehilahy nety hahafeno fepetra ho amin’izany fanendrena izany. Ankehitriny àry, dia manendry rahalahy mahafeno fepetra, any amin’ireo sampana, ny Fitambara-mpitantana, mba hisolo tena azy eo amin’ny fanendrena loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana. Misy fitandremana atao mba hahatonga an’ireo misolo tena ny Fitambara-mpitantana hahatakatra tsara sy hanaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina momba ny fanaovana fanendrena toy izany. Noho izany, dia eo ambanin’ny fitarihan’ny Fitambara-mpitantana no anendrena lehilahy mahafeno fepetra mba hanompo ao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany.

17. Ahoana no ikarakaran’ny biraon’ny sampana ireo fanolorana mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana?

17 Rehefa misy fanolorana mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana voarain’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower, dia miantehitra amin’ny fanahin’Andriamanitra ireo lehilahy za-draharaha mba hahazoana fitarihana eo amin’ny fanaovana ireo fanendrena. Tsapan’ireny lehilahy ireny fa mbola hampamoahina ny tenany, satria takany fa tsy tokony halaky hametra-tanana amin’olona na iza na iza izy ireo, fandrao miombona ota aminy.​—1 Timoty 5:22.

18, 19. a) Ahoana no ampitana ny fanendrena sasany? b) Ahoana no anaovana ilay fanolorana sy fanendrena manontolo?

18 Mety hampitaina amin’ny alalan’ny taratasy misy fitomboka ofisialy avy amin’ny fikambanana ara-dalàna iray ny fanendrena sasany. Azo ampiasaina hanendrena rahalahy mihoatra ny iray ao anatin’ny kongregasiona ny taratasy toy izany.

19 Ireo fanendrena teokratika dia avy amin’i Jehovah, amin’ny alalan’ny Zanany sy ilay fitaovana hita maso eto an-tany fampitan’Andriamanitra hafatra, dia ny “mpanompo mahatoky sy malina” sy ny Fitambara-mpitantany. (Matio 24:45-47, NW ). Eo ambanin’ny fitarihan’ny fanahy masina avokoa ilay fanolorana sy fanendrena manontolo. Izany no izy satria ireo fepetra takina dia voalazalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay ara-tsindrimandrin’ny fanahy masina, ary hita porofo koa fa maneho ny vokatr’io fanahy io ilay olona voatendry. Tokony hoheverina ho nataon’ny fanahy masina àry ireo fanendrena. Notendrena tamin’ny fomba teokratika ireo mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana tamin’ny taonjato voalohany, ary toy izany koa ny ankehitriny.

Velom-pankasitrahana noho ny fitarihan’i Jehovah

20. Nahoana isika no miombom-pihetseham-po amin’i Davida, araka ny voarakitra ao amin’ny Salamo 133:1?

20 Amin’izao fotoan’ny firoboroboana ara-panahy sy ny fitomboana teokratika eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana izao, dia velom-pankasitrahana isika satria i Jehovah no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanendrena ireo mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana. Izany fandaharana araka ny Soratra Masina izany dia anisan’ny mahatonga antsika Vavolombelon’i Jehovah ho afaka hihazona hatrany ny fari-pitsik’Andriamanitra, dia ireo fari-pitsipiny ambony momba ny fahamarinana. Ambonin’izany, dia mandray anjara be dia be amin’ny fisian’ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina mahatalanjona eo amintsika mpanompon’i Jehovah, ny toe-tsaina kristianina sy ny ezaka amim-pahatsorana ataon’ireny lehilahy ireny. Toa an’i Davida mpanao salamo, dia voatosika hihiaka toy izao isika noho izany: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.”​—Salamo 133:1.

21. Ahoana no ahatanterahan’ny Isaia 60:17 ankehitriny?

21 Velom-pankasitrahana tokoa isika noho ny fitarihan’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny masina! Ary tena misy heviny ho antsika tokoa ireto teny voarakitra ao amin’ny Isaia 60:17 ireto: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” Arakaraka ny nampiharana tamin’ny fomba feno kokoa ireo fomba teokratika teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah no nahazoantsika izany fitahiana manenika ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany izany.

22. Inona avy no ara-dalàna raha mahavelom-pankasitrahana antsika? Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

22 Velom-pankasitrahana lalina isika noho ireo fandaharana teokratika eo anivontsika. Mankasitraka be dia be koa ny asa mafy nefa mahafa-po ataon’ireo mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana voatendry tamin’ny fomba teokratika isika. Mankalaza amin’ny fontsika rehetra an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, noho ny nanomezany antsika firoboroboana ara-panahy, sy ny nandrotsahany fitahiana tondraka ho antsika. (Ohabolana 10:22). Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hiara-mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ambonin’ny zava-drehetra, dia aoka isika hiara-manompo amim-piraisan-tsaina hatrany mba ho fanajana sy fiderana ary fanomezam-boninahitra ny anarana lehibe sy masin’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no afaka milaza fa teokratika, fa tsy demokratika, ny fanendrena ireo mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana?

• Ahoana no anendren’ny fanahy masina ireo lehilahy kristianina manana andraikitra?

• Inona no anjara asan’ny Fitambara-mpitantana eo amin’ny fanendrena ireo mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana?

• Nahoana isika no tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho ny fanendrena teokratika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Manana tombontsoa hanompo noho ny fanendrena teokratika ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana