Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Anoheran’izy Ireo ny Fitaoman’ireo Mitovy Taona Aminy

Ny Fomba Anoheran’izy Ireo ny Fitaoman’ireo Mitovy Taona Aminy

Ny Fomba Anoheran’izy Ireo ny Fitaoman’ireo Mitovy Taona Aminy

MISY heriny eo amin’ny olona maro ny faniriana ny heken’ny hafa, ka manaraka ny fomba fisaina sy ny zavatra ataon’ireo mitovy taona aminy izy ireo. Ny tanora indrindra indrindra no tena mila hery mba handavana tsy handray anjara amin’ny fanao manimba, toy ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fahalotoam-pitondran-tena. Ahoana no ahafahany manohitra ny fitaoman’ireo mitovy taona aminy?

Vao haingana, dia nanoratra toy izao ny zatovovavy roa tany Polonina: “Miharihary eo amin’ny zatovo maro mitovy taona aminay ny toe-tsain’izao tontolo izao. Mifraody izy ireo, mampiasa teny vetaveta, ary tia akanjo ara-damaody tafahoatra sy mozika mitabataba be sy feno fahalotoam-pitondran-tena. Faly erỳ izahay manana lahatsoratra natao ho anay tanora, sady miaro anay amin’ny fitaoman’ireo zatovo tsy afa-po sy mpikomy!

Tsy misy teny ahafahanay maneho ny fankasitrahanay noho ireo lahatsoratra ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana, izay nandentika tao an-tsainay fa ilaina sy ankasitrahana izahay tanora. Nanampy anay hitarika ny dianay araka ny tokony ho izy, mba hampifaliana an’i Jehovah Andriamanitra hatrany, ny torohevitra ara-baiboly noraisinay. Miaiky izahay fa ny fanompoana an’i Jehovah amim-pahatokiana no fomba fiaina tsara indrindra.”

Eny, azon’ny tanora atao ny manohitra ny fitaoman’ireo mitovy taona aminy. Amin’ny fanazarana ny ‘sainy’, dia mianatra mandray fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena ireo tanora kristianina, fanapahan-kevitra tsy ahitana taratry ny “fanahin’izao tontolo izao”, fa “ny Fanahy izay avy amin’Andriamanitra” kosa.​—Hebreo 5:14; 1 Korintiana 2:12.