Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Samy Hafa ny Fitambara-mpitantana sy ny Fikambanana Ara-dalàna

Samy Hafa ny Fitambara-mpitantana sy ny Fikambanana Ara-dalàna

Samy Hafa ny Fitambara-mpitantana sy ny Fikambanana Ara-dalàna

EFA hatramin’ny Janoary 1885 no nanaovana ny fivoriana fanao isan-taona, ho an’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Raha mbola nizotra ny fanangonana ireo Kristianina voahosotra tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia olona nanana fanantenana ny ho any an-danitra ireo mpitantana an’io fikambanana io sy ireo tompon’andraikitra tao aminy. Raha ny marina, dia saika izany foana no izy.

Nisy naningana ihany anefa. Tamin’ny 1940, dia voafidy ho anisan’ny mpitantana ny Fikambanana i Hayden C. Covington. Mpanolo-tsaina momba ny lalàna nampiasain’ny Fikambanana izy tamin’izany fotoana izany, ary anisan’ny “ondry hafa”, manana fanantenana ny ho eto an-tany. (Jaona 10:16). Prezidà lefitry ny Fikambanana izy nanomboka tamin’ny 1942 ka hatramin’ny 1945. Tamin’ny taona 1945, dia nametra-pialana tsy ho anisan’ny mpitantana ny Fikambanana ny Rahalahy Covington, ho fanarahana an’izay toa sitrapon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany, dia ny hoe Kristianina voahosotra avokoa ireo mpitantana ny fikambanan’i Pennsylvania sy ireo tompon’andraikitra ao aminy. Nisolo an’i Hayden C. Covington i Lyman A. Swingle, ka nanjary anisan’ny filan-kevi-pitantanana, ary voafidy ho prezidà lefitra kosa i Frederick W. Franz.

Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no nihevitra fa tokony ho Kristianina voahosotra avokoa ireo mpitantana ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania sy ireo tompon’andraikitra ao aminy? Satria izao no zava-nisy tamin’izany fotoana izany: Ny filan-kevi-pitantanan’ny fikambanan’i Pennsylvania sy ireo tompon’andraikitra tao anatiny, dia nampifandraisina akaiky tamin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay lehilahy voahosotry ny fanahy foana no nahaforona azy manontolo.

Fivoriana fanao isan-taona nanan-tantara

Tamin’ny fivoriana fanao isan-taona tamin’ny 2 Oktobra 1944, tany Pittsburgh, any Etazonia, dia nandany fanapahan-kevitra enina, ho fanitsiana ny sata nifehy ny fikambanan’i Pennsylvania ireo mpikambana tao amin’izy io. Fepetra notakina tao amin’ilay sata nifehy ny hoe samy omena anjara vato avy, ireo mpanohana ara-bola ny asan’ny Fikambanana. Nofoanan’ny fanitsiana fahatelo anefa io fepetra io. Izao no nomarihina tao amin’ny tatitra momba an’iny fivoriana fanao isan-taona iny: “Hoferana tsy hihoatra ny 500 ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana. (...) Ny olona tsirairay fidina dia tsy maintsy mpanompo manontolo andron’ny Fikambanana, na mpanompo tapa-potoana ao amin’ny kompania [kongregasiona] iray eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy maintsy maneho ny toe-tsain’ny Tompo.”

Taorian’izay, ireo mpitantana ny Fikambanana dia nofidin’olona nahafoy tena tanteraka ho an’i Jehovah, na toy inona na toy inona habetsahan’ny vola arotsany ho fampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Hita fa nifanaraka tamin’ilay fanatsarana miandalana nambara mialoha ao amin’ny Isaia 60:17 izany. Izao tokoa no vakintsika ao: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko [mpiandraikitra, NW ] anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” Nanintona ny saina ho amin’ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny fandaminana teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah io faminaniana io, rehefa niresaka momba ny “mpiandraikitra” sy ny “mpampiasa”.

Izany dingana lehibe ho amin’ny fanarahan’ny fandaminana ny fomba teokratika izany, dia tonga tamin’ny faran’ilay “telon-jato sy roa arivo andro”, voalaza ao amin’ny Daniela 8:14. ‘Nodiovina ny fitoerana masina’ tamin’izay fotoana izay.

Mbola nisy fanontaniana tena lehibe tsy voavaly anefa taorian’ilay fivoriana fanao isan-taona nanan-tantara, tamin’ny 1944. Tamin’izany fotoana izany, dia nampifandraisina akaiky tamin’ireo mpikambana fito tao amin’ny filan-kevi-pitantanan’ny fikambanan’i Pennsylvania ny Fitambara-mpitantana. Nidika àry ve izany fa tsy afaka hihoatra ny fito mihitsy ny isan’ireo Kristianina voahosotra mahaforona ny Fitambara-mpitantana? Fidin’ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana koa ireo mpitantana azy io, ka mifidy koa an’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana àry ve izany ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana, rehefa manao ny fivoriana fanaony isan-taona izy ireo? Iray ihany ve, sa samy hafa, ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana sy ireo mpitantana ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, mbamin’ireo tompon’andraikitra ao anatiny?

Fivoriana fanao isan-taona tsy hay hadinoina

Voavaly tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona tamin’ny 1 Oktobra 1971 ireo fanontaniana ireo. Tamin’io fotoana io, dia nohazavain’ny iray tamin’ireo mpandahateny fa efa nisy an-jatony taona maro talohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania ny fitambara-mpitantan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Nisy fitambara-mpitantana niforona tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., maherin’ny 1 800 taona talohan’ny niforonan’ny fikambanan’i Pennsylvania. Teo am-boalohany, dia tsy olona 7, fa apostoly 12, no nahaforona fitambara-mpitantana. Miharihary fa nitombo io isa io tatỳ aoriana, satria mpitari-dalana “ny Apostoly sy ny loholona” tany Jerosalema.​—Asan’ny Apostoly 15:2.

Tamin’ny 1971, dia nohazavain’io mpandahateny io ihany fa tsy afaka mifidy an’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana voahosotra ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Watch Tower. Nahoana? ‘Satria’, hoy izy, ‘tsy olona mihitsy no manendry ny fitambara-mpitantan’ny kilasin’ny “mpanompo”, fa i Jesosy Kristy, ilay Lohan’ny tena kongregasiona kristianina sy Tompon’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”.’ Mazava àry fa tsy afaka mifidy an’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana ireo mpikambana ao amina fikambanana ara-dalàna, na fikambanana inona io na fikambanana inona.

Nanohy ny teniny ihany ilay mpandahateny, tamin’ny fanaovana izao fanambarana tena mafonja izao: “Tsy manana tompon’andraikitra toy ireo ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Fikambanana ny fitambara-mpitantana, izany hoe tsy manana prezidà, prezidà lefitra, sekretera mpitahiry vola, sy mpanampy ny sekretera mpitahiry vola. Mpitari-draharaha ihany no ananany.” Nandritra ny taona maro, dia ny olona iray nisongadina indrindra tao amin’ny Fitambara-mpitantana no prezidàn’ny fikambanan’i Pennsylvania. Tsy ho izany intsony anefa no izy. Na dia tsy mitovy aza ny traikefa na ny fahaizan’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia hitovy kosa izy ireo eo amin’ny andraikitra sahaniny. Hoy ny teny nanampin’ilay mpandahateny: ‘Izay anisan’ny fitambara-mpitantana àry dia afaka ny ho mpitari-draharaha, nefa tsy ho prezidàn’ny Fikambanana. Izany dia miankina tanteraka amin’ilay fandaharana hoe mifandimby ho mpitari-draharaha ireo anisan’ny fitambara-mpitantana.’

Tamin’ny 1971, dia nosoritana mazava tsara tao amin’io fivoriana fanao isan-taona tsy hay hadinoina io fa zavatra roa miavaka tsara ny mpitantana ny fikambanan’i Pennsylvania sy ny mpikambana voahosotra ao amin’ny Fitambara-mpitantana. Na izany aza, dia mbola mpitantana ny Fikambanana sy tompon’andraikitra tao aminy ihany ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana. Ankehitriny anefa, dia mipetraka izao fanontaniana izao: Misy antony araka ny Soratra Masina ve ahafahana milaza fa tsy maintsy anisan’ny Fitambara-mpitantana ireo mpitantana ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania?

Tsia no valiny. Tsy ny fikambanan’i Pennsylvania no hany fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah fa misy hafa koa. Iray amin’izany ny Watch Tower Bible and Tract Society of New York, Inc. Manamora ny asantsika any Etazonia izy io. Mazava fa nandrotsahan’i Jehovah ny fitahiany io fikambanana io, na dia anisan’ny “ondry hafa” aza ny ankabeazan’ireo mpitantana sy tompon’andraikitra ao amin’izy io. Ampiasaina any Grande-Bretagne ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Misy fikambanana ara-dalàna hafa ampiasaina any an-tany hafa mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Manampy amin’ny fomba mirindra mba hahavita ny asa fitoriana maneran-tany izy rehetra ireny no sady manana anjara koa amin’izany. Na aiza na aiza misy ireny fikambanana ireny, ary na iza na iza no mpitantana na tompon’andraikitra ao amin’izy ireny, dia tarihina amin’ny fomba teokratika izy ireny, ary ampiasain’ny Fitambara-mpitantana. Noho izany, dia manana ny asa nanendrena azy ireny fikambanana ireny, ho fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana.

Mahasoa antsika ny fananana fikambanana ara-dalàna. Mahatonga antsika hanaraka ny lalàna eo an-toerana sy ny lalàn’ilay tany, araka izay takin’ny Tenin’Andriamanitra, ny fananantsika azy ireny. (Jeremia 32:11; Romana 13:1). Ny fikambanana ara-dalàna dia manamora ny asantsika, dia ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana, amin’ny alalan’ny fanontana Baiboly, boky, gazety, bokikely, sy zavatra hafa. Ny fikambanana toy ireny koa dia fitaovana ara-dalàna hikarakarana raharaha mifandray amin’ny fananana tany sy trano, ny fitondrana fanampiana vonjy rano vaky, ny fifanekena ny amin’ny hampiasana toerana hanaovana fivoriambe, sy ny toy izany. Velom-pankasitrahana isika noho ny asan’ireny fikambanana ara-dalàna ireny.

Misongadina ny anaran’i Jehovah

Tamin’ny 1944, dia nasiam-panitsiana ny Andalana faharoa tao amin’ny sata mifehy ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, mba hanamafisana ireo tanjona kendren’io fikambanana io. Araka ny voalaza ao amin’ilay sata, dia anisan’ireo zava-kendren’ny Fikambanana ity zava-kendrena lehibe indrindra ity: “Hitory any amin’ny firenena rehetra ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra tantanan’i Kristy Jesosy, ho vavolombelona ho an’ny anaran’i JEHOVAH Andriamanitra Tsitoha, sy ny teniny, ary ny fahamboniany.”

Nanomboka tamin’ny 1926, dia nanasongadina ny anaran’i Jehovah “ny mpanompo mahatoky”. Mendri-komarihina indrindra ny taona 1931, izay nandraisan’ny Mpianatra ny Baiboly ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10-12). Anisan’ireo bokin’ny Fikambanana nanasongadina ny anaran’Andriamanitra ireto boky ireto: Jehovah (1934, anglisy), “Hohamasinina Anie ny Anaranao” (1961, frantsay) sy ny “Ho Fantatry ny Firenena fa Izaho no Jehovah”​Amin’ny fomba Ahoana? (1971, frantsay).

Tsy maintsy asiana firesahana manokana Ny Soratra Masina​Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay navoaka manontolo tamin’ny teny anglisy tamin’ny 1960. Mirakitra ny anaran’i Jehovah izy io, ao amin’ny toerana rehetra isehoan’ny Tetragrama ao amin’ny Soratra Hebreo. Misy ny anaran’Andriamanitra koa ao amin’ny toerana 237 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ao amin’io fandikan-teny io. Nanaovana famakafakana tamim-pitandremana ny Soratra Grika Kristianina, ka hita fa nisy antony marim-pototra ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ireo toerana ireo. Tamin’ny lafiny maro samihafa, dia navelan’i Jehovah hampiasa fikambanana ara-dalàna sy hampiasa an’izay rehetra ilaina amin’ny fanontam-pirinty ny “mpanompo” sy ny Fitambara-mpitantany, mba hampahafantarana ny anaran’i Jehovah maneran-tany. Velom-pankasitrahana tokoa isika noho izany!

Nampiroboroboina ny fanapariahana ny Tenin’Andriamanitra

Nijoro hatrany ho vavolombelon’ny anaran’i Jehovah sy nanohana ny Tenin’i Jehovah ny vahoakany, tamin’ny fanontana sy ny fanapariahana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly an-tapitrisany maro, sy ny Baiboly mihitsy koa. Tany am-piandohan’ireo taona 1900, dia nanjary tompon’ny The Emphatic Diaglott ny Fikambanana Watch Tower. Fanontana ny Soratra Grika Kristianina nataon’i Benjamin Wilson izy io, izay tsy inona fa dikan-teny grika-anglisy isan’andalana. Nanonta ny Baiboly King James Version koa ny Fikambanana. Nataon’ny Mpianatra ny Baiboly io fanontana io, izay nisy fanazavana fanampiny 500 pejy. Tamin’ny 1942, dia nanonta ny Baiboly King James Version nisy fanamarihana eny an-tsisim-pejy, ny Fikambanana. Avy eo, tamin’ny 1944, dia nanomboka nanao pirinty ny Baiboly American Standard Version ny Fikambanana. Fanontana tamin’ny 1901, izay mampiasa ny anaran’Andriamanitra, izy io. Lafiny mampiavaka koa ny The Bible in Living English, nataon’i Stephen T. Byington, ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra. Nanonta an’io Baiboly io koa ny Fikambanana, tamin’ny 1972.

Nanampy tamin’ny fanaovana pirinty sy ny fanapariahana ireo fandikan-tenin’ny Baiboly rehetra ireo ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Faran’izay niavaka anefa ilay fiaraha-miasa akaiky dia akaiky teo amin’ny Fikambanana Watch Tower sy ilay antokona Vavolombelon’i Jehovah voahosotra, nahaforona ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao. Faly isika fa, hatramin’izao, dia maherin’ny 106 400 000 amin’io fandikan-teny io no efa natao pirinty tamin’ny fiteny 38, na manontolo izany na ampahany aminy. Tena fikambanana mampiely Baiboly tokoa ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania!

Ny “mpanompo mahatoky” dia ‘notendrena ho mpanapaka ny fananan’ny tompony rehetra’, anisan’izany ireo trano any amin’ny foibe any amin’ny fanjakan’i New York, any Etazonia, sy ny any amin’ireo sampana 110 maneran-tany, izay miasa ankehitriny. Fantatr’ireo anisan’ny kilasin’ny mpanompo fa tsy maintsy hampamoahina ny amin’ny fomba nampiasany ny zavatra nankinina taminy izy ireo. (Matio 25:14-30). Izany anefa dia tsy misakana ny “mpanompo” tsy hamela mpiandraikitra mahafeno fepetra, anisan’ny “ondry hafa”, mba hiantsoroka andraikitra araka ny lalàna sy ara-pitantanana. Raha ny marina, dia mamela ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana hanokana fotoana bebe kokoa amin’ny “fivavahana sy ny fampianarana” izany.​—Asan’ny Apostoly 6:4.

Raha mbola mamela koa ny toe-piainana eo amin’ity tontolo ity, dia hampiasa hatrany fikambanana ara-dalàna ny Fitambara-mpitantana, izay misolo tena ny “mpanompo mahatoky sy malina”. Tsara ny hampiasana ireny fikambanana ireny, nefa tsy hoe tsy maintsy misy izy ireny. Mbola hitohy foana ny asa fitoriana na dia foanan’ny didim-panjakana aza ny fikambanana ara-dalàna iray. Na dia ankehitriny aza, dia misy tany mampihatra fameperana amin’ny asantsika, hany ka tsy misy fikambanana ara-dalàna ampiasaina any. Mbola torina any amin’ireny tany ireny ihany anefa ny hafatra momba ilay Fanjakana, mbola misy ihany ny fanaovana mpianatra, ary mbola mitombo hatrany ihany ny teokrasia. Mitranga izany satria mamboly sy manondraka ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ‘Andriamanitra no mampitombo’.​—1 Korintiana 3:6, 7.

Eo am-pibanjinantsika ny hoavy, dia matoky isika fa hikarakara izay ilain’ny vahoakany eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo i Jehovah. Hanohy hanome tari-dalana sy fanampiana avy an-danitra, araka izay ilaina, i Jehovah sy i Jesosy Kristy Zanany, mba hamitana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Mazava ho azy fa izay rehetra vitantsika mpanompon’Andriamanitra dia tsy vitantsika ‘amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny fanahin’i Jehovah’. (Zakaria 4:6). Mangataka fanampiana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka àry isika, noho ny fahafantarana fa ho afaka hamita ilay asa nasainy nataontsika amin’izao fotoan’ny farany izao isika, noho ny hery omen’i Jehovah antsika!