Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Sangan’asa Iray Faran’izay Tsara”

“Sangan’asa Iray Faran’izay Tsara”

Miorena Amin’ny Fomba Feno sy Amim-piekena Mafy

“Sangan’asa Iray Faran’izay Tsara”

TEO am-piandohan’ny tantarany maoderina, dia efa liana mafy tamin’izao faminanian’i Jesosy Kristy izao ny Vavolombelon’i Jehovah: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Rehefa nihananakaiky ny taona 1914​—ny fiandohan’ny “andro farany”​—dia feno fiekena mafy ireo Mpianatra ny Baiboly tso-po nanomboka fandaharam-pampianarana naneran-tany niorina tamin’ny Soratra Masina, izay fandaharana mbola tsy nisy toy izany.​—2 Timoty 3:1, NW.

Nampiasa tamim-pahasahiana fomba vaovao sy velombelona, ireny mpanompon’i Jehovah ireny, mba hanatratrarana ny tanjony, dia ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany. Hanao jery todika ny amin’ny lasa isika, mba hahafantarana misimisy kokoa ny amin’izy io.

Fomba vaovao hanambarana ny vaovao tsara

Volana Janoary 1914 tamin’izay. Alao sary an-tsaina hoe mipetraka eo anivon’ny olona 5 000 ianao, ao anatin’ny toeram-pivoriana maizina iray, any New York. Misy efijery lehibe fijerena sarimihetsika manoloana anao. Mipoitra eo amin’ilay efijery ny lehilahy iray fotsy volo, manao palitao hatreo amin’ny lohalika ny halavany. Efa nahita sarimihetsika tsy misy feo ihany ianao, fa ity lehilahy ity kosa miteny, ary renao mihitsy ny teniny. Manatrika fampisehoana voalohany ny zava-baovao ara-teknika iray ianao, ary tsy manam-paharoa ilay hafatra. I Charles Taze Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, ilay miteny, ary ny “Photo-Drame de la création” ilay zava-baovao.

Takatr’i C. T. Russell fa azo ampitana hafatra amin’ny vahoaka maro be ny sarimihetsika. Noho izany, dia nanomboka nanomana ny “Photo-Drame de la création” izy, tamin’ny 1912. Sary diapositives sy sarimihetsika naharitra adiny valo, ary niloko sady nisy feo ilay izy, rehefa vita.

Nozaraina efatra ny fampisehoana ny “Photo-Drame”, ary nampiseho ny tantaran’ny olombelona nanomboka tamin’ny famoronana, ka hatramin’ny fara tampon’ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra ho an’ny tany sy ny olombelona, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Taona maro tatỳ aoriana vao nahazoana tombony ara-barotra ny fampiasana io teknika io. Nahita maimaim-poana an’ilay “Photo-Drame de la création” anefa ny olona an-tapitrisany maro!

Mozika faran’izay tsara sy lahateny 96 natao tamin’ny grafofaonina no nomanina ho an’ilay “Photo-Drame”. Sary hoso-doko tsara tarehy mampiseho ny tantaran’izao tontolo izao no natao sary diapositives. Nilaina koa ny nanao sary hoso-doko sy sarisary hafa an-jatony maro. Natao tanana sy nokalina fatratra ny fandokoana ny diapositives sy ny filma sasany. Ary naverina imbetsaka izany, satria fampisehoana 20 nisy fizarana efatra avy, no nomanina. Noho izany, dia azo natao ny nampiseho ampahany iray tamin’ilay “Photo-Drame” tany amin’ny tanàna 80 samy hafa, na andro inona na andro inona!

Ireo zavatra tsy hitan’ireo mpijery

Inona no zavatra tsy hitan’ireo mpijery nandritra ny fampisehoana an’ilay “Photo-Drame”? “Ny Rahalahy Russell no niseho voalohany tamin’ilay Drame”, hoy i Alice Hoffman, Mpianatra ny Baiboly. “Rehefa nipoitra teo amin’ny efijery izy, ary nanomboka nihetsika ny molony, dia nalefa tamin’izay ny grafofaonina (...) ary nihaino ny feony tamim-pahafinaretana izahay.”

Nilaza an-kolaka fanaovan-tsary nohafainganina i Zola Hoffman, rehefa nitantara toy izao ny zavatra tsaroany: “Nipetraka teo aho, nihiratra ny masoko, talanjona erỳ nijery ny fampisehoana ireo andro famoronana. Nahita lilia nivelatra miandalana teo imasonay mihitsy izahay.”

Nanampy teny toy izao i Karl F. Klein, mpitia mozika, ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Nampiarahina tamin’ireo sary ny mozika faran’izay tsara, dia zavakanto malaza toy ny Narcissus sy ny Humoreske.”

Nisy zava-nitranga hafa tsy hay hadinoina koa. “Indraindray, dia nisy zavatra nahatsikaiky”, hoy ny tsaroan’i Clayton J. Woodworth, zanany. “Indray mandeha, dia nandeha ny mozika hoe ‘Mandosira eny An-tendrombohitrao toy ny Vorona’, nefa sarina biby goavam-be niaina talohan’ny Safo-drano no hita teo amin’ny efijery!”

Tsy ela, dia natao koa ny fampisehoana “Eurêka-Drame” samy hafa, ankoatra ilay “Photo-Drame de la Création” mahazatra. (Jereo ny faritra voafefy.) Lahateny amin’ny kapila miaraka amin’ny mozika ny “Eurêka-Drame” iray. Kapila sy diapositives ny faharoa. Tsy nisy sarimihetsika tamin’ny “Eurêka-Drame”, nefa tena nahita fahombiazana izy io tany amin’ny faritra vitsy mponina kokoa.

Fitaovana nahery nanaovana fanambarana

Tamin’ny faramparan’ny 1914, dia olona maherin’ny 9 000 000, tamin’ny fitambarany, no nanatrika ny fampisehoana ilay “Photo-Drame”, tany Amerika Avaratra sy Eoropa ary Aostralia. Vitsy ireo Mpianatra ny Baiboly, nefa nanana ny fiekena mafy nilaina mba hanambarana ny vaovao tsara, tamin’ny alalan’io fitaovana vaovao io, izy ireo. Faly izy ireo nanome ny vola nilaina mba hanofana toerana sahaza hanaovana ireny fampisehoana ireny. Koa nahavita asa lehibe àry ilay “Photo-Drame”, nampahafantatra ny Tenin’Andriamanitra sy ireo fikasany tamin’ny mpijery.

Nanoratra toy izao ho an’i C. T. Russell ny olona iray: “Fiolahana lehibe teo amin’ny fiainako ny nandehanako voalohany tany amin’ilay ‘Photo-Drame’ nataonao; na tokony holazaiko hoe fiolahana lehibe teo amin’ny fahalalako ny Baiboly.” Hoy ny olon-kafa iray: “Efa saika rendrika ny finoako, nefa tsapako fa novonjen’ilay ‘Photo-Drame de la création’ naseho taty tamin’ny taon-dasa, aho. (...) Ankehitriny, dia manana ilay fiadanana izay tsy azon’ity tontolo ity omena aho, ary tsy hatakaloko ny harenany rehetra izany.”

Nilaza toy izao i Demetrius Papageorge, izay miasa ao amin’ny foiben’ny Fikambanana efa hatramin’ny ela: “Sangan’asa iray faran’izay tsara ilay ‘Photo-Drame’, rehefa heverina fa vitsy ireo Mpianatra ny Baiboly tamin’izany fotoana izany, sady kely ny vola teo am-pelatanana. Tena nanohana ilay izy mihitsy ny fanahin’i Jehovah!”

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

Ny “Eurêka-Drame”

Valo volana taorian’ny nampisehoana voalohany ny “Photo-Drame”, dia takatry ny Fikambanana fa nilaina ny nampiseho azy io tamin’ny fomba hafa, nantsoina hoe “Eurêka-Drame”. Naseho tany amin’ireo tanàn-dehibe foana ny “Photo-Drame” manontolo, fa ny fampisehoana ny “Eurêka” kosa nampita ny hafatra fototra tao amin’ilay “Photo-Drame” ihany, saingy tany amin’ireo tanàna kely sy tany ambanivohitra. Nolazaina fa nanome “fahafahana manokana ho an’ny anabavy” mba hitory, ny fampisehoana “Eurêka-Drame” iray. Fa nahoana? Nilanja 14 kilaograma monja mantsy ilay vata nisy ireo kapila ho an’ny grafofaonina. Mazava ho azy fa tsy maintsy nentina koa ny grafofaonina, mba hanaovana fampisehoana.