Vavolombelon’i Jehovah Mandroso Amim-piekena Mafy!
Vavolombelon’i Jehovah Mandroso Amim-piekena Mafy!
Tatitra Momba ny Fivoriana Fanao Isan-taona
AMIN’IZAO andro anjakan’ny fisalasalana izao, dia miavaka ho Kristianina manana fiekena mafy ny Vavolombelon’i Jehovah. Hita mazava izany tao amin’ilay fivoriana fanao isan-taona, nataon’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, izay natao tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Jersey City, New Jersey, any Etazonia, tamin’ny asabotsy 7 Oktobra 2000. *
I John E. Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpitari-draharaha. Hoy indrindra izy tamin’ny teny fanokafana nataony: “Amin’ny olona rehetra an’arivo tapitrisany maro eto an-tany, dia isika no mahalala sy mino fa efa nahazo fiandrianana any an-danitra ankehitriny i Kristy Jesosy Zanaka malalan’i Jehovah, ka mampihatra fahefana eo amin’ny fahavalony.” Miaiky mafy ny amin’izany isika, ary naseho tao amin’ireo tatitra enina mampientam-po, avy tany amin’ny faritra maro samihafa amin’ny tany, izany fiekentsika izany.
Resin’ny fahamarinana ara-baiboly ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, any Haïti
Tena miely patrana any Haïti ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy. “Matetika ny olona no hivavaka amin’ny fanahy mba hiarovany ny tenany”, hoy i John Norman, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. Nanomboka nisalasala ny mpimasy iray rehefa bory ny tongony ilany, noho ny voina nahazo azy. ‘Nahoana aho no mbola voan’izao raha misy fanahy miaro ahy?’, hoy izy nanontany tena. Sahala amin’ny olona maro hafa, dia nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahamarinana io lehilahy io, ary nampiana mba tsy hifandray intsony tamin’ny fanahy ratsy. Azo ampoizina ny mety hisian’ny fitomboana any Haïti, satria tamin’ny 19 Aprily 2000, dia avo efatra heny noho ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana ao amin’io tany io ny isan’ny nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.
Zotom-po ao amin’ny faritany midadasik’i Korea
Efapolo isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea no ao amin’ny fanompoana manontolo andro. “Noho izany tafika lehibe izany”, hoy i Milton Hamilton, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana, “dia vitanay indray mandeha isam-bolana eo ho eo ny faritaninay, izay misy olona maherin’ny 47 tapitrisa.” Tena miavaka ny fitomboana eo amin’ireo kongregasiona mampiasa baikon’ny moana. Ao amin’ny fizaran-tany iray mampiasa baikon’ny moana, dia fampianarana Baiboly 800 ankehitriny no tarihina. Fampianarana iray isaky ny mpitory izany, raha atao ny salanisa. Mampalahelo fa mbola atao am-ponja foana ireo rahalahy tanora noho izy
ireo tsy momba ny atsy na ny aroa. Atao tsara fitondra anefa ireny Kristianina mahatoky ireny, ary matetika izy ireo no omena asa ilana olona mendri-pitokisana.Fiatrehana an’izay takin’ny fitomboana any Meksika
Tany Meksika, dia 533 665 ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana namerina tatitra momba ny fanompoana, tamin’ny Aogositra 2000. Maherin’ny avo telo henin’io isa io ny olona nanatrika ny Fahatsiarovana. “Ny hanorina Efitrano Fanjakana 240 no tanjonay amin’ity taona ity”, hoy i Robert Tracy, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. “Mbola mila maro noho izany anefa izahay”, hoy ny teny nanampiny.
Fakan-tahaka ireo tanora eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika. Izao no nolazain’ny mompera katolika iray momba ny tanora iray: “Mba faniriako ny hisian’ny olona iray monja toa azy iny, eo amin’ireo mpanara-dia ahy. Mahafinaritra ahy ireo olona ireo, noho ny fikirizany sy ny fahaizany mampiasa amim-pahendrena ny Baiboly. Miaro an’Andriamanitra ry zareo, na dia mety hamoizany ny ainy aza izany.”
Tsy fivadihana ao anatin’ny korontana any Sierra Leone
Hatramin’ny Aprily 1991, izay nipoahan’ny ady an-trano tany Sierra Leone, dia olona an’arivony maro no maty, na naratra, na nahazo takaitra. “Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny olona ny ady sy ny tsy fahampiana”, hoy ny notaterin’i Bill Cowan, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. “Olona maro tsy niraika tamin’ny hafatra entintsika no mihaino amim-pahalianana ankehitriny. Fahita matetika ny olona mandeha mivantana any amin’ny Efitrano Fanjakana mba hanatrika fivoriana voalohany. Matetika ireo rahalahy no sakanan’olona eny amin’ny arabe ka angatahiny hampianatra azy Baiboly.” Na dia mbola tsy milamina azy io tany io, dia mitondra vokatra hatrany ny asa fitoriana ilay Fanjakana, any Sierra Leone.
Fandaharam-panorenana goavana atsy Afrika Atsimo
Efitrano Fanjakana an’arivony maromaro ankehitriny no ilaina, ao amin’ny faritany iadidian’ny biraon’ny sampan’i Afrika Atsimo. Efitrano an-jatony maro no efa voaorina. “Tsy mivory ao amin’ny trano tsizarizary, na eny ambany hazo, toy ny taloha intsony, ireo rahalahintsika, fa afaka mivory ao amin’ny toerana mety sy misy seza araka ny tokony ho izy”, hoy ny nomarihin’i John Kikot, anisan’ny Komitin’ny Sampana. “Na dia tsotra aza ny ankamaroan’ireny Efitrano Fanjakana ireny, dia mazàna izy ireny no miavaka ho trano mendrika indrindra eo an-toerana. Rehefa voaorina ny Efitrano Fanjakana tany amin’ny faritra sasany, dia hita fa hitombo ho maherin’ny avo roa heny ilay kongregasiona ao anatin’ny herintaona.”
Taranaka Vavolombelona vaovao any Ukraine
Nahatratra 112 720 ny tampon’isan’ny mpitory tao amin’io tany io, nandritra ny taom-panompoana 2000. Maherin’ny 50 000 amin’ireo anefa no nianatra ny fahamarinana ara-baiboly, nandritra ireo dimy taona farany. “Marina tokoa fa nampisy taranaka Vavolombelona tanora sy vaovao i Jehovah mba hanambarana ny anarany!”, hoy i John Didur, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. “Tao anatin’ny roa taona farany”, hoy ny teny nanampiny, “dia nahapetraka gazety maherin’ny 50 tapitrisa izahay. Mitovy isa amin’ny mponina ao amin’io firenena misy anay io izany. Raha atao ny salanisa, dia maharay taratasy 1 000 avy amin’ny olona liana mangataka fanazavana fanampiny izahay, isam-bolana.”
Lafiny hafa mampihetsi-po tamin’ilay fandaharana
Nanao lahateny iray nitana tanteraka ny saina i Daniel Sydlik, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Miorina amin’io famelabelarana ahalalan-javatra io ilay lahatsoratra hoe “Samy Hafa ny Fitambara-mpitantana sy ny Fikambanana Ara-dalàna”, izay hita ato amin’ity gazety ity.
I Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia nanao lahateny nampisaintsaina, nitondra ny lohateny hoe: “Mpiandraikitra sy Mpanampy Amin’ny Fanompoana Voatendry Amin’ny Fomba Teokratika”. Miorina amin’io foto-kevitra io ny iray amin’ireo lahatsoratra hita ato amin’ity gazety ity.
Anisan’ny natao tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona koa ny lahateny iray mampientam-po, nataon’i David Splane, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Niompana tamin’ny andinin-teny ho an’ny taona 2001 io lahateniny io. Ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto no iorenan’io andinin-teny ho an’ny taona io: ‘Miorena amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.’ (Kolosiana 4:12, NW ). Tapa-kevitra ny hanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, eo am-pitorian’izy ireo amim-pahatokiana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, any amin’ny tany rehetra.—Matio 24:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Nampifandraisina tamin’ny toerana maromaro tamin’ny alalan’ny fitaovana elektronika ilay fandaharana, ka 13 082 ny tontalin’ny mpanatrika.