Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mandresy ny Fahakiviana Ianao!

Afaka Mandresy ny Fahakiviana Ianao!

Afaka Mandresy ny Fahakiviana Ianao!

INDRAY andro, dia nanoratra toy izao ny lehilahy hendry iray: “Raha [kivy, NW ] amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10). Raha efa tratran’ny fahakiviana ianao, dia azo inoana fa hiombon-kevitra amin’izany.

Tsy misy tsy tratran’ny fahakiviana. Mety ho tratran’ny fahakiviana kely mandritra ny iray na roa andro ny olona iray, ary misinda izany avy eo. Raha nisy zavatra nampalahelo na nampahatezitra azy anefa, dia mety haharitra ela kokoa ilay zava-manahirana. Nanjary ketraka aoka izany ny Kristianina sasany nahatoky efa hatramin’ny taona maro, ka tsy nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona sy tsy nitory intsony mihitsy aza.

Raha kivy ianao, dia aza manary toky! Nandresy ny fahakiviana ny mpanompo nahatoky tamin’ny lasa, ary afaka manao izany koa ianao, noho ny fanampian’Andriamanitra.

Rehefa manao zavatra mampalahelo anao ny hafa

Tsy afaka ny ho voaro amin’izay teny na zavatra rehetra atao tsy amim-piheverana ianao. Azonao sakanana tsy hanelingelina ny fanompoanao an’i Jehovah anefa ny tsy fahalavorarian’ny hafa. Raha nisy olona nanao zavatra nampalahelo anao, dia mety hahasoa anao ny mandinika ny fomba niatrehan’i Hana, renin’i Samoela, ny toe-javatra iray nahakivy.

Naniry mafy ny hanan-janaka i Hana, nefa momba izy. Efa niteraka zanakalahy sy zanakavavy i Penina, vady faharoan’i Elkana. Tsy nihontsina tamin’ny fahorian’i Hana anefa i Penina, fa nihevitra azy ho rafiny kosa sady nampiseho fihetsika nanorisory tokoa, hany ka ‘nitomany sady tsy nety nihinan-kanina’ i Hana.​—1 Samoela 1:2, 4-7.

Indray andro, dia niakatra tany amin’ny tabernakely i Hana, mba hivavaka. Nandinika ny molony nihetsiketsika i Ely, mpisoronaben’ny Isiraely. Tsy fantatr’i Ely hoe nivavaka i Hana, ka nataony fa tsy maintsy ho mamo izy. “Mandra-pahoviana no ho mamo hianao?”, hoy ny fanontaniany. “Esory aminao ny divainao.” (1 Samoela 1:12-14). Mba nanao ahoana re ny fihetseham-pon’i Hana e? Nitady fampaherezana no anton-diany tany amin’ny tabernakely. Azo antoka fa tsy nampoiziny ny hoe hanendrikendrika azy ny iray tamin’ireo lehilahy nanam-pahefana indrindra teo amin’ny Isiraely!

Nety ho nahakivy be an’i Hana izany. Azony natao ny niala faingana tao amin’ny tabernakely, ka nivoady tsy hiverina intsony, raha mbola i Ely no mpisoronabe. Niharihary anefa fa sarobidy tamin’i Hana ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Fantany fa tsy hahafaly Azy ny fanaovany izany. Foiben’ny fanompoam-pivavahana madio, tamin’izany andro izany, ny tabernakely. Napetrak’i Jehovah tao ny anarany. Ary na tsy lavorary aza i Ely, dia izy no solontena nofidin’i Jehovah.

Ohatra faran’izay tsara ho antsika ankehitriny ny valin-teny feno fanajana nasetrin’i Hana ny fiampangan’i Ely. Tsy nanaiky hoendrikendrehina akory izy, kanefa namaly tamim-panajana tokoa. “Tsia, tompoko”, hoy ny valin-teniny. “Vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’i Jehovah aho. Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben’ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.”​—1 Samoela 1:15, 16.

Tafita ve ny hevitr’i Hana? Tena izany tokoa. Voalanjalanja anefa ny teniny tamin’i Ely, ka tsy sahy nanakiana azy noho ny fanendrikendrehana nataony izy. Koa namaly azy tamin-katsaram-panahy i Ely, nanao hoe: “Mandehana soa aman-tsara; ary homen’Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.” Rehefa voalamina ilay raharaha, dia ‘lasa nandeha i Hana, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony’.​—1 Samoela 1:17, 18.

Inona no ianarantsika avy amin’izany fitantarana izany? Nandamina haingana ny tsy fahazoan-kevitra i Hana, nefa nanao izany tamim-panajana fatratra. Ho vokatr’izany, dia tsara hatrany ny fifandraisany tamin’i Jehovah sy tamin’i Ely. Matetika tokoa no misakana ny zava-manahirana kely tsy hitatra ny fifampiresahana tsara sy ny fahaiza-mandanjalanja kely!

Tsy maintsy ekena anefa fa takina amin’ny andaniny sy ny ankilany ny fanetren-tena sy ny fahaiza-mifanaraka amin’ny toe-javatra, rehefa mandamina tsy fifanarahana. Raha tsy miraharaha ny fiezahanao handamina tsy fifanarahana iray ny mpiray finoana aminao, dia angamba tsy maintsy hamela ilay raharaha eo am-pelatanan’i Jehovah ianao, matoky fa hikarakara izany izy, amin’ny fotoana sy amin’ny fomba hitany fa mety.

Nesorina taminao ve ny tombontsoam-panompoana iray?

Nanjary ketraka ny sasany, satria voatery niala tamin’ny tombontsoa iray nankamaminy teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nahafinaritra azy ireo ny nanompo ireo rahalahiny, ka rehefa tsy nanana ilay tombontsoa intsony izy ireo, dia nihevi-tena ho tsy nilain’i Jehovah na ny fandaminany intsony. Raha izany no tsapanao, dia mety hazava kokoa aminao ny tarehin-javatra, rehefa avy mandinika ny ohatr’i Marka, mpanoratra ny Baiboly, antsoina koa hoe Jaona Marka, ianao.​—Asan’ny Apostoly 12:12.

Nanaraka an’i Paoly sy i Barnabasy tamin’ny dia misionerany voalohany i Marka, nefa nandao azy ireo, ka niverina tany Jerosalema, rehefa teny antsasa-dalana. (Asan’ny Apostoly 13:13). Tatỳ aoriana, dia naniry hitondra an’i Marka hiaraka tamin’izy mirahalahy tamin’ny dia hafa iray i Barnabasy. Milaza toy izao anefa ny Baiboly: “Nataon’ i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin’ny raharaha”. Tsy nanaiky izany i Barnabasy. Hoy ihany ilay fitantarana: “Ary nifanditra mafy izy roa lahy [i Paoly sy i Barnabasy] ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an’i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy. Fa Paoly kosa nifidy an’i Silasy, dia niainga”.​—Asan’ny Apostoly 15:36-40.

Tsy maintsy ho ketraka mafy i Marka, rehefa fantany fa tsy naniry hiara-miasa taminy i Paoly, ilay apostoly nohajaina, ary koa fa nampisaraka an’i Paoly sy i Barnabasy ny fiadian-kevitra momba ny hoe nahafeno fepetra izy sa tsia. Tsy nifarana teo anefa ilay raharaha.

Mbola nila namana iray hiara-dia taminy i Paoly sy i Silasy. Rehefa tonga tao Lystra izy ireo, dia nahita tovolahy iray nantsoina hoe Timoty, hasolo an’i Marka. Angamba vao vita batisa roa na telo taona monja i Timoty, rehefa nofidina. I Marka kosa dia efa nifanerasera tamin’ny kongregasiona kristianina hatrany am-piandohany​—efa ela kokoa noho i Paoly mihitsy, raha ny marina. I Timoty anefa no nahazo ilay tombontsoa.​—Asan’ny Apostoly 16:1-3.

Nanao ahoana ny fihetsik’i Marka, rehefa fantany fa lehilahy tanora kokoa, tsy za-draharaha noho izy no nasolo azy? Tsy milaza ny amin’izany ny Baiboly. Voalaza ao anefa fa narisika foana tamin’ny fanompoana an’i Jehovah i Marka. Nanararaotra ireo tombontsoa hafa nananany izy. Na dia tsy afaka niara-nanompo tamin’i Paoly sy i Silasy aza izy, dia afaka niaraka tamin’i Barnabasy nankany Kyprosy, faritany niavian’i Barnabasy. Niara-nanompo tamin’i Petera tany Babylona koa i Marka. Tamin’ny farany, dia nanana fahafahana niara-niasa tamin’i Paoly​—sy i Timoty​—tany Roma, izy. (Kolosiana 1:1; 4:10; 1 Petera 5:13). Tatỳ aoriana, dia nahazo tsindrimandry mihitsy aza i Marka, ka nanoratra ny iray tamin’ireo Filazantsara efatra!

Mirakitra lesona sarobidy izany rehetra izany. Tsy hoe nieritreritra be loatra ilay tombontsoa nafoiny i Marka, ka tsy nankasitraka ireo tombontsoa hafa mbola nety ho azony. Nanao zavatra betsaka hatrany teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah i Marka, ary notahin’i Jehovah.

Koa raha misy tombontsoa iray tsy anananao intsony, dia aza kivy. Raha mijery ny lafy tsaran-javatra sy manao zavatra betsaka hatrany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ianao, dia angamba homena tombontsoa hafa. Misy zavatra be dia be atao foana eo amin’ny asan’ny Tompo.​—1 Korintiana 15:58.

Nanjary kivy ny mpanompo mahatoky iray

Tsy mora ny miady mafy mba hihazonana ny finoana. Mety ho somary kivy ianao indraindray, ka mety hahatsiaro tena ho meloka mihitsy aza, satria heverinao fa tsy tokony hanana fihetseham-po toy izany mihitsy ny mpanompon’Andriamanitra raha mahatoky izy. Tsarovy i Elia, anisan’ireo mpaminany niavaka teo amin’ny Isiraely.

I Jezebela, vadin’ny mpanjakan’ny Isiraely, dia mpanohana nafana fo tafahoatra ny fivavahana tamin’i Bala. Rehefa fantany fa novonoin’i Elia ireo mpaminanin’i Bala, dia nianiana ny hamono azy izy. Efa niatrika fahavalo nahery kokoa noho i Jezebela i Elia, nefa tampotampoka teo dia nanjary kivy be izy, ka naniry ho faty. (1 Mpanjaka 19:1-4). Inona no nahatonga izany? Nisy zavatra hadinony.

Hadinon’i Elia ny nitodika tany amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny heriny. Iza no nanome an’i Elia ny hery hananganana ny maty sy hiatrehana ireo mpaminanin’i Bala? I Jehovah. Azo antoka fa afaka nanome azy ny hery hiatrehana ny fahatezeran’i Jezebela, vadi-mpanjaka, i Jehovah.​—1 Mpanjaka 17:17-24; 18:21-40; 2 Korintiana 4:7.

Mety hihozongozona vetivety ny fitokisan’ny olona na iza na iza an’i Jehovah. Toa an’i Elia, dia mety hanana fomba fijerin’olombelona ianao indraindray manoloana ny zava-manahirana iray, fa tsy hampiasa “ny fahendrena izay avy any ambony” mba handaminana azy io. (Jakoba 3:17). Tsy nafoin’i Jehovah anefa i Elia noho iny fahalemena nihelina iny.

Nandositra tany Beri-sheba i Elia, ary nanohy nankany an’efitra, satria nihevitra izy fa tsy hisy hahita azy any. Nahita azy anefa i Jehovah, ka nandefa anjely iray, mba hampionona azy. Nataon’ilay anjely azo antoka fa nahazo mofo vao mafana hohanina sy rano mangatsiatsiaka hosotroina i Elia. Rehefa avy niala sasatra i Elia, dia nasain’ilay anjely hanao dia 300 kilaometatra teo ho eo, nankany amin’ny Tendrombohitra Horeba, mba hohatanjahin’i Jehovah indray.​—1 Mpanjaka 19:5-8.

Teo amin’ny Tendrombohitra Horeba, dia nanatri-maso ny fampisehoana ny herin’i Jehovah i Elia, ary nanatanjaka ny finoany izany. Avy eo, dia niresaka taminy tamin’ny feo nalefaka sady iva i Jehovah, ka nanome toky azy fa tsy irery izy. Nomba azy i Jehovah, ary niaraka taminy koa ny Isiraelita rahalahiny 7 000, na dia tsy fantatr’i Elia aza izany. Farany, dia nomen’i Jehovah asa hatao izy. Tsy hoe nolaviny tsy ho mpaminaniny intsony i Elia!​—1 Mpanjaka 19:11-18

Misy fanampiana azo raisina

Raha somary kivikivy ianao indraindray, dia angamba hahasoa anao ny miala sasatra fanampiny na mihinana sakafo tsara iray. Indray mandeha, dia nilaza i Nathan H. Knorr, izay anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1977, fa matetika no tsy dia manao ahoana intsony ny zava-manahirana lehibe, rehefa avy natory tsara ny tena. Rehefa maharitra kokoa anefa ilay zava-manahirana, dia mety tsy hahalamina azy izany​—hila fanampiana ianao mba hiadiana amin’ny fahakiviana.

Nandefa anjely i Jehovah mba hanatanjahana an’i Elia. Ankehitriny dia manome fampaherezana Andriamanitra, amin’ny alalan’ireo loholona sy Kristianina matotra hafa. Tena “fierena amin’ny rivotra” marina ireo loholona. (Isaia 32:1, 2). Mba hahazoana fampaherezana avy amin’izy ireo anefa, dia angamba mila manao ny dingana voalohany ianao. Na kivy aoka izany aza i Elia, dia nankany amin’ny Tendrombohitra Horeba izy, mba handray toromarika avy tamin’i Jehovah. Mandray toromarika mampahatanjaka isika, amin’ny alalan’ny kongregasiona kristianina.

Rehefa manaiky ny fanampiana omena antsika isika, ary miatrika amin-kerim-po ireo fisedrana, toy ny alahelo vokatry ny nataon’ny hafa na ny famoizana tombontsoa iray, dia miandany amin’i Jehovah amin’ny raharaha lehibe iray isika. Inona moa izany? Nanizingizina i Satana fa manompo an’i Jehovah, noho ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany fotsiny, ny olona. Tsy lavin’i Satana ny hoe hanompo an’Andriamanitra isika, rehefa mandeha tsara daholo ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika; manizingizina kosa anefa izy fa tsy hanompo an’Andriamanitra intsony isika, rehefa tojo zava-manahirana. (Joba, toko 1 sy 2). Amin’ny fanompoantsika hatrany an’i Jehovah, na eo aza ny fahakiviana, dia afaka mandray anjara amin’ny famaliana ilay fanendrikendrehan’ny Devoly isika.​—Ohabolana 27:11.

Samy nanan-java-manahirana, izay nanaisotra vetivety ny fifaliany, na i Hana, na i Marka, na i Elia. Voalaminy anefa ireo zava-nanahirana azy ary nahavita zavatra teo amin’ny fiainany izy ireo. Ianao koa dia afaka mandresy ny fahakiviana, noho ny fanampian’i Jehovah!