Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Famelombelomana ho An’ny Foitranao’

‘Famelombelomana ho An’ny Foitranao’

‘Famelombelomana ho An’ny Foitranao’

VOALAZA fa maro be amin’ny aretin’ny olombelona no ateraky ny fihenjanana ara-pihetseham-po, toy ny tahotra, ny alahelo, ny fitsiriritana, ny fahasosorana, ny fankahalana ary ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Rehefa heverina izany, dia tena mitondra fampiononana mihitsy ilay filazan’ny Baiboly hoe “famelombelomana [ho an’ny foitranao, NW ] sy fanamandoana ny taolanao” ny ‘tahotra an’i Jehovah’!​—Ohabolana 3:7, 8.

Ny taolana no rafitra manohana ny vatana. Noho izany, dia ampiasain’ny Baiboly an’ohatra ny teny hoe ‘taolana’ mba hanondroana ny olona​—indrindra fa rehefa manana fihetseham-po lalina izy. Amin’ny ahoana anefa ny tahotra an’i Jehovah no ‘famelombelomana ho an’ny foitranao’?

Tsy mitovy hevitra ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly, raha ny amin’ny firesahana momba ny ‘foitra’ eto amin’ity andinin-teny ity. Milaza ny lehilahy iray mpanazava teny fa “faritra eo afovoan’ny vatana” izy io, ka angamba mampiseho ireo taova lehibe rehetra ny hoe ‘foitra’. Araka ny manam-pahaizana hafa iray, dia mety hanondro ny tadim-poitra ny teny hoe ‘foitra’ eto, toy ny ampiasana azy ao amin’ny Ezekiela 16:4. Raha izany no izy, dia manantitrantitra angamba ny Ohabolana 3:8 fa mila miankina tanteraka amin’Andriamanitra isika​—mitovy amin’ny tsaika iray tsy afaka miaro tena izay miankina tanteraka amin’ny reniny mba hahazoana sakafo. Misy koa mihevitra fa angamba manondro ny nofo aman-kozatry ny vatana ny hoe ‘foitra’. Raha jerena ny teny manodidina io andinin-teny io, dia angamba ampifanoherina amin’ny ‘taolana’​—ilay tapany mafy kokoa amin’ny vatana​—ireo tapany amin’ny vatana ireo.

Na inona na inona hevitra manokana fonosin’ilay teny, dia izao no azo antoka: Fahendrena ny maneho tahotra miharo fanajana ara-pivavahana an’i Jehovah. Anisan’ny mety hahazoantsika fahasalamana tsara dieny ankehitriny ny fanarahana ny fari-pitsipik’Andriamanitra. Mihoatra noho izany, fa mety hahazoantsika sitraka avy amin’i Jehovah izany, ka izany indray kosa dia hitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tonga lafatra​—ara-batana sy ara-pihetseham-po​—ao amin’ilay tontolony vaovao ho avy.​—Isaia 33:24; Apokalypsy 21:4; 22:2.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Dr. G. Moscoso/SPL/Photo Researchers