Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamafy Voa ny Mpanao Solomaso Iray

Mamafy Voa ny Mpanao Solomaso Iray

Mamafy Voa ny Mpanao Solomaso Iray

Inona no ifandraisan’ny ezaka nataon’ny mpanao solomaso iray ao Lviv, any Ukraine, sy ny fiforonan’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah miteny rosianina any Haïfa, any Israely, izay 2 000 kilaometatra eo ho eo avy ao Lviv, ary elanelanin’ny tany maromaro? Io fitrangan-javatra io dia mampiseho ny fahamarinan’izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 11:6, manao hoe: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona”.

TAMIN’NY 1990 no niandoha ny tantara, fony nipetraka tany Lviv i Ella, vehivavy tanora iray, izay manana fiaviana jiosy. Niomana ny hifindra monina tany Israely i Ella sy ny fianakaviany. Nanana fotoana tamin’ny mpanao solomaso iray Vavolombelon’i Jehovah, i Ella, taloha kelin’ny handehanan’izy ireo. Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Ukraine tamin’izany fotoana izany. Na izany aza, dia nanao ny dingana voalohany ilay mpanao solomaso mba hiresahana tamin’i Ella ny amin’ireo zavatra inoany miorina amin’ny Baiboly. Nanaitra an’i Ella ny nilazany fa manana anarana manokana Andriamanitra. Nanaitra ny fahalianan’i Ella izany ka niafara tamin’ny fiaraha-midinika nahafinaritra niorina tamin’ny Baiboly.

Nahafinaritra an’i Ella aoka izany ilay fiaraha-midinika, hany ka nangataka fiaraha-midinika hafa iray izy ny herinandro nanaraka, ary iray hafa indray taorian’izay. Nitombo ny fahalianany nefa nisy olana. Nanatona haingana ny fotoana hiaingan’ny fianakaviany ho any Israely. Mbola nanan-javatra be dia be hianarana i Ella! Mba hanararaotana faran’izay betsaka ny fotoana sisa tavela, dia nangataka fampianarana Baiboly isan’andro izy mandra-pandehany. Na dia tsy nanohy ny fianarany aza i Ella raha vao tonga tany Israely, dia namaka tao am-pony ny voan’ny fahamarinana. Nianatra ny Baiboly tamin-kafanam-po indray izy, talohan’ny nifaranan’ilay taona.

Nipoaka ny ady tany amin’ny Hoala Persika, ka notafihin’i Irak tamin’ny bala afomanga i Israely. Izany no ambentin-dresaky ny olona. Indray andro, tao amin’ny fivarotana lehibe iray, dia sendra nahare ny resaky ny fianakaviana iray miteny rosianina, izay vao nifindra monina, i Ella. Na dia mbola vao nianatra samirery ny Baiboly aza i Ella, dia nanatona ilay fianakaviana izy ary nilaza taminy fa mampanantena tontolo iray hisian’ny fandriampahalemana ny Baiboly. Vokatr’izany, dia nianatra ny Baiboly niaraka tamin’i Ella izy rehetra: i Galina, ilay renibe; i Natasha, ilay reny; i Sasha (Ariel), ilay zanakalahy; ary i Ilana, ilay zanakavavy.

I Sasha no voalohany tonga hatramin’ny batisa tamin’ilay fianakaviana, na dia maro aza ny fisedrana. Na dia mpianatra tena nahay aza izy, dia noroahina tany an-tsekoly satria tsy namela azy hiofana ho miaramila ny fieritreretany kristianina, na dia anisan’ny taranja tsy maintsy natao tany an-tsekoly aza izany fiofanana izany. (Isaia 2:2-4). Nentina teo anoloan’ny Fitsarana Avo Israelianina tany Jerosalema ny raharahan’i Sasha. Mendri-piderana fa nandidy ny handraisana indray an’i Sasha ho isan’ny mpianatr’ilay sekoly io Fitsarana Avo io, hany ka afaka namita ny taom-pianarana izy. Noresahina betsaka tao amin’ilay tany iny raharaha iny. Noho izany, dia Israelianina maro no nanjary nahafantatra ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. *

Niditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah i Sasha taorian’ny nahazoany diplaoma tany amin’ny lise. Mpisava lalana manokana sady loholona ao amin’ny kongregasiona izy izao. Nanatevin-daharana azy tao amin’ny fanompoana manontolo andro i Ilana anabaviny. Samy Vavolombelona vita batisa ny renin’izy ireo sy ny renibeny. Mbola namoa foana ny voa nafafin’ilay mpanao solomaso!

Nanohy nandroso ara-panahy i Ella nandritra izany fotoana izany, ary tsy ela dia nitory isan-trano. Teo amin’ny varavarana voalohany nitoriany, dia nihaona tamin’i Faina, izay tonga vao haingana avy tany Ukraine, i Ella. Azon’ny fahaketrahana i Faina. Fantatr’i Ella tatỳ aoriana fa taloha kelin’ny nandondonany teo am-baravaran’i Faina, dia nivavaka tamin’Andriamanitra toy izao io vehivavy ory dia ory io: “Tsy fantatro hoe iza ianao, fa raha mahare ahy ianao, dia ampio aho.” Nafana ny fiaraha-midinika nataon’i Faina sy i Ella. Nametraka fanontaniana maro i Faina ary nandinika tamim-pitandremana ireo valiny nomen’i Ella. Niaiky izy tamin’ny farany fa mampianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Namboariny ny fandaharam-potoanany tany amin’ny oniversite mba hahafahany handany fotoana bebe kokoa miaraka amin’ny kongregasiona sy eo amin’ny asa fitoriana. Natao batisa i Faina tamin’ny May 1994. Nirotsaka tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana koa izy, ary asa tapa-potoana teo amin’ny sehatry ny ordinatera no nataony fivelomana.

Tamin’ny Novambra 1994, dia nahatsiaro ho nalemilemy be tampoka i Ella teny am-pitoriana. Nankany amin’ny hopitaly izy, ary hita tamin’ny fitsirihana fa nisy fery nandeha ra ny tsinainy. Efa nilatsaka 7,2 ny fatran’ny hemôglôbinan’i Ella ny harivan’iny. Nanome fanazavana an’ireo dokotera mahakasika ny fomba fitsaboana maro be tsy nitaky fampiasana ra, ny loholona iray ao amin’ny kongregasiona misy an’i Ella. Mpitari-draharaha ao amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) eo an-toerana io loholona io. * Nahomby ilay fandidiana tsy nampiasana ra, ary sitrana tanteraka i Ella.​—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

Tena niaiky volana i Karl, mpitsabo an’i Ella. Jiosy teratany alemà i Karl ary mpitsabo aretim-behivavy. Tsaroany tamin’izay fotoana izay fa nahafantatra Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toby fitanana ny ray aman-dreniny, izay anisan’ny tsy maty tamin’ilay Fandripahana Tambabe nataon’ny Nazia. Nametraka fanontaniana maro i Karl. Na dia faran’izay sahirana tamin’ny fitsaboana aza i Karl, dia nanokana fotoana hianarana tsy tapaka ny Baiboly izy. Ny taona nanaraka, dia efa nanatrika ireo fivoriana kristianina isan-kerinandro izy.

Inona no vokatr’ilay voa nafafin’ilay mpanao solomaso? Efa hitantsika ny nitranga tamin’i Sasha sy ny fianakaviany. Raha ny amin’i Ella kosa, dia mpisava lalana manokana izy. Raha vao nahavita ny fianarany tany amin’ny lise i Eina zanany vavy, dia nirotsaka tamin’ny asan’ny mpisava lalana koa, ary io no nataony anton’asany. Mpisava lalana manokana koa i Faina. Raha ny amin’i Karl, ilay nitsabo an’i Ella, dia efa vita batisa izy ankehitriny sady mpanampy amin’ny fanompoana, ary mampita ny hery manasitrana ananan’ny fahamarinana ara-baiboly amin’ireo marariny sy amin’ny hafa.

Tonga kongregasiona rosianina be zotom-po misy mpitorin’ilay Fanjakana maherin’ny 120 ankehitriny ilay antokona mpifindra monina vitsivitsy miteny rosianina, izay anisan’ny Kongregasiona Hebreo tany Haïfa, tany am-boalohany. Anisan’ny mahatonga an’io fitomboana io ny nanararaotan’ny mpanao solomaso iray tany Lviv ny fahafahana hamafy voa!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Mba hahazoana tsipiriany fanampiny, dia jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Novambra 1994, pejy faha-12-15.

^ feh. 9 Misolo tena an’ireo Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ny KMH, ary manampy eo amin’ny fifampitan-kevitra eo amin’ny marary sy ny mpiasan’ny hopitaly. Manome fanazavana momba ny fitsaboana hafa miorina amin’ny fikarohana ara-pitsaboana farany indrindra koa izy io.

[Sarintany, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

UKRAINE

ISRAELY

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 30]

Ella sy i Eina, zanany vavy

[Sary, pejy 31]

Antokona Vavolombelona falifaly miteny rosianina any Haïfa. Ankavia miankavanana: Sasha, Ilana, Natasha, Galina, Faina, Ella, Eina, sy Karl