Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandray Tsara ny Vaovao Tsara i Letonia

Mandray Tsara ny Vaovao Tsara i Letonia

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Mandray Tsara ny Vaovao Tsara i Letonia

ASEHON’NY Baiboly mazava tsara fa tian’Andriamanitra ‘hovonjena ny olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina’. (1 Timoty 2:4). Mandre ny vaovao tsara ankehitriny ireo olona tsy nomena fahafahana handre izany nandritra ny taona maro! Any Letonia, tahaka ny any amin’ny faritra hafa amin’ny tany, dia mandray tsara ilay hafatra ny olona avy amin’ny sokajin-taona rehetra sy avy amin’ny fiaviana samihafa, araka ny asehon’ireto fitantarana ireto.

• Nanontany lalana tamin’ny vehivavy iray teny an-dalana ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy zatovo, tany Rēzekne, tanàna iray any atsinanan’i Letonia. Rehefa avy nanoro lalana azy mianaka ilay vehivavy, izay Vavolombelon’i Jehovah, dia nanasa azy mianaka hanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelona.

Koa satria samy nirona ho tia fivavahana izy mianaka, dia nanapa-kevitra ny hankany amin’ilay fivoriana. Nifanaiky izy mianaka teny an-dalana fa raha mahita zavatra tsy mety izy ireo any, dia handeha avy hatrany. Nahaliana aoka izany anefa ilay fivoriana ka tsy tonga tao an-tsain’izy ireo mihitsy ny handeha. Nanaiky fanasana hianatra ny Baiboly izy ireo, ary nanomboka nanatrika fivoriana tsy tapaka. Tao anatin’ny telo volana monja, dia naniry ny handray anjara tamin’ny asa fitoriana izy ireo ary tsy andriny ny hatao batisa.

• Nihaona tamin’i Anna, 85 taona, izay tena liana sy nanaiky hianatra Baiboly, ny Vavolombelona iray tany amin’ny tanàna iray any andrefan’i Letonia. Nanohitra azy mafy ny zanany vavy sy ny fianakaviana hafa. Tsy navelan’i Anna hisakana azy tsy hanohy ny fianarany ny Baiboly anefa ny fanoherana na ny fandrosoan’ny taonany sy ny tsy fahasalamany.

Indray andro, dia niteny tamin’ny zanany vavy i Anna fa hatao batisa izy. “Raha atao batisa ianao, dia halefako any amin’ny trano fitaizana ny be antitra”, hoy ny navalin’ilay zanany vavy. Tsy nahakivy an’i Anna anefa izany fandrahonana izany. Tao an-tranony izy no natao batisa noho ny toe-batany.

Nanao ahoana ny fihetsik’ilay zanakavavin’i Anna teo anoloan’izany? Niova izy, ary nanomana sakafo manokana ho an-dreniny taorian’ilay batisa. Avy eo, dia nanontany an-dreniny toy izao izy: “Manao ahoana ny fihetseham-ponao izao ianao efa vita batisa izao?” Inona no navalin’i Anna? “Toy ny zaza vao teraka!”

• Nihaona tamin’ny manamboninahitra iray efa misotro ronono, izay tao amin’ny tafiky ny Firaisana Sovietika teo aloha, ny Vavolombelona roa, tamin’ny Desambra 1998. Nanaiky hianatra Baiboly izy satria nino ny fisian’ny Mpamorona, ary tatỳ aoriana, dia nianatra koa ny vadiny. Nandroso haingana izy mivady ary tsy ela dia tonga mpitory tsy vita batisa. Mbola tsy tonga akory ny fahavaratra, dia efa vita batisa ilay manamboninahitra taloha. Nampahery ny rehetra tao amin’ny kongregasiona ny fitiavan’izy mivady fatratra ny zavatra ara-panahy. Ankoatra izany, dia tsy mikely soroka izy ireo manova trano fonenana iray eo an-toerana ho Efitrano Fanjakana tsara tarehy.