Miaina Mifanaraka Amin’ny Fanoloran-tenanao ve Ianao?
Miaina Mifanaraka Amin’ny Fanoloran-tenanao ve Ianao?
“Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona”.—KOLOSIANA 3:23.
1. Milaza inona ny teny hoe “fanoloran-tena” eo amin’ny lafiny tsy ara-pivavahana?
AHOANA no ahatratraran’ireo atleta ny fara fahaizany? Amin’ny lalao tenisy, baolina kitra, baskety, atletisma, golfa, na amin’ny fanatanjahan-tena hafa rehetra, dia ny fanokanan-tena tanteraka amin’izany ihany no mahatonga ny mpilalao mahay indrindra ho voalohany. Loha laharana foana ny fanomanana tsara ny vatana sy ny saina. Izany dia mifanaraka tsara amin’izao famaritana iray ny atao hoe “manolo-tena” izao: “manokan-tena tanteraka ho amin’ny hevitra na asa manokana iray”.
2. Inona no dikan’ny hoe “fanoloran-tena” ao amin’ny Baiboly? Hazavao amin’ny ohatra.
2 Inona anefa no dikan’ny hoe “fanoloran-tena”, araka ny Baiboly? Ny hoe “manolo-tena” dia mandika ny matoanteny hebreo midika hoe “mitoetra ho voatokana; voatokana; miala”. * Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia nitondra ny “marika masin’ny fanoloran-tena”, teo amin’ny fehilohany, i Arona Mpisoronabe; izy io dia takelaka mangirana, vita tamin’ny volamena tsy mifangaro, ary natao sokitra teo amboniny ireo teny hebreo midika hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana”. Izany dia natao ho fampahatsiahivana ny mpisoronabe, fa tsy maintsy nanalavitra izay zava-drehetra handoto ny fitoerana masina izy, satria “[ny mariky ny fanoloran-tena, NW ], dia ny diloilo fanosoran’Andriamaniny azy, no [teo] an-dohany”.—Eksodosy 29:6, NW; 39:30, NW; Levitikosy 21:12.
3. Inona no tokony ho vokatry ny fanoloran-tena eo amin’ny fitondran-tenantsika?
3 Hitantsika avy amin’izany, fa zava-dehibe ny fanoloran-tena. Izy io dia milaza fampahafantarana an-tsitrapo fa mpanompon’Andriamanitra ny tena, ary mitaky fitondran-tena madio izy io. Noho izany, dia azontsika ny antony nanononan’ny apostoly Petera ny tenin’i Jehovah nanao hoe: “Ho masina hianareo, satria masina Aho”. (1 Petera 1:15, 16). Amin’ny maha Kristianina vita fanoloran-tena antsika, dia manana andraikitra lehibe isika, dia ny hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika, ka hahatoky hatramin’ny farany. Inona anefa no tafiditra amin’ny fanoloran-tena kristianina?—Levitikosy 19:2; Matio 24:13.
4. Ahoana no ahatongavantsika amin’ny fanoloran-tena, ary azo oharina amin’ny inona izy io?
4 Rehefa avy nandray fahalalana marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ireo fikasany, ary momba an’i Jesosy Kristy sy ny anjara asany ao amin’ireo fikasana ireo, isika, dia nanapa-kevitra ny tenantsika manokana fa hanompo an’Andriamanitra amin’ny fontsika, ny saintsika, ny fanahintsika, ary ny herintsika manontolo. (Marka 8:34; 12:30; Jaona 17:3). Azo heverina ho voady atao manokana mihitsy izany, fanoloran-tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Tsy vokatry ny fahataitairana fotsiny ny fanoloran-tenantsika. Izy io dia nodinihina tamim-pitandremana sy tamim-bavaka, ary nampiasana ny fahaiza-misaina. Noho izany, dia tsy fanapahan-kevitra mandalo fotsiny izany. Isika dia tsy afaka ny hitovy amin’ny olona iray manomboka miasa ny tany iray, ka mijanona eo antenatenany, satria hoe mitaky ezaka be loatra ilay izy, na toa mbola ho ela be ny fijinjana, na tsy azo antoka mihitsy. Diniho ny ohatra navelan’ny olona sasany ‘nitana fangady’, dia andraikitra teokratika, na nanao ahoana na nanao ahoana ny hamafin’ny toe-javatra natrehin’izy ireo.—Lioka 9:62; Romana 12:1, 2.
Nifikitra tamin’ny fanoloran-tenany izy ireo
5. Inona no ohatra niavaka navelan’i Jeremia, raha ny amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra?
5 Naharitra 40 taona mahery (647-607 al.f.i.) ny Jeremia 1:2-6). Isan’andro, dia nila herim-po sy fiaretana izy, mba hiatrehana ny vahoaka mafy hatoka tao Joda. (Jeremia 18:18; 38:4-6). Nitoky tamin’i Jehovah Andriamanitra, izay nampahatanjaka azy, anefa i Jeremia, ka hita fa mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena marina.—Jeremia 1:18, 19.
fanompoan’i Jeremia tamin’ny naha mpaminany azy tao Jerosalema, ary tsy mora izany asa nanendrena azy izany. Fantany tsara mihitsy fa voafetra ny nety ho vitany. (6. Inona no ohatra navelan’ny apostoly Jaona ho antsika?
6 Ahoana ny amin’ny apostoly Jaona nahatoky, efa zokiolona, izay natao sesitany teo amin’ny nosin’i Patmo ngazana, noho “ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy”? (Apokalypsy 1:9). Nandritra ny 60 taona teo ho eo, dia niaritra izy, ary niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany, tamin’ny naha Kristianina azy. Mbola velona izy taorian’ny nandravan’ireo tafika romanina an’i Jerosalema. Nanana tombontsoa izy nanoratra Filazantsara iray, taratasy ara-tsindrimandry telo, ary ny bokin’ny Apokalypsy, izay nahitany mialoha ny adin’i Haramagedona. Nitsahatra tsy nanompo intsony ve izy, rehefa nahafantatra fa tsy ho tonga amin’ny andro ahavelomany i Haramagedona? Nanjary tsy niraharaha intsony ve izy? Tsia, fa nahatoky mandra-pahafatiny i Jaona, satria fantany fa na dia ‘antomotra aza ny andro’, dia ho tanteraka amin’ny hoavy ireo fahitany.—Apokalypsy 1:3; Daniela 12:4.
Ohatra maoderina ny amin’ny fanoloran-tena
7. Inona no ohatra faran’izay tsara navelan’ny rahalahy iray, raha ny amin’ny fanoloran-tena kristianina?
7 Amin’izao andro maoderina izao, dia nifikitra tamim-pahazotoana tamin’ny fanoloran-tenany ny Kristianina nahatoky an’arivony maro, na dia tsy velona mba hanatri-maso an’i Haramagedona aza. Anisan’izy ireo i Ernest E. Beavor, avy tany Angletera. Tonga Vavolombelona izy tamin’ny 1939, teo am-piandohan’ny Ady Lehibe Faharoa, ary navelany ny fakana sary ho an’ny gazety, na dia nahazoany vola be aza izany, mba hanaovana ny fanompoana manontolo andro. Tany am-ponja nandritra ny roa taona izy, satria nihazona ny fialanalanany kristianina. Nanohana azy hatrany ny fianakaviany, ary nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileadan’ny Tilikambo Fiambenana tany New York, ny zanany telo, tamin’ny 1950, mba hiofana ho misionera. Nazoto nitory tokoa ny Rahalahy Beavor, ka nantsoin’ireo namany hoe Ernie Haramagedona. Niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany hatrany izy, ary hatramin’ny nahafatesany, tamin’ny 1986, aza, dia nanambara izy fa efa antomotra ny adin’Andriamanitra ao Haramagedona. Tsy noheveriny ho fifanekena tamin’Andriamanitra nandritra ny fotoana voafetra fotsiny ny fanoloran-tenany! *—1 Korintiana 15:58.
8, 9. a) Inona no ohatra navelan’ny tovolahy maro tany Espaina nandritra ny fitondran’i Franco? b) Fanontaniana inona avy no tsara hapetraka?
8 Avy any Espaina ny ohatra hafa iray ny amin’ny zotom-po tsy mety lefy. Nandritra ny fitondran’i Franco (1939-1975), dia nihazona ny fialanalanana kristianina ny Vavolombelona tanora vita fanoloran-tena an-jatony maro. Maro tamin’izy ireo no tany amin’ny fonja miaramila nandritra ny folo
taona, na mihoatra. Nahatratra 22 taona tany am-ponja mihitsy aza ny fitambaran’ireo sazin’ny Vavolombelona iray atao hoe Jesús Martín. Nokapohina mafy izy, fony nogadraina tao amin’ny fonja miaramila iray tany Afrika Avaratra. Tsy mora mihitsy izany, nefa tsy nanaiky lembenana izy.9 Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, dia tsy fantatr’ireny tovolahy ireny mihitsy hoe rahoviana izy ireo no hafahana, raha hafahana tokoa, satria nahazo sazy be dia be nifanesy izy ireo. Tsy nivadika anefa izy ireo, ary nazoto hatrany teo amin’ny fanompoana, fony tany am-ponja. Farany, rehefa nihatsara ny toe-javatra tamin’ny 1973, dia nafahana tao am-ponja ny maro tamin’ireny Vavolombelona ireny, izay 30 taona mahery kely tamin’izany fotoana izany, ary nanao ny fanompoana manontolo andro avy hatrany, ka ny sasany tonga mpisava lalana manokana sy mpiandraikitra mpitety faritany. Niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany izy ireo tany am-ponja, ary nanohy nanao izany ny ankamaroany, taorian’ny nanafahana azy. * Ahoana ny amintsika ankehitriny? Moa ve isika tsy mivadika amin’ny fanoloran-tenantsika, toa an’ireo olona nahatoky ireo?—Hebreo 10:32-34; 13:3.
Ny tokony ho fiheverantsika ny fanoloran-tenantsika
10. a) Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny fanoloran-tenantsika? b) Ahoana no fomba fijerin’i Jehovah ny fanompoantsika azy?
10 Ahoana no fiheverantsika ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony? Izy io ve no zavatra voalohany indrindra eo amin’ny fiainantsika? Na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra misy antsika, na antitra isika na tanora, na manambady na tsy manambady, na salama na marary, dia tokony hiezaka mafy isika mba hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika, arakaraka ny tarehin-javatra misy antsika. Ny toe-javatra misy ny olona iray dia mety hamela azy hanao ny fanompoana manontolo andro ka ho mpisava lalana, na hiasa an-tsitrapo any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, na ho misionera, na hanao ny fanompoana fitetezam-paritany. Mety ho tena be atao kosa ny ray aman-dreny sasany, mikarakara ny zavatra ilain’ny fianakaviana eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy. Eo imason’i Jehovah, moa ve maivan-danja noho ny ora maro lanin’ny mpanompo manontolo andro iray, ny ora somary vitsivitsy lanin’izy ireo eo amin’ny fanompoana isam-bolana? Tsia. Tsy mitaky amintsika izay tsy ananantsika na oviana na oviana Andriamanitra. Izao no foto-pitsipika nolazain’ny apostoly Paoly: “Raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.”—2 Korintiana 8:12.
11. Miankina amin’ny inona ny famonjena antsika?
11 Na ahoana na ahoana, ny famonjena antsika dia tsy miankina amin’ny zavatra mety hataontsika, na inona izany na inona, fa miankina amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Tompontsika. Nanazava tsara toy izao i Paoly: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra, ary ho toy ny fanomezana maimaim-poana ny nanambarana azy ireo fa marina noho ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, tamin’ny alalan’ny fanafahana Romana 3:23, 24, NW; Jakoba 2:17, 18, 24.
noho ny avotra naloan’i Kristy Jesosy.” Ny asantsika anefa dia porofo fa tena velona ny finoantsika an’ireo fampanantenan’Andriamanitra.—12. Nahoana isika no tsy tokony hifampitaha?
12 Tsy mila mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa isika, raha ny amin’ny fotoana lanintsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly apetratsika, na ny isan’ny fampianarana Baiboly tarihintsika. (Galatiana 6:3, 4). Na inona na inona zava-bitantsika eo amin’ny fanompoana kristianina, dia tokony hotadidintsika rehetra ireto tenin’i Jesosy ireto, izay mahatonga hanetry tena: “Dia tahaka izany koa hianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.” (Lioka 17:10). Impiry isika no tena afaka milaza fa nanao “izay rehetra nandidiana” antsika? Koa izao àry no fanontaniana mipetraka: Tokony hanao ahoana ny hatsaran’ny fanompoantsika an’Andriamanitra?—2 Korintiana 10:17, 18.
Ampiasao tsara ny andro tsirairay mba hisy vidiny
13. Toe-tsaina manao ahoana no ilaintsika rehefa manatontosa ny fanoloran-tenantsika isika?
13 Rehefa avy nanome torohevitra ny vehivavy sy ny lehilahy manambady, ny ankizy, ny ray aman-dreny, ary ny mpanompo i Paoly, dia nanoratra hoe: “Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo hianareo.” (Kolosiana 3:23, 24). Tsy mikendry ny hampiaiky volana ny olona ny amin’ny zava-bitantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika. Miezaka manompo an’Andriamanitra amin’ny fanarahana ny ohatr’i Jesosy Kristy isika. Teo am-panatontosany ny fanompoany, izay somary tsy naharitra ela, dia nahatsapa foana izy fa asa maika izany.—1 Petera 2:21.
14. Inona no fampitandremana nomen’i Petera momba ny andro farany?
14 Nasehon’ny apostoly Petera koa fa nahatsapa toy izany izy. Ao amin’ny taratasiny faharoa, 2 Petera 3:3, 4, 9, 10.
dia nampitandrina izy fa amin’ny andro farany, dia hisy mpaniratsira—mpivadi-pinoana sy mpisalasala—izay hampipoitra fisalasalana momba ny fanatrehan’i Kristy, araka izay tiany. Nilaza anefa i Petera hoe: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo”. Eny, azo antoka fa ho avy ny andron’i Jehovah. Noho izany, dia tokony hosaintsainintsika isan’andro ny hoe azo antoka sy mafy orina tokoa ve ny finoantsika ny fampanantenan’Andriamanitra.—15. Ahoana no tokony hiheverantsika ny andro tsirairay eo amin’ny fiainantsika?
15 Mba tsy hanaovana tsirambina ny fiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika, dia tokony hampiasa ny andro tsirairay ho fiderana an’i Jehovah isika. Rehefa mifarana ny andro tsirairay, moa ve isika afaka miverina mijery izany indray, ka mahita fa nandray anjara tamin’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra sy ny fanambarana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana isika? Angamba izany tamin’ny fitondran-tenantsika madio, na ny resaka mampahery nataontsika, na ny fiahiantsika tamim-pitiavana ny fianakaviantsika na ny namantsika. Moa ve isika nanararaotra ireo fahafahana hilaza ny fanantenantsika kristianina tamin’ny hafa? Nanampy olona hisaintsaina tamim-pitandremana momba ireo fampanantenan’Andriamanitra ve isika? Aoka isika hanangona zavatra sarobidy amin’ny heviny ara-panahy, isan’andro, toy ny hoe mampitombo ny volantsika ao amin’ny kaonty iray any amin’ny banky ara-panahy.—Matio 6:20; 1 Petera 2:12; 3:15; Jakoba 3:13.
Aoka hazava hatrany ny fahitanao
16. Amin’ny fomba ahoana avy no iezahan’i Satana hitaomana antsika hanamaivana ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra?
16 Mihasarotra kokoa ho an’ny Kristianina ny andro iainantsika. Miezaka hampanjavozavo ny Romana 1:24-28; 16:17-19). Nataony mora erỳ ny handotoantsika ny fontsika sy ny saintsika amin’ny alalan’izay fidintsika hojerena ao amin’ny televiziona na ny Internet. Mety hanjary hanjavozavo, na tsy hazava tsara, ny fahitantsika ara-panahy, ka tsy ho afaka hanavaka ireo fanangoleny isika. Mety hihena ny fahatapahan-kevitsika hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika, ary mety tsy hihazona mafy intsony ilay “fangady” isika, raha mampandefitra ireo toetra tsara sy foto-pitsipika ara-panahy ananantsika.—Lioka 9:62; Filipiana 4:8.
fiavahan’ny tsara sy ny ratsy, ny madio sy ny maloto, ny madio fitondran-tena sy ny maloto fitondran-tena, ary ny mety sy ny tsy mety, i Satana sy ireo miasa ho azy. (17. Ahoana no anampian’ny torohevitr’i Paoly antsika hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra hatrany?
17 Koa tena amin’ny fotoana ilantsika azy indrindra àry ireto tenin’i Paoly ho an’ny kongregasiona tao Tesalonika ireto: “Izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra”. (1 Tesaloniana 4:3-5). Noroahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristianina ny sasany—ireo nanao tsirambina ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra—noho ny fahalotoam-pitondran-tena. Navelany hiharatsy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, ka nanjary tsy zava-dehibe teo amin’ny fiainany intsony Andriamanitra. Nilaza anefa i Paoly hoe: “Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana. Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.”—1 Tesaloniana 4:7, 8.
Inona no fahatapahan-kevitrao?
18. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
18 Raha takatsika ny maha zava-dehibe ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah Andriamanitra, dia tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika? Tokony ho tapa-kevitra mafy ny hanana feon’ny fieritreretana tsara hatrany isika, raha ny amin’ny fitondran-tenantsika sy ny fanompoantsika. Nampirisika toy izao i Petera: “Ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.” (1 Petera 3:16). Angamba tsy maintsy hijaly sy hoentina amin’ny fomba ratsy isika, noho ny fitondran-tenantsika kristianina, nefa izany koa no nanjo an’i Kristy noho ny finoany sy ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra. “Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy”, hoy i Petera, “dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota”.—1 Petera 4:1.
19. Inona no tiantsika holazain’ny olona momba antsika?
19 Eny, raha tapa-kevitra mafy ny hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika isika, izany dia hiaro antsika amin’ireo fandriky ny tontolon’i Satana marary ara-panahy sy ara-pitondran-tena ary ara-batana. Mihoatra noho izany anefa, dia ho azontsika antoka fa ankasitrahan’Andriamanitra isika, ka izany dia tsara lavitra noho izay zava-drehetra azon’i Satana sy ireo miasa ho azy, atolotra. Koa aoka àry ny zavatra ataontsika tsy hahatonga mihitsy ny olona hilaza hoe tsy ananantsika intsony ilay fitiavana tao amintsika fony isika nahafantatra voalohany ny fahamarinana. Aoka kosa izany hahatonga azy hilaza momba antsika toy izao, araka izay nolazaina momba an’ireo tao amin’ny kongregasiona tao Tyatira tamin’ny taonjato voalohany: “Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.” (Apokalypsy 2:4, 18, 19). Eny, aoka isika tsy ho matimaty raha ny amin’ny fanoloran-tenantsika, fa aoka kosa isika “hafana fo”, ho be zotom-po hatramin’ny farany—ary efa akaiky ny farany.—Romana 12:11; Apokalypsy 3:15, 16.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1987, pejy faha-31.
^ feh. 7 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1980, pejy faha-8-12, mba hahafantarana amin’ny an-tsipiriany ny tantaram-piainan’i Ernest Beavor.
^ feh. 9 Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1978 (frantsay), pejy faha-156-158, 201-218, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tadidinao Ve?
• Inona no tafiditra amin’ny hoe fanoloran-tena?
• Mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena tamin’ny andro fahiny sy amin’ny andro maoderina iza avy no mendrika ny hotahafintsika?
• Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny fanompoantsika an’Andriamanitra?
• Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika, raha ny amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 15]
Nahatoky hatrany i Jeremia na dia nampijalina mafy dia mafy aza
[Sary, pejy 16]
Ernest Beavor, Kristianina be zotom-po, izay nanome ohatra tsara ho an’ny zanany
[Sary, pejy 17]
Tsy nivadika ireo tanora Vavolombelona an-jatony maro, tany amin’ny fonja tany Espaina
[Sary, pejy 18]
Aoka isika hampitombo zavatra sarobidy amin’ny heviny ara-panahy isan’andro