Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanompo Tany Amin’izay Rehetra Nilana Ahy Aho

Nanompo Tany Amin’izay Rehetra Nilana Ahy Aho

Tantaram-piainana

Nanompo Tany Amin’izay Rehetra Nilana Ahy Aho

NOTANTARAIN’I JAMES B. BERRY

Taona 1939 tamin’izay. Nanjary sarotra ny fiainana tatỳ Etazonia noho ny Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe, ary nandrahona an’i Eoropa ny ady. Niala tany Mississippi nisy anay, izahay sy i Bennett zandriko lahy mba hitady asa tany Houston, any Texas.

INDRAY andro, tamin’ny faramparan’ny fahavaratra, dia nahare filazana nanaitra mafy nikasaotsaoka tao amin’ny radio izahay, nanao hoe: Niditra tao Polonina ny tafik’i Hitler. “Nanomboka i Haramagedona!”, hoy ny fihiakan’ilay rahalahiko. Niala tamin’ny asanay avy hatrany izahay. Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra izahay ary nanatrika ny fivorianay voalohany. Nahoana no Efitrano Fanjakana? Aleo atomboko hatramin’ny voalohany.

Teraka tao Hebron, any Mississippi, aho, tamin’ny 1915. Nipetraka tany ambanivohitra izahay. Indray mandeha isan-taona teo ho eo, dia tonga tao amin’ilay faritra ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany, ary nandamina ny hanaovana lahateny tany an-tranon’olona iray, izy ireo. Vokatr’izany, dia nanana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly maro ny ray aman-dreniko. Nanjary nino izay nampianarin’ireny boky ireny izahay sy i Bennett: tsy mandoro ny afobe, maty ny fanahy, hiaina mandrakizay eto an-tany ny olo-marina. Betsaka anefa ny zavatra tokony mbola hianaranay. Taoriana kelin’ny nahavitan’ny fianarako, dia nandeha nitady asa tany Texas izahay mirahalahy.

Rehefa nihaona tamin’ireo Vavolombelona tany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay tamin’ny farany, dia nanontany izy ireo raha mpisava lalana izahay. Tsy azonay an-tsaina mihitsy hoe mpanompo manontolo andro Vavolombelon’i Jehovah anie no atao hoe mpisava lalana. Nanontany anay izy ireo avy eo raha tianay ny hitory. “Tena tianay ka!” hoy ny navalinay. Nieritreritra izahay fa handefa olona hiaraka aminay izy ireo mba hanoro anay ny fomba fanaovana ilay izy. Tsy izany anefa no izy, fa notoloran’izy ireo sarintany fotsiny izahay ka nilazany hoe: “Eto miasa!” Tsy nahafantatra na inona na inona momba ny fomba fitoriana mihitsy izahay sy i Bennett, ary tena tsy tianay ny ho sanganehana. Tamin’ny farany, dia nalefanay paositra niverina fotsiny ilay sarin’ny faritany saika nitorianay, ary lasa izahay niverina tany Mississippi!

Ny tenanay mihitsy no nandray ny fahamarinana ara-baiboly

Taorian’ny niverenanay tany an-trano, dia namaky isan’andro ireo zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelona izahay, efa ho nandritra ny herintaona naninjitra. Tsy nisy herinaratra ny tranonay ka tamin’ny hazavan’ny afo izahay no namaky teny rehefa alina. Tamin’izany fotoana izany, dia nisy mpikarakara ny zone na mpiandraikitra mpitety faritany nitsidika ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Vavolombelona nitokana, mba hampahery azy ireo tamin’ny lafiny ara-panahy. Iray tamin’ireny mpikarakara ireny i Ted Klein, izay nitsidika ny kongregasiona nisy anay, sy niaraka taminay sy i Bennett tamin’ny fitoriana isam-baravarana, ka matetika no indray nentiny izahay mirahalahy. Nohazavainy taminay avokoa ny momba ny asan’ny mpisava lalana.

Tena nahatonga anay hieritreritra ny hanao bebe kokoa teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny niarahanay taminy. Koa tamin’ny 18 Aprily 1940, dia nataon’ny Rahalahy Klein batisa izaho sy i Velva, anabaviko, ary i Bennett. Nanatrika ny batisanay ny ray aman-dreninay ary nankasitraka ny fanapahan-kevitray ry zareo. Natao batisa koa izy ireo, roa taona teo ho eo tatỳ aoriana. Samy nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady mandra-pahafatiny: i Dada tamin’ny 1956 ary i Neny tamin’ny 1975.

Rehefa nanontany ahy ny rahalahy Klein raha afaka ny ho mpisava lalana aho, dia nolazaiko taminy fa iriko ny hanao azy io, saingy tsy nanam-bola aho, tsy nanana akanjo, tsy nanana na inona na inona. “Aza manahy”, hoy izy, “fa hokarakaraiko ny amin’izany.” Ary tena nikarakara tokoa izy. Nalefany aloha ny fangatahako hanao ny asan’ny mpisava lalana. Avy eo, dia nentiny niaraka taminy tany Nouvelle-Orléans, izay 300 kilaometatra eo ho eo avy teo aminay, aho, ary nampisehoany efitra tsara tarehy sasany tao ambonin’ny Efitrano Fanjakana. Natao ho an’ny mpisava lalana izy ireo. Tsy ela dia nifindra tao aho ary nanomboka nanao ilay asako vaovao, dia ny asan’ny mpisava lalana. Nanampy ny mpisava lalana ireo Vavolombelona tao Nouvelle-Orléans, tamin’ny fanomezana akanjo sy vola ary sakafo. Nisy rahalahy nitondra sakafo ho anay nandritra ny andro, ka namela ilay izy teo am-baravarana na tao anaty vata fampangatsiahana mihitsy aza. Ny rahalahy iray tompon’ny hotely fisakafoana iray teo akaiky teo, dia nanasa anay ho tonga tsy tapaka tamin’ny ora fikatonan’ny hoteliny, mba haka sakafo vaovao sisa tsy lany tamin’ilay andro, toy ny hena, mofo, toton-kena sy tsaramaso, ary mofomamy nasiana voankazo.

Niatrika herisetra avy tamin’ny vahoaka romotra

Rehefa afaka kelikely, dia voatendry hanao ny asan’ny mpisava lalana tao Jackson, any Mississippi, aho. Tojo herisetra avy tamin’ny vahoaka romotra izahay sy ilay tanora namako rehefa tany, ary toa nanohana an’ilay vahoaka romotra ireo mpitandro filaminana teo an-toerana! Nitovy tamin’izany koa no nitranga tany Columbus, any Mississippi, toerana nanendrena anay nanaraka. Nankahala anay ny fotsy hoditra sasany satria nitory tamin’ny olona avy tamin’ny firazanana sy firenena rehetra izahay. Maro no nino fa meloka ho nampirisika olona hikomy tamin’ny fanjakana izahay. Nanana izany fiheverana izany ilay lehiben’ny Fikambanan’ny Menavazana Amerikanina, fikambanana iray tia tanindrazana be. Imbetsaka izy no nampirisika vahoaka romotra mba hamely anay.

Tamin’ilay nanafihana anay voalohany tany Columbus, dia nisy vahoaka romotra nanaraka anay raha mbola teny am-pizarana gazety teny an-dalana izahay. Natosik’izy ireo hiankina tamin’ny varavaram-pitaratry ny fivarotana iray izahay. Nitangorona ny olona hijery izay nitranga. Tsy ela dia tonga ny polisy ary nitondra anay tany amin’ny fitsarana. Nanaraka anay tany ilay vahoaka romotra ka nambaran’izy ireo teo anoloan’ny manam-pahefana rehetra tao fa raha nandao ilay tanàna hatramin’ny daty iray voafaritra izahay, dia ho tafavoaka velona. Raha aorian’io daty io kosa izahay vao mandeha, dia tsy ho tafavoaka velona! Nieritreritra izahay fa ny tsara indrindra dia ny nandao kely an’ilay tanàna aloha. Niverina anefa izahay herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nanohy nitory indray.

Tsy ela taorian’izay, dia notafihin’olona valo lahy izahay ka notereny hiditra tao anatin’ny fiarany roa. Nentiny tany anaty ala izahay, nendahany ny akanjonay ary novelesiny in-30 avy tamin’ny fehikiboko izahay roa lahy! Nanana basy sy tady mihitsy izy ireo, ary tsoriko aloha fa tena natahotra izahay. Nihevitra aho fa hofatorany izahay ary hatsipiny any anaty renirano avy eo. Norovitiny ny zavatra vita an-tsoratra tany aminay ka naparitany, ary nakapokapony tamin’ny foto-kazo mihitsy aza ny grafofaoninay ho potipotika.

Rehefa avy nikapoka anay izy ireo, dia nasainy nampidirina ny akanjonay, ka nasainy nidina tamin’ny lalan-kely iray tao anaty ala izahay sady tsy nahazo niherika. Rehefa nandeha izahay, dia tena nihevitra fa raha sahy niherika izahay, dia ho notifiriny ho faty​—ary dia ho afa-maina izy ireo! Nandre fiara lasa nandeha anefa izahay afaka minitra vitsivitsy.

Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia nenjehin’ny vahoaka romotra izahay ka voatery namatotra ny akanjonay nanodidina ny tendanay, ary nilomano tamin’ny renirano iray mba hahafahana handositra. Tsy ela taorian’izay, dia nosamborina izahay noho ny fiampangana anay ho nampirisika olona hikomy tamin’ny fanjakana. Nigadra telo herinandro izahay vao natao ny fitsarana. Natao resa-be tao Columbus izany zava-niseho izany. Navela hirava aloha mihitsy ny mpianatra tao amin’ny sekoly ambony iray teo akaiky teo mba hanatrehana ilay fitsarana. Feno hipoka ilay trano fitsarana rehefa tonga ilay andro, ka nisy ny nitsangana! Anisan’ireo niaro ny Fanjakana ny mpitory teny roa lahy sy ny ben’ny tanàna ary ny polisy.

Nirahina mba hisolo tena anay ny mpisolovava Vavolombelona iray antsoina hoe G. C. Clarke sy ny namany iray. Nangataka ny tsy handinihana ireo fiampangana anay ho nampirisika olona hikomy tamin’ny fanjakana izy ireo noho ny tsy fisian’ny porofo. Nilaza zavatra nafonja hiarovana anay ilay mpisolovava niara-niasa tamin’ny Rahalahy Clarke, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza izy. Nisy fotoana nilazany tamin’ilay mpitsara hoe: “Lazain’ny olona fa adaladala ny Vavolombelon’i Jehovah. Adaladala hoe? Nolazaina fa adaladala ange i Thomas Edison e!” Avy eo, dia nanondro ny jiro izy ka nilaza hoe: “Nefa jereo io ampola io!” Mety ho noheverin’ny sasany ho adaladala i Edison, izay namorona ny ampola, kanefa tsy nisy na iza na iza afaka nanda ny zava-bitany.

Rehefa avy nandre izany fanambarana izany ilay mpitsara, prezidàn’ny fitsaram-paritra, dia izao no nambarany tamin’ilay mpampanoa lalàna: “Tsy manana porofo kely akory ianao mba hanamarinana fa mampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana ry zareo ireo, ary manan-jo rahateo hanao io asa io koa ange ry zareo e! Aza entina miverina ato amin’ity efitrano fitsarana ity intsony ireo raha tsy efa manana porofo ianao, fa mandany ny fotoana sy ny volam-panjakana fotsiny, ary mandany ny fotoanako koa!” Nandresy izahay!

Taorian’izay anefa, dia niantso anay ho ao amin’ny efitrano fiasany ilay mpitsara. Fantany fa tsy nanaiky ny didim-pitsarany ny olon-drehetra tao an-tanàna. Koa nampitandrina anay izy hoe: “Araka ny lalàna ny zavatra nolazaiko, nefa izao no torohevitra omeko anareo mirahalahy: Mialà eto fa raha tsy izany dia hovonoiny ho faty ianareo!” Fantatray fa marina ny azy ka dia nandao an’ilay tanàna izahay.

Avy eo aho dia namonjy an’i Bennett sy i Velva, izay mpisava lalana manokana tao Clarksville, any Tennessee. Voatendry tao Paris, any Kentucky, izahay, afaka volana vitsivitsy. Herintaona sy tapany taorian’izay, rehefa nadiva hanorina kongregasiona tao iny indrindra izahay no naharay fanasana tena manokana izahay sy i Bennett.

Ho amin’ny fanompoan’ny misionera

Rehefa nahita ny fanasana hanatrika ny kilasy faharoa tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileadan’ny Tilikambo Fiambenana izahay, dia nieritreritra hoe: ‘Diso ry zareo! Inona koa no hanasany tovolahy tsotsotra roa avy any Mississippi mba hanatrika an’io sekoly io?’ Noheverinay fa olona nahita fianarana no notadiavin-dry zareo, nefa dia nandeha ihany izahay. Nisy mpianatra 100 tao amin’ilay kilasy ary naharitra dimy volana ilay fianarana. Tamin’ny 31 Janoary 1944 no nizarana ny diplaoma, ary dodona erỳ izahay ny hanompo tany an-tany hafa. Nila fotoana lava be anefa ny fahazoana pasipaoro sy visa tamin’izany fotoana izany, ka notendrena vonjimaika ho eto Etazonia ireo mpianatra. Rehefa nanao kelikely ny asan’ny mpisava lalana tany Alabama sy i Géorgie izahay sy i Bennett, dia nahazo fanendrena ihany tamin’ny farany, ka nalefa tany Barbade, any Antilles.

Mbola nitohy ny Ady Lehibe Faharoa ary voarara tany amin’ny tany maro, anisan’izany i Barbade, ny asa sy ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany amin’ny ladoàny tany Barbade, dia nosokafan’ny tompon’andraikitra sy nosavainy ny entanay ka hitan’izy ireo ny zavatra vita an-tsoratra nafeninay tao. ‘Vita hatreo ny aminay’, hoy izahay anakampo. Tsy izany anefa no nitranga fa niteny tsotra fotsiny ny tompon’andraikitra iray hoe: “Miala tsiny izahay fa voatery nisava ny entanareo; voarara eto Barbade ny sasany amin’ireto bokinareo ireto.” Na izany aza, dia navelany nandeha niaraka tamin’ny zavatra vita an-tsoratra rehetra nentinay izahay! Tatỳ aoriana, rehefa nitory tamin’ny olona ambony tao amin’ny fitondrana izahay, dia nilaza izy ireo fa tsy fantany ny antony nandrarana ireny zavatra vita an-tsoratra ireny. Nofoanana ilay fandrarana rehefa afaka volana vitsivitsy.

Nahita fahombiazana betsaka tamin’ny fanompoana izahay tany Barbade. Nitarika fampianarana Baiboly 15, fara fahakeliny, ny tsirairay taminay, ary nandroso ara-panahy ny ankamaroan’ireo mpianatra. Faly izahay nahita ny sasany tonga tamin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Noho ny nandrarana ireo zavatra vita an-tsoratra nandritra ny fotoana elaela anefa, dia tsy nahatakatra tsara ny fomba tokony hitarihana fivoriana ireo rahalahy tany. Tsy ela anefa dia afaka nampiofana rahalahy mahay maromaro izahay. Finaritra izahay nanampy olona maro tamin’ireo nampianarinay mba hanomboka ny fanompoana kristianina, ary nahafinaritra anay ny nahita ny nitomboan’ilay kongregasiona.

Fitaizana ankohonana

Nila fandidiana aho rehefa avy nanompo 18 volana teo ho eo tany Barbade, ka voatery niverina teto Etazonia. Tatỳ aho, dia nanambady Vavolombelona iray nantsoina hoe Dorothy, izay nifanoratako. Nanao ny asan’ny mpisava lalana tao Tallahassee, any Florida, izahay mivady, avy eo. Nifindra tao Louisville, any Kentucky, izahay, rehefa afaka enim-bolana. Nisy Vavolombelona nanome asa ahy tany. Nanohy ny fanompoany tany Barbade nandritra ny taona maro i Bennett rahalahiko. Nanambady misionera iray izy tatỳ aoriana ary nanao asa fitetezam-paritany tany amin’ireo nosy. Tatỳ aoriana, dia voatery niverina teto Etazonia izy ireo noho ny antony ara-pahasalamana. Nanohy nanompo nanao asa fitetezam-paritany teo amin’ireo kongregasiona miteny espaniola izy mivady mandra-pahafatin’i Bennett tamin’ny 1990, teo amin’ny faha-73 taonany.

Niteraka ny zanakay voalohany i Dorothy, tamin’ny 1950. Vavy kely ilay izy, ary nataonay hoe Daryl no anarany. Dimy ny zanakay. Vao roa taona sy tapany monja i Derrick, zanakay faharoa, dia maty noho ny aretina nahazo ny fonon’atidohany sy ny fonon’ny tsokan-damosiny. Teraka anefa i Leslie tamin’ny 1956 ary avy eo i Everett, tamin’ny 1958. Niezaka nitaiza ny zanakay tao amin’ny lalan’ny fahamarinana ara-baiboly izahay sy i Dorothy. Niezaka foana ny hanao fianaram-pianakaviana izahay isan-kerinandro, ary niezaka foana ny hanao azy io ho nahaliana ny ankizy rehetra. Isan-kerinandro, dia nomenay fanontaniana anaovana fikarohana sy hovaliana ny herinandro nanaraka i Daryl sy i Leslie ary i Everett, fony izy ireo mbola kely. Nataon’izy ireo fampisehoana koa ny asa fitoriana isan-trano. Nankao anaty lalimoara ny iray ary mody nanao tompon-trano. Ny anankiray kosa nijoro teo ivelany ary nandondòna. Niteny zavatra nampihomehy ry zareo mba hahasanganehana ny andaniny avy, nefa nanampy azy ireo hamboly miandalana fitiavana ny asa fitoriana izany. Niara-nitory tamin’izy ireo tsy tapaka koa izahay.

Efa nananika ny 60 taona aho ary efa ho 50 taona i Dorothy fony niteraka an’i Elton, faralahinay, izahay, tamin’ny 1973. Nantsoin’ny tao amin’ny kongregasiona hoe Abrahama sy Saraha izahay! (Genesisy 17:15-17). Matetika no nentin’ireo zokiny lahy teny amin’ny fanompoana i Elton. Tsapanay fa fanambarana lehibe ho an’ny olona ny nahita mpirahalahy sy mpianadahy, ray aman-dreny sy zanaka, izay niara-niasa mba hiresahana tamin’ny hafa ireo fahamarinana ara-baiboly. Nifandimby nanao antsangory an’i Elton ireo zokiny lahy ary nasiany taratasy mivalona ara-baiboly iray teny an-tanan’i Elton. Saika nihaino foana ny olona rehefa nanokatra ny varavarana ka nahita zazalahy kely nahafatifaty teo an-tsoroky ny zokiny ngezabe. Nampianarin’ny zokiny lahy hanolotra taratasy mivalona an’ilay olona sy hanao teny fohy i Elton, rehefa tapitra ilay resaka. Izany no nanombohany nitory.

Afaka nanampy olon-kafa hanjary hahafantatra an’i Jehovah izahay tao anatin’ireo taona maro lasa. Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1970, dia niala tany Louisville izahay ka nifindra tany Shelbyville, any Kentucky, mba hanompo tao amin’ny kongregasiona iray nila fanampiana. Tany izahay, dia tsy vitan’ny hoe nahita ny fitomboan’ilay kongregasiona fotsiny fa nanampy koa tamin’ny fahitana tany sy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Nasaina nanompo tao amin’ny kongregasiona hafa iray tsy lavitra teo izahay tatỳ aoriana.

Fiainam-pianakaviana tsy azo antoka

Mba faniriako ny hilaza hoe nijanona tao amin’ny lalan’i Jehovah avokoa ny zanakay rehetra, nefa tsy izany no izy. Nandao ny lalan’ny fahamarinana ny telo tamin’ireo zanakay efatra sisa velona rehefa nihalehibe izy ireo ka nandao ny tokantrano. Nanaraka ny ohatra navelako anefa i Everett zanakay lahy ka niditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro. Nanompo tao amin’ ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany New York izy tatỳ aoriana, ary nasaina nanatrika ny kilasin’i Gileada faha-77, tamin’ny 1984. Taorian’ny nahazoany diplaoma, dia nankany Sierra Leone, any Afrika Andrefana, izay toerana nanendrena azy izy. Nanambady an’i Marianne, mpisava lalana avy any Belzika, izy, tamin’ny 1988. Miara-manao ny asan’ny misionera izy mivady hatramin’izao.

Na ray aman-dreny iza na ray aman-dreny iza dia afaka mahazo an-tsaina fa nahakivy anay ny nahita ny telo tamin’ny zanakay nandao fomba fiaina, izay sady mahafa-po ankehitriny no manome fanantenana kanto, dia ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa amin’ny hoavy. Manome tsiny ny tenako aho indraindray. Nampionona ahy anefa ny mahafantatra fa na dia ny sasany tamin’ny zanak’i Jehovah ara-panahy, na anjely, aza, dia tsy nanompo azy intsony, na dia mifehy amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy aza i Jehovah, ary tsy manao fahadisoana mihitsy. (Deoteronomia 32:4; Jaona 8:44; Apokalypsy 12:4, 9). Nilentika tsara tato an-tsaiko, noho izany, fa na dia mety hikely aina toy inona aza ny ray aman-dreny mba hitaiza ny zanany ao amin’ny lalan’i Jehovah, dia mety hisy ihany ny handa ny fahamarinana.

Toy ny hazo tsofin’ny rivo-mahery, dia tsy maintsy milefitra mifanaraka amin’ireo zava-tsarotra sy zava-nanahirana maro samy hafa tojo anay izahay. Hitako tao anatin’ireo taona maro lasa fa ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly sy ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana dia nanome ahy izany hery hoenti-milefitra izany, ary nahatonga ahy tsy ho faty ara-panahy. Arakaraka ny androsoan’ny taonako sy ahatsapako ireo fahadisoana nataoko tamin’ny lasa, dia miezaka ny hijery ny lafy tsaran-javatra aho. Raha dinihina tokoa, dia manampy antsika hitombo ara-panahy ny nandiavana zavatra toy izany, raha mitoetra ho mahatoky fotsiny ny tenantsika. Raha mandray lesona avy amin’ireny zavatra nodiavina ireny isika, dia afaka ny hisy lafy tsarany ireo lafy ratsin’ny fiainana.​—Jakoba 1:2, 3.

Tsy manana ny fahasalamana na ny hery hanaovana izay tianay hatao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah intsony ankehitriny, izahay sy i Dorothy. Ankasitrahanay anefa ny fanohanan’ireo rahalahy sy anabavy kristianina malalanay. Saika isaky ny fivoriana, dia milaza ny fankasitrahany ny maha eo anay ireo rahalahy. Ary manao izay rehetra azony hatao izy ireo mba hanampiana anay amin’izay fomba rehetra azo atao​—na amin’ny fanamboarana ny simba amin’ny trano sy ny fiara aza.

Afaka manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izahay indraindray ary mitarika fampianarana amin’ireo olona liana. Fifaliana manokana ho anay foana ny maharay vaovao avy amin’ny zanakay lahy any Afrika. Mbola manao fianaram-pianakaviana foana izahay na dia ho anay roa fotsiny aza izany ankehitriny. Faly izahay nanokana taona maro dia maro tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Manome toky anay izy fa tsy ‘hanadino ny asanay sy ny fitiavana izay nasehonay ho voninahitry ny anarany’.​—Hebreo 6:10.

[Sary, pejy 25]

Izaho sy i Velva ary i Bennett nataon’i Ted Klein batisa tamin’ny 18 Aprily 1940

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’i Dorothy vadiko tany am-piandohan’ireo taona 1940 sy tamin’ny 1997

[Sary, pejy 27]

Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny aotobisy tao an-tanàna ilay lahateny ampahibemaso hoe “Ilay Andrian’ny Fiadanana”, tany Barbade

[Sary, pejy 27]

Bennett rahalahiko teo anoloan’ny tranon’ny misionera