Nataonao ho Fomba Fiainanao ve ny Fahamarinana?
Nataonao ho Fomba Fiainanao ve ny Fahamarinana?
“Miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.”—ROMANA 12:2.
1, 2. Nahoana no tsy mora ny ho Kristianina marina ankehitriny?
TSY mora ny ho Kristianina marina amin’izao andro farany izao, dia amin’izao “andro mahory” izao. (2 Timoty 3:1). Raha ny marina, dia tsy maintsy mandresy an’izao tontolo izao ny olona iray, mba hanarahana ny ohatr’i Kristy. (1 Jaona 5:4). Tsarovy izao nolazain’i Jesosy izao, momba ny lalana kristianina: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” Nilaza koa izy hoe: “Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy.”—Matio 7:13, 14; Lioka 9:23.
2 Rehefa nahita ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana ny Kristianina iray, dia zava-tsarotra avy eo ny mijanona eo amin’izy io. Nahoana no zava-tsarotra izany? Satria mahatonga antsika ho lasibatr’ireo fanangolen’i Satana ny fanoloran-tenantsika sy ny batisantsika. (Efesiana 6:11). Marihiny ireo fahalementsika ary mitady hanararaotra azy ireny izy, mba hanimbana ny fahasalamantsika ara-panahy. Rehefa heverina tokoa, dia niezaka hitaona an’i Jesosy hivadika izy, ka nahoana izy no hamela antsika amin’izao?—Matio 4:1-11.
Ireo fanangolen’i Satana
3. Ahoana no nanisian’i Satana fisalasalana tao an-tsain’i Eva?
3 Paikady iray ampiasain’i Satana ny manisy fisalasalana ao an-tsaintsika. Mitady ireo fahalemen’ny fiadiantsika ara-panahy izy. Vao tany am-piandohana mihitsy, dia efa nampiasa izany paikady izany tamin’i Eva izy, ka nanontany hoe: “Hanky! Efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” (Genesisy 3:1). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia niteny i Satana hoe: ‘Dia tena nandrara anareo tsy hanao izany tokoa ve Andriamanitra? Izy ve dia tsy hanome anareo an’io zavatra tsara dia tsara io? Andray! Fantatr’Andriamanitra anie fa amin’izay andro hihinananareo amin’ilay hazo, dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy e!’ Nanisy fisalasalana tao an-tsain’i Eva i Satana, toy ny hoe namboly voa iray, ary niandry azy io hitsimoka.—Genesisy 3:5.
4. Fisalasalana inona avy no mety hisy akony eo amin’ny sasany ankehitriny?
4 Ahoana no ampiasan’i Satana an’izany paikady izany amin’izao andro izao? Raha manao tsirambina ny famakiantsika Baiboly, ny fianarantsika manokana, ny vavaka, ary ny fanompoantsika sy ny fivoriantsika kristianina isika, dia mety hisy akony mora foana eo amintsika ny fisalasalana apoitran’ny hafa. Ohatra: “Ahoana no ahafantarantsika fa ity no fahamarinana nampianarin’i Jesosy?” “Tena andro farany tokoa ve izao? Efa atỳ amin’ny taonjato faha-21 sahady mantsy isika.” “Eo an-katok’i Haramagedona ve isika, sa mbola ho ela izy io?” Raha mipoitra ny fisalasalana toy ireny, inona no azontsika atao mba hanesorana azy ireny?
5, 6. Inona no tokony hataontsika raha misy fisalasalana mipoitra?
5 Nanome torohevitra azo ampiharina i Jakoba, rehefa nanoratra toy izao: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.”—Jakoba 1:5-8.
6 Inona àry no tsy maintsy ataontsika? Tokony “hangataka amin’Andriamanitra” tsy tapaka amin’ny vavaka isika, mba hanomezany finoana sy fahatakaran-javatra antsika, ary hanohana ny ezaka ataontsika eo amin’ny fianarana manokana mahakasika izay fanontaniana na fisalasalana mipoitra. Afaka mangataka fanampiana avy amin’ireo izay matanjaka amin’ny finoana koa isika, ka tsy hisalasala mihitsy fa hanome antsika ny fanohanana ilaintsika i Jehovah. Nilaza toy izao koa i Jakoba: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” Eny, hanjavona ireo fisalasalantsika, rehefa manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fianarana sy ny vavaka isika.—7, 8. Inona avy ireo fepetra fototra sasany hamantarana an’ilay endri-panompoam-pivavahana nampianarin’i Jesosy, ary iza no mahafeno ireo fepetra ireo?
7 Raiso, ohatra, ilay fanontaniana hoe: Ahoana no ahafantarantsika fa manolotra ny endri-panompoam-pivavahana nampianarin’i Jesosy isika? Mba hamaliana izany, fepetra inona avy no tsy maintsy dinihina? Asehon’ny Baiboly fa tsy maintsy mifankatia marina ny tena Kristianina. (Jaona 13:34, 35). Tsy maintsy manamasina ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah izy ireo. (Isaia 12:4, 5; Matio 6:9). Ary tsy maintsy mampahafantatra an’izany anarana izany izy ireo.—Eksodosy 3:15; Jaona 17:26.
8 Lafiny hafa iray hamantarana ny fanompoam-pivavahana marina ny fanajana ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Io no hany boky manambara ny toetran’Andriamanitra sy ireo fikasany. (Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16, 17). Fanampin’izany, ny Kristianina marina dia manambara fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany antenaina hahazoan’ny olombelona fiainana mandrakizay eo amin’ny tany paradisa. (Marka 13:10; Apokalypsy 21:1-4). Manalavitra ny fanaovana politika maloto sy ny fomba fiaina manimban’ity tontolo ity izy ireo. (Jaona 15:19; Jakoba 1:27; 4:4). Iza no tena mahafeno ireo fepetra ireo ankehitriny? Araka ny zava-misy, dia iray monja ny valiny—ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ahoana raha maharitra ny fisalasalana?
9, 10. Inona no azontsika atao mba handresena fisalasalana maharitra?
9 Ahoana raha feno fisalasalana isika? Inona no tokony hataontsika? Manome ny valiny i Solomona, mpanjaka hendry, manao hoe: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.”—Ohabolana 2:1-5, izahay no manao sora-mandry.
10 Tsy hevitra mahagaga ve izany? Raha vonona ny hanongilan-tsofina tsara amin’ny fahendren’Andriamanitra isika, dia hahita “ny fahalalana an’
Andriamanitra”. Eny, afaka mandray fahalalana momba ny Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao isika, raha vonona handray sy hankamamy ny teniny. Izany dia midika hoe mitodika any amin’i Jehovah amin’ny vavaka sy amin’ny alalan’ny fianarana manokana. Afaka manaisotra izay rehetra mety ho fisalasalantsika ireo harena miafin’ny Teniny, amin’ny alalan’ny fahazavan’ny fahamarinana.11. Inona no vokatry ny fisalasalana teo amin’ny mpanompon’i Elisa?
11 Ao amin’ny 2 Mpanjaka 6:11-18, dia misy ohatra mazava iray ny amin’ny fomba nanampian’ny vavaka ny mpanompon’Andriamanitra iray natahotra sady nisalasala. Tsy nanana fahatakaran-javatra ara-panahy ny mpanompon’i Elisa. Tsy takany fa efa teo ny tafika tany an-danitra, mba hanohana ny mpaminanin’Andriamanitra, izay nohodidinin’ny tafika syrianina. Natahotra ilay mpanompo, ka nihiaka hoe: “Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?” Ahoana no navalin’i Elisa? “Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” Ahoana anefa no handresena lahatra an’ilay mpanompo? Tsy afaka nahita ireo tafika tany an-danitra mantsy izy.
12. a) Ahoana no nanesorana ireo fisalasalan’ilay mpanompo? b) Ahoana no ahafahantsika manaisotra izay rehetra fisalasalana mety hananantsika?
12 “Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.” Tamin’iny tarehin-javatra iny, dia nataon’i Jehovah izay hahitan’ilay mpanompo an’ireo tafika tany an-danitra niaro an’i Elisa. Tsy tokony hanampo ny hampian’Andriamanitra toy izany anefa isika, ankehitriny. Tadidio fa tsy nanana ny Baiboly manontolo hianarana mba hanatanjahana ny finoany, ilay mpanompon’ilay mpaminany. Isika kosa dia manana ny Baiboly. Raha mampiasa tsara azy io isika, dia afaka ny hihamatanjaka toy izany ny finoantsika. Azontsika atao, ohatra, ny misaintsaina ireo fitantarana maromaro milazalaza an’i Jehovah ao amin’ny kianjany any an-danitra. Tsy mamela antsika hisalasala mihitsy ireny fitantarana ireny momba ny hoe: Tena manana fandaminana any an-danitra i Jehovah, ary izy io dia manohana ireo mpanompony eo amin’ilay asa fampianarana maneran-tany ankehitriny.—Isaia 6:1-4; Ezekiela 1:4-28; Daniela 7:9, 10; Apokalypsy 4:1-11; 14:6, 7.
Mitandrema amin’ireo fanangolen’i Satana!
13. Amin’ny fomba ahoana no iezahan’i Satana itarihana antsika tsy hifikitra mafy intsony amin’ny fahamarinana?
13 Inona avy ireo fomba hafa sasany ampiasain’i Satana mba hahatonga antsika halemy ara-panahy sy tsy hifikitra mafy intsony amin’ny fahamarinana? Iray amin’ireny ny fahalotoam-pitondran-tena, amin’ireo endriny samy hafa rehetra. Eto amin’ity 1 Tesaloniana 4:3-5; Jakoba 1:13-15.
tontolo adalam-piraisana ity, dia fahita isan’andro ny hoe mangala-pitia (teny malefaka kokoa ilazana ny fanitsakitsaham-bady) na ny fiarahana indray alina (fijangajangana hamaivanina fotsiny), eo amin’ity taranaka mpikatsaka fahafinaretana ity, izay tapa-kevitra ny hahazo izany na inona na inona vidiny. Ampirisihana ao amin’ny sarimihetsika sy ny televiziona ary ny vidéo izany fomba fiaina izany. Tototry ny sary vetaveta ireo fampitam-baovao, indrindra fa ny Internet. Hisy fakam-panahy foana ho an’izay liana ta hahafanta-javatra.—14. Nahoana ny Kristianina sasany no lavo tamin’ireo fanangolen’i Satana?
14 Nanaiky ho resin’ny fahalianana ta hahafanta-javatra ny Kristianina sasany, ka nandoto ny sainy sy ny fony, tamin’ny fijerena sary vetaveta mampiseho an-kolaka na mampiseho mazava tsara mihitsy aza ny fanaovana firaisana. Nanaiky ho latsaka tao anatin’ny fandrika maninton’i Satana izy ireo. Matetika no nahatonga azy ireo ho vaky sambo ara-panahy ny fanaovany izany. Tsy nitoetra ho “zazakely raha ny amin’ny faharatsiana” ireny olona ireny. Tsy tonga “olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-mahataka-javatra” izy ireny. (1 Korintiana 14:20, NW ). Isan-taona, dia olona an’arivony maro no mijinja ireo vokatry ny tsy fanarahana ireo fitsipika sy fari-pitsipiky ny Tenin’Andriamanitra. Nanao tsirambina izy ireny ka tsy nitafy foana “ny fiadian’Andriamanitra”.—Efesiana 6:10-13; Kolosiana 3:5-10; 1 Timoty 1:18, 19.
Hevero ho sarobidy izay ananantsika
15. Nahoana no mety ho sarotra amin’ny sasany ny hankasitraka ny lovany ara-panahy?
15 “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”, hoy i Jesosy. (Jaona 8:32). Tsy maintsy niala tamin’ny fomba fiainany sy ny fivavahany teo aloha ny ankamaroan’ny Vavolombelona. Noho izany, dia mora kokoa ho azy ireo ny mankasitraka ilay fahafahana nentin’ny fahamarinana. Etsy an-danin’izany kosa, ho an’ny tanora sasany, izay notezain’ny ray aman-dreniny tao amin’ny fahamarinana, dia mety ho sarotra ny hankasitraka ny lovany ara-panahy. Mbola tsy tao amin’ny fivavahan-diso mihitsy izy ireo, na tao amin’ity tontolo ity, izay manantitrantitra ny fikatsahana fahafinaretana, ny fahandevozana amin’ny zava-mahadomelina, ary ny fahalotoam-pitondran-tena. Ho vokatr’izany, dia tsy hitany ny fahasamihafana tanteraka eo amin’ny paradisa ara-panahintsika sy ny tontolo maloto fitondran-tenan’i Satana. Mety hanaiky halaim-panahy hanandrana ny poizin’ity tontolo ity mihitsy aza ny sasany, mba hahitana hoe inona no tsy ananany!—1 Jaona 2:15-17; Apokalypsy 18:1-5.
16. a) Inona avy no fanontaniana mety hapetratsika amin’ny tenantsika? b) Ampianarina sy ampirisihina hanao inona isika?
16 Mila mandoro ny rantsantanantsika mihitsy ve isika vao hahatsapa izany hoe marary sy manaintaina izany? Moa ve isika tsy afaka mianatra avy amin’ny zavatra mampalahelo nanjo ny hafa? Mila miverina amin’ny ‘fotak’ity’ tontolo ity ve isika, mba hahitana raha misy zava-tsoa tsy azontsika? (2 Petera 2:20-22). Nampahatsiahivin’i Petera toy izao ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, izay tao amin’ny tontolon’i Satana teo aloha: “Ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra”. Azo antoka fa tsy ilaintsika ny manandrana ny “fanaranam-po amin’ny ratsy” ataon’ity tontolo ity, mba hahitana hoe manao ahoana izany fiainana mietry izany. (1 Petera 4:3, 4). Mifanohitra amin’izany kosa, fa ampianarina antsika any amin’ireo Efitra no Fanjakana, foiben’ny fampianarana ny Baiboly, ireo fari-pitsipi-pitondran-tena ambonin’i Jehovah. Ary ampirisihina isika hampiasa ny fahaiza-misaina, mba hanaporofoana amin’ny tenantsika fa manana ny fahamarinana isika, ka hanao ny fahamarinana ho fomba fiainantsika mihitsy.—Josoa 1:8; Romana 12:1, 2; 2 Timoty 3:14-17.
Tsy anarana isalorana fotsiny ny hoe Vavolombelon’i Jehovah
17. Ahoana no ampisehoantsika fa Vavolombelon’i Jehovah marina isika?
17 Raha manao ny fahamarinana ho fomba fiainantsika isika, dia hitady fomba hiresahana azy io amin’ny hafa, amin’izay fotoana mety rehetra. Tsy midika akory izany hoe hoterentsika hanaiky azy io ny olona tsy liana. (Matio 7:6). Tsy ho menatra kosa isika hampahafantatra fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenantsika. Raha mampiseho fahalianana kely ny olona iray, amin’ny fametrahana amim-pahatsorana fanontaniana iray, na amin’ny fandraisana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, dia ho efa vonona isika hiresaka ny amin’ny fanantenantsika. Mazava ho azy fa izany dia mampirisika antsika hanana zavatra vita an-tsoratra foana eny amintsika na aiza na aiza misy antsika—ao an-trano, any am-piasana, any am-pianarana, any amin’ny toeram-pivarotana, na any amin’ny toerana fialam-boly.—1 Petera 3:15.
18. Amin’ny ahoana no mety hitondra soa betsaka eo amin’ny fiainantsika ny fampahafantarana mazava fa Kristianina isika?
18 Rehefa mampahafantatra mazava ny tenantsika ho Kristianina isika, dia manatanjaka ny fiarovantsika amin’ny fanafihana feno hafetsen’i Satana. Raha misy fitsingerenan’ny andro nahaterahana na lanonana amin’ny Krismasy na loteria any amin’ny toeram-piasana, dia matetika ny mpiara-miasa no hilaza hoe: “Aza miraharaha azy, fa Vavolombelon’i Jehovah izy.” Noho izany antony izany ihany no mahatonga ny olona tsy dia te hitantara vazivazy vetaveta, rehefa eo isika. Koa mitondra soa betsaka eo amin’ny fiainantsika àry ny fampahafantarana ny toerana kristianina tanantsika, araka ny nohazavain’ny apostoly Petera hoe: “Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’izay tsara hianareo? Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra”.—1 Petera 3:13, 14.
19. Ahoana no ahafantarantsika fa efa lasa lavitra ao anatin’ny andro farany isika?
19 Ny soa hafa iray entin’ny fanaovana ny fahamarinana ho fomba fiainantsika dia ny hoe hiaiky isika fa tena izao tokoa no andro faran’ity fandehan-javatra ity. Ho fantatsika fa hisy fahatanterahany farany amin’ny androntsika, ny ankamaroan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. * Hamafisin’ireo zava-niseho maro be nampihoron-koditra tamin’ny taonjato lasa fa marina ilay fampitandreman’i Paoly hoe “any am-parany any dia hisy andro mahory”. (2 Timoty 3:1-5; Marka 13:3-37). Ny lahatsoratra an-gazety iray vao haingana mikasika ny taonjato faha-20, dia nitondra ny lohateny hoe “Hotsaroana ho toy ny Vanim-potoan’ny Habibiana Izy Io”. Nilaza toy izao ilay lahatsoratra: “Ny taona 1999 no taona nahitana vonoan’olona be indrindra nandritra ny tapany faharoa tamin’ilay taonjato nahitana vonoan’olona be indrindra.”
20. Fotoana tokony hanaovana asa inona izao?
20 Tsy fotoana tokony hisalasalana izao. Miharihary tsara ny fitahian’i Jehovah ilay asa lehibe indrindra hatramin’izay momba ny fampianarana ny Baiboly, atao maneran-tany, ho vavolombelona amin’ireo firenena. (Matio 24:14). Ataovy fomba fiainanao ny fahamarinana, ary resaho amin’ny hafa izy io. Miankina amin’izay ataonao amin’izao fotoana izao ny hoavinao mandrakizay. Tsy ho mendrika ny fitahian’i Jehovah ny miraviravy tanana. (Lioka 9:62). Izao kosa no fotoana tokony ‘hiorenana tsara, tsy hiovana, ary hahefana be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo’.—1 Korintiana 15:58.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 19 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Janoary 2000, pejy faha-12-14. Eo amin’ny fehintsoratra faha-13-18, dia misy famerenana ireo porofo lehibe enina mampiseho fa hatramin’ny 1914, dia miaina amin’ny andro farany isika.
Tadidinao Ve?
• Ahoana no ahafahantsika manaisotra ny fisalasalana?
• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’ilay mpanompon’i Elisa?
• Tsy maintsy mitandrina hatrany ny amin’ny fakam-panahy ara-pitondran-tena inona avy isika?
• Nahoana isika no tokony hampahafantatra mazava fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenantsika?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 10]
Afaka manampy antsika hanaisotra ny fisalasalana ny fianarana ny Baiboly sy ny vavaka tsy tapaka
[Sary, pejy 11]
Nanaisotra ny fisalasalan’ny mpanompon’i Elisa ny fahitana iray
[Sary, pejy 12]
Ampianarina antsika any amin’ireo Efitrano Fanjakana, toy ity efitrano any Bénin ity, ireo fari-pitsipi-pitondran-tena ambonin’i Jehovah