Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tandindomin-doza Foana Ianao eo Amin’ny Fiainana!

Tandindomin-doza Foana Ianao eo Amin’ny Fiainana!

Tandindomin-doza Foana Ianao eo Amin’ny Fiainana!

“Ny zavatra rehetra ataonao eo amin’ny fiainana andavanandro, anisan’izany ny fatoriana, dia tsy misy na iray aza tsy atahorana haningotra ny aina, ka hanjary ho zavatra farany nataonao teo amin’ny fiainanao.”​—Gazetiboky Discover.

NAMPITAHAINA tamin’ny fandehanana mamakivaky toerana iray feno vanja milevina ny fiainana, satria mety hisy ratra na fahafatesana hahazo ny tena na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, ary matetika tsy ampoizina. Miovaova arakaraka ny tany ireo antony mety hitondra loza. Tafiditra amin’izany ny lozam-pifamoivoizana, ny ady an-trano, ny mosary, ny SIDA, ny kansera, ny aretim-po, sy ny maro hafa tsy voatanisa. Nanjary aretina nandripaka olona faran’izay betsaka, ohatra, ny SIDA, atsy atsimon’i Sahara, satria tato anatin’ireo taona faramparany, dia “nahafaty olona 2,2 tapitrisa izy io, izany hoe avo folo heny noho ny isan’ny maty tamin’ireo ady an-trano rehetra tatsy Afrika”, hoy ny Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy).

Mandritra izany fotoana izany, dia mandany vola tsy toko tsy forohana izao tontolo izao mba hanalavana ny androm-piainan’ny olona, sy hahatonga ny olona tsy ho azon’aretina kokoa, ary mba ho kely kokoa ny mety hahazoany takaitra ara-batana. Mety hitondra soa ny ankamaroan’ireo hevitra aroso, toy ny fananana fahazarana mahasalama eo amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fampiasan-tena. Misy loharanom-panazavana mendri-pitokisana iray anefa. Miresaka ny amin’ny lafiny lehibe rehetra amin’ny fiainana izy io, ary afaka manampy anao hanana fiainana azo antoka kokoa sy milamina kokoa. Tsy inona akory io loharanom-panazavana io fa ny Baiboly. Mirakitra toro lalana mba hiatrehana karazam-panahiana maro be, izay misy

fiantraikany eo amin’ny fahasalamantsika sy ny fahasambarantsika, izy io. Mazava loatra fa tsy miresaka ny amin’ny zava-manahirana rehetra amin’ny an-tsipiriany ny Baiboly. Na izany aza anefa, dia manome foto-pitsipika tsara dia tsara izy io mba hitari-dalana antsika raha ny amin’ny raharaha toy ny fahazarana eo amin’ny fihinanana, ny fananana vatana tomady, ny toe-tsaina, ny firaisana ara-nofo, ny fampiasana zava-pisotro misy alkaola, ny sigara sy ny paraky, sy ny fidorohana zava-mahadomelina lazaina fa fialam-boly, mbamin’ny zavatra maro hafa.

Vesaran’ny fanahiana ara-bola koa ny fiainan’ny olona maro. Eto koa dia manampy antsika ny Baiboly. Tsy vitan’ny hoe mampirisika ny hananana fomba fijery mampiseho fahendrena momba ny vola sy ny fitantanam-bola izy, fa mampiseho koa ny fomba ahatongavana ho mpiasa na mpampiasa tsara kokoa. Raha tsorina dia mpitari-dalana azo antoka ny Baiboly, tsy eo amin’ny sehatry ny tsy fananana ahiahy ara-bola sy ny fahasalamana ara-batana fotsiny, fa eo amin’ny fiainana mihitsy koa. Irinao ve ny hahita hoe ahoana no mety ho azo ampiharana ny Baiboly amin’izao andro izao? Tohizo àry ny vakiteninao.