Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

oaro eo Anivon’ny Tontolo Iray Feno Loza

oaro eo Anivon’ny Tontolo Iray Feno Loza

Voaro eo Anivon’ny Tontolo Iray Feno Loza

METY hahafaty ny fandehanana eny amin’ny faritra iray misy vanja milevina. Tsy ho hafa noho izany anefa ve ny tarehin-javatra raha manana sarintany mampiseho ireo toerana misy vanja milevina ianao? Fanampin’izany, dia aoka hatao hoe nampiofanina mba hahay hamantatra ireo vanja isan-karazany ianao. Mazava fa ho kely dia kely ny loza mety hitranga hahatonga anao ho kilemaina na ho faty.

Azo ampitahaina amin’io sarintany io ny Baiboly ary azo oharina koa amin’ilay fampiofanana momba ny famantarana vanja milevina. Mirakitra fahendrena tsy misy toa azy ny Baiboly raha ny amin’ny fanalavirana ireo loza sy ny fiatrehana ireo zava-manahirana mitranga eo amin’ny fiainana.

Mariho ity fampanantenana manome toky ity, izay hita ao amin’ny Ohabolana 2:10, 11: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana”. Tsy avy amin’olombelona ny fahendrena sy ny fahalalana resahina eto, fa avy amin’Andriamanitra. “Fa izay mihaino [ny fahendrena araka an’Andriamanitra] kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.” (Ohabolana 1:33). Andeha hojerentsika hoe amin’ny ahoana ny Baiboly no afaka miaro bebe kokoa antsika sy manampy antsika hanalavitra zava-manahirana maro.

Fanalavirana loza mahafaty

Asehon’ny tarehimarika vao haingana navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), fa 1 171 000 eo ho eo isan-taona no matin’ny lozam-piarakodia, maneran-tany. Misy efa ho 40 tapitrisa koa no naratra, ary mahery kelin’ny 8 tapitrisa no nahazo takaitra.

Na dia tsy hety hisy aza ny hoe ho voaro tanteraka ny tena rehefa mitondra fiara, dia ho voaro kokoa isika raha manaraka ny lalàn’ny fifamoivoizana. Milaza toy izao mahakasika ireo fitondram-panjakana, izay mamoaka sy mampihatra ny lalàn’ny fifamoivoizana, ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe.” (Romana 13:1). Rehefa manaraka an’io torohevitra io ny mpitondra fiara, dia kely kokoa ny mety hitrangan’ny loza, izay misy vokany mahatsiravina matetika.

Ny fanajana ny aina no antony hafa iray hitandremana rehefa mitondra fiara. Hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah Andriamanitra: “Ao aminao no misy loharanon’aina”. (Salamo 36:9). Koa fanomezana avy amin’Andriamanitra àry ny aina. Noho izany, dia tsy manan-jo hanaisotra an’io fanomezana io amin’olona iza na amin’olona iza isika na hampiseho tsy fanajana ny aina, anisan’izany ny aintsika, mazava loatra.​—Genesisy 9:5, 6.

Mazava ho azy fa tafiditra amin’ny fanajana ny ain’olona ny fanaovana izay hahazoana antoka fa tsy mampidi-doza araka izay azo atao ny fiarantsika sy ny tranontsika. Laharam-pahamehana teo amin’ny lafim-piainana rehetra ny fisorohana ny loza, teo amin’ny Isiraely fahiny. Rehefa nanorina trano, ohatra, dia notakin’ny Lalàn’Andriamanitra ny hanisiana arofanina ny tafo, izay toerana nanaovan’ny fianakaviana zavatra maro. “Asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin’ny ra ho ao an-tranonao hianao.” (Deoteronomia 22:8). Noraisin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra ilay tompon-trano raha nisy olona nianjera satria tsy notandremana io lalàna fiarovana io. Tsy isalasalana fa ho faran’izay kely ny loza any amin’ny toeram-piasana na any am-panaovana fialam-boly mihitsy aza, noho ny fampiharana ilay foto-pitsipika mampiseho fitiavana ao amin’io lalàna io.

Miady mba tsy ho andevon-javatra mahafaty

Araka ny OMS, dia misy mpifoka sigara maherin’ny arivo tapitrisa ankehitriny eo amin’izao tontolo izao, ary olona eo amin’ny efatra tapitrisa isan-taona no matin’ny sigara. Ampoizina hiakatra ho folo tapitrisa eo ho eo io tarehimarika io ao anatin’ny 20 ka hatramin’ny 30 taona ho avy. Mpifoka sigara an-tapitrisany maro hafa, mbamin’ny mpidoroka zava-mahadomelina lazaina fa fialam-boly, no hanimba ny fahasalamany sy ny fiainany, noho izy ireo andevozin’ireny zavatra ireny.

Na dia tsy manonona mivantana ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky ary ny fidorohana zava-mahadomelina aza ny Tenin’Andriamanitra, dia afaka miaro antsika amin’ireo fanao ireo ny foto-pitsipika ao anatiny. Manoro hevitra toy izao, ohatra, ny 2 Korintiana 7:1: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy”. Tsy iadian-kevitra mihitsy ny hoe mandoto ny nofo amin-javatra simika maro manimba, ny sigara sy paraky ary ny zava-mahadomelina. Ankoatra izany, dia irin’Andriamanitra ho “masina” ny vatantsika, izany hoe ho madio. (Romana 12:1). Tsy ekenao ve fa tsy dia hotandindomin-doza loatra ny ain’ny tena rehefa ampiharina ireo foto-pitsipika ireo?

Fandresena fahazarana mampidi-doza

Olona maro no mirona hihinana sy hisotro tafahoatra. Anisan’ny vokatry ny fihinanana tafahoatra ny diabeta sy ny kansera ary ny aretim-po. Miteraka zava-manahirana fanampiny toy ny fiankinan-doha amin’ny alkaola, aretin’aty, fianakaviana rava sy lozam-pifamoivoizana, ny fibobohana zava-pisotro misy alkaola. Etsy an-danin’izany kosa, dia mety hanimba koa ny fitandreman-tsakafo diso tafahoatra, ary mety hanokatra ny lalana ho amin’ny fanao mety haningotra ny aina, toy ny tsy fahazotoan-komana zary aretina.

Na dia tsy boky momba ny fitsaboana aza ny Baiboly, dia manome torohevitra mivantana izy ny amin’ny ilana hahalalana onony eo amin’ny fihinanana sy ny fisotroana. “Mihainoa hianao, anaka, ka hendre, ary ampizory amin’ny làlana ny fonao. Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena”. (Ohabolana 23:19-21). Na izany aza anefa, dia milaza ny Baiboly fa tokony hahafinaritra ny fihinanana sy ny fisotroana. “Raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.”​—Mpitoriteny 3:13.

Mampirisika ny hananana fahaiza-mandanjalanja manoloana ny fampiasan-tena koa ny Baiboly, amin’ny fanamafisana fa “mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena”. Izao anefa no nanampiny: “Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” (1 Timoty 4:8). Hanontany angamba ianao hoe: ‘Amin’ny fomba ahoana avy no mahasoa dieny ankehitriny ny toe-panahy araka an’Andriamanitra?’ Amin’ny fomba maro. Mahatonga ny zavatra ara-panahy ho lafiny iray tena lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary tsy izany ihany fa mampiroborobo koa toetra mahasoa toy ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, ary fifehezan-tena, izay samy mandray anjara amin’ny fananana fahasalamana tsara sy fomba fijery mifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra.​—Galatiana 5:22, 23.

Vokatra mangidin’ny fitondran-tena maloto

Olona an-tapitrisany maro ankehitriny no tsy te ho voafehifehy intsony ka manana fitondran-tena baranahiny. Ny valanaretina SIDA no iray amin’ny vokatr’izany. Araka ny OMS, dia maherin’ny 16 tapitrisa no efa maty hatramin’ny niantombohan’ny valanaretina SIDA, ary 34 tapitrisa eo ho eo amin’izao fotoana izao no mitondra ny otrikaretina VIH, ilay virosy mahatonga ny SIDA. Maro amin’ireo tratran’ny SIDA no nahazo ilay aretina tamin’ny firaisana ara-nofo nataony tamin’ny olona maro samihafa; na tamin’ny fitaovam-panindronana efa mitondra ilay otrikaretina, izay fampiasan’ny olona andevozin’ny zava-mahadomelina; na tamin’ny fampidirana ra nisy ilay otrikaretina.

Anisan’ny vokany hafa ateraky ny fitondran-tena baranahiny ny fisian’ny fery eo amin’ny taovam-pananahana, ny angatra sy ny hépatite B sy C, ary ny tety. Na dia tsy nampiasaina tamin’ny andron’ny Baiboly aza ny voambolana ara-pitsaboana toy izany, dia fantatra kosa ireo taova voan’ny aretina sasany nahazatra tamin’izany fotoana izany, izay azo avy tamin’ny firaisana. Lazalazain’ny Ohabolana 7:23 ho toy ny ‘lefom-pohy miboroaka amin’ny aty’, ohatra, ny vokatra mampahatahotra entin’ny fijangajangana. Mazàna no manimba ny aty ny tety, ary toy izany koa ny hépatite. Eny, tena tonga amin’ny fotoana ilana azy sy feno fitiavana tokoa ilay torohevitry ny Baiboly ho an’ny Kristianina ny amin’ny tokony ‘hifadiana ny ra sy ny fijangajangana’!​—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

Ny fandriky ny fitiavam-bola

Mba hampanan-karena haingana, dia olona maro no sahisahy mampiasa vola amin-javatra tena tsy azo antoka. Mampalahelo anefa fa matetika no mahatonga azy ho matiantoka sy bankirompitra ny fanaovana toy izany. Izao anefa no lazain’ny Baiboly amin’ny mpanompon’Andriamanitra: “Aleo [izy] hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.” (Efesiana 4:28). Marina aloha fa mety tsy ho lasa mpanan-karena avokoa izay rehetra miasa mafy. Na izany aza anefa, dia milamin-tsaina izy, manana ny hajan’ny tenany, ary angamba manana tahirim-bola azony omena ho amin-java-kendrena mendri-kaja mihitsy aza.

Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Izay [tapa-kevitra ny hanan-karena, NW ] dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia (...) nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:9, 10). Tsy azo lavina fa maro amin’ireo “tapa-kevitra ny hanan-karena” no tena lasa manan-karena. Inona anefa no sandany? Tsy marina ve fa misy fiantraikany ratsy ilay izy, na eo amin’ny fahasalamany izany, na eo amin’ny fianakaviany, na eo amin’ny fahasalamany ara-panahy, ary na eo amin’ny torimasony aza?​—Mpitoriteny 5:11.

Takatry ny olon-kendry fa “ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany”. (Lioka 12:15). Ilaina any amin’ny ankamaroan’ny fiaraha-monina ny vola sy ny fananana sasany. Raha ny marina, dia milaza ny Baiboly fa “fialokalofana ny vola”, nefa manampy koa izy hoe “ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena”. (Mpitoriteny 7:12). Tsy tahaka ny vola ny fahalalana marina sy ny fahendrena fa afaka manampy antsika amin’ny tarehin-javatra rehetra, indrindra amin’ny raharaha mahakasika ny aintsika.​—Ohabolana 4:5-9.

Rehefa ny fahendrena ihany no hiaro antsika

Tsy ho ela ny tena fahendrena dia ‘hiaro ny ain’ny manana azy’, eny hiaro azy amin’ny fomba mbola tsy misy toy izany, satria hiaro azy amin’ilay “fahoriana lehibe” mihamanatona haingana, rehefa handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra. (Matio 24:21). Hanary ny volany eny an-dalam-be ho toy ‘ny zava-maharikoriko’, ny olona amin’izany fotoana izany, hoy ny Baiboly. Fa nahoana? Satria rehefa voa izy ireo vao hahatakatra fa tsy mahavidy ny ainy mandritra “ny andro fahatezeran’i Jehovah” ny volamena sy ny volafotsy. (Ezekiela 7:19). “Ny olona betsaka” kosa, izay ‘nihary harena tany an-danitra’ tamim-pahamalinana, tamin’ny nametrahany ny tombontsoa ara-panahy teo amin’ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany, dia handray soa avy amin’izany fanaovan-javatra azo antoka izany ka hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa.​—Apokalypsy 7:9, 14; 21:3, 4; Matio 6:19, 20.

Ahoana no ahafahantsika mahazo izany hoavy azo antoka izany? Izao no avalin’i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Olona an-tapitrisany maro no nahita io fahalalana io tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Tsy vitan’ny hoe manana fanantenana mahatalanjona ny amin’ny hoavy ihany izy ireo, fa dieny izao koa izy dia efa mahatsiaro ho miadana sy mandry feizay amin’ny lafiny sasany. Tsy misy hafa amin’izao lazain’ny mpanao salamo izao izany: “Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.”​—Salamo 4:8.

Mahafantatra loharanom-panazavana hafa izay tsy hahatandindomin-doza kokoa ny fahasalamanao sy ny fiainanao, tahaka ny ataon’ny Baiboly, ve ianao? Tsy misy boky hafa manana ny fahefan’ny Baiboly, ary tsy misy boky hafa afaka manampy anao ho tena voaro eo anivon’ity tontolo feno loza ankehitriny ity. Nahoana àry no tsy mandinika bebe kokoa ny Baiboly?

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Salama sy Tsara Toerana Kokoa​Noho ny Baiboly

Mba handosirana ny tena zava-misy eo amin’ny fiainana, dia zatra nampiasa marijuana, sigara, kôkainina, amphétamines, sy LSD, ary zava-mahadomelina hafa, ny tovovavy iray antsoina hoe Jane. * Mpisotro toaka be koa izy. Araka ny filazan’i Jane, dia nitovy torosy taminy koa ny vadiny. Toa nanjombona ny hoavin’izy mivady. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Jane avy eo. Nanomboka nanatrika fivoriana kristianina izy ary nanomboka namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ilay gazety namany hoe Mifohaza!, izay noresahiny tamin’ny vadiny. Samy nanomboka nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona izy mivady. Rehefa nitombo ny fankasitrahan’izy ireo ny fari-pitsipika ambony takin’i Jehovah, dia niala tamin’izay rehetra mety ho fidorohana zava-mahadomelina izy mivady. Nanao ahoana ny vokany? “Nitondra fifaliana be dia be ho anay ilay fomba fiaina vaovao narahinay”, hoy ny nosoratan’i Jane, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. “Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho ny hery manadio ananan’ny Teniny sy noho ilay fahafahana sy fahasalamana anananay eo amin’ny fiainanay ankehitriny.”

Ohatra mampiseho tsara ny hasarobidin’ny hoe mpiasa manao ny marina ny zava-nitranga tamin’i Kurt. Anisan’ny asany ny momba ny ordinatera. Nisy fitaovana vaovao nilaina ka nankinin’ny mpampiasa azy tamin’i Kurt ny andraikitra hividy azy io amin’ny vidiny mirary. Nahita fivarotana iray nahafa-po i Kurt, ary dia nisy vidiny nifanekena. Diso anefa ny vidiny nosoratan’ny mpiasan’ilay fivarotana, ka efa ho latsaka 264 000 000 FMG tamin’ilay vidiny nifanekena. Voamarik’i Kurt ilay fahadisoana ka niantso an-telefaonina tany amin’ilay orinasa izy. Nilaza ilay lehibe tao fa tsy mbola nahita olona nanao ny marina toy izany mihitsy izy tao anatin’ireo 25 taona niasany. Nohazavain’i Kurt fa voavolavolan’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretany. Vokatr’izany, dia nangataka Mifohaza! niisa 300, izay niresaka ny amin’ny fanaovana ny marina eo amin’ny asa, ilay lehibe, mba homeny an’ireo mpiara-miasa aminy. Raha ny amin’i Kurt kosa, dia nahatonga azy hahazo fisondrotana teo amin’ny asany ny nanaovany ny marina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 30 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 7]

“Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa”.​—ISAIA 48:17