Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Antomotra ny Andro Fitsaran’i Jehovah!

Antomotra ny Andro Fitsaran’i Jehovah!

Antomotra ny Andro Fitsaran’i Jehovah!

“Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra”.​—ZEFANIA 1:14.

1. Inona no fampitandremana nalefan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Zefania?

MADIVA hanao zavatra hamelezana ny ratsy fanahy i Jehovah Andriamanitra. Henoy! Izao no fampitandremany: “Eny, hakifako ny olona (...); haringako tsy ho amin’ny tany ny olona”. (Zefania 1:3). Ireo tenin’i Jehovah Tompo Manam-piandrianana ireo dia nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany Zefania, izay angamba zafin-dohalik’i Hezekia mpanjaka nahatoky. Tsy fambara tsara ho an’ireo ratsy fanahy nonina tao amin’ny tanin’i Joda io fanambarana natao tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka tsara io.

2. Nahoana no tsy nahasakana ny andro fitsaran’i Jehovah ny zavatra nataon’i Josia?

2 Noho ny faminanian’i Zefania, dia tsy isalasalana fa vao mainka tsapan’i Josia tanora hoe ilaina hodiovina tsy hisy fanompoam-pivavahana maloto i Joda. Nanao zavatra mba hanadiovana ilay tany tsy hisy fivavahan-diso àry ilay mpanjaka. Tsy nanaisotra ny faharatsiana rehetra teo amin’ilay firenena anefa izany, no sady tsy nanonitra koa ny fahotan’i Manase Mpanjaka raibeny, izay ‘nameno ra marina an’i Jerosalema’. (2 Mpanjaka 24:3, 4; 2 Tantara 34:3). Koa azo antoka àry ny hahatongavan’ny andro fitsaran’i Jehovah.

3. Ahoana no ahazoantsika antoka fa azo atao ny ho tafita velona amin’ilay “andro fahatezeran’i Jehovah”?

3 Hisy ho tafita velona anefa amin’io andro mahatahotra io. Koa nampirisika mafy toy izao ilay mpaminanin’Andriamanitra: “Dieny tsy mbola mihatra ny didy (mihelina toy ny akofa ny andro!), dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Zefania 2:2, 3). Amin’ny fanaovana an-tsaina ilay fanantenana ny ho tafita velona amin’ny andro fitsaran’i Jehovah, dia andeha hodinihintsika ny bokin’i Zefania ao amin’ny Baiboly. Nosoratana tany Joda talohan’ny 648 al.f.i. izy io, ary anisan’ny ‘teny faminanian’Andriamanitra’, izay tokony hodinihintsika rehetra amin’ny fontsika manontolo.​—2 Petera 1:19.

Nihinjitra ny tanan’i Jehovah

4, 5. Ahoana no nahatanterahan’ny Zefania 1:1-3 tamin’ireo ratsy fanahy tao Joda?

4 Manomboka amin’ilay fampitandremana voalaza tetsy ambony ny “tenin’i Jehovah” tamin’i Zefania. Hoy Andriamanitra: “Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ny tany, hoy Jehovah; eny, hakifako ny olona sy ny biby; hakifako ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ny ratsy fanahy; haringako tsy ho amin’ny tany ny olona, hoy Jehovah.”​—Zefania 1:1-3.

5 Eny, hamarana ny faharatsiana nihoa-pampana tao amin’ny tanin’i Joda i Jehovah. Iza no hampiasain’Andriamanitra mba ‘hanakifika ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ny tany’? Koa satria toa nandritra ny voalohandohan’ny fotoana nanjakan’i Josia Mpanjaka, izay nanomboka tamin’ny 659 al.f.i., no naminanian’i Zefania, dia tanteraka ireo teny ara-paminaniana ireo rehefa noravan’ny Babylonianina i Joda sy i Jerosalema renivohiny, tamin’ny 607 al.f.i. Nisy ‘fanakifahana’ an’ireo ratsy fanahy tao Joda tamin’izany fotoana izany.

6-8. Inona no nambara mialoha ao amin’ny Zefania 1:4-6, ary ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io tao Joda fahiny?

6 Nilaza mialoha ny amin’ny hamelezan’Andriamanitra ny mpivavaka sandoka ny Zefania 1:4-6, ka manambara hoe: “Hahinjitro ny tànako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; dia haringako tsy ho eo amin’ity tany ity ny sisa amin’i Bala, sy ny anaran’ny mpisorona amin’ny andriamani-tsi-izy mbamin’ny tena mpisorona, sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin’izay eny amin’ny lanitra, ary izay miankohoka sy mianiana ho an’i Jehovah sady mianiana amin’i Malkama, ary izay nihemotra niala tamin’i Jehovah, sy izay tsy nitady an’i Jehovah na nanontany taminy.”

7 Naninjitra ny tanany hamely ny firenen’i Joda sy i Jerosalema i Jehovah. Tapa-kevitra izy ny handringana ny mpivavaka tamin’i Bala, andriamanitra kananitan’ny fahavokarana. Nisy andriamanitra maro samihafa teo an-toerana nantsoina hoe Bala satria nihevitra ireo mpivavaka tamin’izy ireny fa tompon’ny toerana voafaritra tsara sasany izy ireny sady nanan-kery tamin’ireny toerana ireny. Teo, ohatra, ilay Bala notompoin’ny Moabita sy ny Midianita tany amin’ny Tendrombohitra Peora. (Nomery 25:1, 3, 6). Handringana ny mpisoron’i Bala manerana ny Joda i Jehovah, ary handringana koa an’ireo Levita mpisorona tsy nahatoky, izay nandika ny lalàn’Andriamanitra tamin’ny fiarahana tamin’izy ireo.​—Eksodosy 20:2, 3.

8 Handringana koa an’ireo olona ‘mivavaka amin’izay eny amin’ny lanitra’ Andriamanitra. Miharihary fa nanandro sy nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny masoandro, izy ireo. (2 Mpanjaka 23:11; Jeremia 19:13; 32:29). Ny fahatezeran’Andriamanitra koa dia hianjera amin’ireo nanandrana nampifangaro ny fanompoam-pivavahana marina sy ny fivavahan-diso, tamin’ny ‘fianianana tamin’i Jehovah sy tamin’i Malkama’. Mety ho anarana hafa niantsoana an’i Moloka, ilay andriamanitra lehibe indrindran’ny Amonita, ny hoe Malkama. Anisan’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Moloka ny fanaovana sorona ankizy.​—1 Mpanjaka 11:5; Jeremia 32:35.

Efa antomotra ny faran’ny Kristianisma Anarana!

9. a) Meloka ho nanao inona ny Kristianisma Anarana? b) Tsy ho sahala amin’ireo tsy nahatoky tao Joda, fa tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

9 Izany rehetra izany dia tena mety hampahatsiahy antsika ny Kristianisma Anarana, izay tafalatsaka lalina ao amin’ny fanompoam-pivavahana diso sy ny fanandroana. Ary tena mahatsiravina tokoa ny anjara raisiny eo amin’ny fanaovana sorona ain’olona an-tapitrisany maro eo amin’ny alitaran’ny ady, izay tohanan’ny mpitondra fivavahana! Aoka isika tsy ho tonga na oviana na oviana sahala amin’ireo tsy nahatoky tao Joda, izay “nihemotra niala tamin’i Jehovah”, ka nanjary tsy niraika sy tsy nitady azy intsony na nitady ny tari-dalany. Aoka kosa isika hihazona ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra.

10. Ahoana no anazavanao ny hevitra ara-paminaniana fonosin’ny Zefania 1:7?

10 Sady sahaza an’ireo mpanao ratsy tao Joda ny teny manaraka nataon’ilay mpaminany no sahaza koa an’ireo ratsy fanahy amin’izao androntsika izao. Hoy ny Zefania 1:7: “Mangìna eo anatrehan’i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah; fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra ka efa nanamasina ny olona nasainy.” Toa ireo Kaldeanina fahavalon’i Joda ireo “olona nasainy” ireo. I Joda mihitsy kosa ilay “zavatra hatao fanatitra”, anisan’izany ny renivohiny. Nanambara ny fikasan’Andriamanitra handrava an’i Jerosalema, araka izany, i Zefania, ary manondro koa ny fandravana ny Kristianisma Anarana izany faminaniana izany. Koa satria efa akaiky dia akaiky ny andro fitsaran’Andriamanitra, dia tokony ‘hangina eo anatrehan’i Jehovah Tompo’ izao tontolo izao manontolo, raha ny marina, ka hihaino izay lazain’i Jehovah amin’ny alalan’ny “ondry vitsy” voaforon’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy, sy ny ‘ondriny hafa’ naman’ny “ondry vitsy”. (Lioka 12:32; Jaona 10:16). Fanafoanana no miandry izay rehetra tsy hihaino sy izay manohitra araka izany ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Salamo 2:1, 2.

Tsy ho ela​—Andro fidradradradrana!

11. Inona no votoatin’ny Zefania 1:8-11?

11 Manampy teny toy izao ny Zefania 1:8-11, mahakasika ny andron’i Jehovah: “Raha mby amin’ny andro hamonoan’i Jehovah zavatra hatao fanatitra, dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak’andriana mbamin’izay rehetra mitafy ny fitafin’ny firenena hafa. Ary amin’izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon’ny tompony. Ary amin’izany andro izany, hoy Jehovah, dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, sy fidradradradrana ao amin’ny tanàna ambany, ary fidarabohana miezinezina any amin’ny havoana. Midradradradrà, hianareo mponina ao Maktesy; fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.”

12. Nahoana no azo lazaina fa hita “mitafy ny fitafin’ny firenena hafa” ny sasany?

12 Nandimby an’i Josia Mpanjaka i Joahaza sy i Joiakima ary i Joiakina. I Zedekia avy eo no nanapaka, ary tamin’ny fotoana nanapahany no nandravana an’i Jerosalema. Na dia teo anoloan’izy ireo aza ny loza toy izany, dia toa nila sitraka tamin’ireo firenena nanodidina ny sasany, tamin’ny ‘nitafiany ny fitafian’ny firenena hafa’. Toy izany koa fa maro ankehitriny no mampiharihary amin’ny fomba maro samihafa fa tsy anisan’ny fandaminan’i Jehovah ny tenany. Hosazina izy ireo satria ho voaporofo fa anisan’ny fandaminan’i Satana.

13. Inona no hitranga rehefa hanafika an’i Jerosalema ireo Babylonianina, araka ny faminanian’i Zefania?

13 “Izany andro” nampamoahana an’i Joda izany dia mifanitsy amin’ilay andron’i Jehovah hampiharany didim-pitsarana amin’ny fahavalony sy hamaranany ny faharatsiana ary hanaporofoany ny fahamboniany. Hisy fitarainana avy any amin’ny Vavahadin-kazandrano rehefa hanafika an’i Jerosalema ny Babylonianina. Nety ho nantsoina toy izany io vavahady io satria akaikin’ny tsena fivarotan-trondro. (Nehemia 13:16). Hisy andiana Babylonianina maro be hiditra ao amin’ilay faritra antsoina hoe tanàna ambany, ary nety ho nanondro ny feon’ireo Kaldeanina nihananatona ny hoe “fidarabohana (...) any amin’ny havoana”. ‘Hidradradradra’ ireo mponina ao Maktesy, angamba ny faritra ambony amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona. Nahoana izy ireo no hidradradradra? Satria hitsahatra tsy hisy ao intsony ny raharaham-barotra, anisan’izany ny an’izay “nivesatra volafotsy”.

14. Hatraiza no nandinihan’Andriamanitra ireo nilaza ho mpivavaka taminy?

14 Hatraiza ny fandinihan’i Jehovah ireo nilaza ho mpivavaka taminy? Manohy toy izao ilay faminaniana: “Amin’izany andro izany dia hotsiloviko amin’ny jiro Jerosalema, ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ny faikany, dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy. Ka dia ho tonga babo ny fananan’ireny, ary ho lao ny tranony; dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.”​—Zefania 1:12, 13.

15. a) Inona no hitranga amin’ireo mpisorona mpivadi-pinoana tao Jerosalema? b) Inona no miandry ny mpanaraka fivavahan-diso amin’ny andro ankehitriny?

15 Nampifangaro ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah sy ny fivavahan-diso ny mpisorona mpivadi-pinoana tao Jerosalema. Na dia nahatsiaro ho tsy nanana ahiahy aza izy ireo, dia hikaroka azy ireo toy ny amin’ny jiro mamirapiratra izay hitsilo ny haizina ara-panahy nialokalofan’izy ireo, Andriamanitra. Tsy nisy afaka nandositra ny famoahana ny didim-pitsaran’Andriamanitra sy ny fampiharana azy io. Midina maka toerana toy ny faikan-javatra tao amin’ny fanambanin’ny barìkan-divay ireo mpivadi-pinoana tsy niraika ireo. Tsy te hohelingelenin’izay fanambarana momba ny hisalovanan’Andriamanitra amin’ny raharahan’ny olombelona izy ireo, kanefa tsy ho afaka ny handositra an’ilay didim-pitsaran’Andriamanitra hampiharina amin’izy ireo. Tsy afaka ny handositra koa ny mpanaraka fivavahan-diso amin’ny andro ankehitriny, anisan’izany ny mpikambana ao amin’ny Kristianisma Anarana sy ireo nandao ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Lavin’izy ireo ny hoe “andro farany” izao, ka hoy izy anakampo hoe: “Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.” Diso hevitra tanteraka anefa izy ireo!​—2 Timoty 3:1-5, NW; 2 Petera 3:3, 4, 10.

16. Inona no hitranga rehefa hihatra amin’i Joda ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ary inona no tokony ho akon’izany fahalalana izany eo amintsika?

16 Nampitandremana ny mpivadi-pinoana tao Joda fa horobain’ireo Babylonianina ny fananany, hataon’izy ireo lao ny tranony, ary halain’izy ireo ny vokatry ny tanimboalobony. Tsy hisy vidiny ny fananana ara-nofo rehefa hihatra amin’i Joda ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Toy izany koa no hitranga rehefa ho avy amin’ny fandehan-javatra ankehitriny ny andro fitsaran’i Jehovah. Enga anie àry isika hanana fomba fijery ara-panahy ka ‘hihary harena any an-danitra’, amin’ny fihazonana ny fanompoana an’i Jehovah ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika!​—Matio 6:19-21, 33.

“Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah”

17. Toy inona ny fahakekezan’ny andro fitsaran’i Jehovah, araka ny Zefania 1:14-16?

17 Toy inona ny fahakekezan’ny andro fitsaran’i Jehovah? Nanome toky toy izao Andriamanitra, araka ny Zefania 1:14-16: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra​—injay! feon’ny andron’i Jehovah! ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any. Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito. Andro fahaveloman’ny anjomara sy ny akora, hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony.”

18. Nahoana isika no tsy tokony hanatsoaka hevitra fa mbola lavitra ny andron’i Jehovah?

18 Nampitandremana ireo mpisorona sy andriana ary olona ratsy tao Joda fa ‘efa antomotra ny andron’i Jehovah’. ‘Nihafaingana indrindra’ io andron’i Jehovah io ho an’i Joda. Mitovy amin’izany koa amin’izao androntsika izao, aoka tsy hisy hieritreritra fa mbola lavitra ny fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny ratsy fanahy. Nanao zavatra haingana kosa Andriamanitra tao Joda, ka ‘hanafaingana’ koa ny andro hampiharany ny didim-pitsarany izy. (Apokalypsy 16:14, 16). Ho fotoana hangidy tokoa izany ho an’izay rehetra tsy manaiky ny fanompoam-pivavahana marina sy tsy miraharaha ny fampitandreman’i Jehovah omena amin’ny alalan’ireo Vavolombelony!

19, 20. a) Inona no lafiny nisongandina sasany tamin’ny nampiharana ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’i Joda sy i Jerosalema? b) Inona avy no fanontaniana mipoitra noho ilay fandringanana hisy fifantenana, hatrehin’ity fandehan-javatra ity?

19 “Andro fahoriana sy fahalahelovana” ny nampiharana ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’i Joda sy i Jerosalema. Ireo Babylonianina nanafika dia nahatonga fahoriana maro tamin’ny mponin’i Joda, anisan’izany ny fahorian-tsaina faran’izay mafy nanoloana ny fahafatesana sy ny fandravana. Io “andro fandravana sy fanafoanana” io dia andro maizina sy nandrahona ary maizim-pito, angamba tsy ara-panoharana fotsiny fa ara-bakiteny koa, noho ny setroka sy ny faty niampatrampatra hatraiza hatraiza. “Andro fahaveloman’ny anjomara sy ny akora” izy io, saingy fampitandremana very maina.

20 Tsy afa-nanoatra ny mpiambin’i Jerosalema rehefa nandrodana “ny tilikambo avo eny amin’ny zorony” ny lohondry vy fandravana nampiasain’ny Babylonianina. Tsy hisy ilana azy toy izany koa ny manda fiarovan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, manoloana ny tahirim-pitaovam-piadian’Andriamanitra any an-danitra, izay efa vonona mba hampiasaina eo am-piandohan’ilay fandringanana hisy fifantenana. Manantena ny ho voatsimbina ve ianao? Moa ve ianao niandany mafy tamin’i Jehovah, izay ‘miaro izay rehetra tia azy fa handringana kosa ny ratsy fanahy rehetra’?​—Salamo 145:20.

21, 22. Ahoana no hahatanterahan’ny Zefania 1:17, 18 amin’izao androntsika izao?

21 Andro fitsarana mahatsiravina tokoa no nambara mialoha ao amin’ny Zefania 1:17, 18! “Hampahory ny olona Aho”, hoy i Jehovah Andriamanitra, “handehanany toy ny jamba, satria efa nanota tamin’i Jehovah izy; ny rany dia haidina toy ny vovoka, ary ny nofony ho toy ny zezika. Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah, fa holevonin’ny afon’ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ny mponina amin’ny tany.”

22 Tsy ho ela, dia hahatonga fahoriana amin’ny “mponina amin’ny tany”, izay mandà tsy hihaino ny fampitandremany, i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny andron’i Zefania. Noho izy ireo manota amin’Andriamanitra, dia hiapanapana toy ny jamba tsy manam-piarovana izy ireo, tsy afaka mahita fanavotana. “Haidina toy ny vovoka”, toy ny zavatra tsy misy vidiny, ny ran’izy ireo, amin’ny andro fitsaran’i Jehovah. Tena hanala baraka tokoa ny fiafaran’izy ireo, satria haparitak’Andriamanitra eny ambonin’ny tany “toy ny zezika” ny vatan’ireo ratsy fanahy ireo, eny, ny tsinainy mihitsy aza.

23. Fanantenana inona no atolotry ny faminanian’i Zefania na dia tsy afaka ny handositra aza ny mpanao ratsy “amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”?

23 Tsy misy afaka mamonjy an’ireo miady amin’Andriamanitra sy ny olony. Na ny volafotsy na ny volamena dia samy tsy hahavonjy ireo mpanao ratsy tao Joda. Torak’izany koa fa tsy hanome fiarovana na hitondra fanafahana ny harena nangonina, na ny tsolotra, “amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah” amin’ny Kristianisma Anarana sy ny sisa amin’ity fandehan-javatra ity. Amin’io andro fanapahan-javatra io, dia ‘holevonin’ny afon’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra ny tany rehetra’ rehefa handringana ny ratsy fanahy izy. Noho isika mino ny teny ara-paminanian’Andriamanitra, dia resy lahatra isika fa efa lasa lavitra amin’ny “andro farany” isika ankehitriny. (Daniela 12:4). Antomotra ny andro fitsaran’i Jehovah, ary tsy ho ela izy dia hampihatra famaliana amin’ny fahavalony. Manome fanantenana fanafahana anefa ny faminanian’i Zefania. Koa inona àry no takina amintsika raha tiantsika ny ho voafina amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah?

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Zefania tamin’i Joda sy i Jerosalema?

• Inona no miandry ny Kristianisma Anarana sy ny ratsy fanahy rehetra amin’izao androntsika izao?

• Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra fa mbola lavitra ny andro fitsaran’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Nanambara tamim-pahasahiana i Zefania fa antomotra ny andro fitsaran’i Jehovah

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny Self-Pronuncing Edition of The Holy Bible, misy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques sy Dikan-teny Nohavaozina

[Sary, pejy 15]

Tamin’ny alalan’ny Babylonianina no nahatongavan’ny andron’i Jehovah tamin’i Joda sy i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i.

[Sary, pejy 16]

Manantena ny ho voatsimbina ve ianao rehefa handringana ny ratsy fanahy i Jehovah?