Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Fanao mahazatra ny olona ny manome kopian’ny programana ordinatera ho an’ny hafa. Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina marina izany fanao izany?
Mety hitady hanala tsiny an’io fanao io ny sasany, amin’ny fanononana ireto tenin’i Jesosy ireto: “Efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.” Diso hevitra anefa izy ireo. Mazava ho azy, fa tsy nilaza akory i Jesosy ny amin’ny hanomezana maimaim-poana kopian’ny zavatra vita an-tsoratra na programana ordinatera, arovan’ny zon’ny mpamorona. Fehezin’ny lalàna mantsy ny fampiasana azy ireny. Te hilaza izy fa lafiny iray amin’ny fanompoana ny fanomezana. Nolazain’i Jesosy tamin’ireo apostoly, izay handeha ho any amin’ny tanàna sy tanàna kely samihafa, fa tokony hitory ilay Fanjakana sy hanasitrana ny marary ary hamoaka demonia izy ireo. Tsy tokony hampandoa vola tamin’izany ireo apostoly, fa tokony ‘hanome maimaim-poana’.—Matio 10:7, 8.
Mitombo ny isan’ny ordinatera ampiasain’ny olona ho an’ny tenany manokana sy amin’ny fandraharaha
na, ka olona maro no mila programa. Matetika no tsy maintsy vidina izy io. Marina fa misy olona manoratra programa, izay omeny maimaim-poana sy lazainy fa azo atao kopia sy omena ny hafa. Amidy mba hahazoana tombony anefa ny ankamaroan’ny programa. Tokony hividy, na handoa vola ny mpampiasa programa, mba hahazoana azy io, na hampiasa azy io any an-trano izy na amin’ny fandraharahana. Raha nisy olona naka na nanao kopia programa iray, nefa tsy nandoa vola, dia ho fandikana lalàna izany, tahaka ny fanaovana fotokopia boky maro be, izay fandikana lalàna koa, na dia homena maimaim-poana aza izany.Efa misy fahazoan-dalana ny ankamaroan’ireo programana ordinatera (anisan’izany ny lalao); milaza ireo fepetra voafaritra mazava mahakasika izay azo atao sy tsy azo atao izy io, ary takina amin’ilay tompony/mpampiasa azy ny hanarahany izany. Voalaza ao amin’ny fahazoan-dalana maro toy ireny, fa olona iray ihany no afaka mampiditra sy mampiasa ilay programa, ka matetika no ordinatera iray monja no azo ampidirana izany, na any an-tokantrano izany na any amin’ny fandraharahana na any an-tsekoly. Milaza ny fahazoan-dalana sasany fa afaka manana kopia iray atao tahiry ilay mpampiasa, nefa tsy azony atao ny manao kopia ho an’olon-kafa. Raha ta hanome an’ilay programa manontolo (anisan’izany ny fahazoan-dalana sy ny fanazavana rehetra) ilay tompony, dia azony atao izany. Amin’izay anefa, dia tsy hanana zo hampiasa azy io intsony izy. Misy fahazoan-dalana samihafa, ka rehefa mividy na omena programa iray ny olona iray, dia tokony handinika ireo fepetra voalaza ao amin’ilay fahazoan-dalana.
Firenena maro no manao fifanekena mikasika ny zon’ny mpamorona, dia fifanekena izay miaro ny “fananana ara-tsaina”, toy ny programana ordinatera, ary miezaka manamafy ny fampiharana ny lalàna momba ny zon’ny mpamorona izy ireo. Manao tatitra, ohatra, ny The New York Times, tamin’ny 14 Janoary 2000, fa “ny polisy alemà sy danoà dia nisambotra olona anisan’ilay nantsoiny hoe andian-jiolahy lehibe mpangalatra programa”, izay nanao kopia sy nizara programa sy lalao amin’ny ordinatera, ary nivarotra ny sasany tamin’izany tamin’ny Internet mihitsy aza.
Inona no toerana tanan’ny kongregasiona kristianina manoloana izany? Nilaza i Jesosy hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17). Araka izany, dia takina amin’ny Kristianina ny hankatoavany ireo lalàn’ilay tany izay tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra. Nanoratra toy izao momba ny fitondram-panjakana ny apostoly Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. (...) Izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.”—Romana 13:1, 2.
Tsy andraikitry ny loholon’ny kongregasiona kristianina ny mijery ny ordinateran’ny hafa, toy ny hoe nahazo lalana hanazava sy hanamafy ny fampiharana ny lalàna momba ny zon’ny mpamorona, izy ireo. Mino sy mampianatra anefa izy ireo fa tsy tokony haka izay tsy azy, ary tokony hiezaka mafy hankatò ny lalàna, ny Kristianina. Izany dia miaro ny Kristianina tsy ho voasazy noho ny fandikan-dalàna, ary mahatonga azy ireo hanana feon’ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra. Nanoratra toy izao i Paoly: “Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.” (Romana 13:5). Nilaza toy izany koa ny fanirian’ny Kristianina marina i Paoly, nanao hoe: “Matoky izahay fa manana feon’ny fieritreretana mahitsy, satria maniry hitondra tena amim-pahitsiana amin’ny zavatra rehetra.”—Hebreo 13:18, NW.
[Efajoro, pejy 29]
Mividy fahazoan-dalana ho an’ny mpampiasa maromaro ny fandraharahana sy ny sekoly sasany; ary voalaza ao ny isan’ny mpampiasa betsaka indrindra mahazo mampiasa ilay programa. Tamin’ny 1995, dia nandinika lahatsoratra iray misy izao torohevitra izao ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah:
“Ny ankamaroan’ireo orinasa manomana sy mivarotra programana ordinatera dia miaro ny zon’ny mpamorona azy ireny, ary manome fahazoan-dalana milaza ny fomba ara-dalàna azo ampiasana ireo programa. Matetika no voalaza ao amin’ilay fahazoan-dalana fa tsy azon’ilay tompony omena ny hafa ny kopian’ny programa; raha ny marina, dia fandikan-dalàna izany, araka ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’ny mpamorona. (...) Misy orinasa lehibe sasany mivarotra ordinatera efa misy programa miaraka amin’ny fahazoan-dalana. Tsy manome fahazoan-dalana anefa ny mpivarotra ordinatera sasany, satria tsy ara-dalàna ny programa ampidirin’izy ireo mialoha ao amin’ny ordinatera, ka midika izany fa mandika lalàna ilay mpividy, rehefa mampiasa ireo programa ireo. Mifandray amin’izany, ny Kristianina dia tsy tokony hanampy na haka zavatra ao amin’ireo filazana elektronika arovan’ny zon’ny mpamorona (toy ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana) sady natao kopia, nefa tsy nahazoan-dalana avy tamin’ireo tompony.”