Inona no Marina Momba Ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty?
Inona no Marina Momba Ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty?
Efa 50 taona mahery lasa izay, ny vato iray natsipin’ny mpiandry ondry bédouin (arabo mpifindrafindra monina) iray tao anaty zohy iray, dia nahafahana nahita izay nantsoin’ny sasany hoe ny zava-dehibe indrindra hitan’ny arkeolojia tamin’ny taonjato faha-20. Ren’ilay Bédouin fa nidona tamin’ny siny tany iray ilay vato, ka namaky azy io. Nijery akaiky azy io izy, ka nahita ny voalohany tamin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty.
NIFANTOKA tamin’ireo horonam-boky ireo sy niady hevitra momba azy ireo ny manam-pahaizana sy ny fampitam-baovao. Very hevitra sy nahazo fanazavana diso ny sarambaben’olona. Niely ny tsaho fa nisy tetika fanarontsaronana goavana, noho ny tahotra sao hampahafantatra zavatra mety hampihena ny finoan’ny Kristianina sy ny Jiosy ireo horonam-boky. Tena zava-dehibe tokoa anefa ve ireo horonam-boky ireo? Azo fantarina ve ny momba azy ireo, na dia 50 taona mahery atỳ aoriana aza?
Inona moa ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty?
Sora-tanana jiosy fahiny ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, ary nosoratana tamin’ny teny hebreo ny ankamaroany, ny sasany tamin’ny teny aramianina, ary vitsivitsy tamin’ny teny grika. Roa arivo taona mahery izay no nisian’ny ankabetsahan’ireo horonam-boky ireo sy ireo sombiny, izany hoe talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Tamin’ireo horonam-boky voalohany azo avy tamin’ireo Bédouins, dia nisy sora-tanana fito lava be samy efa simba, fa tsy nitovy ny fahasimbany. Arakaraka ny nikarohana tao amin’ny zohy maro kokoa no nahitana horonam-boky hafa sy sombina horonam-boky an’arivony maro. Teo anelanelan’ny taona 1947 sy 1956, dia 11 no fitambaran’ny zohy nisy horonam-boky hita, teo akaikin’i Qumran, manamorona ny Ranomasina Maty.
Rehefa nosokajina daholo ireo horonam-boky sy ireo sombina horonam-boky, dia sora-tanana 800 eo ho eo *
no tontalin’izy ireo. Tokony ho ny ampahefany, izany hoe sora-tanana 200 mahery monja, no kopian’ny ampahany amin’ny Baiboly Hebreo. Asa soratra jiosy fahiny tsy ara-baiboly ny sora-tanana hafa: Apokrifa sy Pseudigraphes.Asa soratra mbola tsy fantatra teo aloha, ny sasany amin’ireo horonam-boky nampientam-po indrindra an’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly. Anisan’izany ny fanazavana ny lalàna jiosy, fitsipika voafaritra tsara nifehy an’ilay sekta nipetraka tao Qumran, tononkalo sy vavaka nampiasaina tamin’ny fanompoam-pivavahana, ary koa asa soratra momba ny fara andro ahitana fomba fihevitra mikasika ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly sy ny andro farany. Hita tao koa ireo fanazavana miavaka momba ny Baiboly, dia fanazavana mpialoha lalana tranainy indrindra ny fanazavana ny Baiboly isaky ny andinin-teny, ananantsika amin’izao andro izao.
Iza no nanoratra ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty?
Asehon’ireo fomba samihafa famaritana ny datin’ny asa soratra fahiny, fa na natao kopia na nosoratana, teo anelanelan’ny taonjato fahatelo al.f.i. sy ny taonjato voalohany am.f.i., ireo horonam-boky ireo. Nanipy hevitra ny manam-pahaizana sasany fa nafenin’ny Jiosy avy tany Jerosalema tao anatin’ireo zohy ireo horonam-boky, talohan’ny nandravana ny tempoly, tamin’ny 70 am.f.i. Araka ny fiheveran’ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana nandinika ireo horonam-boky anefa, dia tsy mifanaraka amin’ny zavatra raketin’ireo horonam-boky izany fomba fihevitra izany. Hita taratra ao amin’ny horonam-boky maro ny fomba fihevitra sy ny fanao nifanipaka tamin’ny an’ireo mpitarika ara-pivavahana tao Jerosalema. Ny fiaraha-monina resahin’ireo horonam-boky ireo dia nihevitra fa nolavin’Andriamanitra ireo mpisorona sy ny fanompoana tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ary koa fa noheveriny ho karazana solona fanompoana tao amin’ny tempoly ny fanompoam-pivavahan’ilay sekta nisy azy ireo tany an’efitra. Toa tsy azo inoana hoe hanafina tahirim-boky misy an’ireo horonam-boky ireo ny mpitarika tao amin’ny tempolin’i Jerosalema.
Na azo inoana aza fa nisy mpanao kopia maromaro tao Qumran, dia nangonina tany an-toeran-kafa angamba ny ankabetsahan’ireo horonam-boky, vao nentin’ireo mpino tao. Azo atao hoe tahirina boky be dia be ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Toy ny tahirim-boky rehetra, dia mety hisy fomba fihevitra maro ao, izay tsy voatery ahitana taratry ny fomba fihevitra ara-pivavahan’ny mpamaky akory. Azo inoana kokoa anefa fa ahitana taratr’ireo zavatra nahaliana sy ny fomba fihevitra manokan’ilay fitambaran’olona ireo soratra ireo, izay misy kopia maro be.
Moa ve Esenianina ireo mponina tao Qumran?
Raha tahirim-bokin’i Qumran ireo horonam-boky ireo, iza moa ireo mponina tao Qumran? Ny Profesora Eleazar Sukenik, izay nahazo horonam-boky telo ho an’ny Oniversite hebreo any Jerosalema, tamin’ny 1947, no voalohany nanipy hevitra hoe an’ny Esenianina ireo horonam-boky ireo.
Ny Esenianina dia sekta jiosy, noresahin-dry Josèphe sy Philon avy any Aleksandria ary Pline l’Ancien, mpanoratra tamin’ny taonjato voalohany. Mbola tombantombana fa tsy fantatra ny tena fiavian’ny Esenianina; toa nandritra ilay fisafotofotoana taorian’ny fikomian’ny Makabeo tamin’ny taonjato faharoa al.f.i. anefa, no nipoiran’izy ireo. * Nitantara i Josèphe fa nisy Esenianina nandritra izany fe-potoana izany, ka nolazainy tamin’ny an-tsipiriany ny maha samy hafa ny fomba fihevitra ara-pivavahan’izy ireo sy ny an’ny Fariseo sy ny Sadoseo. Nilaza i Pline fa nisy Esenianina teo amoron’ny Ranomasina Mainty, teo anelanelan’i Jeriko sy i En-jedy.
Manipy hevitra ny Profesora James VanderKam, manam-pahaizana momba ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, fa “ampahany kely monja tamin’ilay fihetsiketsehana esenianina, izay lehibe kokoa, ireo Esenianina nipetraka tao Qumran”, ary notombanan’i Josèphe ho 4 000 teo ho eo ny isan’ny olona tao amin’ilay fihetsiketsehana. Na tsy mifanaraka tanteraka amin’ny filazalazana rehetra momba azy ireo aza ny Esenianina, dia izy ireo no toa mifanaraka tsara kokoa amin’ilay filazalazana ao amin’ireo soratra tao Qumran, raha oharina amin’ny antokona jiosy hafa fantatra ho niaina tamin’izany fotoana izany.
Lazain’ny sasany fa tao Qumran no niandohan’ny Kristianisma. Voamarika anefa fa maro ny fomba fiMatio 15:1-20; Lioka 6:1-11). Azo lazaina fa mitovy amin’izany koa ny fihatahan’ny Esenianina amin’ny fiaraha-monina, ny finoany ny lahatra sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ny fanantitranterany ny fitoerana ho mpitovo ary ny hevitra mifono zava-miafina momba ny fiaraha-manompo amin’ny anjely. Asehon’izany fa nifanipaka tamin’ireo fampianaran’i Jesosy sy ireo Kristianina tany am-boalohany ny an’ireo Esenianina. — Matio 5:14-16; Jaona 11:23, 24; Kolosiana 2:18; 1 Timoty 4:1-3.
hevitra ara-pivavahan’ilay sekta tao Qumran izay mifanipaka be amin’ny an’ireo Kristianina tany am-boalohany. Ao amin’ireo asa soratra tao Qumran, dia faran’izay hentitra ny lalàna momba ny Sabata ary saika tafahoatra ny fiahiana ny fahadiovana, eo amin’ny fombafomba. (Tsy misy tetika fanarontsaronana, na horonam-boky nafenina
Nandritra ireo taona nanaraka ny nahitana an’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, dia nisy zavatra vita an-tsoratra samihafa natao, mba hahafahan’ireo manam-pahaizana maneran-tany handinika mora foana ireo horonam-boky hita tany am-boalohany. Tena nanahirana lavitra anefa ireo sombina horonam-boky an’arivony maro hita tao anatin’ny zohy iray antsoina hoe Zohy 4. Izy ireny mantsy dia teo am-pelatanan’ny ekipa iray voaforona manam-pahaizana iraisam-pirenena vitsy kely tao Jerosalema Atsinanana (tapany tamin’i Jordana tamin’izany fotoana izany), ao amin’ny Tranombakoka Arkeolojikan’i Palestina. Tsy nisy manam-pahaizana jiosy na israelianina tao amin’io ekipa io.
Izao no fomba fiasan’ilay ekipa: Tsy nisy nahazo nijery ireo horonam-boky, mandra-pamoakan’izy ireo ny vokatra ofisialy tamin’ny fikarohana nataony. Voafetra tsara ny isan’ireo manam-pahaizana tao amin’ilay ekipa. Rehefa maty ny mpikambana iray, dia manam-pahaizana hafa iray monja no hasolo azy. Nitaky ekipa lehibe kokoa ny habetsahan’ny asa, ary nilaina indraindray ny fahaizana bebe kokoa ny teny hebreo sy aramianina fahiny. Izao no nilazan’i James VanderKam izany: “Be loatra ho an’ny manam-pahaizana valo ny sombina horonam-boky an’aliny maro, na dia mahay toy inona aza izy ireo.”
Nanjary teo ambanin’ny fiadidian’ny Israelianina i Jerosalema Atsinanana, ary koa ireo horonam-bokiny, tamin’ny Ady Enina Andro, tamin’ny 1967; tsy nasiana fiovana anefa ny fomba fiasan’ilay ekipa mpanao fikarohana momba an’ireo horonam-boky. Rehefa nahemotra an-taonany maro, ary avy eo am-polony taona maro, ny fanontana an’ireo horonam-boky avy tao amin’ilay Zohy 4, dia nanohitra mafy izany ny manam-pahaizana maromaro. Tamin’ny 1977, dia nilaza ny Profesora Geza Vermes, ao amin’ny Oniversiten’i Oxford, fa izy io no fahafaham-baraka lehibe indrindra ho an’ny manam-pahaizana tamin’ny taonjato faha-20. Nanomboka niely ny tsaho fa ninian’ny Eglizy Katolika nafenina, hono, ny fanazavana tao amin’ireo horonam-boky, dia fanazavana mety handrava ny Kristianisma.
Tamin’ny farany, dia nitombo ho 20 ny isan’ireo manam-pahaizana tao amin’ilay ekipa, nandritra ireo taona 1980. Avy eo, tamin’ny 1990, dia nitombo ho 50 mahery indray ny isan’ireo manam-pahaizana, notarihin’i Emanuel Tov, lehiben’ny mpampanonta vao notendrena, ao amin’ny Oniversite hebreo any Jerosalema. Nisy fandaharam-potoana hentitra tsara natao, mba hamoahana ireo horonam-boky sisa tavela, mirakitra ny vokatry ny fikarohan’ireo manam-pahaizana.
Nisy fandrosoana tena lehibe tsy nampoizina tamin’ny 1991. Voalohany, dia navoaka ilay boky hoe Fanontana Savaranonando ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Mbola Tsy Navoaka (anglisy). Natambatra tamin’ny alalan’ny ordinatera izy io, ka ny kopia iray tamin’ny konkordansan’ilay ekipa no fototra niaingana. Avy eo, dia nampandrenesin’ny Tranomboky Huntington any San Marino, Kalifornia, fa azon’ny manam-pahaizana na iza na iza jerena ireo sarin’ny horonam-boky rehetra ananan’izy ireo. Tsy ela dia nanjary azo nojerena mora foana ny sarin’ireo horonam-boky mbola tsy navoaka teo aloha, rehefa nivoaka ilay boky hoe Fanontana ny Kopia Mitovy Tanteraka Amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty (anglisy).
Koa nandritra ireo folo taona farany àry, dia azo nojerena mba hanaovana fandinihana daholo ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty rehetra. Ahariharin’ny fikarohana fa tsy nisy fanarontsaronana, ary tsy nisy horonam-boky nafenina. Izao vao azo atomboka ny fandinihana lalina, satria avoaka ankehitriny ny fanontana ofisialy farany amin’ireo horonam-boky. Misy manam-pahaizana hafa maromaro momba ny horonam-boky indray izao. Inona anefa no maha zava-dehibe izany fikarohana izany ho an’ny mpianatra Baiboly?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Samy asa soratra jiosy teo anelanelan’ny taonjato fahatelo al.f.i. ka hatramin’ny taonjato voalohany am.f.i. ny Apokrifa (ara-bakiteny: “miafina”), sy ny Pseudigraphes (ara-bakiteny: “asa soratra lazaina fa nosoratan’ny mpanoratra iray”). Eken’ny Eglizy Katolika ho anisan’ny kanônan’ny Baiboly ara-tsindrimandry ny Apokrifa, nefa lavin’ny Jiosy sy ny Protestanta kosa. Matetika no manazava tantara ara-baiboly amin’ny an-tsipiriany ny Pseudigraphes, ary lazaina fa nosoratan’ny olo-malaza sasany resahina ao amin’ny Baiboly.
^ feh. 13 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa Ireo Makabeo?”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1998, pejy faha-21-24.
[Sary, pejy 3]
Sasantsasany amin’ireo zohy, eo akaikin’ny Ranomasina Maty, nahitana horonam-boky tranainy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Sombin’ny horonam-boky: Pejy faha-3 sy faha-4, ary faha-6: Courtesy of Israel Antiquities Authority
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
Courtesy of Shrine of the Book, Israel Museum, Jerusalem