Ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty—Nahoana no Tokony Hahaliana Anao Izy Ireo?
Ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty—Nahoana no Tokony Hahaliana Anao Izy Ireo?
Talohan’ny nahitana an’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, dia tamin’ny taonjato fahasivy sy fahafolo am.f.i. tany ho any ireo sora-tanana tranainy indrindra nananana tamin’ny Soratra Hebreo. Azo itokisana ho fampitana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra ve ireny sora-tanana ireny, satria arivo taona mahery talohan’izay no vita ny fanoratana ny Soratra Hebreo? Nilaza toy izao ny Profesora Julio Trebolle Barrera, ao amin’ny ekipa iraisam-pirenen’ireo mpampanonta ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty: “Ny Horonam-bokin’i Isaia [avy any Qumran] dia manome porofo tsy azo lavina fa, nataon’ireo Jiosy mpanao kopia nitovy tanteraka tamin’ny tena izy sy tamim-pitandremana fatratra, ny fampitana ny Baiboly nadika tanana, tao anatin’ny arivo taona mahery.”
MIRAKITRA ny bokin’i Isaia manontolo ilay horonam-boky noresahin’i Barrera. Hatramin’izao, dia hita fa misy ampahany amin’ireo boky rehetra ao amin’ny Soratra Hebreo, afa-tsy ny bokin’i Estera, amin’ireo sora-tanana ara-baiboly 200 mahery hita tany Qumran. Tsy feno toy ilay Horonam-bokin’i Isaia ny ankamaroan’izy ireny, fa sombiny fotsiny, izany hoe latsaka ny ampahafolon’ny zavatra raketin’ilay boky ny zavatra raketiny. Salamo (kopia 36) sy Deoteronomia (kopia 29) ary Isaia (kopia 21) no betsaka indrindra tany Qumran. Ireo koa no boky voatonona matetika indrindra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.
Asehon’ireo horonam-boky fa tsy niova ny zavatra fototra raketin’ny Baiboly, nefa aharihariny koa fa nisy dikan-teny samy hafa tamin’ny teny hebreo nampiasain’ny Jiosy nandritra ny vanim-potoana nisian’ny Tempoly Faharoa, ary samy nanana ny fahasamihafany ireny dikan-teny ireny. Tsy ireo horonam-boky rehetra no mitovy tsipelina sy fehezanteny amin’ny soratra masoretika. Mitovy kokoa amin’ny Septante grika ny sasany. Teo aloha, dia noheverin’ireo manam-pahaizana fa vokatry ny fahadisoan’ilay mpandika teny, na ny hevi-baovao niniany natsofoka mihitsy, ireo fahasamihafana ao amin’ny Septante. Ahariharin’ireo horonam-boky ankehitriny, fa noho ny tsy fitoviana kely tao amin’ny soratra hebreo, raha ny marina, no nahatonga ny ankamaroan’ireny fahasamihafana ireny. Noho izany antony izany angamba no nahatonga ny Kristianina tany am-boalohany izay nanonona andinin-teny avy ao amin’ny Soratra Hebreo, hampiasa teny tsy mitovy amin’ny an’ny soratra masoretika, indraindray.—Eksodosy 1:5; Asan’ny Apostoly 7:14.
Noho izany, dia fototra faran’izay tsara hoenti-mandinika ny fampitana ny soratra hebreo ao amin’ny Baiboly, ireo horonam-boky sy sombina horonam-boky ara-baiboly sarobidy hita ireo. Nohamafisin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty fa samy tena ilaina, mba hampitahana ny soratra hebreo, ny Septante sy ny Pentateuque samaritanina. Fitaovana fanampiny ho an’ireo mpandika ny Baiboly izy ireo, mba handinihany raha azo hatsaraina ny soratra masoretika. Hamafisin’izy ireo imbetsaka fa mety ny fanapahan-kevitry ny Komitin’ny Fandikan-tenin’ny Baiboly Tontolo Vaovao hamerina ny anaran’i Jehovah ao amin’ireo toerana nanalana azy io tao amin’ny soratra masoretika.
Mazava tsara ao amin’ireo horonam-boky milazalaza ireo lalàna sy zavatra inoan’ny sekta tao QumIsaia 40:3, mikasika ny feo iray any an’efitra mampahitsy ny lalan’i Jehovah, nefa diso hevitra izy ireo. Manisy resaka momba ilay Mesia ny sombina horonam-boky maromaro, ary nihevitra ireo mpanoratra fa efa antomotra ny fiaviany. Mahaliana antsika manokana izany, satria nilaza i Lioka fa “niandry” ny fiavian’ilay Mesia ny olona.—Lioka 3:15.
ran, fa nisy endriny maromaro ny Jodaisma, tamin’ny andron’i Jesosy. Tsy nitovy tamin’ny an’ireo Fariseo sy Sadoseo ny fomba nahazatra ilay sekta tao Qumran. Azo inoana fa ireny fahasamihafana ireny no nahatonga an’ilay sekta hisintaka nankany an’efitra. Nihevitra izy ireo fa ilay sekta nisy azy ireo no nanatanteraka nyManampy antsika hahatakatra kely ny fiainan’ny Jiosy tamin’ny andro nitorian’i Jesosy, ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Azo entina mampitaha ny soratra hebreo fahiny sy ny Baiboly ny fanazavana omeny. Mbola mila ny hodinihina akaiky kokoa anefa ny soratra amin’ny ankamaroan’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Noho izany, dia mety hisy fanazavana fanampiny. Eny, mampientam-po hatrany an’ireo manam-pahaizana sy ireo mpianatra ny Baiboly ilay zava-dehibe indrindra hitan’ny arkeolojia tamin’ny taonjato faha-20, arakaraka ny androsoantsika ao anatin’ny taonjato faha-21.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Lavaka any Qumran: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.; sora-tanana: Courtesy of Shrine of the Book, Israel Museum, Jerusalem