Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midera An’i Jehovah Maneran-tany ny Vahoakany Tafaverina

Midera An’i Jehovah Maneran-tany ny Vahoakany Tafaverina

Midera An’i Jehovah Maneran-tany ny Vahoakany Tafaverina

“Hanome ho an’ireo vahoaka ny fiovana ho amin’ny fiteny madio iray aho, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah”.​—ZEFANIA 3:9, NW.

1. Nahoana no tanteraka tamin’ny Joda sy ny firenena hafa ireo hafatra fanamelohana?

HAFATRA fanamelohana mafonja re izany! Nomen’i Jehovah tsindrimandry mba hanambara hafatra toy izany i Zefania. Tanteraka tamin’ny firenen’i Joda sy i Jerosalema renivohiny ireo teny fanamelohana ireo satria tsy nanao ny sitrapon’i Jehovah ny mpitarika sy ny ankapoben’olona. Hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra koa ireo firenena teo akaiky teo, toa an’i Filistia sy i Moaba ary i Amona. Fa nahoana? Noho ny fanoheran’izy ireo tamin-kalozana ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny taonjato maro. Izany ihany koa no antony handravana an’i Asyria firenena natanjaka indrindra, izay tsy haorina intsony mandrakizay.

2. Iza no toa niantefan’ny Zefania 3:8?

2 Nisy olona nirona araka ny mety anefa tao Joda fahiny. Tsy andrin’izy ireo ny hampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny ratsy fanahy, ary toa izy ireo no niantefan’ireto teny ireto: “Miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra, ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.”​—Zefania 3:8.

“Fiteny madio” ho an’iza?

3. Inona no hafatra mahabe fanantenana nasaina nambaran’i Zefania, araka ny tsindrimandry nomena azy?

3 Eny, nanambara hafatra fanamelohana avy tamin’i Jehovah, i Zefania. Nahazo tsindrimandry mba hanambara hafatra mahafaly sy mahabe fanantenana koa anefa ilay mpaminany​—hafatra izay tena hampionona ireo nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah. Araka ny voarakitra ao amin’ny Zefania 3:9 (NW ), dia nanambara toy izao i Jehovah Andriamanitra: “Hanome ho an’ireo vahoaka ny fiovana ho amin’ny fiteny madio iray aho, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, mba hanompoany azy amin’ny soroka miara-milanja.”

4, 5. a) Inona no hitranga amin’ireo olona tsy marina? b) Iza no handray soa avy amin’izany, ary nahoana?

4 Hisy olona tsy homena ilay fiteny madio. Marihin’ilay faminaniana toy izao izy ireny: “Hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana”. (Zefania 3:11). Koa hesorina àry ireo mpirehareha nanamavo ny lalàn’Andriamanitra sy nanao ny tsy marina. Ary iza no handray soa avy amin’izany? Hoy ny Zefania 3:12, 13: “Hamelako [Jehovah] olona ory sy malahelo ihany ao aminao, ary ny anaran’i Jehovah no hialofany. Ny sisa amin’ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.”

5 Nandray soa ny sisa nahatoky tao Joda fahiny. Nahoana? Satria nanao zavatra nifanaraka tamin’ireto teny ireto izy ireo: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”​—Zefania 2:3.

6. Inona no nitranga rehefa tanteraka voalohany ny faminanian’i Zefania?

6 Tanteraka voalohany ny faminanian’i Zefania rehefa nosazin’Andriamanitra i Joda tsy nanam-pinoana, tamin’ny namelany an’i Babylona, firenena natanjaka indrindra, handresy ny Joda sy hambabo ny vahoakany, tamin’ny 607 al.f.i. Voatsimbina ny sasany, anisan’izany i Jeremia mpaminany, ary nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah ny hafa tany amin’ny fahababoana. Resin’ny Medianina sy ny Persanina notarihin’i Kyrosy Mpanjaka i Babylona tamin’ny 539 al.f.i. Roa taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia namoaka didy izay namela ny Jiosy sisa tavela hiverina tany an-tanindrazany, i Kyrosy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voaorina indray ny tempolin’i Jerosalema, ary afaka nampianatra ny olona ny Lalàna indray ireo mpisorona. (Malakia 2:7). Koa nampiroboroboin’i Jehovah àry ilay sisa tafaverina tany an-tanindrazany, raha mbola nitoetra ho nahatoky koa izy ireo.

7, 8. Tamin’iza no nihatra ilay faminaniana ao amin’ny Zefania 3:14-17, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?

7 Nanambara mialoha toy izao i Zefania, mahakasika ireo olona ho tafaverina ao amin’ny taniny: “Mihobia, ry Ziona zanakavavy; manaova feo fifaliana, ry Isiraely; mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ny Isiraely, no ao aminao; tsy hahita loza intsony hianao. Amin’izany andro izany dia holazaina amin’i Jerosalema hoe: Aza matahotra, ary aza miraviravy tànana, ry Ziona. Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, mahery Izy ka hamonjy; hiravoravo anao amin’ny fifaliana Izy; ho sondriana amin’ny fitiavany Izy; hifaly anao amin’ny fihobiana Izy.”​—Zefania 3:14-17.

8 Niresaka ny amin’ireo sisa nangonina avy tany amin’ny fahababoana babylonianina ary naverina tany an-tanindrazany, ireo teny ara-paminaniana ireo. Hita mazava izany ao amin’ny Zefania 3:18-20, izay amakiantsika toy izao: “Hangoniko [Jehovah] izay manina ny fotoam-pivavahana; avy aminao ihany ireny, ary itambesaran’ny latsa izy. Indro, hasiako amin’izany andro izany izay rehetra nampahory anao; hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin’ny tany rehetra. Amin’izany andro izany no hitondrako anareo miditra, eny, amin’izany andro izany no hanangonako anareo; fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianareo, raha hampodiko avy amin’ny fahababoana hianareo, ka ho hitan’ny masonareo izany, hoy Jehovah.”

9. Ahoana no nanaovan’i Jehovah izay hampahalaza ny anarany, nifandray tamin’i Joda?

9 Alao sary an-tsaina ny fahatairan’ireo firenena nanodidina, izay fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra! Nentin’i Babylona natanjaka ho babo ny mponin’i Joda, ary toa tsy nisy fanantenana ny hahazoan’izy ireo fahafahana. Ankoatra izany, dia lao ny tanin’izy ireo. Noho ny herin’Andriamanitra anefa, dia naverina tany an-tanindrazany izy ireo rehefa afaka 70 taona, fa ireo firenena fahavalo kosa nizotra ho amin’ny fandravana. Nanao izay hampahalaza ny anarany tokoa i Jehovah tamin’ny namerenana an’io sisa nahatoky io! Nataony “ho anarana sy ho fiderana any amin’ny firenena rehetra” izy ireo. Nitondra fiderana ho an’i Jehovah sy ho an’ireo nitondra ny anarany ny namerenana an’io sisa io tany amin’ny taniny!

Nasandratra ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah

10, 11. Rahoviana no ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe ny faminanian’i Zefania momba ny famerenana amin’ny laoniny, ary ahoana no ahalalantsika izany?

10 Fanampin’izany, dia nisy famerenana tamin’ny laoniny iray niseho tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, rehefa nanangona ny sisa tamin’ny Isiraely ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina i Jesosy Kristy. Santatr’izay zavatra ho avy fotsiny izany satria mbola vao ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe ilay famerenana amin’ny laoniny. Nilaza mialoha toy izao ny faminanian’i Mika: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny firenena hitanjozotra hankany.”​—Mika 4:1.

11 Rahoviana izany no hitranga? Araka ny nolazain’ilay faminaniana, dia “any am-parany”, eny, mandritra izao “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Hitranga alohan’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity izany, raha mbola manolotra fanompoam-pivavahana amin’andriamani-diso ireo firenena. Hoy ny Mika 4:5: “Ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy”. Ary ahoana ny amin’ireo mpivavaka marina? Mamaly toy izao ny faminanian’i Mika: “Fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.”

12. Ahoana no nanandratana ny fanompoam-pivavahana marina amin’izao andro farany izao?

12 Amin’izao andro farany izao àry, ‘ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia naorina teo an-tampon’ny tendrombohitra’. Tafaverina amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah, tafaorina tsara izy io ary nasandratra ho ambonin’izay karazam-pivavahana rehetra misy. Ary araka ny nambaran’ny faminanian’i Mika mialoha koa dia ‘hitanjozotra hankany ny firenena’. Ary ‘handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny mandrakizay doria’ ireo manaraka ny fivavahana marina.

13, 14. Oviana no niditra ao amin’ilay antsoina hoe “any am-parany” ity tontolo ity, ary inona no nitranga nanomboka hatreo raha ny fanompoam-pivavahana marina no resahina?

13 Porofoin’ireo zava-miseho manatanteraka ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa niditra ao amin’ilay antsoina hoe “any am-parany” na androny farany, ity tontolo ity, tamin’ny taona 1914. (Marka 13:4-10). Asehon’ny tantara fa nanomboka nangonin’i Jehovah ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina ny sisa voahosotra mahatoky manana fanantenana ny ho any an-danitra. Natao kosa avy eo ny fanangonana ny “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, dia ireo manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany.​—Apokalypsy 7:9.

14 Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany ka mandraka ankehitriny, dia mandroso tsy hay tohaina eo ambanin’ny fitarihan’i Jehovah ny fanompoam-pivavahana aminy atolotr’ireo mitondra ny anarany. Nitombo ho enina tapitrisa eo ho eo ny mpivavaka amin’i Jehovah ankehitriny raha an’arivony vitsivitsy izany taorian’ny Ady Lehibe Voalohany. Voangona any amin’ny kongregasiona 91 000 eo ho eo izy ireo ankehitriny, ary any amin’ny tany 235. Manokana ora mahery lavitra ny arivo tapitrisa isan-taona ireo mpitory ilay Fanjakana ireo mba hiderana an’Andriamanitra ampahibemaso. Mazava fa ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo no mahatanteraka ireto tenin’i Jesosy ara-paminaniana ireto: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”​—Matio 24:14.

15. Ahoana no ahatanterahan’ny Zefania 2:3 ankehitriny?

15 Manamarika toy izao ny Zefania 3:17: “Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, mahery Izy ka hamonjy”. Ny firoboroboana ara-panahy eo amin’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro farany izao, dia vokatra mivantana ateraky ny fananan’izy ireo an’i Jehovah ‘ao aminy’ ho Andriamanitra mahery indrindra. Marina izany rehefa naverina tamin’ny laoniny ny Joda fahiny tamin’ny 537 al.f.i., ary marina koa izany amin’izao andro izao. Koa afaka mahita àry isika fa tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe amin’izao androntsika izao ny Zefania 2:3, manao hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany”. (Izahay no manao sora-mandry.) Nahafaoka ireo Jiosy sisa niverina avy tany amin’ny fahababoana babylonianina tamin’ny 537 al.f.i. ilay teny hoe “rehetra”. Ankehitriny izy io dia manondro an’ireo mpandefitra avy amin’ny firenena rehetra manerana ny tany manontolo, ireo mandray tsara ny asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany ka mitanjozotra mankany amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”.

Miroborobo ny fanompoam-pivavahana marina

16. Azo inoana fa manao ahoana ny fihetsik’ireo fahavalontsika eo anatrehan’ny firoboroboan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro maoderina izao?

16 Maro tamin’ireo firenena nanodidina no talanjona rehefa nahita fa naverina tamin’ny fanompoam-pivavahana marina tao an-tanindrazany ny mpanompon’Andriamanitra, taorian’ny 537 al.f.i. Tamin’ny ambaratonga kely ihany anefa izany famerenana tamin’ny laoniny izany. Mahazendana ankehitriny ny fitomboana sy ny firoboroboana ary ny fandrosoan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro maoderina izao. Azonao an-tsaina ve izay lazain’ny sasany, eny, izay lazain’ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra mihitsy aza, eo am-pahitana izany? Tena azo inoana fa mitovy amin’izay tsapan’ny Fariseo rehefa nahita ny vahoaka nirohotra tany amin’i Jesosy, no tsapan’ny sasany amin’ireny fahavalo ireny. Nihiaka toy izao tokoa mantsy ireo Fariseo: “Indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.”​—Jaona 12:19.

17. Inona no nolazain’ny mpanoratra iray momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manao ahoana ny fitomboana misy eo amin’izy ireo?

17 Nilaza toy izao ny Profesora Charles S. Braden, ao amin’ilay bokiny hoe Mino koa Ireo (anglisy): “Nameno ara-bakiteny ny tany tamin’ny fitoriany ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo lazaina marina fa tsy nisy fivavahana na iray aza eto amin’izao tontolo izao nampiseho zotom-po sy fikirizana noho ny Vavolombelon’i Jehovah, teo amin’ny fiezahany hampiely ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tena azo inoana fa hihamatanjaka hatrany io hetsika io.” Marina tokoa ny azy! Sahabo ho 300 000 monja ireo Vavolombelona nitory naneran-tany fony izy nanoratra ireo teny ireo, 50 taona lasa izay. Avo 20 heny eo ho eo noho io isa io, izany hoe enina tapitrisa eo ho eo, izao no mitory ny vaovao tsara. Mba inona re no holazainy ankehitriny eo am-pahitana izany e?

18. Inona ilay fiteny madio, ary iza no nomen’Andriamanitra azy io?

18 Nampanantena toy izao Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminaniny: “Hanome ho an’ireo vahoaka ny fiovana ho amin’ny fiteny madio iray aho, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, mba hanompoany azy amin’ny soroka miara-milanja.” (Zefania 3:9, NW ). Amin’izao andro farany izao, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no miantso ny anaran’i Jehovah, sy manompo azy amim-piraisan-tsaina ao anatin’ny fatoram-pitiavana tsy mety tapaka, eny, “amin’ny soroka miara-milanja”. Izy ireo no nomen’i Jehovah ny fiteny madio. Voafaoka ao amin’io fiteny madio io ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. I Jehovah irery ihany no manome izany fahatakarana izany amin’ny alalan’ny fanahiny masina. (1 Korintiana 2:10). Iza no nomeny ny fanahiny? Ireo “manaiky Azy” ihany. (Asan’ny Apostoly 5:32). Ny Vavolombelon’i Jehovah irery ihany no vonona hanaiky an’Andriamanitra ho Mpanapaka, amin’ny zavatra rehetra. Izany no antony hahazoan’izy ireo ny fanahin’Andriamanitra sy hitenenany ny fiteny madio, dia ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy ny fikasany mahatalanjona. Mampiasa ilay fiteny madio izy ireo mba hiderana an’i Jehovah maneran-tany amin’ny ambaratonga lehibe sy mitombo hatrany.

19. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe miteny ny fiteny madio?

19 Tsy ny mino ny fahamarinana sy ny mampianatra azy io amin’ny hafa fotsiny akory no tafiditra amin’ny hoe miteny ny fiteny madio, fa ny mampifanaraka koa ny fitondran-tenan’ny tena amin’ny lalàna sy foto-pitsipik’Andriamanitra. Mitari-dalana eo amin’ny fitadiavana an’i Jehovah sy ny fitenenana ny fiteny madio ny Kristianina voahosotra. Eritrereto izay efa notanterahina! Na dia nihena ho latsaka ny 8 700 aza ny isan’ireo voahosotra, dia misy olon-kafa enina tapitrisa eo ho eo manahaka ny finoan’izy ireo, amin’ny fitadiavana an’i Jehovah sy amin’ny fitenenana ilay fiteny madio. Ireo ilay vahoaka betsaka tsy mitsaha-mitombo avy amin’ny firenena rehetra izay maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy, sy manolotra fanompoana masina ao amin’ny kianja etỳ an-tanin’ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra, ary ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ho avy tsy ho ela eto amin’ity tontolo tsy marina ity.​—Apokalypsy 7:9, 14, 15.

20. Inona no miandry ireo voahosotra mahatoky sy ireo mahaforona ny olona betsaka?

20 Hampidirina ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra ny olona betsaka. (2 Petera 3:13). Hahaforona fitondram-panjakana vaovaon’ny tany i Jesosy Kristy sy ireo voahosotra 144 000 natsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra mba ho mpanjaka sy mpisorona miaraka aminy. (Romana 8:16, 17; Apokalypsy 7:4; 20:6). Hiasa mba hanova ny tany ho paradisa ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ary hanohy hiteny ilay fiteny madio nomen’Andriamanitra. Mihatra amin’izy ireo koa ny votoatin’ireto teny ireto: “Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao. Amin’ny fahamarinana no hampiorenana anao”.​—Isaia 54:13, 14.

Asa fampianarana lehibe indrindra eo amin’ny tantara

21, 22. a) Araka ny aseho ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15, iza no hilaina hampianarina ilay fiteny madio? b) Asa fampianarana tsy manam-paharoa inona no hotanterahina eto an-tany eo ambanin’ny fanapahan’ilay fanjakana?

21 Ny antokon’olona iray misy olona maro dia maro izay homena ny fahafahana hianatra ny fiteny madio ao amin’ny tontolo vaovao, dia ireo resahina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15, manao hoe: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka”. Tamin’ny lasa, dia nisy olona an’arivo tapitrisany maro maty nefa tsy nanana fahalalana araka ny marina momba an’i Jehovah. Hamerina azy ireny ho amin’ny fiainana indray izy, ary hanao izany amin’ny fomba milamina. Ary hila ny hampianarina ilay fiteny vaovao ireny hatsangana amin’ny maty ireny.

22 Tena tombontsoa tokoa ny handray anjara amin’io asa fampianarana lehibe io! Ho asa fampianarana lehibe indrindra hisy eo amin’ny tantaran’olombelona izy io. Izany rehetra izany dia hotanterahina eo ambanin’ny fanapahana mahasoa entin’i Kristy Jesosy, izay manana ny fahefan’ny mpanjaka. Vokatr’izany, dia ho hitan’ny olombelona amin’ny farany ny fahatanterahan’ny Isaia 11:9, manao hoe: “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”

23. Nahoana ianao no milaza fa manana tombontsoa lehibe isika vahoakan’i Jehovah?

23 Tombontsoa toy inona moa ny antsika amin’izao andro farany izao miomana ho amin’izany fotoana mahatalanjona izany, rehefa hameno ny tany tokoa ny fahalalana an’i Jehovah! Ary tombontsoa toy inona moa no ananantsika dieny izao, noho isika anisan’ny vahoakan’Andriamanitra, sy noho ny fahitantsika fa tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe ny faminaniana ao amin’ny Zefania 3:20! Hitantsika ao izao fanomezan-toky omen’i Jehovah izao: “Hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianareo”.

Ahoana no Havalinao?

• Inona avy ireo fahatanterahan’ny faminanian’i Zefania momba ny famerenana amin’ny laoniny?

• Manao ahoana ny firoboroboan’ny fanompoam-pivavahana marina amin’izao andro farany izao?

• Asa fampianarana lehibe inona no hisy ao amin’ny tontolo vaovao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Niverina tany an-tanindrazany ny vahoakan’i Jehovah mba hanorina indray ny fanompoam-pivavahana marina. Fantatrao ve ny hevitr’io amin’izao fotoana izao?

[Sary, pejy 26]

Amin’ny fitenenana ilay “fiteny madio”, dia mampita amin’ny olona ilay hafatra mampionona avy ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah