Mitadiava An’i Jehovah Alohan’ny Andro Fahatezerany
Mitadiava An’i Jehovah Alohan’ny Andro Fahatezerany
“Mitadiava an’i Jehovah (...) Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”—ZEFANIA 2:3.
1. Nanao ahoana ny toe-piainana ara-panahin’ny Joda fony i Zefania nanomboka naminany?
NANOMBOKA naminany tamin’ny fotoana iray tena lehibe teo amin’ny tantaran’ny Joda, i Zefania. Nitotongana izaitsizy ny toe-piainana ara-panahin’ilay firenena. Tsy nametraka ny fitokisany tamin’i Jehovah ilay firenena, fa nitady kosa tari-dalana tany amin’ny mpisorona mpanompo sampy sy ny mpanandro. Niely patrana tao amin’ilay tany ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala sy ny fombafombany momba ny fahavokarana. Nampahory ireo olona tokony ho narovany ireo mpitarika sivily, dia ny lehibe sy ny andriana ary ny mpitsara. (Zefania 1:9; 3:3). Tsy nahagaga raha nanapa-kevitra ny ‘haninjitra ny tanany’ hamely an’i Joda sy i Jerosalema i Jehovah mba handravana azy ireo!—Zefania 1:4.
2. Inona no nantenain’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky tao Joda?
2 Na dia ratsy aza anefa ny toe-javatra, dia nisy tsirim-panantenana. I Josia, zanakalahin’i Amona no teo amin’ny seza fiandrianana tamin’izay. Tia marina an’i Jehovah i Josia na dia mbola zazalahy kely aza. Hankahery tokoa an’ireo olona vitsivitsy nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana raha mamerina amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio tao Joda, ilay mpanjaka vaovao! Nety hisy hafa koa ho voatosika hiaraka amin’izy ireny ka ho voaro amin’ilay andro fahatezeran’i Jehovah.
Zavatra takina mba hahazoana fiarovana
3, 4. Fepetra telo inona avy no tsy maintsy fenoina mba hahavoatsimbina ny olona iray amin’ny “andro fahatezeran’i Jehovah”?
3 Afaka ny ho tena voatsimbina tokoa ve ny Zefania 2:2, 3 izy ireo. Aoka homarihintsika manokana ireo zavatra takina ireo, eo am-pamakiana ireo andininy ireo. Hoy ny nosoratan’i Zefania: “Dieny tsy mbola mihatra ny didy (mihelina toy ny akofa ny andro!), dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”
olona sasany amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah? Eny, raha toa ka mahafeno ireo fepetra telo voasoritra ao amin’ny4 Mba hahavoaro ny olona iray àry, dia tsy maintsy 1) mitady an’i Jehovah izy 2) mitady ny fahamarinana, ary 3) mitady ny fandeferana. Tena tokony hahaliana mafy antsika amin’izao andro izao ireo zavatra takina ireo. Nahoana? Satria tsy misy hafa amin’ny niatrehan’i Joda sy i Jerosalema andro fampamoahana tamin’ny taonjato fahafito al.f.i., dia hifanandrina farany amin’i Jehovah Andriamanitra mandritra ilay “fahoriana lehibe” ho avy koa ireo firenen’ny Kristianisma Anarana, eny, ny ratsy fanahy rehetra, raha ny marina. (Matio 24:21). Tsy maintsy manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra dieny izao izay maniry ho voafina amin’izany fotoana izany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fitadiavana an’i Jehovah sy amin’ny fitadiavana ny fahamarinana ary amin’ny fitadiavana ny fandeferana, dieny mbola tsy tara loatra!
5. Inona no tafiditra amin’ny hoe ‘mitady an’i Jehovah’ amin’izao andro izao?
5 Mety hiteny ianao hoe: ‘Mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena sy vita batisa ange aho e! Vavolombelon’i Jehovah ny tenako ka tsy efa fenoko ve ireo fepetra ireo?’ Raha ny marina, dia be kokoa noho ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah no tafiditra amin’izany. Firenena vita fanoloran-tena ny Isiraely kanefa tsy niaina nifanaraka tamin’io fanoloran-tena io ny firenen’i Joda tamin’ny andron’i Zefania. Koa nolavina àry ilay firenena tamin’ny farany. Tafiditra amin’ny hoe ‘mitady an’i Jehovah’ amin’izao andro izao ny mamboly sy mihazona fifandraisana manokana sy akaiky aminy, eo anivon’ny fandaminany eto an-tany. Ny dikan’izany dia hoe mahafantatra Deoteronomia 6:5; Galatiana 5:22-25; Filipiana 4:6, 7; Apokalypsy 4:11.
ny fomba fijerin’Andriamanitra zavatra ary maneho fiheverana ny fihetseham-pony. Mitady an’i Jehovah isika rehefa mianatra amim-pitandremana ny Teniny sy misaintsaina azy io ary mampihatra ny toroheviny eo amin’ny fiainana. Rehefa mitady koa ny tari-dalan’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka amin-kafanam-po isika ary manaraka ny fitarihan’ny fanahiny masina, dia mihalalina ny fifandraisantsika aminy ary voatosika hanompo azy ‘amin’ny fontsika sy ny fanahintsika ary ny herintsika rehetra’ isika.—6. Ahoana no ‘hitadiavantsika ny fahamarinana’, ary nahoana no azo atao izany na dia eto amin’ity tontolo ity aza?
6 Ny ‘mitady ny fahamarinana’ no zavatra takina faharoa ao amin’ny Zefania 2:3. Nanao fiovana lehibe ny ankamaroantsika mba hahafahana hahafeno fepetra ho amin’ny batisa kristianina, kanefa tsy maintsy manohy mihazona ny fari-pitsipika marin’Andriamanitra mandritra ny fiainantsika manontolo isika. Nanaiky ho voaloton’izao tontolo izao ny sasany izay tsara fiandohana tamin’io lafiny io. Tsy mora ny mitady ny fahamarinana noho isika voahodidin’olona izay mihevitra ho ara-dalàna ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny lainga ary ny fahotana hafa. Ny faniriana mafy hampifaly an’i Jehovah anefa dia afaka mandresy an’izay rehetra mety ho fironana hitady sitraka amin’izao tontolo izao amin’ny fiezahana hifangaroharo aminy. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony i Joda noho izy nanahaka ny firenena tsy tia an’Andriamanitra teny akaikiny. Aoka àry isika tsy hanahaka izao tontolo izao fa “hanahaka an’Andriamanitra” kosa, amin’ny fambolena “ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”.—Efesiana 4:24; 5:1.
7. Ahoana no ‘itadiavantsika ny fandeferana’?
7 Ny lafin-javatra fahatelo voalaza ao amin’ny Zefania 2:3 dia ny hoe: Tsy maintsy ‘mitady ny fandeferana’ isika raha irintsika ny ho voafina amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah. Isan’andro isika dia mifampikasoka amin’ny lehilahy sy vehivavy ary tanora tsy manam-pandeferana. Amin’izy ireny, dia kileman-toetra ny fahalemem-panahy. Heverina ho fahalemena lehibe ny fanekena ny hafa. Sarotsarotiny sy tia tena ary be di-doha izy ireo, ka mihevitra fa tsy maintsy asiana fiheverana ny “zony” manokana sy ny zavatra tiany, na inona na inona vidiny. Tena hampalahelo tokoa raha misy amintsika ifindran’izany toe-tsaina izany! Izao no fotoana ‘hitadiavana ny fandeferana’. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanekena an’Andriamanitra sy ny fanekena amim-panetren-tena ny fifehezany ary ny fanarahana ny sitrapony.
Nahoana no hoe “angamba” ho voafina?
8. Inona no asehon’ny fampiasana ilay teny hoe “angamba”, ao amin’ny Zefania 2:3?
8 Mariho fa milaza toy izao ny Zefania 2:3: “Angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” Nahoana no ampiasaina amin’ireo ‘mpandefitra amin’ny tany’ ny teny hoe “angamba”? Nanao zavatra tsara ireo mpandefitra ireo nefa tsy tokony hatoky tena. Mbola tsy nijoro ho nahatoky hatramin’ny fara fofonainy izy ireo. Azo inoana fa nety ho latsaka tamin’ny fahotana ny sasany tamin’izy ireo. Marina koa izany raha ny amintsika. Hoy i Jesosy: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13). Eny, miankina amin’ny fanaovantsika hatrany izay mahitsy eo imason’i Jehovah ny famonjena antsika amin’ny andro fahatezerany. Tapa-kevitra mafy ny hanao izany ve ianao?
9. Zavatra tsara inona no nataon’i Josia Mpanjaka tanora?
9 Toa noho ny tenin’i Zefania no nahatonga an’i Josia Mpanjaka ho voatosika “hitady an’i Jehovah”. Hoy ny Soratra Masina: “Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy [tokony ho 16 taona i Josia], dia niantomboka nitady an’Andriamanitr’i Davida rainy”. (2 Tantara 34:3). Tsy nitsahatra ‘nitady ny fahamarinana’ koa i Josia, satria toy izao no vakintsika: “Tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo kosa [rehefa tokony ho 20 taona i Josia] dia niantomboka nanadio an’i Joda sy Jerosalema mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony. Ary noravan’ny olona teo anatrehan’i Josia ny alitaran’ireo Bala”. (2 Tantara 34:3, 4). ‘Nitady ny fandeferana’ koa i Josia, tamin’ny nanaovany zavatra tamim-panetren-tena mba hampifaliana an’i Jehovah, tamin’ny nanadiovana ilay tany tsy hisy fanompoan-tsampy sy fanao ara-pivavahan-diso hafa. Tsy maintsy ho nahafaly an’ireo mpandefitra hafa ireo fitrangan-javatra ireo!
10. Inona no nitranga tany Joda tamin’ny 607 al.f.i., kanefa iza no voatsimbina?
10 Jiosy maro no niverina tamin’i Jehovah nandritra ny fanapahan’i Josia. Rehefa maty anefa ilay mpanjaka, dia niverina tamin’ny lalany taloha indray ny ankamaroany, ka niverina ho amin’ireo fanao izay tsy azon’Andriamanitra ekena velively. Araka ny didy navoakan’i Jehovah, dia nandresy an’i Joda ny Babylonianina ka nandrava an’i Jerosalema renivohiny, tamin’ny 607 al.f.i. Tsy ny rehetra anefa no ringana. Voafina tamin’io andro fahatezeran’i Jehovah io i Jeremia mpaminany, i Ebeda-meleka Etiopianina, ny taranak’i Jonadaba, ary ny olon-kafa nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra.—Jeremia 35:18, 19; 39:11, 12, 15-18.
Ry fahavalon’Andriamanitra—Tandremo!
11. Nahoana no zava-tsarotra ny mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra amin’izao andro izao? Fahendrena ho an’ny fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah anefa ny mihevitra ny inona?
11 Eo am-piandrasantsika ny andro fahatezeran’i Jehovah amin’ity fandehan-javatra ratsy ity, dia “tojo fisedrana isan-karazany” isika. (Jakoba 1:2, NW ). Any amin’ny tany maro izay mihambo ho mandala ny fahalalahana ara-pivavahana, dia manan-kery eo amin’ireo fahefana tsy ara-pivavahana ireo mpitondra fivavahana mpandrokidroky olona, ka nampiasa izany hoenti-manenjika amin-kalozana ny vahoakan’Andriamanitra. Misy olona maty eritreritra manendrikendrika ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny fiantsoana azy ireny hoe “sekta mampidi-doza”. Hitan’Andriamanitra ny zavatra ataon’izy ireo, ary tsy ho afa-maina izy ireo. Fahendrena ho an’ireo fahavalony ny mihevitra izay nitranga tamin’ny fahavalon’ny vahoakany fahiny, toy ny Filistinina. Hoy ilay faminaniana: “Hafoy Gaza, ary ho lao Askelona; horoahiny mitataovovonana Asdoda, ary hofongorana Ekrona.” Ho rava i Gaza, i Askelona sy i Asdoda ary i Ekrona, tanàna filistinina.—Zefania 2:4-7.
12. Inona no nitranga tamin’i Filistia sy i Moaba ary i Amona?
12 Manohy toy izao ilay faminaniana: “Efa reko ny fandatsàn’i Moaba sy ny fanaratsian’ny taranak’i Amona, izay nandatsany ny oloko sy nireharehany teny amin’ny sisin-taniny.” (Zefania 2:8). Marina fa nijaly i Ejipta sy i Etiopia noho izay nataon’ny Babylonianina mpanafika azy. Inona kosa anefa ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’i Moaba sy i Amona, izay firenena taranak’i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama? Nilaza mialoha toy izao i Jehovah: “Ho tahaka an’i Sodoma tokoa Moaba, ary ny taranak’i Amona ho tahaka an’i Gomora”. Tsy ho voafina amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra i Moaba sy i Amona miavonavona, tsy ho tahaka an’ireo razambeny, izay tsy iza fa izy mirahavavy zanak’i Lota, izay tafita velona tamin’ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora. (Zefania 2: 9-12; Genesisy 19:16, 23-26, 36-38). Aiza i Filistia sy ny tanànany amin’izao fotoana izao? Ary i Moaba sy i Amona niavonavona fahiny? Tsy hahita azy ireo ianao na hikaroka toy inona aza.
13. Inona no zavatra hitan’ny arkeology tany Ninive?
13 Teo amin’ny fara tampon’ny heriny ny Empira Asyrianina tamin’ny andron’i Zefania. Rehefa nilazalaza ny amin’ny tapany iray tamin’ny lapam-panjakana hitany tany Ninive, renivohitr’i Asyria, ilay arkeology atao hoe Austen Layard, dia izao no nosoratany: “Ireo valindrihana (...) dia nozarazaraina ho efitrefitra efamira, ary nasiana sarim-boninkazo na sarim-biby natao hoso-doko. Voaravaka ivoara ny sasany, ary nasiana sisiny sy haingokaingony kanto ny efitrefitra tsirairay. Ireo rairaindrihana mbamin’ireo rindrina, dia nety ho nasiana ankoso-bolamena sy ankoso-bolafotsy, na nopetahana takela-bolamena sy takela-bolafotsy mihitsy aza; ary nampiasaina hanaovana ny zavatra rehetra vita tamin’ny hazo ireo hazo faran’izay tsy fahita, ka ny sedera no niavaka indrindra tamin’ireny.” Araka ny nambaran’ny faminanian’i Zefania mialoha anefa, dia horavana i Asyria ka ho ‘lao’ i Ninive, renivohiny.—Zefania 2:13.
14. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Zefania tamin’i Ninive?
14 Rava i Ninive natanjaka ary potipotika tanteraka ny lapam-panjakany, 15 taona monja taorian’ny nilazan’i Zefania ny faminaniany. Eny, lasa vovoka ilay tanàna niavonavona. Nambara mialoha tamin’ny fomba mazava tsara tamin’ireto teny ireto ny halehiben’ilay fandravana: “Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ny kapitaliny [nianjera]; feo mikiririoka no ho re ao am-baravaZefania 2:14, 15). Ny sokina sy ny sama ihany sisa no sahaza an’ireo trano nijoalajoala tao Ninive. Tsy re teny amin’ny lalana tao an-tanàna intsony ny feon’ny mpivarotra sy ny hiakan’ny mpiady ary ny teny an-kira famerimberin’ny mpisorona. Tao amin’ireo lalam-be feno olona nifanaretsaka fahiny, dia tsy hisy inona ho re afa-tsy feo manao hira hafahafa mampahatahotra avy ao am-baravarankely, angamba feom-borona mitoloko na ny fanenon’ny rivotra mifofofofo. Enga anie ka ho toy izany koa no hiafaran’ireo fahavalon’Andriamanitra rehetra!
rankely, ary fandravana no ho eo an-tokonana”. (15. Inona no azo ianarana avy tamin’izay nitranga tamin’i Filistia, i Moaba, i Amona, ary i Asyria?
15 Inona no azontsika ianarana avy tamin’izay nitranga tamin’i Filistia, i Moaba, i Amona, ary i Asyria? Izao: Amin’ny maha mpanompon’i Jehovah antsika, dia tsy misy tokony hatahorantsika ireo fahavalontsika. Hitan’Andriamanitra izay ataon’ireo manohitra ny vahoakany. Nanao zavatra namelezana ireo fahavalony i Jehovah tamin’ny lasa, ary hihatra amin’ny tany onenana manontolo amin’izao andro izao ny didim-pitsarany. Hisy ho tafita velona anefa, dia ‘olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra’. (Apokalypsy 7:9). Mety ho anisan’izy ireny ianao, raha manohy mitady an’i Jehovah sy mitady ny fahamarinana ary mitady ny fandeferana.
Loza ho an’ny mpanao ratsy sahisahy ratsy!
16. Inona no nolazain’ny faminanian’i Zefania momba ireo lehibe sy mpitarika ara-pivavahana tao Joda, ary nahoana no mifanentana amin’ny Kristianisma Anarana ireo teny ireo?
16 Mifantoka amin’i Joda sy i Jerosalema indray ny faminanian’i Zefania. Hoy ny Zefania 3:1, 2: “Lozan’ny tanàna miodina sady voaloto, dia ilay mampahory! Tsy nihaino ny feo izy, na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.” Nampalahelo fa tsy nisy niraharaha mihitsy ny ezaka nataon’i Jehovah mba hananarana ny vahoakany! Tena nampahonena ny halozan’ireo lehibe sy andriana ary mpitsara. Nanameloka ny tsy fananan-kenatr’ireo mpitarika ara-pivavahana i Zefania, tamin’ny filazana hoe: “Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; mandoto izay masina ny mpisorony, eny, mamadika ny lalàna izy.” (Zefania 3:3, 4). Mifanentana tsara amin’ny toe-javatra misy ny mpaminany sy ny mpisoron’ny Kristianisma Anarana amin’izao andro izao ireo teny ireo! Noho ny fahasahisahian-dratsin’izy ireo, dia nesoriny tsy ho ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboliny ny anaran’Andriamanitra ary nampianatra foto-pampianarana mampiseho amin’ny fomba diso Ilay lazainy fa tompoiny izy ireo.
17. Na mihaino ny olona na tsia, nahoana no tokony tsy hitsahatra hanambara ny vaovao tsara isika?
17 Nampitandrina imbetsaka ny vahoakany fahiny ny amin’ny zavatra nadiva hataony i Jehovah. Naniraka ireo mpaminany mpanompony, toa an-dry Zefania sy Jeremia mbamin’ny hafa koa, izy, mba hampirisika ny vahoaka hibebaka. Eny, ‘tsy manao izay tsy marina i Jehovah; isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ny mazava, ka tsy diso izany’. Ahoana no nandraisana izany? “Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra”, hoy i Zefania. (Zefania 3:5). Misy fampitandremana mitovy amin’izany koa ambara amin’izao fotoana izao. Mandray anjara amin’izany asa fampitandremana izany ianao raha mpitory ny vaovao tsara. Aza mitsahatra mihitsy manambara ny vaovao tsara! Na mihaino ny olona na tsia, dia mahomby eo imason’Andriamanitra ny fanompoanao raha mbola tanterahinao amim-pahatokiana koa izany; tsy misy antony tokony hahamenatra anao eo am-panaovanao ny asan’Andriamanitra amin-jotom-po.
18. Ahoana no hahatanterahan’ny Zefania 3:6?
18 Tsy hijanona fotsiny amin’ny fandravana ny Kristianisma Anarana ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Homelohin’i Jehovah hatramin’ny firenena rehetra, araka izao teny izao: “Efa nahafongana firenena Aho, rava ny tilikambo eny amin’ny zorony; nosimbako ny làlany tsy hisy mpandeha; rava ny tanànany”. (Zefania 3:6). Mendri-pitokisana aoka izany ireo tenin’i Jehovah momba ilay fandravana ireo, ka toy ny hoe efa nitranga sahady izy io. Inona no nitranga tamin’ny tanànan’i Filistia sy i Moaba ary i Amona? Ary ahoana ny amin’i Ninive, renivohitr’i Asyria? Fampitandremana ho an’ireo firenena amin’izao andro izao ny nandravana azy ireo. Tsy azo vazivazina Andriamanitra.
Aza mitsahatra mitady an’i Jehovah
19. Fanontaniana mampisaintsaina inona avy no azontsika apetraka?
19 Nianjera tamin’ireo “nanao izay ratsy rehetra” tamin-karatsiam-panahy ny fahatezeran’Andriamanitra, tamin’ny andron’i Zefania. (Zefania 3:7). Izany koa no hitranga amin’izao androntsika izao. Hitanao ve ny porofo fa antomotra ny andro fahatezeran’i Jehovah? Manohy ‘mitady an’i Jehovah’ ve ianao, amin’ny famakiana ny Teniny tsy tapaka, eny, isan’andro? ‘Mitady ny fahamarinana’ ve ianao, amin’ny fananana fitondran-tena madio mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra? Ary ‘mitady ny fandeferana’ ve ianao, amin’ny fanehoana toe-tsaina mahay mandefitra sy mahay manaiky an’Andriamanitra sy ny fandaharana nataony ho amin’ny famonjena?
20. Fanontaniana inona avy no hodinihintsika ao amin’ilay lahatsoratra farany amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra momba ny faminanian’i Zefania ity?
20 Raha tsy mitsahatra mitady an’i Jehovah sy ny fahamarinana ary ny fandeferana isika, ka manao izany amim-pahatokiana, dia afaka manantena ny hahazo fitahiana tondraka dieny izao, eny, na dia amin’izao “andro farany” misedra ny finoantsika izao aza. (2 Timoty 3:1-5, NW; Ohabolana 10:22). Mety hanontany anefa isika hoe: ‘Amin’ny fomba ahoana avy no itahiana antsika mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao, ary fitahiana inona avy amin’ny hoavy no atolotry ny faminanian’i Zefania ho an’ireo ho voafina amin’ilay andro fahatezeran’i Jehovah mihamanatona haingana?’
Ahoana no Havalinao?
• Ahoana no fomba ‘itadiavan’ny olona an’i Jehovah’?
• Inona no tafiditra amin’ny hoe ‘mitady ny fahamarinana’?
• Ahoana no ahafahantsika ‘mitady ny fandeferana’?
• Nahoana isika no tsy tokony hitsahatra hitady an’i Jehovah sy ny fahamarinana ary ny fandeferana?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 18]
Mitady an’i Jehovah amin’ny fianarana ny Baiboly sy amin’ny vavaka amin-kafanam-po ve ianao?
[Sary, pejy 21]
Hisy olona betsaka ho tafita velona amin’ilay andro fahatezeran’i Jehovah satria manohy mitady azy izy ireo