Tokony Hanao Fiaretan-tory Iandrasam-paty ve ny Kristianina?
Tokony Hanao Fiaretan-tory Iandrasam-paty ve ny Kristianina?
FOMBA fanao maneran-tany efa hatramin’ny ela, ny fiandrasam-paty. Na dia mahalana aza no anaovana fiaretan-tory iandrasam-paty any amin’ny tany sasany amin’izao andro izao, dia mbola fanaon’ny olona ihany io fomba tranainy io any amin’ny tany hafa.
Inona no ao ambadik’io fomba fanao io? Ahoana no niandohany? Ary moa ve ny Kristianina tokony hanao fiaretan-tory iandrasam-paty?
Ny zava-kendrena ao ambadik’izy io
Araka ny voalazan’ny boky iray, dia “niandoha angamba [io fomba io] satria nino ny olona fa mety hipetrahan’ny fanahy ratsy ilay faty tsy voalevina raha avela ho irery eo”. Nisy koa anefa nanome soso-kevitra fa, ny fiarahan’ireo namana sy mpiray tanàna miandry faty mandritra ny alina manontolo dia niandoha avy amin’ny tahotra miharo finoanoam-poana, izany hoe tahotra ny “ho irery miaraka amin’ny faty iray mandritra ny alina”.
Nilaza toy izao ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) raha nanome fanazavana misimisy kokoa momba ny fiaretan-tory iandrasam-paty: “Raha mahakasika an’i Angletera aloha, dia toa efa tranainy kokoa noho ny Kristianisma ilay fomba fanao, ary toa fomban’ireo Selta indrindra indrindra izy io tamin’ny voalohany. Tsy isalasalana fa niandoha avy tamin’ny finoanoam-poana izy io, dia ny tahotra sao hosimban’ny fanahy ratsy ilay faty, na hesoriny tsy ho eo mihitsy aza.”
Fanao sasany amin’izao andro izao
Maneran-tany, dia miovaova be arakaraka ny toerana ireo fomba fanao amin’ny fiaretan-tory iandrasam-paty. Any amin’ny tany sasany any Amerika Latinina, raha sanatria ankizy no maty, dia apetraka eo ambonin’ny seza izy io, ary ampiakanjoana toy ny anjely. Inoan’ny havana aman-tsakaiza fa tonga dia manidina avy hatrany any an-danitra ny “fanahy tsy mety maty” ananan’ilay ankizy. Mety hatao mandritra ny alina manontolo ny fiaretan-tory, saingy mety ho toa miendrika lanonana ilay izy, ary mety hisy hira falifaly arahin-javamaneno hatao. Hisy sakafo azo raisina, sy zava-pisotro misy alkaola.
Atsy Afrika Andrefana, dia tsy ny tahotra ny fanahy loatra no antony anaovan’ireo mpiangona ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina fiaretan-tory. Amin’ny ankapobeny, dia irin’ny havana aman-tsakaiza ny hiombon’alahelo amin’ilay fianakaviana akaiky sy hanome voninahitra farany an’ilay maty. Mahalana anefa vao mampalahelohelo ny rivo-piainana, ary misy sakafo sy zava-pisotro.
Nandritra ny fiaretan-tory nataon’ny foko sasany, dia nisy fiezahana hifandray tamin’ireo hery avy any ivelan’ny tontolon’ny olombelona, ary nisy nanao fanandroana.
Fakafakao ireo porofo
Mazava àry fa tsy ny Kristianina no niandohan’ny fiaretan-tory iandrasam-paty. Matetika izy ireny no nampifandraisina tamin’ny finoanoam-poana. Koa raha mifandray amin’ny finoanoam-poana àry ny atao hoe ‘fiaretan-tory iandrasam-paty’ any amin’ny faritra sasany, dia tsy afaka mandray anjara velively amin’izany fomba fanao izany ny Kristianina mipetraka any. Nanafaka azy ireo tamin’ny finoanoam-poana sy tamin’ny fivavahan-diso ny fahazavana ara-panahy sy ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, ary tsy manamaivana izany fanafahana izany izy ireo.—Salamo 43:3; Jaona 8:32.
Raha ampifandraisina amin’ny fisotroan-toaka be sy tabataban’olona mamo ny ‘fiaretan-tory iandrasam-paty’ ao amin’ny faritra iray manokana, dia manana antony tsara tsy hankanesana any ny olona tia an’Andriamanitra. Nanoratra toy izao ho an’ireo mpiara-mivavaka taminy i Paoly, apostoly kristianina: “Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana”.—Romana 13:13.
Rehefa misy fanandroana sy fiezahana hifandray amin’ny fanahy atao any amin’ny fiandrasam-paty, dia manana antony fanampiny tsy hankanesana any ny Kristianina. Ny “fifandraisana amin’ny fanahy ratsy” dia “asan’ny nofo” izay miGalatiana 5:19-21, NW ). Afa-tsy izany koa, dia izao no nolazaina mivantana tamin’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny andro fahiny: “Aoka tsy hisy eo aminao (...) na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty”.—Deoteronomia 18:10-12.
sakana ireo manohy manao ny asan’ny maizina tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (Ahoana anefa raha tahotra ny maty no manosika ny olona hanao fiaretan-tory iandrasana ilay maty? Tahotaho-poana izany tahotra izany satria lazain’ny Soratra Masina fa tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona. Lazaina amintsika kosa fa “ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona, (...) fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasana iombonan’ny olombelona] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 10). Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra any an-toeran-kafa: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:20). Tsy maningana amin’izany na dia ny ankizy izay toa tsy manan-tsiny aza, satria ny olona rehetra dia samy nandova ota sy fahafatesana avokoa, avy tamin’i Adama, lehilahy voalohany. (1 Mpanjaka 8:46; Romana 5:12). Noho izany, ny ankizy maty akory tsy manana “fanahy tsy mety maty” izay manidina avy hatrany mankany an-danitra, mba ho tonga anjely. Ankoatra izany, dia tsy olombelona efa maty akory ireo anjely any an-danitra, fa noforonina mivantana ho toy izany izy ireo.—Kolosiana 1:15-17; Hebreo 1:7.
Ny Kristianina àry dia tsy matahotra faty, na mihevitra fa voatery hanao fiaretan-tory ho an’ilay maty. Tsy ‘malahelo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana’ koa izy ireo. (1 Tesaloniana 4:13). Marina fa malahelo ny amin’ny nahafatesan’ny havan-tiany izy ireo, toa an’i Jesosy Kristy izay lehilahy lavorary, kanefa latsa-dranomaso rehefa maty i Lazarosy sakaizany. Tamin’izay indrindra anefa i Jesosy dia nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty, ka nanome ho an’ny mpino rehetra antony mafy orina mba hanantenana ny fitsanganan’ireo ao anatin’ny fitadidian’Andriamanitra.—Jaona 11:30-44; Asan’ny Apostoly 24:15.
Fanampiana ireo nidonam-pahoriana
Any amin’ireo toerana anaovana ‘fiaretan-tory iandrasam-paty’ mifandray amin’ny fanao sy fiheverana tsy araka ny Soratra Masina, dia azo antoka fa tsy handray anjara amin’ireo fomba eo an-toerana ny Kristianina. Ahoana anefa raha toa ilay teny hoe “miandry faty” ka ampiharina fotsiny amin’ny famangiana ilay fianakaviana mana-manjo any an-tranony na any amin’ny trano fikarakarana fandevenana?
Ny fahafatesana dia mety hitranga amin’ny fotoana mety tsy hahafahana handevina avy hatrany ilay faty. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety ho hitan’ny Kristianina fa mahasoa indrindra ny fiarahana mandany ny alina amin’ireo havan’ny maty, na dia mbola ao an-trano aza ilay faty. Raha mbola tsy misy koa fanao tsy araka ny Soratra Masina tafiditra, dia tsy misy mihitsy antony ara-baiboly manakana ny famangiana ireo olona mana-manjo, ny fanampiana azy ireo sy ny fiaraha-miory aminy ary ny fanomezana azy ireo “fiononana avy amin’ny Soratra Masina”.—Romana 15:4; Joba 29:25; Jaona 5:28, 29.