Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mety ho Resy ve ny Fahantrana?

Tsy Mety ho Resy ve ny Fahantrana?

Tsy Mety ho Resy ve ny Fahantrana?

MIJERY ny Efitrano Fivorian’ny Filan-kevitra Ara-toe-karena sy Ara-tsosialy ireo mpizaha tany mitsidika ny Firenena Mikambana, any New York, ary hitany miharihary ireo fantsona eny amin’ny valindrihana, ao amin’ny efitra fampirantiana misokatra ho an’ny besinimaro. Manazava toy izao ilay mpitari-dalana: “Ilay valindrihana ‘tsy vita’ dia heverin’ny maro ho marika mampahatsiahy fa tsy mety vita na oviana na oviana ny asan’ny Firenena Mikambana mba hampiroboroboana ny toe-karena sy hanasoavam-bahoaka; hisy zavatra hafa azo atao foana, mba hanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka eran-tany.”

Mifantoka tanteraka amin’ilay tanjona mendri-kaja, dia ny hampisy fari-piainana ambony kokoa ho an’ny rehetra, ilay Filan-kevitra, nefa toa tsy mety tapitra ilay asa. Mahaliana fa, nandritra ny fanompoan’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nilaza toy izao izy: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy”. (Lioka 4:18). Inona ilay “teny soa” notoriny? Izy io dia ny hafatra momba ilay Fanjakana haorin’i Jehovah Andriamanitra, izay nanjary “fiarovana mafy ho an’ny malahelo amin’ny fahoriany”, ary i Jesosy Kristy no ho Mpanjaka ao amin’io Fanjakana io. Inona no hotontosain’izy io? Naminany toy izao i Isaia: “Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra (...), dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara. Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”.​—Isaia 25:4-6, 8.

Tianao ve ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny fomba ‘hanatsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fari-piainan’ny vahoaka eran-tany’, ka tsy hisian’ny fahantrana intsony? Jereo etsy ambany mba hahafantaranao ny fomba hahazoanao mpampianatra mahay iray hitsidika anao, ka hampiseho misimisy kokoa aminao izay lazain’ny Baiboly momba izany.