Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Cyrille sy Méthode​—Mpandika Tenin’ny Baiboly Namorona Abidy

Cyrille sy Méthode​—Mpandika Tenin’ny Baiboly Namorona Abidy

Cyrille sy Méthode​—Mpandika Tenin’ny Baiboly Namorona Abidy

“Vita batemy ny firenenay, nefa tsy manana mpampianatra izahay. Samy tsy azonay na teny grika na teny latinina. (...) Samy tsy azonay na ny tarehin-tsoratra na ny heviny, ka mba andefaso mpampianatra afaka mampahafantatra ny tenin’ny Soratra Masina sy ny heviny, izahay.”​—Rostislav, printsin’i Moravia, 862 am.f.i.

ANKEHITRINY, dia afaka mampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly amin’ny fitenin-drazany, ireo olona maherin’ny 435 tapitrisa mampiasa fiteny nipoitra avy tamin’ny fiteny slavy. * Mampiasa ny abidy cyrillique ny 360 tapitrisa amin’izy ireo. Taonjato 12 lasa anefa izay, dia sady tsy nisy soratra no tsy nisy abidy, ireo fitenim-paritra nampiasain’ny razamben’izy ireo. Lehilahy nantsoina hoe Cyrille sy Méthode, izay mpirahalahy iray tam-po, no nandray anjara tamin’ny fanitsiana izany toe-javatra izany. Ho hitan’ny olona tia ny Tenin’Andriamanitra fa pejy iray mahaliana eo amin’ny tantaran’ny fiarovana sy ny fampielezana ny Baiboly, ny ezaka nataon’izy mirahalahy ireo, izay nanehoany fahasahiana sy nitondrany zava-baovao. Iza moa izy mirahalahy ireo, ary inona avy ny vato misakana natrehiny?

“Ilay filozofa” sy ilay governora

Teraka tao anatin’ny fianakaviana ambony tany Tesalonika, any Gresy, i Cyrille (827-869 am.f.i.; Constantin no tena anarany) sy i Méthode (825-885 am.f.i.). Roa ny fiteny nampiasain’ireo mponina tany Tesalonika tamin’izany fotoana izany, dia ny teny grika sy karazana teny slavy. Nety ho nanome fahafahana an’i Cyrille sy i Méthode hahafantatra tsara ny fitenin’ireo Slavy tany atsimo, ny fisian’ny Slavy maro be tany Gresy, sy ny fifaneraserana akaiky nisy tamin’ireo mponina tao sy ireo vondron’olona slavy nanodidina. Milaza mihitsy aza ny olona iray nanoratra ny tantaram-piainan’i Méthode fa nanana fiaviana slavy ny renin’izy mirahalahy.

Nifindra tany Constantinople, renivohitry ny empira byzantin i Cyrille, rehefa maty ny rainy. Nianatra tao amin’ny oniversiten’ny Empira izy, ary nifanerasera tamin’ny mpampianatra nalaza. Tonga mpitantana ny tranomboky tao Sainte-Sophie, fiangonana nalaza indrindra tany Atsinanana, izy, ary tonga mpampianatra filozofia tatỳ aoriana. Raha ny marina, noho ny fianarana ambony vitany, dia nomena ilay anaram-bosotra hoe Ilay Filozofa, i Cyrille.

Nandritra izany fotoana izany, dia nikatsaka asa nitovy tamin’ny an-drainy, i Méthode, dia ny fitantanan-draharaha ara-politika. Tonga governora tao amin’ny distrika iray tany an-tsisin-tanin’i Byzance, izy. Nisy Slavy maro tao amin’io distrika io. Niala tao anefa izy ary nankany amin’ny monasitera iray tany Bitynia, any Azia Minora. Nanaraka azy tany, i Cyrille, tamin’ny 855 am.f.i.

Nandefa azy mirahalahy hamita iraka tany ivelany ny patriarika tao Constantinople, tamin’ny 860 am.f.i. Nalefa haingana tany amin’ny Khazars izy mirahalahy. Mponina tany avaratratsinanan’ny Ranomasina Mainty ny Kazhars, izay mbola nisalasala na hanaraka ny Silamo na ny Jodaisma na ny Kristianisma. Nijanona kelikely tao Chersonèse, any Crimée, i Cyrille, tamin’ny diany nankany. Misy manam-pahaizana mihevitra fa nianatra teny hebreo sy samaritanina izy tao, ary nandika ny fitsipi-pitenenana hebreo ho amin’ny fitenin’ny Khazars.

Antso avy tany Moravia

Tamin’ny 862 am.f.i., dia nanao ilay fangatahana terỳ amin’ny fehintsoratra voalohany i Rostislav, printsin’i Moravia (faritra atsinanan’i Tsekia sy ny faritra andrefan’i Slovakia ary ny faritra andrefan’i Hongria ankehitriny). Nalefany tany amin’i Michel III, Emperora byzantin, ilay fangatahana, dia ny hoe tokony mba hisy mpampianatra ny Soratra Masina halefan’i Michel III. Efa nahita rirany tamin’ny fampianaran’ny Eglizy ireo mponina niteny slavy tao Moravia, noho ireo misionera avy tamin’ny fanjakana franc tany atsinanana (Alemaina sy Aotrisy ankehitriny). Nampanahy an’i Rostislav anefa ny hery nananan’ireo foko alemà teo amin’ny sehatra ara-politika sy ara-pivavahana. Nantenainy fa hanampy ny fireneny hahaleo tena hatrany teo amin’ny lafiny ara-politika sy ara-pivavahana, ny fifamatorany ara-pivavahana tamin’i Constantinople.

Nanapa-kevitra ny handefa an’i Méthode sy i Cyrille tany Moravia, ny emperora. Sahaza tsara azy mirahalahy io iraka nampanaovina azy io, noho ny fianarana ambony hitany, sy ny fanabeazana azony, ary ny fiteny hainy. Lazain’ny olona iray tamin’ny taonjato fahasivy, izay mpanoratra tantaram-piainan’olona, fa nihevitra toy izao ny emperora, raha nampirisika mafy azy mirahalahy hankany Moravia: “Samy teratany tesalonianina ianareo roa lahy, ary miteny slavy tsy misy fangarony ny Tesalonianina rehetra.”

Teraka ny abidy sy ny fandikan-tenin’ny Baiboly iray

Nandritra ireo volana talohan’ny niaingan’izy mirahalahy, dia niomana tamin’ilay asa nanirahana azy, i Cyrille, ka namorona abidy ho an’ireo Slavy. Voalaza fa natsilo sofina izy, raha ny amin’ny feon’ireo teny tononina. Koa niezaka namorona litera iray ho an’ny feon’ny teny slavonika tsirairay izy, tamin’ny fampiasana tarehin-tsoratra grika sy hebreo. * Misy mpikaroka mihevitra fa efa an-taonany maro izy no nametraka ny fototra ho amin’ny abidy toy izany. Ary mbola tsy azo antoka tsara ny tena endriky ny abidy noforonin’i Cyrille.​—Jereo ilay faritra voafefy hoe “Cyrillique sa Glagolitika?”

Tetsy an-danin’izany, dia nanomboka nandika haingana ny Baiboly, i Cyrille. Araka ny lovantsofina, dia nanomboka nadikany avy tamin’ny teny grika ho amin’ny teny slavonika ireo teny voalohany ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona, manao hoe: “Tamin’ny voalohany ny Teny (...)”, ka ilay abidy vao noforoniny no nampiasainy. Nandika ireo Filazantsara efatra sy ireo taratasin’i Paoly ary ny bokin’ny Salamo, i Cyrille, avy eo.

Niasa irery ve izy? Tena azo inoana fa nanampy azy i Méthode. Ankoatra izany, dia hoy ilay boky hoe Ny Tantaran’ny Moyen-Âge Navoakan’i Cambridge (anglisy): “Tsy sarotra ny mahazo an-tsaina fa nisy olon-kafa nanampy [an’i Cyrille], ary tsy maintsy ho olona nanana fiaviana slavy izy ireny voalohany indrindra, ary nahazo fanabeazana grika. Raha mandinika ireo fandikan-teny tranainy indrindra isika, (...) dia manana ny porofo faran’izay mafonja ny amin’ny nampiasana fiteny slavonika efa nivoatra be, izay tsy maintsy ho avy tamin’ireo mpiara-miasa, izay tena Slavy mihitsy.” Novitain’i Méthode, tatỳ aoriana, ny sisa tamin’ilay Baiboly, araka ny ho hitantsika.

“Toy ny goaika manao angaredona amin’ny voromahery iray”

Nanomboka an’ilay asa nanirahana azy tany Moravia i Cyrille sy i Méthode, tamin’ny 863 am.f.i. Noraisina tsara izy ireo tany. Ankoatra ny fandikana soratra ara-baiboly sy litorjia, dia anisan’ny asan’izy mirahalahy koa ny nampianatra ny antokon’olona teo an-toerana ilay abidy slavonika vao noforonina.

Tsy nandeha ho azy anefa ny zava-drehetra. Nanohitra mafy ny fampiasana ny teny slavonika, ny mpitondra fivavahana franc tao Moravia. Nitana ilay hevitra ny amin’ny hampiasana fiteny telo izy ireo, tamin’ny fanizingizinana fa ny teny latinina sy grika ary hebreo ihany no azo ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana. Noho ny nanantenan’izy ireo fa hahazo ny fanohanan’ny papa ilay fiteny misy soratra vao noforonina, dia nankany Roma izy mirahalahy, tamin’ny 867 am.f.i.

Teny an-dalana, dia tafahaona tamin’ny antokona mpitondra fivavahana latinina hafa izay nampandroso ny fampiasana fiteny telo, i Cyrille sy i Méthode, tany Venise. Lazain’ny olona iray tamin’ny Moyen-Âge, izay nanoratra ny tantaram-piainan’i Cyrille, fa nanafika azy “toy ny goaika manao angaredona amin’ny voromahery iray” ireo eveka sy pretra ary moanina teo an-toerana. Araka ny voalazan’io fitantarana io, dia namely azy ireo i Cyrille, tamin’ny fanononana ny voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 14:8, 9, manao hoe: “Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady? Dia toy izany koa hianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin’ny rivotra hianareo.”

Rehefa tonga tany Roma ihany izy mirahalahy tamin’ny farany, dia nankasitraka tanteraka ny nampiasan’izy mirahalahy ny teny slavonika ny Papa Adrien II. Rehefa afaka volana vitsivitsy, dia narary mafy i Cyrille fony izy mbola tany Roma. Tsy ampy roa volana tatỳ aoriana, dia maty teo amin’ny faha-42 taonany izy.

Nampirisika an’i Méthode, ny Papa Adrien II mba hiverina hiasa tany Moravia sy ny manodidina ny tanànan’i Nitra, any amin’izay misy an’i Slovakia ankehitriny. Ta hanamafy ny fahefany tao amin’ilay faritra ny papa ka nomeny taratasy nilaza ny fankasitrahany ny fampiasana ny teny slavonika i Méthode, sady notendreny ho arseveka. Tamin’ny 870 am.f.i. anefa, dia nisambotra an’i Méthode ilay eveka franc atao hoe Hermanrich, izay nampian’i Svatopluk, printsy tao Nitra. Nogadraina nandritra ny roa taona sy tapany tao amin’ny monasitera iray, tany atsimoatsinanan’i Alemaina, izy. Tamin’ny farany, dia nandidy ny hanafahana an’i Méthode ny Papa Joany VIII, mpandimby an’i Adrien II, ka namerina azy tao amin’ny dioseziny. Nohamafisin’ny Papa Joany VIII indray fa nanohana ny fampiasana ny teny slavonika teo amin’ny fanompoam-pivavahana ny Papa.

Nitohy ihany anefa ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana franc. Nahavita niaro tena teo anoloan’ireo fiampangana azy ho nanohitra ny Eglizy i Méthode, ary tamin’ny farany izy dia nahazo taratasy nisy tombo-kase avy tamin’ny Papa Joany VIII, izay nanome lalana tamin’ny fomba mazava ny amin’ny hampiasana ny teny slavonika tany am-piangonana. Niaiky i Jean-Paul II, Papa ankehitriny, fa ny fiainan’i Méthode dia lany tao anatin’ny “fanaovana dia, fihafiana, fahoriana, fankahalana sy fanenjehana (...) ary fanaovana an-tranomaizina tsy mifaditrovana mihitsy aza”. Mahatsikaiky fa eveka sy printsy tsara fihavanana tamin’i Roma no nanao izany.

Voadika ny Baiboly manontolo

Na dia teo aza ilay fanoherana tsy an-kijanona, dia vitan’i Méthode, izay nampian’ny mpanoratra sorapohy sasantsasany, ny nandika ny sisa tamin’ny Baiboly ho amin’ny teny slavonika. Araka ny lovantsofina, dia tao anatin’ny valo volana monja no namitany izany asa goavam-be izany. Tsy nandika ny boky apôkrifan’ny Makabeo anefa izy.

Tsy mora ankehitriny ny manombana marina ny hatsaran’ny fandikan-teny nataon’i Cyrille sy i Méthode. Tamin’ireo kopia natao tany akaikin’ny fotoana nanaovana ny fandikan-teny voalohany, dia kopia sora-tanana vitsivitsy monja sisa no misy ankehitriny. Rehefa nodinihin’ireo manam-pahaizana momba ny fiteny ireo santionany tsy fahita firy tany am-boalohany ireo, dia marihin’izy ireo fa marina sy araka ny fitenin’ny olona ary velombelona ilay fandikan-teny. Milaza ilay asa soratra hoe Ny Baibolintsika Slavy (anglisy) fa “tsy maintsy namorona teny sy fitambaran-teny vaovao maro [izy mirahalahy] (...) Ary nahagaga fa araka ny marina tsara ny nanaovan’izy ireo izany rehetra izany, [ka] nanjary nanankarena voambolana tsy nisy toy izany, ny fiteny slavy”.

Lova maharitra

Taorian’ny nahafatesan’i Méthode tamin’ny 885 am.f.i., dia voatery nandao an’i Moravia ireo mpianany satria noroahin’ireo Francs mpanohitra azy ireo. Nialokaloka tany Bohemia, any atsimon’i Polonina, sy tany Boligaria, izy ireo. Koa nitohy àry ny asan’i Cyrille sy i Méthode, ary niely aza raha ny marina. Niroborobo sy nivoatra ary nanjary nisy karazany maro tatỳ aoriana, ilay fiteny slavonika nomen’izy mirahalahy endriny misy soratra sy maharitra kokoa. Fiteny 13 samy hafa sy fitenim-paritra maro, ankehitriny, no niandoha avy tamin’ny teny slavy.

Ankoatra izany, dia nisy vokany ny ezaka feno fahasahiana nataon’i Cyrille sy i Méthode, tamin’ny nandikany ny Baiboly, satria misy fandikan-teny slavy maro samihafa azo ampiasaina ankehitriny amin’ny Soratra Masina. Olona an-tapitrisany maro mampiasa ireny fiteny ireny no samy mandray soa noho ny fananana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiteniny. Na dia teo aza ny fanoherana mafy, dia endrey ny fahamarinan’ireto teny ireto: “Ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay”!​—Isaia 40:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ampiasaina any Eoropa Atsinanana sy any Eoropa Afovoany ireo teny slavy. Anisan’izany ny teny rosianina, ukrainien, serba, poloney, tseky, boligara, sy ny fiteny mitovy amin’izany.

^ feh. 13 Manondro ilay fitenim-paritra slavy nampiasain’i Cyrille sy i Méthode tamin’ilay asa nanirahana azy, sy ny asa soratra nataony, ny teny hoe “slavonika” ato amin’ity lahatsoratra ity. Mampiasa ny teny hoe “slavonika taloha” na “slavonikan’ny fiangonana teo aloha”, ny sasany ankehitriny. Eken’ny manam-pahaizana momba ny fiteny fa tsy nisy fiteny tokana niombonana nampiasain’ireo Slavy tamin’ny taonjato fahasivy am.f.i.

[Efajoro, pejy 29]

Cyrillique sa Glagolitika?

Niteraka adihevitra be ny amin’ilay abidy noforonin’i Cyrille, satria mampisalasala an’ireo manam-pahaizana momba ny fiteny ny mombamomba an’io abidy io. Manaraka akaiky ny abidy grika ilay abidy antsoina hoe cyrillique, saingy miampy litera roa ambin’ny folo, fara fahakeliny, izay noforonina mba hanoratana ny feo slavonika tsy hita ao amin’ny teny grika. Ny sasany amin’ireo sora-tanana slavonika tany am-boalohany indrindra anefa dia mampiasa abidy hafa tanteraka, izay fantatra amin’ny hoe glagolitika, ary io abidy io no heverin’ny manam-pahaizana maro ho noforonin’i Cyrille. Toa avy amin’ny soratra miendrika soratanana grika na hebreo, ny litera glagolitika sasantsasany. Mety ho avy tamin’ny tsindrimpeo tamin’ny Moyen-Âge ny sasany tamin’izy ireny, kanefa litera vao noforonina sy be pitsiny, ny ankamaroany. Toa zavatra miavaka tanteraka sy vao noforonina, ny glagolitika. Ny abidy cyrillique anefa no nivoatra ka nanome ny soratra rosianina, ukrainien, serba, sy boligara, ary masedonianina amin’ny andro ankehitriny, ankoatra ny fiteny 22 fanampiny, izay tsy slavonika ny sasany.

[Artwork—Cyrillic and Glagolitic characters]

[Sarintany, pejy 31]

(Jereo ny gazety)

Ranomasina Baltika

(Polonina)

Bohemia (Tsekia)

Moravia (Tsekia atsin., Slovakia andref., Hongria andref.)

Nitra

FANJAKANA FRANC TANY ATSINANANA (Alemaina sy Aotrisy)

ITALIA

Roma

Venise

Ranomasina Mediterane

BOLIGARIA

GRESY

Tesalonika

(Crimée)

Ranomasina Mainty

Bitynia

Constantinople (Istanbul)

[Sary, pejy 31]

Baiboly slavonika amin’ny soratra “cyrillique” nanomboka tamin’ny 1581

[Sary nahazoan-dalana]

Baiboly: Narodna in univerzitetna knjiz̆nica-Slovenija-Ljubljana