Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famonjena ho An’ireo Mifidy ny Fahazavana

Famonjena ho An’ireo Mifidy ny Fahazavana

Famonjena ho An’ireo Mifidy ny Fahazavana

“Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako?”​—SALAMO 27:1.

1. Inona avy ireo fandaharana manome fiainana ataon’i Jehovah?

I JEHOVAH no Loharanon’ny tara-masoandro, izay mahatonga ny fiainana hisy eto an-tany. (Genesisy 1:2, 14). Izy koa no Mpamorona ny fahazavana ara-panahy, izay mampisava ny haizina mahafatin’ny tontolon’i Satana. (Isaia 60:2; 2 Korintiana 4:6; Efesiana 5:8-11; 6:12). Afaka miara-milaza amin’ilay mpanao salamo toy izao ireo mifidy ny fahazavana: “Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako?” (Salamo 27:1a). Tsy afaka manantena afa-tsy didim-pitsarana fanamelohana kosa anefa ireo mifidy ny haizina, tahaka izay nitranga tamin’ny andron’i Jesosy.​—Jaona 1:9-11; 3:19-21, 36.

2. Inona no nitranga tamin’ireo nanda ny fahazavan’i Jehovah sy ireo nihaino ny teniny, tamin’ny andro fahiny?

2 Nanda ny fahazavana ny ankamaroan’ny vahoaka nanaovan’i Jehovah fanekena, tamin’ny andron’i Isaia. Noho izany, dia hitan’i Isaia ny nandravana ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, tamin’ny naha firenena azy. Ary tamin’ny 607 al.f.i., dia noravana i Jerosalema sy ny tempoliny ary natao sesitany ny mponin’i Joda. Nahazo hery hoenti-manohitra ny fivadiham-pinoana tamin’izany andro izany anefa, ireo nihaino ny tenin’i Jehovah. Nahakasika ny taona 607 al.f.i., dia nampanantena i Jehovah fa ho tafita velona ireo nihaino azy. (Jeremia 21:8, 9). Ankehitriny, dia afaka miana-javatra betsaka avy tamin’izay nitranga tamin’izany fotoana izany, isika tia ny fahazavana.​—Efesiana 5:5.

Ny fifalian’ireo ao amin’ny fahazavana

3. Afaka matoky ny amin’inona isika ankehitriny? Iza ilay “firenena marina” tiantsika? Inona ilay “tanàna mafy” ananan’io “firenena” io?

3 “Manana tanàna mafy isika; famonjena no hotendren’i Jehovah ho mànda sy fiarovana. Vohay ny vavahady, mba hidiran’ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.” (Isaia 26:1, 2). Ireo no teny feno fifaliana nataon’ny olona natoky an’i Jehovah. I Jehovah no nianteheran’ireo Jiosy nahatoky tamin’ny andron’i Isaia ho hany tena Loharanon’ny filaminana, fa tsy ireo andriamanitra sandok’ireo mpiray tanindrazana taminy. Manana fatokisana toy izany koa isika ankehitriny. Ankoatra izany, dia tiantsika koa ilay ‘firenena marin’i Jehovah’, dia ny “Isiraelin’Andriamanitra”. (Galatiana 6:16; Matio 21:43). Tia an’io firenena io koa i Jehovah noho izy io mahatoky. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia manana “tanàna mafy” ny Isiraelin’Andriamanitra, dia fandaminana iray toy ny tanàna izay manohana sy miaro azy io.

4. Inona no toe-tsaina tokony hambolentsika?

4 Izay ao anatin’io “tanàna” io dia mahatsapa tsara fa ‘ny [fironana, NW ] tsy miovaova dia harovan’i Jehovah ao amin’ny fiadanana [mitohy, NW ], satria matoky an’i Jehovah izy’. Manohana ireo mirona hatoky azy sy miaina mifanaraka amin’ireo foto-pitsipiny marina, i Jehovah. Noho izany, dia nanaraka ity fampirisihan’i Isaia ity, ireo olona nahatoky tao Joda: “Matokia an’i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.” (Isaia 26:3, 4; Salamo 9:10; 37:3; Ohabolana 3:5). Mihevitra an’i “Jehovah Tompo” ho hany Vatolampy azo antoka, ireo manana izany toe-tsaina izany. Misy “fiadanana [mitohy, NW ]” eo amin’izy ireo sy i Jehovah.​—Filipiana 1:2; 4:6, 7.

Fampietrena ireo fahavalon’Andriamanitra

5, 6. a) Ahoana no nampietrena an’i Babylona fahiny? b) Tamin’ny fomba ahoana no nampietrena an’i “Babylona Lehibe”?

5 Ahoana raha tojo fahoriana ireo matoky an’i Jehovah? Tsy mila matahotra izy ireo. Avelan’i Jehovah hitranga mandritra ny fotoana kelikely ny zavatra toy izany, nefa manao izay hahamaivana izany izy amin’ny farany, ary hiatrika ny fitsarany ireo mahatonga ilay fahoriana. (2 Tesaloniana 1:4-7; 2 Timoty 1:8-10). Raiso ny ohatry ny “tanàna avo” iray. Hoy i Isaia: “Naetrin[’i Jehovah] ny mponina avo toerana; ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ny tany ka azerany ho amin’ny vovoka. Hitsahin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ny mahantra.” (Isaia 26:5, 6). Mety ho i Babylona ilay tanàna avo voaresaka eto. Nampijaly tokoa ny vahoakan’Andriamanitra io tanàna io. Inona anefa no nitranga tamin’i Babylona? Nanjary teo am-pelatanan’ny Medianina sy ny Persanina izy io, tamin’ny 539 al.f.i. Fampietrena re izany!

6 Amin’izao androntsika izao, dia milazalaza tsara izay nitranga tamin’i “Babylona Lehibe” nanomboka tamin’ny 1919, ny teny ara-paminanian’i Isaia. Tamin’io taona io, dia nianjera tamin’ny fomba nampietry io tanàna avo io, rehefa voatery nanafaka ny vahoakan’i Jehovah avy tamin’ny fahababoana ara-panahy izy io. (Apokalypsy 14:8). Vao mainka nampietry aza izay nitranga nanaraka izany. Nivadika ny rasa, ka lasa ‘nanitsaka’ ilay namabo azy taloha ilay antokona Kristianina vitsy an’isa. Nanomboka nanambara ny hifaranan’ny Kristianisma Anarana izy ireo tamin’ny 1922, tamin’ny fampahafantarana ny olona mahakasika ny fitsofan’ny anjely efatra trompetra, voalaza ao amin’ny Apokalypsy 8:7-12, sy ny loza telo voalaza mialoha ao amin’ny Apokalypsy 9:1–11:15.

“Voaravona ny làlan’ny marina”

7. Inona no tari-dalana azon’ireo mitady ny fahazavan’i Jehovah? Iza no antenain’izy ireo, ary inona no ankamaminy?

7 Mamonjy an’ireo mitady ny fahazavany i Jehovah, ary mitari-dalana azy ireo, araka izao asehon’i Isaia manaraka izao: “Voaravona ny làlan’ny marina; eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan’ny marina. Koa amin’ny làlan’ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ny fanahinay.” (Isaia 26:7, 8). Andriamanitra manao ny marina i Jehovah, ary tsy maintsy mitandrina ny fari-pitsipiny marina, ireo manolotra fanompoam-pivavahana aminy. Rehefa manao izany izy ireo, dia tarihin’i Jehovah, izay mandravona ny lalan’izy ireo. Amin’ny fanarahana ny tari-dalany, dia asehon’ireo mpandefitra ireo fa sady manantena an’i Jehovah izy ireo no mankamamy koa ny anaran’i Jehovah amin’ny fony rehetra, eny, mankamamy ny ‘fahatsiarovana’ azy.​—Eksodosy 3:15.

8. Inona no fihetsika fakan-tahaka nasehon’i Isaia?

8 Nankamamy ny anaran’i Jehovah i Isaia. Miharihary amin’ireto teniny manaraka ireto izany: “Amin’ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.” (Isaia 26:9). Naniry an’i Jehovah ‘tamin’ny fanahiny’ i Isaia, eny, tamin’ny naha izy azy manontolo. Alao sary an-tsaina ilay mpaminany nampiasa ny fotoana nangina tamin’ny alina mba hivavahana tamin’i Jehovah, ka nanambara ny eritreriny lalina indrindra sy nitady mafy ny tari-dalan’i Jehovah. Ohatra tsara dia tsara re izany! Nianatra ny fahamarinana avy tamin’ireo fitsarana nataon’i Jehovah koa, i Isaia. Ampahatsiahiviny antsika amin’izany fa tokony ho malina hatrany isika, ka ho mailo hatrany mba hahaiza-manavaka ny sitrapon’i Jehovah.

Misy mifidy ny haizina

9, 10. Inona avy no asa nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy tamin’ilay firenena tsy nahatoky, nefa nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo?

9 Nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy lehibe niharo fitiavana ny Joda, saingy nampalahelo fa tsy tsara fandray izany ny rehetra. Matetika no nifidy ny fikomiana sy ny fivadiham-pinoana ny ankamaroany, fa tsy ny fahazavan’ny fahamarinan’i Jehovah. Hoy i Isaia: “Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; eny, na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’i Jehovah.”​—Isaia 26:10.

10 Rehefa niaro ny Joda tamin’ireo fahavalony i Jehovah tamin’ny andron’i Isaia, dia nanda tsy hanaiky izany ny ankamaroany. Tsy nampiseho fankasitrahana koa anefa ilay firenena rehefa notahiny ka nahazo ny fiadanany. Noho izany, dia nafoin’i Jehovah hanompo “tompo hafa” izy ireo, ka navelany hoentina ho babo tany Babylona ny Jiosy tamin’ny farany, tamin’ny 607 al.f.i. (Isaia 26:11-13). Na izany aza anefa, dia nisy sisa tamin’ilay firenena niverina sy nofaizina tany an-tanindrazany.

11, 12. a) Nanao ahoana ny hoavin’ny mpamabo ny Joda? b) Nanao ahoana ny hoavin’ilay mpamabo taloha ny mpanompon’i Jehovah voahosotra, tamin’ny 1919?

11 Ahoana ny amin’ireo mpamabo ny Joda? Mamaly toy izao ny faminanian’i Isaia: “Ny maty tsy ho velona intsony, [tsy manan-kery ao amin’ny fahafatesana izy ireo, ka tsy hitsangana, NW ]; fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.” (Isaia 26:14). Tapitra hatreo ny amin’i Babylona, taorian’ny nianjerany tamin’ny 539 al.f.i. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy ho eo intsony ilay tanàna. ‘Tsy hanan-kery ao amin’ny fahafatesana’ izy, ary hivalona ho anisan’ny tantara ireo fanjakana maro dia maro teo am-pelatanany. Izany ka fampitandremana ho an’izay manantena ireo mahery eto amin’ity tontolo ity!

12 Nisy fahatanterahany ny lafin’io faminaniana io rehefa navelan’Andriamanitra ho babo ara-panahy ny mpanompony voahosotra tamin’ny 1918, ary avy eo, dia nafahany tamin’ny 1919. Nanomboka hatreo, dia nanjombona ny hoavin’ilay mpamabo azy ireo taloha, indrindra indrindra fa ny Kristianisma Anarana. Tena tondraka kosa anefa ny fitahiana miandry ny vahoakan’i Jehovah.

“Nampitombo ny firenena Hianao”

13, 14. Inona no fitahiana tondraka azon’ny voahosotra mpanompon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1919?

13 Notahin’Andriamanitra ny fihetsika nampiseho fibebahana nasehon’ireo mpanompony voahosotra tamin’ny 1919, ka nomeny fitomboana izy ireo. Nanehoana fiheverana aloha ny fanangonana ireo mpikambana farany tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra. Avy eo, dia natomboka ny fanangonana ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16). Nambara mialoha tao amin’ny faminanian’i Isaia toy izao ireo fitahiana ireo: “Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany. Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; nony niharan’ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.”​—Isaia 26:15, 16.

14 Mitatra maneran-tany ankehitriny ny faritry ny Isiraelin’Andriamanitra, ary miisa enina tapitrisa eo ho eo ankehitriny ny olona betsaka nanampy azy io. Mandray anjara amin-kafanam-po amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, izy ireo. (Matio 24:14). Fitahiana avy amin’i Jehovah re izany! Ary voninahitra toy inona moa no entin’izany ho an’ny anarany! Re any amin’ny tany 235 io anarana io ankehitriny. Tanteraka amin’ny fomba mahatalanjona ny fampanantenany, araka izany.

15. Inona no fitsanganana amin’ny maty ara-panoharana nitranga tamin’ny 1919?

15 Nila ny fanampian’i Jehovah ny Joda mba hafahana tamin’ny fahababoana tany Babylona. Tsy afaka nanao izany samirery izy ireo. (Isaia 26:17, 18). Toy izany koa fa porofon’ny fanohanan’i Jehovah ny nanafahana ny Isiraelin’Andriamanitra, tamin’ny 1919. Tsy nitranga izany raha tsy teo ny fanampiany. Ary nanaitra aoka izany ny fiovana nisy teo amin’ny toe-piainan’izy ireo, ka nampitovin’i Isaia tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty izany: “Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ny oloko hitsangana; koa mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin’ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.” (Isaia 26:19; Apokalypsy 11:7-11). Eny, toy ny hoe nateraka indray mba hanohy ny asa, ireo tsy nanan-kery tao amin’ny fahafatesana!

Fiarovana amin’ny fotoana mampidi-doza

16, 17. a) Inona no nilain’ireo Jiosy natao mba hahatafitana velona tamin’ny nianjeran’i Babylona, tamin’ny 539 al.f.i.? b) Azo inoana fa inona ankehitriny ireo ‘efitrano’, ary ahoana no andraisantsika soa amin’izy ireny?

16 Mila ny fiarovan’i Jehovah foana ireo mpanompony. Tsy ho ela anefa, dia haninjitra farany ny tanany amin’ny tontolon’i Satana i Jehovah, ary hila ny fanampiany mbola tsy nisy toy izany, ireo mpivavaka aminy. (1 Jaona 5:19). Mampitandrina antsika toy izao ny amin’io fotoana hampidi-doza io i Jehovah: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrìna varavarana hianao, ka miere kely indray mipì-maso monja mandra-pahalasan’ny fahatezerana. Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.” (Isaia 26:20, 21; Zefania 1:14). Io fampitandremana io dia nampiseho tamin’ny Jiosy ny fomba hahatafitana velona tamin’ny nianjeran’i Babylona, tamin’ny 539 al.f.i. Ho nijanona tao an-tranony ireo nanaraka io fampitandremana io, ka ho voaro amin’ireo miaramila mpanafika teny an-dalana.

17 Ankehitriny, dia azo inoana fa misy ifandraisana amin’ireo kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah an’aliny maro maneran-tany, ireo ‘efitrano’ voalazan’ilay faminaniana. Na dieny ankehitriny aza, dia efa fiarovana ny kongregasiona, izay toerana iray ahitan’ny Kristianina tsy fananana ahiahy eo anivon’ireo rahalahiny, eo ambanin’ny fiahiana feno fitiavan’ireo loholona. (Isaia 32:1, 2; Hebreo 10:24, 25). Marina indrindra izany raha jerena ny fahantomoran’ny faran’ity fandehan-javatra ity, rehefa hiankina amin’ny fankatoavana ny fahatafitana velona.​—Zefania 2:3.

18. Ahoana no ‘hamonoan’i Jehovah’ tsy ho ela “ilay dragona ao an-dranomasina”?

18 Maminany toy izao i Isaia mahakasika izany fotoana izany: “Amin’izany andro izany ny sabatr’i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.” (Isaia 27:1). Inona ilay “leviatana” amin’ny andro maoderina? Toa ilay “menarana ela” izy io, dia i Satana mihitsy, mbamin’ny fandehan-javany ratsy, izay ampiasainy mba hiadiana amin’ny Isiraelin’Andriamanitra. (Apokalypsy 12:9, 10, 17; 13:14, 16, 17). Tsy afaka nihazona ny vahoakan’Andriamanitra intsony ny Leviatana, tamin’ny 1919. Hanjavona tanteraka izy io amin’ny farany. (Apokalypsy 19:19-21; 20:1-3, 10). ‘Hovonoin’i Jehovah’ amin’izany fomba izany “ilay dragona ao an-dranomasina”. Mandra-pahatongan’izany, na inona na inona ezaka mety hataon’ny Leviatana hanoherana ny vahoakan’i Jehovah dia hihelina ihany ny fahombiazan’izany. (Isaia 54:17). Mampionona erỳ izany fanomezan-toky izany!

“Tanimboaloboka ahazoana divay mahery”

19. Manao ahoana ny toe-piainana misy ny sisa ankehitriny?

19 Rehefa heverina izany fahazavana rehetra avy amin’i Jehovah izany, moa ve isika tsy manana ny antony rehetra hifaliana? Eny tokoa! Milazalaza amin’ny fomba kanto ny fifalian’ny vahoakan’i Jehovah i Isaia, rehefa nanoratra hoe: “Amin’izany andro izany no hihiranareo ny amin’ny tanimboaloboka ahazoana divay mahery hoe: Izaho Jehovah no mpiaro io; isaky ny indray mipì-maso no andemako azy, fandrao misy manimba azy; na andro na alina dia miaro azy Aho.” (Isaia 27:2, 3). Nokarakarain’i Jehovah ny ‘tanimboalobony’, dia ny sisa amin’ny Isiraelin’Andriamanitra, sy ireo namany miasa mafy. (Jaona 15:1-8). Izany dia niteraka vokatra izay manome voninahitra ny anarany sy mitondra fifaliana lehibe eo amin’ireo mpanompony eto an-tany.

20. Ahoana no iarovan’i Jehovah ny kongregasiona kristianina?

20 Mientana erỳ ny fontsika fa tsy tezitra intsony amin’ireo mpanompony voahosotra i Jehovah. Tezitra tamin’izy ireo tokoa mantsy izy matoa namela azy ireo ho any amin’ny fahababoana ara-panahy tamin’ny 1918. I Jehovah mihitsy no milaza toy izao: “Tsy misy fahatezerana ato amiko; enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako, dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa! Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin’ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; eny, aoka hihavana amiko izy.” (Isaia 27:4, 5). Mba ho azo antoka fa manohy mamokatra “divay mahery” be dia be ny voalobok’i Jehovah, dia torotoroiny sy levoniny izay rehetra mety ho fitaomana toy ny ahidratsy izay mety hanimba azy io. Aoka àry tsy hisy olona havela hanimba ny fahasalaman’ny kongregasiona kristianina! Aoka kosa ny rehetra ‘hifikitra amin’ny herin’i Jehovah’, ka hitady ny fankasitrahany sy ny fiarovany. Amin’ny fanaovana izany, dia hihavana amin’Andriamanitra isika. Zava-dehibe aoka izany io fihavanana io, hany ka indroa notononin’i Isaia.​—Salamo 85:1, 2, 8; Romana 5:1.

21. Tamin’ny fomba ahoana no nahafeno ‘vokatra’ izao tontolo izao?

21 Mitohy toy izao ny firesahana ireo fitahiana: “Amin’ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ny fahavokarany.” (Isaia 27:6). Tanteraka nanomboka tamin’ny 1919 io andinin-teny io, ary porofo mahatalanjon’ny herin’i Jehovah izany. Ny Kristianina voahosotra dia nameno ny tany tamin’ny ‘vokatra’, dia sakafo ara-panahy mahavelona. Mihazona amim-pifaliana ireo fari-pitsipika ambony apetrak’Andriamanitra izy ireo, eo anivon’ny tontolo iray ratsy fitondran-tena. Ary manohy mitahy azy ireo amin’ny fampitomboana i Jehovah. Vokatr’izany, dia “manompo [an’Andriamanitra] andro aman-alina” ireo namany an-tapitrisany maro, dia ny ondry hafa. (Apokalypsy 7:15). Enga anie isika tsy hanadino na oviana na oviana ilay tombontsoa lehibe ananantsika, dia ny tombontsoa mihinana amin’ilay ‘vokatra’, sy mizara azy io amin’ny hafa!

22. Inona avy no fitahiana ho azon’ireo manaiky ny fahazavana?

22 Amin’izao fotoan-tsarotra isian’ny haizina manarona ny tany sy haizim-pito manarona ny firenena izao, moa ve isika tsy velom-pankasitrahana fa mandefa fahazavana ara-panahy ho an’ny olony i Jehovah? (Isaia 60:2; Romana 2:19; 13:12). Ho an’izay rehetra mandray azy io, dia midika ho fiadanan-tsaina sy fifaliana ny fahazavana toy izany ankehitriny, ary fiainana mandrakizay mihitsy kosa amin’ny hoavy. Misy antony marim-pototra àry raha hanandratra ny fontsika ho fiderana an’i Jehovah isika tia ny fahazavana ka hiara-milaza amin’ny mpanao salamo, manao hoe: “Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako? Miandrasa an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.”​—Salamo 27:1b, 14.

Tadidinao Ve?

• Hanao ahoana ny hoavin’ireo mampahory ny vahoakan’i Jehovah?

• Inona no fitomboana voalazan’ny faminanian’i Isaia?

• Tokony hijanona ao amin’ny ‘efitrano’ inona isika, ary nahoana?

• Nahoana no midera an’i Jehovah ny toe-piainana misy ny vahoakany?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 22]

BOKY VAOVAO

Natao lahateny tamin’ny fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 2000/2001, ny ankamaroan’ireo fanazavana nodinihina tato amin’ireto lahatsoratra fianarana roa ireto. Rehefa nifarana ilay lahateny, dia navoaka ny boky vaovao iray mitondra ny lohateny hoe Ny Faminanian’i Isaia​Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I. Mirakitra fandinihana isan’andininy ireo toko 40 voalohany ao amin’ny bokin’i Isaia, io boky 416 pejy io.

[Sary, pejy 18]

Ireo olo-marina ihany no avela ho ao amin’ny ‘tanàna mafin’i Jehovah’, dia ny fandaminany

[Sary, pejy 19]

Nitady an’i Jehovah i Isaia “nony alina”

[Sary, pejy 21]

Miaro ny ‘tanimboalobony’ i Jehovah ary mampamokatra azy io