Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandidiana Tsy Ampiasana Ra​—“Fomba Fitsaboana Lehibe Mihamahazo Vahana”

Fandidiana Tsy Ampiasana Ra​—“Fomba Fitsaboana Lehibe Mihamahazo Vahana”

Fandidiana Tsy Ampiasana Ra​—“Fomba Fitsaboana Lehibe Mihamahazo Vahana”

“NAMORONA teknika vaovao” ny dokotera sasany manerana an’i Kanada, araka ny tatitra nataon’ny gazetiboky Maclean’s teo ambanin’ny lohateny hoe “Fandidiana ‘Tsy Ampiasana Ra’ ”. Lazain’ilay gazety fa “tao anatin’ny dimy taona lasa, dia nanova ilay antsoina hoe fandidiana tsy ampiasana ra ho fomba fitsaboana lehibe mihamahazo vahana” ireo teknika vaovao ireo. Anisan’ireo dokotera i Brian Muirhead, anestezista any amin’ny Foiben’ny Siansa Ara-pahasalamana any Winnipeg. Inona no nampirisika azy hikaroka fomba fitsaboana hafa tsy ampiasana ra?

Tamin’ny 1986, ny Dr. Muirhead dia nanaiky hanao fandidiana sarotra tamin’ny lehilahy iray 70 taona voan’ny ferim-bavony nandeha ra. Noho ny zavatra ninoany miorina amin’ny Baiboly mantsy, satria Vavolombelon’i Jehovah izy, dia nangataka fomba fitsaboana tsy hilana fampidiran-dra ilay lehilahy. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). “Nitady vahaolana tamin’ny alalan’ny fomba iray mbola tsy nampiasaina firy, dia ny fampidirana ranoka masira tao anatin’ny vatan’ilay marary mba hihazonana ny tosidrany ho ara-dalàna”, ny Dr. Muirhead, hoy ny Maclean’s nanao tatitra. “Nahomby ilay fomba fitsaboana, ka izany dia vao mainka nanamafy ilay finoana efa nitombo tao anatiny fa ‘nampanao fampidiran-dra betsaka loatra isika. Noheveriko fa tonga ny fotoana hitadiavana karazana fitsaboana hafa’.”

“Natosiky ny fanahiana ny amin’ny tahirin-dra amin’ny hoavy sy ny tahotry ny marary maro sao hahazo virosy mankarary amin’ny alalan’ny fampidiran-dra” ilay fitadiavana fomba fandidiana tsy ampiasana ra. Noho ny fikarohana ataon’ireo dokotera mitady teknika vaovao, dia tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no nandray soa, fa olona maro hafa koa. “Tsy vitan’ny hoe mahatonga ny fampidiran-dra ho tsy ilaina amin’ny toe-javatra maro ny fandidiana tsy ampiasana ra, fa mampihena koa ny mety hahazoana otrikaretina vokatry ny ra voaloto, na dia mety ho kely aza ny hahazoana izany”, hoy ny Maclean’s. Kanefa mety hampidi-doza ihany na dia ny ra “tsy voaloto” aza, satria afaka mampihena vetivety ny fiarovan-tenan’ny vatana amin’ny aretina, izy io.

Inona no ao ambadiky ny fiekena mafy ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah mahakasika ny fomba fitsaboana hafa tsy ampiasana ra? Mety ho tianao ny hamaky ilay bokikely hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanome anao iray amin’izy io.