Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifaliana ho An’ireo Mandeha ao Amin’ny Fahazavana

Fifaliana ho An’ireo Mandeha ao Amin’ny Fahazavana

Fifaliana ho An’ireo Mandeha ao Amin’ny Fahazavana

“Avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah.”​—ISAIA 2:5.

1, 2. a) Toy inona ny maha zava-dehibe ny hazavana? b) Nahoana no tena zava-dehibe ilay fampitandremana hoe hisy haizina hanarona ny tany?

I JEHOVAH no Loharanon’ny fahazavana. Miantso azy ho ilay “manome ny masoandro ho fahazavana amin’ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ny alina”, ny Baiboly. (Jeremia 31:35; Salamo 8:3). Izy Ilay namorona ny masoandrontsika, izay lafaoro niokleary goavana iray, raha ny marina. Mamoaka angovo tsy hita pesipesenina eny amin’ny habakabaka izy io, ka ny sasany amin’izany dia hazavana sy hafanana. Antoky ny fiainana eto an-tany ny ampahany kely dia kely amin’io angovo io, izay mipaka hatratỳ amintsika amin’ny endriky ny tara-masoandro. Tsy ho nisy isika raha tsy teo ny tara-masoandro. Ho planeta tsy nisy zavamiaina ny Tany.

2 Raha ataontsika ao an-tsaina izany, dia ho afaka hahatakatra ny maha zava-dehibe ilay toe-javatra nolazalazain’i Isaia mpaminany, isika. Hoy izy: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena”. (Isaia 60:2). Mazava ho azy fa tsy miresaka ny amin’ny haizina ara-bakiteny akory izy eto. Tsy te hilaza akory i Isaia hoe indray andro any dia tsy hamiratra intsony ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. (Salamo 89:36, 37; 136:7-9). Haizina ara-panahy kosa no noresahiny teo. Mahafaty anefa ny haizina ara-panahy. Rehefa ela ny ela, dia tsy afaka miaina tsy misy fahazavana ara-panahy isika, toy ny tsy ahafahantsika miaina tsy misy fahazavana ara-bakiteny.​—Lioka 1:79.

3. Inona no tokony hataon’ny Kristianina, rehefa heverina ireo tenin’i Isaia?

3 Rehefa heverina izany, dia tena mampanahy mafy ny manamarika fa misy fahatanterahany lehibe kokoa ankehitriny ireo tenin’i Isaia ireo, na dia efa tanteraka tamin’i Joda fahiny aza. Eny, rakotry ny haizina ara-panahy izao tontolo izao, amin’izao androntsika izao. Tena faran’izay zava-dehibe ny fahazavana ara-panahy, ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza toy izany. Noho izany, dia fahendrena ho an’ny Kristianina ny manaraka ity fampirisihan’i Jesosy ity: “Aoka hazava eo imason’ny olona (...) ny fahazavanareo”. (Matio 5:16). Afaka mampisava ilay haizina, mba ho tombontsoan’ireo mpandefitra, ny Kristianina mahatoky, ka hanome azy ireo fahafahana hahazo fiainana.​—Jaona 8:12.

Vanim-potoana maizina teo amin’ny Isiraely

4. Oviana no tanteraka voalohany ireo teny ara-paminanian’i Isaia, kanefa inona no toe-javatra efa nisy tamin’ny androny?

4 Tanteraka voalohany ny tenin’i Isaia momba ny hisian’ny haizina hanarona ny tany, fony lao i Joda ary tany an-tsesitany tany Babylona ny mponina tao aminy. Na dia talohan’izay aza anefa, dia maro tamin’ilay firenena no efa tao anatin’ny haizina ara-panahy, tamin’ny andron’i Isaia. Izany indrindra no nanosika azy hampirisika mafy ireo mpiray tanindrazana taminy, nanao hoe: “Ry taranak’i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah”!​—Isaia 2:5; 5:20.

5, 6. Anton-javatra inona avy no nahatonga ilay haizina tamin’ny andron’i Isaia?

5 Naminany tao Joda i Isaia “tamin’ny andron’i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ny Joda”. (Isaia 1:1). Fotoana nisian’ny korontana tamin’izay, satria nisy hotakotaka ara-politika, fihatsarambelatsihy ara-pivavahana, tsolotra teo amin’ny fitsarana, ary famoretana ny mahantra. Na dia nandritra ny fotoana nanjakan’ny mpanjaka nahatoky toa an’i Jotama aza, dia nisy alitara ho an’ny andriamani-diso teny an-tampon’ny havoana maro. Ratsy kokoa ny toe-javatra teo ambanin’ny fanapahan’ny mpanjaka tsy nahatoky. I Ahaza Mpanjaka ratsy fanahy, ohatra, dia tonga hatramin’ny fanolorana ny zanany ho sorona ho an’ilay andriamanitra atao hoe Moloka, ary efa fombafomba mihitsy ny fanaovana sorona toy izany. Haizina re izany!​—2 Mpanjaka 15:32-34; 16:2-4.

6 Nanjombona koa ny toe-draharaha iraisam-pirenena. Loza nandrahona teo amin’ireo sisin-tanin’i Joda, i Moaba sy i Edoma ary i Filistia. Efa nitsangan-ko fahavalo ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, na dia teo aza ny rohim-pihavanana. Loza nandrahona ny fiadanan’i Joda i Syria, tany avarabaratra kokoa. Mbola nampidi-doza kokoa aza i Asyria tsy nifaditrovana, izay nitady hirika hanitarana ny fanjakany. Nandritra ny fotoana naminanian’i Isaia, dia natelin’i Asyria tanteraka ny firenen’ny Isiraely, ary saika ravany tanteraka i Joda. Nisy fotoana aza efa naha teo am-pelatanan’i Asyria avokoa ireo tanàna mimanda rehetra tao Joda, afa-tsy i Jerosalema.​—Isaia 1:7, 8; 36:1.

7. Inona no lalana nofidin’ny Isiraely sy ny Joda, ary ahoana no nasetrin’i Jehovah izany?

7 Niharan’ny loza toy izany ny vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena, satria nivadika taminy, ny Isiraely sy ny Joda. Toy ireo voaresaka ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, dia ‘nafoin’izy ireo ny lalan’ny fahamarinana, mba hizorany amin’ny lalan’ny fahamaizinana’. (Ohabolana 2:13). Na dia tezitra tamin’ny vahoakany aza anefa i Jehovah, dia tsy nahafoy tanteraka azy ireo, izy. Nanangana an’i Isaia mbamin’ny mpaminany hafa kosa izy, mba hanome fahazavana ara-panahy ho an’izay mbola nitady fomba hanompoana an’i Jehovah tamim-pahatokiana, tao amin’ilay firenena. Tena sarobidy tokoa ny fahazavana nomena tamin’ny alalan’ireny mpaminany ireny. Nanome fiainana ilay izy.

Vanim-potoan’ny haizina amin’izao andro izao

8, 9. Anton-javatra inona avy no mahatonga ny haizina eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

8 Tena nitovy tamin’izay misy ankehitriny, ny toe-javatra tamin’ny andron’i Isaia. Nanda an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, Mpanjaka nomena fiandrianana, ny olombelona mpitondra amin’izao androntsika izao. (Salamo 2:2, 3). Namitaka ny andian’ondriny ireo mpitarika ara-pivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana. Milaza ho manompo an’Andriamanitra ireny mpitarika ireny, kanefa, raha ny marina, dia manome vahana ny andriamanitr’ity tontolo ity, toy ny fanindrahindram-pirenena, ny fanindrahindrana ny tafika, ny harena, ary ireo olo-malaza. Tsy lazaina intsony ny fampianarana ny foto-pinoan’ny mpanompo sampy.

9 Tany amin’ny tany samy hafa, dia voarohirohy tamin’ny ady sy ny ady an-trano voamariky ny fanadiovana ara-pirazanana sy zava-mampihoron-koditra hafa, ireo fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana. Tsy vitan’izany ihany fa tsy manohana koa ireo fitsipi-pitondran-tena miorina amin’ny Baiboly ny fiangonana maro, fa minia mikimpy na manohana amim-paharisihana ireo fitondran-tena ratsy toy ny fijangajangana sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Noho ny fandavana toy izany ny fari-pitsipiky ny Baiboly, dia tahaka ireo olona noresahin’ny mpanao salamo fahiny toy izao ny andian’ondrin’ny Kristianisma Anarana: “Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin’ny maizina no andehanany”. (Salamo 82:5). Marina tokoa fa ao anatin’ny haizim-pito ny Kristianisma Anarana, toy ny Joda fahiny.​—Apokalypsy 8:12.

10. Ahoana no amirapiratan’ny fahazavana eo anivon’ny haizina ankehitriny, ary ahoana no andraisan’ny mpandefitra soa avy amin’izany?

10 Eo anivon’ny haizina toy izany, dia mampamirapiratra fahazavana ho tombontsoan’ny mpandefitra i Jehovah. Ampiasainy ho amin’izany ireo mpanompony voahosotra eto an-tany, dia “ny mpanompo mahatoky sy malina”, ary ‘miseho tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao’, izy ireo. (Matio 24:45, NW; Filipiana 2:15). Io kilasin’ny mpanompo io, izay tohanan’ny “ondry hafa” namany an-tapitrisany maro, dia manome taratry ny fahazavana ara-panahy miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. (Jaona 10:16). Eo anivon’ity tontolo mihamaizina ity, dia mahatonga ny mpandefitra ho velom-panantenana ny fahazavana toy izany, ary manampy azy ireo hifandray amin’Andriamanitra sy hanalavitra fandrika ara-panahy. Sarobidy sy manome fiainana izy io.

“Hidera ny anaranao aho”

11. Inona no fanazavana azo noraisina avy tamin’i Jehovah, tamin’ny andron’i Isaia?

11 Karazana tari-dalana inona no nomen’i Jehovah nandritra ireo andro maizina niainan’i Isaia sy nandritra ireo andro maizina kokoa nitondran’ny Babylonianina ny vahoakan’i Jehovah tany amin’ny fahababoana? Ankoatra ny nanomezany tari-dalana ara-pitondran-tena, dia nosoritany mialoha ny fomba hanatanterahany ny fikasany momba ny vahoakany. Diniho, ohatra, ireo faminaniana mahatalanjona ao amin’ny Isaia toko faha-25 ka hatramin’ny toko faha-27. Hita ao amin’ireo toko ireo izay nataon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany sy izay ataony ankehitriny.

12. Inona no teny nataon’i Isaia tamim-pahatsorana?

12 Manambara toy izao aloha i Isaia: “Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho”. Teny fiderana amim-pahatsorana re izany! Inona anefa no nanosika ilay mpaminany hanao vavaka toy izany? Misy antony lehibe iray ambara ao amin’ny tohin’ilay andinin-teny, izay amakiantsika toy izao: “Fa efa nanao zava-mahagaga Hianao [Jehovah], dia zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady mahatoky no marina indrindra”.​—Isaia 25:1.

13. a) Inona no fahalalana nanamafy ny fankasitrahan’i Isaia an’i Jehovah? b) Ahoana no azontsika akana fianarana avy amin’ny ohatr’i Isaia?

13 Efa nanao zava-mahagaga maro ho an’ny Isiraely i Jehovah tamin’ny andron’i Isaia, ary efa noraketina an-tsoratra izy ireny. Mazava ho azy fa nahafantatra tsara ireny asa soratra ireny i Isaia. Fantany, ohatra, fa nanafaka ny vahoakany avy tamin’ny fanandevozana tany Ejipta i Jehovah ary namonjy azy ireo tamin’ny fahatezeran’ny tafik’i Farao tao amin’ny Ranomasina Mena. Fantany fa nitarika ny vahoakany namakivaky ny efitra i Jehovah ary nitondra azy ireo tany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Salamo 136:1, 10-26). Izany fitantarana zava-nisy izany dia nampiseho fa mahatoky sy mendri-pitokisana i Jehovah Andriamanitra. Tanteraka avokoa ny ‘zavatra efa voakasany’, izany hoe ny fikasany rehetra. Nanatanjaka an’i Isaia tsy hitsahatra handeha tamin’ny fahazavana ny fahalalana marina nomen’Andriamanitra. Koa ohatra tsara ho antsika àry izy. Hitoetra ao amin’ny fahazavana koa isika, raha mianatra amim-pitandremana ny Tenin’Andriamanitra voasoratra ka mampihatra azy io eo amin’ny fiainantsika.​—Salamo 119:105; 2 Korintiana 4:6.

Rava ny tanàna iray

14. Inona no faminaniana nambara momba ny tanàna iray, ary mety ho azo inoana ho iza io tanàna io?

14 Hita ao amin’ny Isaia 25:2 ny ohatra iray ny amin’ireo zavatra efa voakasan’Andriamanitra. Izao no vakintsika ao: “Efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; ny tanàna mimanda dia rava tokoa; ny lapan’ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; tsy hatsangana intsony mandrakizay iny”. Iza moa io tanàna io? Azo inoana fa niresaka ara-paminaniana an’i Babylona, i Isaia. Tena tonga tokoa ny fotoana nahatongavan’i Babylona ho korontam-bato fotsiny.

15. Inona ilay “tanàna lehibe” misy ankehitriny, ary inona no hanjo azy io?

15 Misy mifanitsy aminy ve, ankehitriny, ilay tanàna noresahin’i Isaia? Eny. Miresaka ny amin’ny “tanàna lehibe, izay manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany”, ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 17:18). I “Babylona lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, io tanàna lehibe io. (Apokalypsy17:5). Ny tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe raha amin’izao andro izao, dia ny Kristianisma Anarana, ka ny mpitondra fivavahana ao aminy no mitarika ny fanoherana ny asa fitoriana ilay Fanjakana ataon’ny vahoakan’i Jehovah. (Matio 24:14). Sahala amin’i Babylona fahiny anefa, dia horavana tsy ho ela i Babylona Lehibe, ka tsy hatsangana intsony mihitsy.

16, 17. Ahoana no nankalazan’ny fahavalon’i Jehovah azy tamin’ny andro fahiny sy amin’ny andro ankehitriny?

16 Inona koa no faminaniana nambaran’i Isaia mahakasika ilay “tanàna mimanda”? Hoy i Isaia tamin’i Jehovah: “Hankalaza Anao ny firenena masiaka, hatahotra Anao ny tanànan’ny firenena lozabe.” (Isaia 25:3). Hankalaza an’i Jehovah io tanàna fahavalo na “tanànan’ny firenena lozabe” io, nefa amin’ny fomba ahoana? Tsarovy izay nitranga tamin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, mpanjaka natanjaka indrindra. Ny zavatra niainany, izay nampisaintsaina azy, dia nampiseho fa malemy ny tenany, hany ka voatery niaiky ny halehiben’i Jehovah sy ny heriny tsitoha, izy. (Daniela 4:31, 32). Rehefa mampiasa ny heriny i Jehovah, dia voatery miaiky tsy satry ny amin’ireo asa fampisehoan-kery ataony na dia ireo fahavalony aza.

17 Efa mba voatery niaiky ny amin’ny asa fampisehoan-kery ataon’i Jehovah ve i Babylona Lehibe? Eny. Nitory tao anatin’ny fahoriana ireo voahosotra mpanompon’i Jehovah, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Lasa babo tamin’ny heviny ara-panahy izy ireo rehefa natao an-tranomaizina ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1918. Saika nitsahatra tanteraka ny fitoriana voalamina. Naverin’i Jehovah ho amin’ny toe-piainany nisy azy teo aloha izy ireo avy eo, tamin’ny 1919, ary nanatanjaka azy ireo tamin’ny alalan’ny fanahiny izy. Vokatr’izany, dia nanomboka nanatanteraka ilay asa nanirahana azy izy ireo, dia ny fitoriana ny vaovao tsara any amin’ny tany onenana manontolo. (Marka 13:10). Efa voalaza mialoha ara-paminaniana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy avokoa izany, ary koa izay ho vokany eo amin’ny fahavalon’izy ireo. ‘Raiki-tahotra izy ireo ka nanome voninahitra an’Andriamanitry ny lanitra’. (Apokalypsy 11:3, 7, 11-13). Tsy hoe niova finoana akory izy rehetra ireo, fa voatery niaiky kosa ny amin’ireo asa fampisehoan-kery ataon’i Jehovah izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity, tsy nisy hafa tamin’izay nambaran’i Isaia mialoha.

“Fiarovana mafy ho an’ny reraka”

18, 19. a) Nahoana no tsy afaka nampivadika ny vahoakan’i Jehovah ireo mpanohitra? b) Ahoana no handresena “ny fanakoran’ny olon-dozabe”?

18 Nampitodika ny sainy ho amin’ny fifampiraharahan’i Jehovah amin-katsaram-panahy amin’ireo mandeha amin’ny fahazavana i Isaia, ka izao no lazainy amin’i Jehovah: “Fiarovana mafy ho an’ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an’ny malahelo amin’ny fahoriany, fierena amin’ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany. Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban’ny firenena hafa; eny, tahaka ny amin’ny hainandro resin’ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran’ny olon-dozabe.”​—Isaia 25:4, 5.

19 Nanomboka tamin’ny 1919, dia nanao izay rehetra azony natao ireo olon-dozabe mba hampivadihana an’ireo mpivavaka marina, nefa tsy nahomby izy ireo. Fa nahoana? Satria fiarovana mafy sy fierena ho an’ny vahoakany i Jehovah. Manome fialokalofana mangatsiatsiaka ao anatin’ny hafanana mandoron’ny fanenjehana izy, ary mijoro toy ny manda mafy orina mahatohitra ny ranonorana mifafin’ny fanoherana. Miandrandra amin-toky ilay fotoana ‘handresena ny fanakoran’ny olon-dozabe’ isika, izay mandeha amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Eny, miandry amim-pahadodonana ny andro tsy hisian’ny fahavalon’i Jehovah intsony isika.

20, 21. Inona no fanasam-be ataon’i Jehovah, ary hahafaoka inona io fanasam-be io ao amin’ny tontolo vaovao?

20 Tsy vitan’ny hoe miaro ny mpanompony i Jehovah, fa mamelona azy ireo koa, amin’ny maha Ray be fitiavana azy. Rehefa avy nanafaka ny vahoakany tao amin’i Babylona Lehibe izy tamin’ny 1919, dia nanao fanasam-pandresena ho azy ireo, dia sakafo ara-panahy tondraka. Voalaza mialoha ao amin’ny Isaia 25:6 izany, araka ny vakintsika hoe: “Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.” Sambatra tokoa isika manana anjara amin’izany fanasam-be izany! (Matio 4:4). Tena tototry ny sakafo tsara tokoa ny “latabatr’i Jehovah”. (1 Korintiana 10:21, NW ). Omena izay rehetra mety hilaintsika amin’ny heviny ara-panahy isika, amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”.

21 Misy zavatra hafa koa mifandray amin’io fanasam-be avy amin’Andriamanitra io. Mampahatsiahy antsika ny amin’ny fahatondrahan’ny sakafo ara-nofo hisy ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, ilay fanasam-be ara-panahy ankafizintsika ankehitriny. Amin’izany fotoana izany, dia hahafaoka sakafo ara-nofo tondraka, ilay “fanasana amin’ny zavatra matavy”. Tsy hisy olona ho noana intsony na amin’ny heviny ara-bakiteny na ara-panahy. Hahatsiaro ho maivamaivana erỳ, araka izany, ireo olo-mahatoky malalantsika, izay mijaly ankehitriny noho ilay “mosary” nambara mialoha ho anisan’ny “famantarana” ny fanatrehan’i Jesosy! (Matio 24:3, 7). Mampionona azy ireo tokoa ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”.​—Salamo 72:16.

22, 23. a) Inona no “rakotra” na “sarona” hesorina, ary amin’ny fomba ahoana? b) Ahoana no ‘hahafa-tondro-maso ny vahoakan’i Jehovah’?

22 Henoy izao ny fampanantenana iray, izay mahatalanjona lavitra. Milaza toy izao i Isaia raha nampitaha ny ota sy ny fahafatesana tamin’ny “rakotra”, na “sarona”: “Hofoanan[’i Jehovah] eto amin’ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.” (Isaia 25:7). Eritrereto ange e! Tsy hisy intsony ny ota sy ny fahafatesana izay nanavesatra ny olombelona toy ny bodofotsy manempotra. Irintsika fatratra tokoa ny hahatongavan’ny andro hampiharana amin’ny fomba feno ireo soa azo avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, mba ho tombontsoan’ny taranak’olombelona mankatò sy mahatoky!​—Apokalypsy 21:3, 4.

23 Manintona ny saina ho amin’io fotoana be voninahitra io ilay mpaminany nahazo tsindrimandry ka manome toky antsika toy izao: “Hofoanan[’Andriamanitra] tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.” (Isaia 25:8). Tsy hisy na iza na iza ho faty noho ny antony mahazatra, na hitomany satria namoy havan-tiana. Fiovana hitondra fitahiana re izany! Ankoatra izany, dia tsy ho re intsony na aiza na aiza eto ambonin’ny tany, ny tondro-maso na fanalam-baraka, mbamin’ny fampielezan-kevitra feno lainga, izay niaretan’Andriamanitra sy ny mpanompony hatramin’izay ela izay. Nahoana? Satria hesorin’i Jehovah ny loharanon’izany, dia i Satana Devoly, ilay rain’ny lainga, mbamin’ny taranany rehetra.​—Jaona 8:44.

24. Ahoana no fihetsik’ireo olona mandeha ao amin’ny fahazavana, manoloana ireo asa fampisehoan-kery ataon’i Jehovah ho tombontsoan’izy ireo?

24 Eo am-pandinihana izany fampisehoana ny herin’i Jehovah izany, dia voatosika hihiaka toy izao ireo mandeha amin’ny fahazavana: “Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.” (Isaia 25:9). Tsy ho ela, dia hanana ny antony rehetra hifaliana ny olo-marina. Hisava tanteraka ny haizina, ary ho heniky ny fahazavan’i Jehovah mandrakizay doria, ireo olona mahatoky. Mety hisy fanantenana be voninahitra kokoa noho izany ve? Tsia, tsy hisy mihitsy!

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana no tena zava-dehibe ankehitriny ny mandeha ao amin’ny fahazavana?

• Nahoana i Isaia no nidera ny anaran’i Jehovah?

• Nahoana no tsy hampivadika ny vahoakan’Andriamanitra na oviana na oviana ireo fahavalo?

• Inona no fitahiana tondraka miandry an’ireo mandeha ao amin’ny fahazavana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12, 13]

Nanao sorona ankizy ho an’i Moloka ny mponina tao Joda

[Sary, pejy 15]

Nanosika an’i Isaia hidera ny anaran’i Jehovah, ny fahalalana ny asa lehibe nataon’i Jehovah

[Sary, pejy 16]

Ho heniky ny fahazavan’i Jehovah mandrakizay ireo olo-marina