Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atao hoe Paradisa Ara-panahy?

Inona no Atao hoe Paradisa Ara-panahy?

Inona no Atao hoe Paradisa Ara-panahy?

NOBEAZINA tao amin’ny tanàna kely iray ao Brezila, i Gustavo. * Efa hatramin’ny fahazazany izy no nampianarina fa mankany an-danitra ny olona tsara fanahy rehefa maty. Tsy nisy fantany ny amin’ilay fikasan’Andriamanitra hoe indray andro any ny olombelona mahatoky dia hanana fiainana tonga lafatra eo amin’ny paradisa an-tany. (Apokalypsy 21:3, 4). Nisy zavatra hafa koa tsy fantany. Tsy takany fa azony atao ny mitoetra ao amin’ny paradisa iray ara-panahy, na dia amin’izao fotoana izao aza.

Efa mba nandre ny amin’izany paradisa ara-panahy izany ve ianao? Fantatrao ve hoe inona izy io ary inona no takina mba hahatafidirana ao? Izay te ho sambatra marina, dia mila mahafantatra ny amin’izany paradisa izany.

Aiza no misy ilay paradisa ara-panahy?

Mety ho toa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ny filazana fa afaka miaina ao amin’ny paradisa iray ny olona, na dia amin’izao andro izao aza. Tsy paradisa velively izao tontolo izao. Be loatra ny olona voan’ity voalazan’ny mpanjaka hebreo fahiny ity: “Indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy [mpampionona, NW ] azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy [mpampionona, NW ].” (Mpitoriteny 4:1). Tsy tambo isaina ireo mijaly noho ny rafitra ara-politika sy ara-pivavahana ary ara-toe-karena mikororosy, ary tsy misy fanamaivanana azony, tsy misy “mpampionona” azy. Olona maro hafa no milofo mafy mba handoavana ireo vola tsy maintsy efaina isam-bolana, mba hitaizana ny zanany sy mba hanaovana ireo zavatra maro hafa ilaina mba hahatafavoahana amin’ny fiainana. Azo inoana fa ho tian’izy ireo koa ny hahazo mpampionona, izany hoe olona hanamaivana kely fotsiny ny fahoriana entiny. Amin’ny olona rehetra toy izany, dia tsy paradisa velively ny fiainana.

Aiza àry ilay paradisa ara-panahy? Ilay teny malagasy hoe “paradisa” dia avy amin’ny teny grika sy persanina ary hebreo izay samy milaza saha na zaridaina, toerana milamina mamelombelona. Mampanantena ny Baiboly fa indray andro any ny tany dia ho tonga paradisa ara-bakiteny, ho fonenana toy ny zaridaina ho an’ny taranak’olombelona tsy misy ota. (Salamo 37:10, 11). Raha tadidintsika izany, dia ho takatsika fa ny paradisa ara-panahy dia toe-piainana mahafinaritra ny maso sy mampitony ny saina, mahatonga antsika hihavana amin’ny mpiara-belona amintsika sy amin’Andriamanitra. Ankehitriny, dia hitan’i Gustavo fa misy izany paradisa izany, ary mihabetsaka hatrany ireo olona tafiditra ao amin’izany.

Tapa-kevitra ny ho tonga pretra katolika i Gustavo fony izy 12 taona. Neken’ny ray aman-dreniny ny nidirany tany amin’ny seminera. Tany izy dia nanjary nanao mozika sy teatra ary politika izay nampirisihan’ny Eglizy mba hanintonana ny tanora. Fantany fa tokony hanokan-tena ho an’ny olona sy tsy hanambady ny pretra. Naloto fitondran-tena anefa ny pretra sy seminarista sasany fantatr’i Gustavo. Tsy ela dia nanjary mpiboboka toaka i Gustavo, tao anatin’izany rivo-piainana izany. Mazava fa mbola tsy hitany ny paradisa ara-panahy.

Indray andro i Gustavo dia namaky taratasy mivalona momba ny Baiboly izay niresaka ny amin’ny paradisa an-tany. Nampisaintsaina azy momba ny anton’ny fiainana izany. Hoy izy: “Nanomboka namaky Baiboly matetika aho fa tsy azoko ny hevitr’ilay izy. Tsy hitako akory aza fa nanana anarana Andriamanitra.” Niala tao amin’ny seminera izy ary nanatona ny Vavolombelon’i Jehovah ka nitady fanampiana mba hahazoana ny hevitry ny Baiboly. Nandroso haingana izy avy eo, ary tsy ela dia nanokana ny fiainany ho an’Andriamanitra. Nianatra ny amin’ny paradisa ara-panahy i Gustavo.

Olona ho an’ny anaran’Andriamanitra

Nianaran’i Gustavo fa tsy fanazavana ambinambiny fotsiny ho an’ny mpianatra Baiboly akory ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. (Eksodosy 6:3). Tapany tena lehibe eo amin’ny fanompoam-pivavahana marina izy io. Nampianatra ny mpanara-dia azy mba hivavaka toy izao i Jesosy: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9). Niresaka ny amin’ireo Jentilisa tonga Kristianina i Jakoba mpianatra, ka nanao hoe: ‘Nitsinjo ny jentilisa Andriamanitra mba hanalany olona aminy, mba hankalazana ny anarany.’ (Asan’ny Apostoly 15:14). Tamin’ny taonjato voalohany, dia ny kongregasiona kristianina no ‘olona nankalazana ny anarany’. Misy olona ankalazana ny anaran’Andriamanitra koa ve amin’izao andro izao? Eny, ary nanjary takatr’i Gustavo fa ny Vavolombelon’i Jehovah izany olona izany.

Miasa any amin’ny tany sy faritany 235 ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpitory maherin’ny enina tapitrisa izy ireo, ary misy olon-kafa liana valo tapitrisa manatrika ny fivorian’izy ireo. Fanta-daza izy ireo noho ny fanompoana ampahibemaso ataony ho fanatanterahana ny tenin’i Jesosy hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Nahoana anefa i Gustavo no nihevitra fa nahita paradisa ara-panahy rehefa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Hoy izy: “Nampitahaiko tamin’izay hitako teo amin’izao tontolo izao, indrindra fa ny hitako tao amin’ny seminera ny zavatra hitako teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny zavatra lehibe tsy mampitovy azy, dia ny fisian’ny fitiavana eo amin’ny Vavolombelona.”

Nisy olon-kafa koa nilaza zavatra mitovy amin’izany momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Niteny toy izao i Miriam, vehivavy brezilianina iray: “Tsy haiko izay tokony hatao mba hahafalifaly ahy, na dia tao amin’ny fianakaviako aza. Teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nahitako voalohany ny fiasan’ny fitiavana.” Hoy ny lehilahy iray antsoina hoe Christian: “Nifandray tamin’ny fanahy ratsy aho indraindray, fa tsy zava-dehibe tamiko ny fivavahana. Sarobidy kokoa tamiko ny toerako ara-tsosialy sy ny asako amin’ny maha injeniera ahy. Na izany aza, dia hitako nisy fiovana teo amin’ny vadiko rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nampiaiky volana ahy koa ny fifaliana sy ny zotom-pon’ireo vehivavy kristianina tonga nitsidika azy.” Nahoana no misy olona milaza zavatra toy izany momba ny Vavolombelon’i Jehovah?

Inona no atao hoe paradisa ara-panahy?

Zavatra iray mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah ny fankasitrahany ny fahalalana ny Baiboly. Mino izy ireo fa marina ny Baiboly, ary Tenin’Andriamanitra izy io. Noho izany, dia tsy mianina fotsiny amin’ny fahafantarana ireo zavatra fototra momba ny fivavahany, izy ireo. Manana fandaharana mitohy izy ireo, dia fandaharam-pianarana sy fandaharam-pamakiana manokana ny Baiboly. Rehefa miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona iray, dia arakaraka ny maha ela izany fiarahana izany no hianarany bebe kokoa momba an’Andriamanitra sy ny sitrapony voalaza ao amin’ny Baiboly.

Izany fahalalana izany dia manafaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ireo zavatra izay manaisotra amin’ny olona ny fahasambarana, toy ny finoanoam-poana sy ireo hevitra manimba. Hoy i Jesosy: “Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”, ary hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa marina izany. (Jaona 8:32). Niteny toy izao i Fernando izay nifandray tamin’ny fanahy ratsy taloha: “Fanamaivanana be ny fianarana momba ny fiainana mandrakizay. Natahotra aho sao ho faty ny ray aman-dreniko na ny tenako.” Ny fahamarinana no nanafaka an’i Fernando tamin’ny fahatahorany ny tontolon’ireo fanahy sy ilay antsoina hoe fiainana any ankoatra.

Ao amin’ny Baiboly, dia mifandray akaiky ny paradisa sy ny fahalalana an’Andriamanitra. Hoy ny mpaminany Isaia: “Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”​—Isaia 11:9.

Mazava ho azy fa tsy ampy ny fahalalana fotsiny amin’izao, mba hampisy ilay fiadanana nambaran’i Isaia mialoha. Tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’izay ianarany ny olona. Toy izao ny fanazavan’i Fernando: “Rehefa mamboly ireo vokatry ny fanahy ny olona iray, dia manao ny anjarany izy mba hisian’ilay paradisa ara-panahy.” Nanonona ny tenin’i Paoly i Fernando. Nantsoin’i Paoly hoe “vokatry ny fanahy” mantsy ireo toetra tsara tokony hambolen’ny Kristianina. Nalahany toy izao izany: “Fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.”​—Galatiana 5:22, 23, NW.

Azonao ve ny antony mahatonga ny tena ho toy ny any amin’ny paradisa rehefa mifanerasera amin’ny fiaraha-monina misy olona miezaka hamboly toetra toy izany? Hisy eo anivon’ny olona toy izany ny paradisa ara-panahy nambaran’ny mpaminany Zefania mialoha toy izao: “Tsy [hisy] hanao meloka na handainga, ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.”​—Zefania 3:13.

Manana anjara asa lehibe ny fitiavana

Mety ho voamarikao fa ny fitiavana no vokatry ny fanahy voalohany notononin’i Paoly. Toetra resahina betsaka ao amin’ny Baiboly izy io. Niteny toy izao i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Marina aloha fa tsy lavorary ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy tsy fifanarahana ihany indraindray eo amin’izy samy izy, toy ny teo amin’ireo apostolin’i Jesosy. Kanefa tena mifankatia izy ireo, ary mivavaka mba hahazo ny fanampian’ny fanahy masina rehefa mamboly io toetra io.

Ho vokatr’izany, dia tsy manam-paharoa ny fiarahan’izy ireo. Tsy misy eo amin’izy ireo ny fanindrahindram-poko na ny fanindrahindram-pirenena mampisara-bazana. Raha ny marina aza, dia nanao vivery ny ainy nifanavotra ireo Vavolombelona maro tany amin’ireo toerana nisy fanadiovana ara-pirazanana sy fandripahana foko, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-20. Na dia avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” aza izy ireo, dia manana firaisan-tsaina izay saro-takarina raha tsy iainanao mihitsy ilay izy.​—Apokalypsy 7:9.

Paradisa eo anivon’ireo manao ny sitrapon’Andriamanitra

Tsy manan-toerana ao amin’ny paradisa ara-panahy ny fitsiriritana tafahoatra, ny fahalotoam-pitondran-tena ary ny fitiavan-tena. Izao no lazaina amin’ny Kristianina: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” (Romana 12:2). Rehefa madio fiaina isika ka mendrika ny fitondran-tenantsika ary ataontsika ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainantsika, dia manao ny anjarantsika isika eo amin’ny fanorenana ilay paradisa ara-panahy, ary manao izay hahasambatra ny tenantsika. Hitan’i Carla fa marina izany. Hoy izy: “Nampianatra ahy hiasa mafy mba hahaleo tena ara-bola, ny raiko. Kanefa na dia nahatonga ahy tsy hanana ahiahy aza ny fianarako tany amin’ny oniversite, dia nanembona mafy an’ilay firaisam-pianakaviana sy tsy fananana ahiahy omen’ny fahalalana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, aho.”

Mazava ho azy fa tsy manaisotra ireo zava-manahirana ara-nofo eo amin’ny fiainana akory ny fananana paradisa ara-panahy. Mbola marary ihany ny Kristianina. Mety ho voarohirohy amin’ny ady an-trano ny firenena misy azy ireo. Maro no mizaka fahantrana. Na izany aza anefa, dia afaka mitodika any amin’i Jehovah isika mba hahazo fanampiana satria izany no dikan’ny hoe manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra, ary tapany lehibe amin’ny paradisa ara-panahy izany fifandraisana izany. Manasa antsika tokoa izy mba ‘hametraka ny entantsika aminy’, ary maro no afaka manamarina fa nanohana azy ireo tamin’ny fomba nahatalanjona tokoa i Jehovah tao anatin’ny toe-javatra faran’izay sarotra. (Salamo 55:22; 86:16, 17). Mampanantena Andriamanitra fa homba ireo mpivavaka aminy izy, na dia ao amin’ny “lohasaha aloky ny fahafatesana” aza. (Salamo 23:4). Rehefa matoky isika fa vonona ny hanohana antsika Andriamanitra, izany dia hanampy antsika hiaro ilay “fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” izay fanalahidin’ny paradisa ara-panahy.​—Filipiana 4:7.

Manao ny anjarantsika mba hampisy ny paradisa ara-panahy

Mahafinaritra ny ankamaroan’ny olona ny mandeha mizaha saha na zaridaina. Tian’izy ireo ny mitsangantsangana eny, na angamba mipetrapetraka eny amin’ny dabilio mankafy ny manodidina. Ankafizin’ny maro toy izany koa ny fiarahana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitan’izy ireo fa mamelombelona sy milamina ary mampody aina ilay fiarahana. Ilaina anefa ny mikojakoja zaridaina iray tsara tarehy mba hitoerany ho toy ny paradisa hatrany. Dia toy izany koa fa matoa misy ny paradisa ara-panahy eto amin’ity tontolo tsy paradisa ity, dia satria manolokolo azy io ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mitahy ny ezaka ataon’izy ireo Andriamanitra. Ahoana àry no ahafahan’ny olona iray manao tsara ny anjarany amin’io paradisa io?

Ilainao aloha ny miaraka amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mianatra ny Baiboly miaraka aminy, ary mahazo ilay fahalalana ny Baiboly izay fototra iorenan’ilay paradisa ara-panahy. Niteny toy izao i Carla: “Tsy misy paradisa ara-panahy raha tsy misy sakafo ara-panahy.” Tafiditra amin’izany ny famakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy ny fieritreretana ny amin’izay vakinao. Ilay fahalalana azonao dia hampanakaiky kokoa anao amin’i Jehovah Andriamanitra, ary hanjary ho tia azy ianao. Hianatra ny hiresaka aminy ao amin’ny vavaka koa ianao, ka hangataka ny fitarihany sy ny fanahiny mba hanohana anao eo am-panaovanao ny sitrapony. Nasain’i Jesosy haharitra amin’ny vavaka isika. (Lioka 11:9-13). Hoy ny apostoly Paoly: “Mivavaha, ka aza mitsahatra.” (1 Tesaloniana 5:17). Tapany tena lehibe amin’ny paradisa ara-panahy ilay tombontsoa hiresaka amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka sy ilay fatokisana tanteraka fa hihaino anao izy.

Rehefa mandeha ny fotoana, dia hihatsara ny fiainanao noho izay zavatra nianaranao, ary haniry hiresaka izany amin’ny hafa ianao amin’ny farany. Ho afaka hankatò izao baikon’i Jesosy izao ianao, amin’izay: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:16). Mitondra hasambarana be ny fizarana amin’ny hafa ilay fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, ary koa ny fiderana ilay fitiavana lehibe izay nasehon’izy ireo tamin’ny taranak’olombelona.

Ho avy ny andro hahatonga ny tany manontolo ho paradisa ara-bakiteny, izany hoe, ho toerana toy ny zaridaina tsy misy fandotoana sady ho fonenana sahaza ny olombelona mahatoky. Porofon’ny herin’Andriamanitra sy santionan’izay mety ho vitany sy tena hotanterahiny amin’ny hoavy ny fisian’ny paradisa ara-panahy amin’izao “andro mahory” izao.​—2 Timoty 3:1.

Na dia amin’izao fotoana izao aza, dia efa mihatra eo amin’ny lafiny ara-panahy amin’ireo manana paradisa ara-panahy, ny Isaia 49:10 manao hoe: “Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy.” Hanaporofo ny fahamarinan’izany i José. Nofinofiny ny mba ho tonga mpitendry zavamaneno malaza, kanefa hitany fa mahafa-po kokoa ny manompo an’Andriamanitra miaraka amin’ny kongregasiona kristianina. Hoy izy: “Misy heviny ny fiainako izao. Mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy aho ao anatin’ny firahalahiana kristianina, ary fantatro fa Ray be fitiavana azontsika itokisana i Jehovah.” Voalazalaza tsara ao amin’ny Salamo 64:10 ny fahasambaran’i José sy ny an’ny olona an-tapitrisany maro toa azy: “Mifaly amin’i Jehovah ny marina ka mialoka aminy”. Izany ka filazalazana tsara ny amin’ny paradisa ara-panahy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Olona tena misy no resahina eto, saingy novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 10]

Eo am-pankafizana ny paradisa ara-panahy, dia manampia mba hanitarana azy io!