Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanohana Ahy i Jehovah Nandritra ny Androm-piainako

Nanohana Ahy i Jehovah Nandritra ny Androm-piainako

Tantaram-piainana

Nanohana Ahy i Jehovah Nandritra ny Androm-piainako

NOTANTARAIN’I FORREST LEE

Vao avy noraofin’ny polisy ny grafofaonina sy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly nentinay. Noho ny Ady Lehibe Faharoa, dia nahita antony notefitefena handresen-dahatra ny governora jeneraly vaovaon’i Kanada ireo mpanohitra mba hahatonga azy io hanambara fa tsy ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 4 Jolay 1940 no nitrangan’izany.

TSY nampitakemotra anay izany, fa vao mainka izahay naka zavatra vita an-tsoratra fanampiny tany amin’ny toerana nitahirizana azy ireny ary nanohy nitory. Tsy hohadinoiko mihitsy ilay tenin’i Dada tamin’izay, nanao hoe: “Angaha isika azo ajanona mora foana ohatra izany. I Jehovah ange no nandidy antsika hitory e!” Folo taona aho tamin’izany ary navitrika tokoa. Na dia ankehitriny aza anefa, dia mbola mampahatsiahy ahy zavatra foana ny fahatapahan-kevitr’i Dada sy ny zotom-pony ho an’ny fanompoana, dia ny hoe manampy an’ireo tsy mivadika aminy i Jehovah Andriamanitsika.

Rehefa nosakanan’ny polisy indray izahay tatỳ aoriana, dia tsy vitan’ny hoe nalainy ny zavatra vita an-tsoratra nentinay fa naidiny am-ponja koa i Dada, hany ka tavela irery niaraka tamin’ny zaza efatra i Neny. Tamin’ny Septambra 1940 no nitrangan’izany, tany Saskatchewan. Taoriana kelin’izay, dia noroahina tany am-pianarana aho satria nanaraka ny feon’ny fieritreretako voataiza araka ny Baiboly, ka tsy niarahaba saina na nihira ny hiram-pirenena. Ny nanohizako ny fianarako tamin’ny alalan’ny fifanoratana dia nahafahako nanana fandaharam-potoana azo novaovana, ka nitory bebe kokoa aho.

Tamin’ny 1948, dia nisy antso nalefa mba hisian’ny mpisava lalana hifindra tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Kanada. Mpanompo manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpisava lalana. Koa nandeha nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Halifax, any Nouvelle-Écosse, sy tany Cape Wolfe, any amin’ny Nosy Printsy Édouard, aho. Ny taona nanaraka, dia nanaiky fanasana hiasa tapa-bolana tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Toronto aho. Nitatra ho enin-taona ilay tapa-bolana: enin-taona nanaovana fanompoana nahafa-po. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tafahaona tamin’i Myrna aho. Tia an’i Jehovah tahaka ahy koa izy, ary nivady izahay tamin’ny Desambra 1955. Nanorim-ponenana tany Milton, any Ontario, izahay, ary tsy ela dia nisy kongregasiona vaovao niorina tao. Lasa Efitrano Fanjakana ny lakalin’ny tranonay.

Faniriana hanitatra ny fanompoanay

Niteraka enina izahay tao anatin’ireo taona nanaraka, ary azo lazaina hoe kely aizana ihany ireo zanakay. I Miriam zanakay vavy no voalohany. Avy eo, dia teraka i Charmaine, i Mark, i Annette, i Grant ary farany, i Glen. Matetika, rehefa tonga avy niasa aho, dia nahita ireo ankizy nipetraka tamin’ny tany nanodidina ny toeram-pamindroana, satria namaky tamin’izy ireo ny Baiboly i Myrna ka nanazava fitantarana avy tao, sy nandentika tsikelikely tao am-pon’izy ireo ny fitiavana marina an’i Jehovah. Noho ny fanampiany tamim-pitiavana, dia nanjary nahalala tsara ny Baiboly dieny mbola kely ny zanakay rehetra.

Namela soritra tsy azo kosehina ato an-tsaiko sy ato am-poko ny zotom-pon’ny raiko teo amin’ny fanompoana. (Ohabolana 22:6). Koa rehefa nasaina hifindra tany Amerika Afovoany sy Amerika Atsimo àry ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1968, mba hanampy tamin’ny asa fitoriana, dia naniry hamaly ilay antso ny fianakavianay. Dimy taona ka hatramin’ny 13 taona ireo zanakay tamin’izany fotoana izany, ary tsy nisy nahay teny espaniola izahay na dia iray aza. Araka ny toromarika nomena, dia nitety tany maro samihafa aho mba hahafantarana ny toe-piainana nisy tany. Nandinika tamim-bavaka ireo safidy teo anoloanay izahay mianakavy rehefa tafaverina aho, ka nanapa-kevitra ny hifindra tany Nikaragoay izahay.

Nanompo tany Nikaragoay

Tonga tany amin’ilay fonenanay vaovao izahay tamin’ny Oktobra 1970, ary afaka roatokom-bolana latsaka kely dia nahazo anjara fohy tamin’ny fivorian’ny kongregasiona aho. Sahirana mafy aho nandritra ilay anjara satria mbola kely dia kely ny teny espaniola haiko. Namarana ilay anjara aho, tamin’ny fanasana ny kongregasiona manontolo ho amin’ny cerveza any an-tranonay, ny asabotsy tamin’ny 9.30 maraina. Servicio, ilay teny ilazana ny fanompoana eny amin’ny saha, no tiako hotenenina, nefa hay, nanasa ny rehetra hisotro labiera no voalazako. Tena zava-tsarotra tokoa ny nianatra ilay fiteny!

Tamin’ny voalohany, dia nosoratako teo amin’ny tanako ny fomba fampiseho iray, ary namerimberina ilay izy aho mandra-pahatongako teo amin’ny varavarana iray. Izao no nolazaiko: “Afaka mianatra Baiboly maimaim-poana ianao amin’ity boky ity.” Nilaza, avy eo, ny olona iray nanaiky ilay fanolorana fa tsy maintsy nankany am-pivoriana izy mba hahatakarany izay niezahako nolazaina taminy. Tonga Vavolombelon’i Jehovah io lehilahy io. Miharihary tokoa fa Andriamanitra no mampitombo ny voan’ny fahamarinana ao am-pon’ny manetry tena, araka ny fieken’ny apostoly Paoly!​—1 Korintiana 3:7.

Rehefa tany Managua, renivohitra, nandritra ny roa taona teo ho eo, izahay, dia nangatahina hifindra tany amin’ny tapany atsimon’i Nikaragoay. Rehefa tany izahay, dia niara-niasa tamin’ny kongregasiona tany Rivas, sy tamin’ny antokon’olona liana teny akaiky teny, izay tany amin’ny toerana nitokana. Niaraka tamiko i Pedro Peña, izay Vavolombelona nahatoky sy efa zokiolona, rehefa nitsidika ireny antokon’olona ireny izahay. Ny iray tamin’ireny dia tany amin’ny nosy volkanika iray teo amin’ny Farihy Nikaragoay, izay tsy nisy afa-tsy fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah iray.

Na dia tena sahirana ara-pivelomana aza ilay fianakaviana, dia niezaka mafy ry zareo mba hampiseho fa nankasitrahany ny fitsidihanay. Efa vonona ny sakafonay rehefa tonga izahay ny hariva. Nijanona herinandro tany izahay, ary nizara ny sakafony taminay ny ankamaroan’ireo olona nahafinaritra sy tia Baiboly hitanay tany. Nientam-po izahay nahita mpanatrika 101 tamin’ny lahateny ampahibemaso ny alahady.

Niharihary tamiko ny fanohanan’i Jehovah tamin’ny toe-javatra hafa iray, rehefa hitsidika antokon’olona liana tany an-tendrombohitra, any akaikin’ny sisin-tanin’i Costa Rica, izahay. Tonga naka ahy i Pedro ny andro tokony hiainganay, kanefa nandamaka teo am-pandriana aho satria azon’ny tazo. “Tsy afaka handeha aho, Pedro a!”, hoy aho. Nitsapa ny handriko izy ka namaly hoe: “Manavy be ianao, nefa tsy maintsy mandeha! Efa miandry ireo rahalahy.” Nivavaka izy avy eo, ary iny no iray tamin’ireo vavaka feno fahatsorana indrindra reko hatramin’izay.

Avy eo, dia hoy aho hoe: “Mandehana aloha maka fresco (ranom-boankazo) kely ho anao. Ho efa vita omana aho rehefa afaka folo minitra eo ho eo.” Roa ny fianakaviana Vavolombelona nonina tao amin’ilay faritra notsidihinay, ary tena nikarakara be anay tokoa ry zareo. Na dia mbola nalemilemin’ny fanaviana aza aho, dia nandeha niara-nitory tamin-dry zareo izahay ny ampitson’iny. Nampahery erỳ ny nahita olona maherin’ny zato nanatrika ny fivorianay ny alahady!

Nifindra toerana indray

Teraka i Vaughn, zanakay fahafito, tamin’ny 1975. Voatery niverina tany Kanada izahay ny taona nanaraka, noho ny antony ara-bola. Tsy mora ho anay ny nandao an’i Nikaragoay satria tena tsapanay tokoa fa nanohana anay i Jehovah tany. Tamin’ny fotoana nialanay tany, dia efa maherin’ny 500 ny tao amin’ny faritanin’ny kongregasionanay no nanatrika fivoriana.

Taloha kokoa an’izay, fony voatendry ho mpisava lalana manokana tany Nikaragoay izahay sy i Miriam zanakay vavy, dia nanontany ahy izy hoe: “Dada a, avelanao hijanona atỳ ve aho raha sanatria voatery hiverina any Kanada i Dada?” Tsy nieritreritra ny handao an’i Nikaragoay mihitsy aho, ka namaly hoe: “Mazava loatra!” Koa rehefa nandeha izahay, dia nijanona tany Nikaragoay mba hanohy ny fanompoana manontolo andro i Miriam. Nanambady an’i Andrew Reed izy tatỳ aoriana. Nanatrika ny kilasin’i Gileada faha-77, sekolin’ny misionera Vavolombelon’i Jehovah, izy mivady, tamin’ny 1984. Tamin’izany fotoana izany, dia tany Brooklyn, any New York, no nanaovana azy io. Nisy faniriana nitombo tsikelikely tao am-pon’i Miriam noho ireo misionera tsara dia tsara tany Nikaragoay, ary tanteraka izany faniriany izany, satria manompo miaraka amin’ny vadiny any amin’ny Repoblika Dominikanina izy ankehitriny.

Nandritra izany fotoana izany, dia mbola velona tao am-poko foana ny tenin’i Dada hoe: “Angaha isika azo ajanona mora foana ohatra izany”. Koa tamin’ny 1981, rehefa nahangona vola ampy hiverenana tany Amerika Afovoany, izahay, dia nifindra indray, saingy tany Costa Rica tamin’ity indray mitoraka ity. Nasaina mba hanampy tamin’ny fanorenana ny tranon’ny Sampan’izy ireo izahay, fony nanompo tany. Niverina tany Kanada anefa izahay tamin’ny 1985, satria nila fitsaboana i Grant, zanakay lahy. Nijanona tany Costa Rica i Glen mba hiasa tamin’ilay tetik’asa fanorenana, fa i Annette sy i Charmaine kosa nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana. Tamin’ny nandaozanay an’i Costa Rica, dia tsy nieritreritra mihitsy ny tsy ho tafaverina any izahay.

Fiatrehana fahoriana

Nibaliaka vao maraina ny masoandro tamin’ny 17 Septambra 1993. Teo am-pametahana tafo izahay sy i Mark, zanako lahimatoa. Niasa teo anilako izy ary niresadresaka foto-kevitra ara-panahy sahala amin’ny fanaonay, izahay. Tsy hay fa nitsingilahila aho ka nikodiadia avy teny amin’ilay tafo. Rehefa nahatsiaro tena aho, dia tsy nahita afa-tsy jiro nazava be sy olona nanao akanjo fotsy. Efitrano fanaovana vonjy aina tao amin’ny hopitaly ilay izy.

Noho izay lazain’ny Baiboly, dia izao no fihetsiko voalohany: “Tsy mandray ra aho, tsy mandray ra aho!” (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Nahazo toky erỳ aho nahare an’i Charmaine niteny hoe: “Aza manahy Dada a! Eto daholo izahay.” Fantatro tatỳ aoriana fa nahita ny taratasiko ara-pitsaboana ireo dokotera, ka tsy nisy adihevitra mihitsy ny momba ny ra. Tapaka ny hatoko ka tsy afa-nihetsika ny tenako manontolo, tsy nahavita nifoka rivotra samirery aho.

Nila ny fanohanan’i Jehovah nihoatra noho ny hatramin’izay aho rehefa tsy afa-nihetsika. Nisakana ny rivotra tsy ho tonga any amin’ny tadim-peoko ny nandidiana ny traokako, izay natao mba hampidirana fitaovana manampy ahy hifoka rivotra. Tsy afaka niteny aho. Voatery nijery ny fihetsiky ny molotro ny olona mba hahatakarana izay niezahako holazaina.

Vetivety dia nidangana ny fandaniana. Nanontany tena aho raha ho voatery hiala amin’ny fanompoana manontolo andro ny vadiko sy ny ankamaroan’ireo zanako, mba hisahanana izany adidy ara-bola izany. Afaka nahita asa anefa i Mark, asa izay nanampy tamin’ny nisahanana ny ankamaroan’izany fandaniana izany, tao anatin’ny telo volana monja. Koa afaka nijanona tao amin’ny fanompoana manontolo andro avokoa àry ny rehetra, ankoatra anay mivady.

Nisy cartes sy taratasy an-jatony maro avy tamin’ny tany enina samy hafa, nanemitra ny rindrin’ny efitranoko tao amin’ny hopitaly. Tena nanohana ahy tokoa i Jehovah. Nanampy ny fianakaviako koa ny kongregasiona, tamin’ny nanomezany sakafo nandritra ny fotoana sasany tamin’ireo dimy volana sy tapany nilako fitsaboana manokana natao ho an’ny marary mafy. Isan’andro, dia nisy loholona kristianina iray niaraka tamiko tamin’ny tolakandro, ka namaky Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly mba hohenoiko, ary nitantara tamiko zavatra nampahery. Niara-nanomana tamiko ny fivoriana tsirairay fanaon’ny kongregasiona ny roa tamin’ny ankohonako, ka tsy tapaka sakafo ara-panahy tena nilaina mihitsy aho.

Fony aho mbola tany amin’ny hopitaly, dia nisy fandaharana natao mba hanatrehako ny fivoriambe manokana iray andro. Nisy fandaminana nataon’ny mpiasan’ny hopitaly, ka nasiany mpitsabo mpanampy nahazo diplaoma sy teknisianina momba ny fitaovam-pisefoana nanaraka ahy teny tontolo andro. Nahafinaritra erỳ ny tafaraka indray tamin’ny rahalahy sy anabavy kristianina! Tsy hohadinoiko mihitsy ny nahita olona an-jatony nilahatra noho ny fiandrasana ny anjarany tamin’ny fiarahabana ahy.

Fihazonana fahasalamana ara-panahy

Herintaona teo ho eo taorian’ilay voina nahazo ahy, dia afaka nody niaraka tamin’ny fianakaviako aho, na dia mbola tsy maintsy misy mpitsabo mpanampy mikarakara ahy andro aman’alina aza. Manampy ahy amin’ny fandehanana mivory ny kamiaonety iray misy fitaovana namboarina manokana ho ahy, ka mahalana aho vao tsy tonga mivory. Tsoriko anefa fa mitaky fahatapahan-kevitra ny fandehanana mivory. Afaka nanatrika ireo fivoriamben’ny distrika rehetra aho hatramin’ny nodiako.

Niverina nahay niteny kely aho tamin’ny farany, tamin’ny Febroary 1997. Mihaino ahy amim-pankasitrahana ny sasany amin’ireo mpitsabo mpanampy rehefa milaza amin’izy ireo ny fanantenako miorina amin’ny Baiboly aho. Namaky manontolo ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu, mbamin’ny zavatra vita an-tsoratra hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny mpitsabo mpanampy iray, mba hohenoiko. Manoratra amin’ny olona aho, amin’ny fampiasana hazo kely iray mba hiasana amin’ny ordinatera. Na dia tena mandreraka be aza ny fitendrena ordinatera amin’izany fomba izany, dia mitondra fahafaham-po ny fahafahana mandray anjara hatrany amin’ny fanompoana.

Mampijaly ahy mafy ny fanaintainan’ny hozatro. Toa tsapako ho maivamaivana anefa izany rehefa miresaka ireo fahamarinana ara-baiboly amin’ny hafa aho na mihaino azy ireny vakina amiko. Indraindray aho dia mitory eny an-dalana miaraka amin’ny vadiko, izay manohana ahy sy mandika izay tiako holazaina rehefa mila fanampiana aho. Imbetsaka aho no afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Ahatsapako fifaliana ny manompo amin’ny maha loholona kristianina, indrindra rehefa misy rahalahy manatona ahy any am-pivoriana na mitsidika ahy any an-trano, ka afaka manampy sy mampahery azy ireo aho.

Tsoriko aloha fa mora ketraka aho. Koa isaky ny mahatsiaro ho kivy aho, dia mivavaka avy hatrany aho mba hahitako fifaliana. Mivavaka andro aman’alina aho mba tsy hitsaharan’i Jehovah hanohana ahy. Mahafaly ahy foana ny maharay taratasy na ny tsidihin’olona. Mahatonga ny saiko ho feno hevitra mampahery koa ny famakiana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Indraindray, dia misy mpitsabo mpanampy samy hafa mamaky ireo gazety ireo mba hohenoiko. Impito aho no nihaino ny famakiana ny Baiboly iray manontolo tamin’ny kasety, hatramin’ilay voina nahazo ahy. Izany no anisan’ny fomba samihafa nanohanan’i Jehovah ahy.​—Salamo 41:3.

Ny fitsimbadihan’ny tarehin-javatra nisy ahy dia nanome ahy fotoana betsaka hisaintsainana ny fomba anabeazan’i Jehovah antsika ho amin’ny fiainana, dia i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra antsika. Manome antsika fahalalana marina momba ny sitrapony sy ny fikasany izy, manome antsika fanompoana misy zava-kendrena, torohevitra momba ny tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana, ary fahaiza-manavaka mba hahalalana izay tokony hatao rehefa ao anatin’ny fahoriana. Notahin’i Jehovah aho tamin’ny nanomezany ahy vady mahatoky sy mahafatra-po. Nanohana ahy hatrany foana koa ny zanako, ary faly aho satria ao amin’ny fanompoana manontolo andro izy rehetra. Raha ny marina, dia nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasin’ny Sekolin’i Gileada faha-108 sy voatendry any Nikaragoay, i Mark zanakay, sy i Allyson vadiny, tamin’ny 11 Martsa 2000. Afaka nanatrika ny nizarana ny diplaoman’izy ireo, izahay mivady. Tena azoko atao ny milaza fa nanova ny fiainako ny fahoriana fa tsy nanova kosa ny foko.​—Salamo 127:3, 4.

Misaotra an’i Jehovah aho noho ny fahendrena nomeny, ka nahafahako nampita tamin’ny fianakaviako ilay lova ara-panahy azoko. Manatanjaka sy mampahery ahy ny mahita ireo zanako manompo ny Mpamorona azy, amin’ny fananany toe-tsaina mitovy amin’ny an’ny raiko, izay nilaza hoe: “Angaha azo ajanona mora foana ohatra izany isika. Jehovah ange no nandidy antsika hitory e!” Tena nanohana ahy sy ny fianakaviako tokoa i Jehovah nandritra ny androm-piainanay.

[Sary, pejy 24]

Miaraka amin’i Dada sy ny rahalahiko ary ny anabaviko, eo akaikin’ny trano fiaranay, izay nampiasaina nandritra ny fotoana nanaovana ny asan’ny mpisava lalana. Eo ankavanana aho

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’i Myrna vadiko

[Sary, pejy 26]

Sarinay mianakavy vao haingana

[Sary, pejy 27]

Mbola mitory amin’ny alalan’ny taratasy hatrany aho