Ny Fomba Hahitana ny Tena Fahasambarana
Ny Fomba Hahitana ny Tena Fahasambarana
NILAZA toy izao ny Dalaï-Lama, mpitondra fivavahana bodista iray: “Mino aho fa ny hitady fahasambarana no tena antony hiainantsika.” Araka ny fanazavana nomeny avy eo, dia nino izy fa afaka mahita fahasambarana ny olona amin’ny fampiofanana, na ny fifehezana, ny saina sy ny fo. “Ny saina”, hoy izy, “no hany fitaovana fototra ilaintsika, mba hahazoana fahasambarana tanteraka.” Mihevitra izy fa tsy ilaina ny finoana an’Andriamanitra. *
Diniho kosa i Jesosy: Natanjaka ny finoany an’Andriamanitra, ary nanan-kery teo amin’ny olona an-jato tapitrisany maro, tao anatin’ny taonjato maro, ny fampianarany. Zava-dehibe tamin’i Jesosy ny fahasambaran’ny olombelona. Nanomboka ilay Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra izy, tamin’ny filazana fahasambarana sivy, manomboka amin’ny hoe: “Sambatra (...)”. (Matio 5:1-12). Tao amin’io toriteny io ihany, dia nampianatra ireo mpihaino azy izy handinika sy hanadio ary hifehy ny sainy sy ny fony, ka hanolo ny eritreritra tia herisetra sy maloto ary feno fitiavan-tena, amin’ny eritreritra tia fihavanana sy madio ary feno fitiavana. (Matio 5:21, 22, 27, 28; 6:19-21). Araka ny nampirisihan’ny mpianany iray tatỳ aoriana, isika dia tokony ‘hihevitra’ hatrany ireo zavatra ‘marina, manan-kaja, mahitsy, madio, mahate-ho-tia, tsara laza, misy hatsaram-panahy, ary misy dera’.—Filipiana 4:8.
Fantatr’i Jesosy fa tena ilaina mba hahasambatra tokoa ny fifandraisana amin’ny hafa. Voajanahary ao amintsika olombelona ny fitiavana mifanerasera amin’ny hafa, ka tsy afaka ny ho tena sambatra isika, raha mitokantokana, na miady lava amin’ny olona manodidina antsika. Tsy afaka ny ho sambatra isika, raha tsy rehefa mahatsapa tena ho tiana, ary koa rehefa tia ny hafa. Nampianarin’i Jesosy fa fototr’izany fitiavana izany ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Eto indrindra no maha samy hafa ny fampianaran’i Jesosy sy ny an’ny Dalaï-Lama, satria nampianarin’i Jesosy fa tsy afaka ny ho tena sambatra ny olombelona raha tsy miankina amin’Andriamanitra. Nahoana?—Matio 4:4; 22:37-39.
Hevero ireo zavatra ara-panahy ilainao
Izao no iray amin’ireo fahasambarana: “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy”. (Matio 5:3, NW ). Nahoana i Jesosy no nilaza izany? Satria tsy mitovy amin’ny biby isika, fa mila zavatra ara-panahy. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika, ka afaka mamboly toetra araka an’Andriamanitra, toy ny fitiavana, ny fitiavana ny rariny, ny famindram-po ary ny fahendrena. (Genesisy 1:27; Mika 6:8; 1 Jaona 4:8). Anisan’izay ilaintsika ara-panahy ny hanana zava-kendrena eo amin’ny fiainantsika.
Ahoana no ahafahantsika manome fahafaham-po an’ireo zavatra ilaintsika ara-panahy ireo? Tsy amin’ny alalan’ny fieritreretana zavatra ivelan’ny tontolon’ny olombelona na ny fandinihan-tena fotsiny akory. Nilaza kosa i Jesosy hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Matio 4:4). Mariho fa nilaza i Jesosy hoe Andriamanitra no loharanon’ny “teny rehetra” iankinan’ny aintsika. Misy fanontaniana sasany tsy ahazoantsika valiny mihitsy, raha tsy ampian’Andriamanitra isika. Tena ilaintsika indrindra ny mahatakatra izany ankehitriny, satria mitombo izaitsizy ireo fanombantombanana momba ny zava-kendren’ny fiainana sy ny fomba ahitana fahasambarana. Manokana toerana lehibe ho an’ny boky mampanantena fahasalamana sy harena ary fahasambarana ho an’ny mpamaky, ireo fivarotam-boky. Misy toerana noforonina ao amin’ny Internet, mahakasika manokana ny fahasambarana.
Matetika anefa no diso fiantefa ny fomba fisainan’ny olombelona amin’ireo lafiny ireo. Mirona hanome fahafaham-po ny faniriana feno fitiavan-tena na ny hambom-pon’ny tena manokana izy io. Miorina amin’ny fahalalana sy ny zavatra niainana voafetra izy io, ary matetika mihitsy no miorina amin’ny hevi-diso. Ohatra, mihamitombo ireo mpanoratra boky fampianaran-tena manorina ny heviny amin’ny “psikolojian’ny evolisiona”. Araka io teoria io, dia avy amin’ny biby, izay lazaina fa razambentsika, ireo fihetseham-pon’olombelona. Raha ny marina anefa, dia tsy handaitra ary handiso fanantenana amin’ny farany, ny ezaka rehetra atao hitadiavana fahasambarana, ka miorina amina teoria tsy miraharaha ny anjara asan’ilay Mpamorona antsika. Nilaza toy izao ny mpaminany fahiny iray: “Mahazo henatra ny hendry, (...) indro, ny tenin’i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?”—Jeremia 8:9.
Fantatr’i Jehovah Andriamanitra izay mahaforona antsika sy izay tena hahasambatra antsika. Fantany ny antony nametrahany ny olombelona teto an-tany sy izay hoentin’ny hoavy, ary lazainy amintsika ao amin’ny Baiboly izany. Manohina ny fon’ireo olona manana fironana tsara ny zavatra voalazan’Andriamanitra ao amin’io boky ara-tsindrimandry io, ary miteraka fahasambarana. (Lioka 10:21; Jaona 8:32). Izany no nitranga tamin’ny mpianatr’i Jesosy roa lahy. Kivy izy ireo taorian’ny nahafatesany. I Jesosy tafatsangana tamin’ny maty mihitsy anefa no nampahafantatra azy ireo ny anjara asany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra hamonjy ny olombelona, ka nilaza izy ireo hoe: “Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?”—Lioka 24:32.
Mitombo izany fifaliana izany, rehefa avelantsika hitarika ny fiainantsika ny fahamarinana ara-baiboly. Amin’izany lafiny izany, dia azo oharina amin’ny andro tsara iray ny fahasambarana. Tsara ny andro rehefa mibaliaka ny masoandro. Aorian’ny oram-baratra iray anefa, dia vao mainka aza manga ny lanitra. Andeha isika izao handinika ohatra sasantsasany mampiseho fa afaka mampitombo ny fahasambarana ny fampiharana ny fampianarana ara-baiboly.
Hazòny ho tsotra ny fiainanao
Voalohany, dia diniho ilay torohevitra nomen’i Jesosy momba ny harena. Rehefa avy nanoro hevitra izy hoe tsy tokony hatao ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana ny fikatsahana harena, dia nanao teny tsy nahazatra loatra izy. Nilaza izy hoe: “Raha [tsotra ny masonao, NW ], dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.” (Matio 6:19-22). Raha ny marina, dia nilaza izy fa raha toa isika ka mikatsaka fatratra harena, na fahefana, na ny iray amin’ireo tanjona kendren’ny olona ho azy manokana, dia hafointsika ireo zava-dehibe kokoa. Nilaza mantsy i Jesosy indray mandeha fa ‘tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananan’ny olona ny ainy’. (Lioka 12:15). Raha apetratsika eo amin’ny toerana voalohany ireo tena zava-dehibe, toy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ireo raharaha ara-pianakaviana ary ny raharaha hafa mifandray amin’izany, dia ho ‘tsotra’, tsy misy manakontakona, ny ‘masontsika’.
Mariho fa tsy nilaza i Jesosy hoe tsara ny fampijalian-tena na ny fampihafian-tena tafahoatra. Izy aza tsy nampijaly tena. (Matio 11:19; Jaona 2:1-11). Nampianatra kosa izy fa ho maty antoka eo amin’ny fiainana ireo mihevitra ny fiainana ho fahafahana hanangon-karena fotsiny.
Nanao fanamarihana momba ny olona sasany nanjary nanan-karem-be fony mbola tanora, ny mpitsabo aretin-tsaina iray any San Francisco, Etazonia, ka nilaza fa, ho azy ireo ny vola dia “fototry ny fihenjanana sy ny fahaverezan-kevitra”. Nilaza koa izy fa ireny olona ireny dia “mividy trano roa na telo sy fiara iray, ary mandany vola amin’ny fividianan-javatra. Ary rehefa tsy nahavita izay nokendreny izany [izany hoe, tsy nahasambatra azy ireo], dia manjary ketraka izy ireo, tsy misy heviny ny fiainany, ary misalasala ny amin’izay tokony hataony amin’ny fiainany izy ireo”. Tena azo inoana mihitsy anefa fa hahita ny tena fahasambarana ireo manaraka ny torohevitr’i Jesosy, ka manana fiainana tsotra kokoa ary manome toerana ho an’ny zavatra ara-panahy.
Nanolo-tena hanampy tamin’ny fanorenana toeram-pivavahana any amin’ireo nosin’i Pasifika i Tom, mpanao fanorenana mipetraka any Hawaii. Tsy dia manana firy ny mponina any. Nisy zavatra nomarihin’i Tom momba ireo mponina manetry tena ireo. Nilaza izy hoe: “Tena sambatra ny rahalahiko sy ny anabaviko kristianina any amin’ireo nosy ireo. Nampian’izy ireo aho hahatakatra tsara kokoa fa tsy fanalahidin’ny fahasambarana akory ny vola sy ny fananana.” Nandinika ireo mpiasa an-tsitrapo niara-niasa taminy tany amin’ireny nosy ireny koa izy, ka nahamarika fa afa-po tokoa izy ireo. “Nety ho afaka nahazo vola be izy ireo”, hoy i Tom. “Nifidy ny hametraka ny zavatra ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany hatrany sy ny hanana fomba fiaina tsotra hatrany anefa izy ireo.” Nanohina ny fon’i Tom ireny ohatra ireny, ka nanatsotra ny fiainany manokana izy, mba hahafahany hanokana fotoana misimisy kokoa ho an’ny fianakaviany sy ho an’ny fikatsahana zavatra ara-panahy—dingana tsy nanenenany na oviana na oviana.
Ny fahasambarana sy ny hajan’ny tena
Tena ilaina mba hahasambatra ny fahatsapana ho mendrika ny hohajaina, na ny fananana hajan’ny tena. Noho ny tsy fahalavorarian’olombelona sy ireo fahalemena aterak’izany, dia mihevi-tena ho tsy misy vidiny ny sasany, ary maro no efa nihevi-tena toy izany hatramin’ny fahazazany. Mety ho sarotra ny handresy fihetseham-po latsa-paka, nefa azo atao izany. Ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra no vahaolana.
Manazava amintsika izay tsapan’ny Mpamorona momba antsika ny Baiboly. Moa ve ny fomba fiheviny tsy zava-dehibe kokoa noho ny fomba fihevitry ny olona na iza na iza—na dia ny antsika manokana aza? Sary velon’ny fitiavana Andriamanitra, ka tsy mitsara antsika an-tendrony no sady tsy mitady hanisy ratsy antsika. Mijery ny maha isika antsika, ary koa izay mety ho vitantsika, izy. (1 Samoela 16:7; 1 Jaona 4:8). Raha ny marina, dia sarobidy aminy, eny, malalany indrindra, ireo maniry hampifaly azy, na manao ahoana na manao ahoana tsy fahalavorarian’izy ireo.—Daniela 9:23; Hagay 2:7.
Mazava ho azy fa tsy manakimpy ny masony manoloana ny fahalementsika sy izay fahotana ataontsika Andriamanitra. Antenainy isika hiezaka mafy hanao izay marina sy mahitsy, ary manohana antsika izy, rehefa manao izany isika. (Lioka 13:24). Milaza anefa ny Baiboly hoe: “Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy”. Milaza koa izy io hoe: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, To mpo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao.”—Salamo 103:13; 130:3, 4.
Koa mianara àry mihevitra ny tenanao toy ny fiheveran’Andriamanitra ny tenanao. Afaka mampitombo ny fahasambaran’ny olona iray tokoa ny mahafantatra fa ireo tia an’Andriamanitra dia malalany indrindra, sady atokisany—na dia mihevi-tena ho tsy misy vidiny aza izy ireo.—1 Jaona 3:19, 20.
Ny Fanantenana—Tena ilaina mba hahasambatra
Misy hevi-baovao iray naely be tato ho ato, antsoina hoe psikolojian’ny fatokisan-tena; izy io dia fiheverana fa mitondra fahasambarana ny fijerena lafy tsaran-javatra, izay azo avy amin’ny fieritreretana zavatra tsara sy ny fifantohana amin’ireo toetra tsara ananan’ny tena manokana. Vitsy no handa hoe mampitombo ny fahasambarantsika ny mijery ny lafy tsaran-javatra eo amin’ny fiainana sy ny hoavy. Tokony hiorina amin’ny zava-misy anefa izany fijerena lafy tsaran-javatra izany, fa tsy amin’ny nofinofy fotsiny. Ankoatra izany, dia tsy hanaisotra velively ny ady, ny hanoanana, ny aretina, ny fandotoana ny tontolo iainana, ny fahanterana, ny aretina, na ny fahafatesana—izay misakana ny olona maro be tsy ho sambatra—ny fijerena lafy tsaran-javatra na ny fieritreretana zavatra tsara. Na izany aza, dia manana ny toerany tokoa ny fijerena lafy tsaran-javatra.
Mahaliana fa tsy mampiasa ny teny hoe fijerena lafy tsaran-javatra ny Baiboly; mampiasa teny mafonja kokoa izy io, dia ny fanantenana. Ao amin’ny Diksioneran’i Vine Manome Fanazavana Feno (anglisy), ny hoe “fanantenana” araka ny ampiasana azy io ao amin’ny Baiboly, dia nofaritana ho ny “fiandrasana amim-patokisana zavatra tsara, (...) fiandrandrana amim-pifaliana zavatra tsara”. Mahafaoka zavatra betsaka kokoa noho ny fijerena lafy tsaran-javatra anefa ny hoe fanantenana, araka ny ampiasan’ny Baiboly azy io. Manondro ilay zavatra iankinan’ny fanantenana koa izy io. (Efesiana 4:4; 1 Petera 1:3). Ny fanantenana kristianina, ohatra, dia ny hanjavonan’ireo zavatra tsy faniry rehetra voalaza tetsy amin’ny fehintsoratra tetsy aloha, amin’ny hoavy tsy ho ela. (Salamo 37:9-11, 29). Mahafaoka zavatra betsaka kokoa anefa izany.
Miandrandra ilay fotoana hananan’ny olombelona mahatoky fiainana lavorary, ao amin’ny tany paradisa, ny Kristianina. (Lioka 23:42, 43, NW ). Mamelabelatra io fanantenana io ny Apokalypsy 21:3, 4, ka milaza hoe: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony (...). Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”
Izay rehetra manantena hoavy toy izany, dia tena manana antony tokony hahasambatra azy tokoa, na tsy tsara araka ny aniriany azy aza ny toe-javatra iainany ankehitriny. (Jakoba 1:12). Koa nahoana moa raha mandinika akaiky ny Baiboly sy mamantatra ny antony ahafahanao mino azy io? Hatanjaho ny fanantenanao, amin’ny fakana fotoana isan’andro hamakiana ny Baiboly. Hampitombo ny zava-tsoa ara-panahy ho azonao ny fanaovanao izany, hanampy anao hiala amin’ireo zavatra misakana ny olona tsy ho sambatra, ary hampitombo ny fahafaham-ponao. Eny, ny fanalahidin’ny tena fahasambarana dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Mpitoriteny 12:13). Fiainana sambatra ny fiainana miorina amin’ny fankatoavana ireo fitsipiky ny Baiboly, satria hoy i Jesosy: ‘Sambatra ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.’—Lioka 11:28.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Ho an’ny Bodista, dia tsy ilaina ny finoana an’Andriamanitra.
[Sary, pejy 5]
Tsy mahasambatra ny manangona harena, ny mitokantokana, na ny mitoky amin’ny fahalalana voafetra ananan’ny olombelona
[Sary, pejy 6]
Fiainana sambatra ny fiainana miorina amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra
[Sary, pejy 7]
Mahasambatra ny fanantenana kristianina