Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao Hihevitra ny Fanahy ka ho Velona!

Aoka Ianao Hihevitra ny Fanahy ka ho Velona!

Aoka Ianao Hihevitra ny Fanahy ka ho Velona!

‘Ny fihevitry ny Fanahy dia fiainana.’​—ROMANA 8:6.

1, 2. Ahoana no ampifanoheran’ny Baiboly ny “nofo” sy ny “fanahy”?

TSY mora ny mihazona fitondran-tena madio eo anatrehan’Andriamanitra, eo anivon’ny fiaraha-monina izay sady anjakan’ny fitondran-tena maloto no manindrahindra ny fanomezana fahafaham-po ny filan’ny nofo. Ampifanoherin’ny Soratra Masina anefa ny “nofo” sy ny “fanahy”, ka asiany tsipika mazava tsara mampisaraka ny voka-dratsin’ny famelana ny tena hofehezin’ny nofo mpanota, sy ny fitahiana azo amin’ny fanekena hotarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra.

2 Nilaza toy izao, ohatra, i Jesosy: “Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.” (Jaona 6:63). Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Galatia: “Ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa”. (Galatiana 5:17). Hoy koa i Paoly: “Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.”​—Galatiana 6:8.

3. Inona no ilaina mba hanafahan-tena amin’ny fanirian-dratsy sy ny fironan-dratsy?

3 Tena afaka mamongotra ny “filan’ny nofo” maloto sy ny hery mahafatin’ny nofontsika mpanota, ny fanahy masin’i Jehovah, na ny heriny miasa. (1 Petera 2:11). Faran’izay zava-dehibe ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra mba hanafahan-tena amin’ny fanandevozan’ny fironan-dratsy, satria izao no nosoratan’i Paoly: “Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana)”. (Romana 8:6). Inona no dikan’ny hoe mihevitra ny fanahy?

“Ny fihevitry ny Fanahy”

4. Midika ho inona ny hoe “fihevitry ny Fanahy”?

4 Rehefa nanoratra momba “ny fihevitry ny Fanahy” i Paoly, dia nampiasa teny grika iray midika hoe “fomba fisaina, (fironan’ny) saina, (...) zava-kendrena, hetahetam-po, filofosana”. Ny matoanteny iray mifandray amin’ilay teny grika dia midika hoe “mihevitra, mirona ho amin’ny fiheverana iray”. Ny hoe mihevitra ny fanahy àry dia midika hoe fehezin’ny hery miasan’i Jehovah, eo ambanin’ny fifehezan’izy io, famelana azy io ho hery manosika ny tena. Midika izany fa avelantsika hanan-kery tanteraka eo amin’ny fisainantsika sy ny fironantsika ary ny hetahetam-pontsika ny fanahy masin’Andriamanitra.

5. Hatraiza no tokony hanekentsika hotarihin’ny fanahy masina?

5 Rehefa niresaka mahakasika ny hoe ‘mpanompon’ny fanahy’ i Paoly, dia nantitranteriny hoe hatraiza isika no tokony hanaiky hotarihin’ny fanahy masina. (Romana 7:6). Noho ny finoan’ny Kristianina ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia nafahana tsy ho eo ambanin’ny fifehezan’ny ota izy ireo, ka “maty” raha ny amin’ny toe-javatra nisy azy teo aloha, tamin’ny naha mpanompon’ny ota azy. (Romana 6:2, 11). Mbola velona amin’ny heviny ara-bakiteny anefa ireo maty ara-panoharana tamin’izany fomba izany, ary afaka manaraka an’i Kristy amin’ny maha “mpanompon’ny fahamarinana” azy izy ireo, ankehitriny.​—Romana 6:18-20.

Fiovana tena miavaka

6. Fiovana inona no nataon’ireo lasa “mpanompon’ny fahamarinana”?

6 Fiovana tena miavaka tokoa ny hoe “mpanompon’ny ota” lasa “mpanompon’ny fahamarinana”, izay manompo an’Andriamanitra. Izao no nosoratan’i Paoly momba ny sasany izay nanao fiovana toy izany: “Efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.”​—Romana 6:17, 18; 1 Korintiana 6:11.

7. Nahoana no zava-dehibe ny hananana ny fomba fijerin’i Jehovah zavatra?

7 Mba hisian’ny fiovana miavaka toy izany, dia mila mianatra ny fomba fijerin’i Jehovah zavatra aloha isika. Taonjato maro lasa izay, dia nangataka tamin-kafanam-po tamin’Andriamanitra toy izao i Davida mpanao salamo: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô (...). Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro”. (Salamo 25:4, 5). Nihaino an’i Davida i Jehovah, ary afaka mamaly ny vavaka toy izany ataon’ireo mpanompony ankehitriny koa izy. Koa satria madio sy masina ny lalan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia hahasoa ny fisaintsainana azy ireny raha alaim-panahy hanome fahafaham-po ny faniriana maloton’ny nofo isika.

Manana anjara toerana faran’izay lehibe ny Tenin’Andriamanitra

8. Nahoana isika no tsy maintsy mianatra ny Baiboly?

8 Zavatra novokarin’ny fanahin’Andriamanitra ny Teniny, dia ny Baiboly. Ny fomba iray faran’izay lehibe hamelana an’io fanahy io hiasa amintsika àry, dia ny famakiana sy ny fianarana ny Baiboly​—isan’andro raha azo atao. (1 Korintiana 2:10, 11; Efesiana 5:18). Hanampy antsika hahatohitra ireo fanafihana atao amin’ny fahasalamantsika ara-panahy, ny famenoana ny saintsika sy ny fontsika amin’ny fahamarinana sy ny foto-pitsipika ara-baiboly. Eny, ny fanahin’Andriamanitra dia afaka mampitamberina ao an-tsaintsika ireo fampahatsiahivan’ny Soratra Masina sy ireo foto-pitsipika mpitari-dalana, izay afaka manamafy ny fahatapahan-kevitsika hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa alaim-panahy haloto fitondran-tena isika. (Salamo 119:1, 2, 99; Jaona 14:26). Noho izany, dia tsy voafitaka hanaraka lalan-dratsy isika.​—2 Korintiana 11:3.

9. Ahoana no hanamafisan’ny fianarana ny Baiboly ny fahatapahan-kevitsika hiaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?

9 Eo am-panohizantsika ny fianarantsika amim-pahatsorana sy amim-pahazotoana ny Soratra Masina amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, dia manan-kery eo amin’ny saintsika sy ny fontsika ny fanahin’Andriamanitra, ka mihalalina ny fanajantsika ny fari-pitsipik’i Jehovah. Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra no manjary zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Rehefa tojo fakam-panahy isika, dia tsy hibahana ao an-tsaintsika ny fahafinaretana mety ho azo amin’ny fanaovan-dratsy, fa ny hihazonantsika tsy fivadihana amin’i Jehovah kosa no hahintsika voalohany. Ny fankasitrahana lalina ny fifandraisantsika aminy dia manosika antsika hiady amin’izay fironana rehetra mety hanimba na handrava azy io.

“Endrey ny fitiavako ny lalànao!”

10. Nahoana no tena ilaina ny mankatò ny lalàn’i Jehovah mba hiheverana ny fanahy?

10 Tsy ampy ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra raha tiantsika ny hihevitra ny fanahy. Tena nahatakatra tsara ny fari-pitsipik’i Jehovah i Solomona Mpanjaka, nefa tsy niaina nifanaraka tamin’izany izy nandritra ny faramparan’ny fiainany. (1 Mpanjaka 5:9, 10; 11:1-6). Raha manana toe-tsaina araka ny fanahy isika, dia ho hitantsika fa tsy ny mahafantatra izay lazain’ny Baiboly fotsiny no ilaina fa ny mankatò ny lalàn’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra koa. Izany dia midika ho fandinihana amim-pitandremana ny fari-pitsipik’i Jehovah sy fiezahana amim-pahazotoana ny hanaraka azy ireny. Toy izany ny fihetsiky ny mpanao salamo. Nihira toy izao izy: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! [Mihevitra azy io tontolo andro aho, NW ].” (Salamo 119:97). Rehefa tena mihevitra marina ny hanaraka ny lalàn’Andriamanitra isika, dia manomboka maneho toetra tsara. (Efesiana 5:1, 2). Tsy ho voasintona hanaraka am-bokony ny fanaovan-dratsy isika fa haneho kosa ny vokatry ny fanahy, ary hahatonga antsika handa ny “asan’ny nofo” maharikoriko ny faniriana hampifaly an’i Jehovah.​—Galatiana 5:16, 19-23; Salamo 15:1, 2.

11. Ahoana no hanazavanao fa fiarovana ho antsika ny lalàn’i Jehovah mandrara ny fijangajangana?

11 Ahoana no ahafahantsika mampitombo fanajana sy fitiavana lalina ny lalàn’i Jehovah? Ny fomba iray dia amin’ny fandinihana amim-pitandremana ny hasarobidiny. Diniho ny lalàn’Andriamanitra izay mametra ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ho an’ny mpivady ary mandrara ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady. (Hebreo 13:4). Misakana antsika amin-java-mahafinaritra ve ny fankatoavana io lalàna io? Hanakana antsika tsy hahazo zava-tsoa ve ny Ray be fitiavana iray any an-danitra? Mazava loatra fa tsia! Jereo izay mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona maro tsy miaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’i Jehovah. Matetika ny fananana anaka tsy nirina no mitarika azy ireo ho amin’ny fanalana zaza na angamba ho amin’ny fanambadiana aloha loatra sy tsy sambatra. Maro no voatery mitaiza irery ny zanany. Fanampin’izany, dia mety ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ireo mpijangajanga. (1 Korintiana 6:18). Ary raha mpanompon’i Jehovah no mijangajanga, dia mampitondra faisana ny vokany ara-pihetseham-po. Mety hiteraka tsy fahitan-tory sy fahorian-tsaina ny fanandramana hampangina ny fanenjehan’ny feon’ny fieritreretana manameloka. (Salamo 32:3, 4; 51:3). Tsy miharihary àry ve fa natao hiarovana antsika ny lalàn’i Jehovah mandrara ny fijangajangana? Eny, tena misy tombony lehibe tokoa ny fihazonana fitondran-tena madio!

Mivavaha mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah

12, 13. Nahoana no mety ny mivavaka rehefa tafihin’ny faniriana hanota ny tena?

12 Azo antoka fa mitaky vavaka amim-pahatsorana ny hoe mihevitra ny fanahy. Mety ny hangatahana ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, satria hoy i Jesosy: “Raha hianareo (...) mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:13). Azontsika lazaina ao amin’ny vavaka fa miankina amin’ny fanahy isika mba hahazoana fanampiana mahakasika ny fahalementsika. (Romana 8:26, 27). Raha takatsika fa manan-kery eo amintsika ny faniriana hanota na ny toe-tsaina ratsy, na manintona ny saintsika ho amin’izany ny mpiray finoana be fitiavana iray, dia ho fahendrena ny hamaritana tsara ilay zava-manahirana ao amin’ny vavaka ataontsika, sy ny hangatahana ny fanampian’Andriamanitra, mba handresena ireo fironana ireo.

13 Afaka manampy antsika hifantoka amin-javatra mahitsy, madio, sy tsara, ary mendri-piderana, i Jehovah. Ary tena mety ny hitalahoana aminy amim-pahatsorana mba hiarovan’ny “fiadanan’Andriamanitra” ny fontsika sy ny herin-tsaintsika! (Filipiana 4:6-8). Aoka àry isika hivavaka mba hanampian’i Jehovah antsika ‘hitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy’. (1 Timoty 6:11-14). Noho ny fanampian’ilay Raintsika any an-danitra, dia tsy hitombo ka hanjary tsy ho azo fehezina ny fanahiana sy ny fakam-panahy. Hanjaka kosa eo amin’ny fiainantsika ny fahatoniana nomen’Andriamanitra.

Aza mampalahelo ny fanahy

14. Nahoana no hery manosika ho amin’ny fahadiovana ny fanahin’Andriamanitra?

14 Ny mpanompon’i Jehovah matotra dia samy mampihatra ilay torohevitr’i Paoly manao hoe: “Aza mamono ny Fanahy.” (1 Tesaloniana 5:19). Koa satria “fanahin’ny fahamasinana” ny fanahin’Andriamanitra, dia madio sy masina izy io. (Romana 1:4). Hery manosika ho amin’ny fahamasinana na ny fahadiovana io fanahy io, rehefa miasa amintsika. Manampy antsika hihazona fomba fiaina madio isian’ny fankatoavana an’Andriamanitra izy io. (1 Petera 1:2). Tsy firaharahana an’io fanahy io ny fanao maloto rehetra, ka mety hisy vokany hahatsiravina. Amin’ny fomba ahoana?

15, 16. a) Amin’ny ahoana isika no mety hampalahelo ny fanahin’Andriamanitra? b) Ahoana no azontsika analavirana ny hoe mampalahelo ny fanahin’i Jehovah?

15 Izao no nosoratan’i Paoly: “Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.” (Efesiana 4:30). Ampahafantarin’ny Soratra Masina fa ny fanahin’i Jehovah dia tombo-kase, na ‘antoky’ ny hoavy, ho an’ny Kristianina voahosotra mahatoky. Ary tsy inona akory izany fa ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra. (2 Korintiana 1:22, Fandikan-teny Katolika; 1 Korintiana 15:50-57; Apokalypsy 2:10). Ny fanahin’Andriamanitra dia afaka mitarika ny voahosotra sy ireo namany manana fanantenana ny ho eto an-tany mba hijoro ho mahatoky mandritra ny androm-piainany, no sady afaka manampy azy ireo hanalavitra asa ratsy.

16 Nampitandrina ny amin’ny fironana handainga, hangalatra, hanana fitondran-tena mahamenatra, sy ny toy izany, ilay apostoly. Raha mamela ny tenantsika ho voasarika ho amin-javatra toy izany isika, dia hanao zavatra mifanohitra amin’ny torohevitra ara-tsindrimandrin’ny fanahy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Efesiana 4:17-29; 5:1-5). Amin’ny lafiny sasany, dia hampalahelo ny fanahin’Andriamanitra isika amin’izany, nefa azo antoka fa tsy irintsika ny hanao izany. Koa raha misy amintsika manomboka tsy miraharaha ny torohevitra ao amin’ny Tenin’i Jehovah, dia mety hanomboka hamboly fihetsika na toetra, izay mety hahatonga antsika hinia hanota sy hamoy tanteraka ny fankasitrahan’Andriamanitra, isika. (Hebreo 6:4-6). Na dia mety ho tsy zatra manota aza isika ankehitriny, dia mety hizotra ho amin’izany lalana izany. Amin’ny fanoherana ny fitarihan’ny fanahy, dia hampalahelo azy io isika. Hanohitra sy hampalahelo an’i Jehovah, ilay loharanon’ny fanahy masina, koa isika. Tsy maniry na oviana na oviana ny hanao izany isika, satria tia an’Andriamanitra. Azontsika atao tsara kosa ny mivavaka mba hanampian’i Jehovah antsika tsy hampalahelo ny fanahiny, fa mba ho afaka hanome voninahitra ny anarany masina amin’ny fiheverana hatrany ny fanahy.

Aza mitsahatra mihevitra ny fanahy

17. Tanjona ara-panahy inona avy no azontsika tratrarina, ary nahoana no fahendrena ny manao izany?

17 Tsara ny manamarika fa ny fomba iray tsy hitsaharantsika hihevitra ny fanahy dia ny fananana tanjona ara-panahy sy ny fiezahana hanatratra azy ireny. Arakaraka izay zavatra ilaintsika sy ny tarehin-javatra misy antsika, dia mety ho anisan’ny tanjontsika ny fanatsarana ny fahazarantsika mianatra, ny fampitomboana ny fandraisantsika anjara amin’ny asa fitoriana, na ny fanatratrarana tombotsoam-panompoana voafaritra tsara, toy ny fanompoan’ny mpisava lalana manontolo andro, ny fanompoana ao amin’ny Betela, na ny asa misionera. Izany dia hihazona ny saintsika ho variana amin’ny tombontsoa ara-panahy, ary hanampy antsika tsy ho resin’ny fahalemen’olombelona na hotarihin’ny fiahiana fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny faniriana tsy araka ny Soratra Masina fahita eto amin’ity fandehan-javatra ity. Azo antoka fa izany no lalam-pahendrena, satria nampirisika mafy toy izao i Jesosy: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”​—Matio 6:19-21.

18. Nahoana no tena zava-dehibe ny tsy hitsaharana hihevitra ny fanahy amin’izao andro farany izao?

18 Ny mihevitra ny fanahy sy ny fifehezana ny faniriana araka an’izao tontolo izao no azo antoka fa lalam-pahendrena amin’izao “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Rehefa dinihina tokoa, dia “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. (1 Jaona 2:15-17). Raha manao ny fanompoana manontolo andro ho tanjona, ohatra, ny tanora kristianina iray ka miezaka hanatratra azy io, dia mety ho toy ny jiro hitari-dalana azy izany, mandritra ilay fotoan-tsarotra maha zatovo azy, na mandritra ny fiandohan’ny fotoana maha olon-dehibe azy. Raha iharam-panerena hanaiky lembenana ny olona toy izany, dia hibanjina izay iriny hotanterahina eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy. Heverin’ny olona araka ny fanahy toy izany ho tsy fahendrena, na ho hadalana mihitsy aza, ny tsy fahafahana intsony hanatratra tanjona ara-panahy, noho ny fikatsahana zavatra ara-nofo, na noho izay fahafinaretana mety hoentin’ny ota. Tadidio fa i Mosesy, izay nirona tamin-javatra ara-panahy, dia ‘nifidy hiara-mitondra fahoriana tamin’ny olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety tamin’ny fahotana’. (Hebreo 11:24, 25). Na antitra isika na tanora, dia mitovy amin’izany ny safidy ataontsika raha toa isika ka tsy mitsahatra mihevitra ny fanahy, fa tsy ny nofo mpanota.

19. Inona no soa horaisintsika raha tsy mitsahatra mihevitra ny fanahy isika?

19 “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo”, fa “ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana)”. (Romana 8:6, 7). Hahita fiadanana sarobidy isika raha tsy mitsahatra mihevitra ny fanahy. Ho voaro bebe kokoa tsy ho voataonan’ny toetrantsika mpanota, ny fontsika sy ny herin-tsaintsika. Ho afaka hanohitra tsara kokoa ny fakam-panahy hanao zava-dratsy isika. Ary hahazo ny fanampian’Andriamanitra isika mba hiatrehana amim-pahombiazana ilay ady tsy an-kiato eo amin’ny nofo sy ny fanahy.

20. Nahoana isika no afaka matoky fa azo atao ny handresy amin’ilay ady eo amin’ny nofo sy ny fanahy?

20 Iankinan’ny aina ny fifandraisana amin’i Jehovah, ka rehefa mihevitra hatrany ny fanahy isika, dia mihazona fifandraisana toy izany amin’i Jehovah, izay sady loharanon’aina no Loharanon’ny fanahy masina. (Salamo 36:9; 51:11). Manao izay rehetra azony atao i Satana Devoly sy ireo solontenany mba handravana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. Miezaka ny hifehy ny saintsika izy ireo, satria fantany fa raha milavo lefona isika, dia hiafara amin’ny fifandrafiana amin’Andriamanitra sy ny fahafatesana izany. Afaka ny ho mpandresy amin’io ady eo amin’ny nofo sy ny fanahy io anefa isika. Izany no nitranga tamin’i Paoly, satria rehefa nanoratra ny amin’ny ady nataon’ny tenany izy, dia izao aloha no nanontaniany: “Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Nasehony avy eo fa azo atao ny mahazo fanafahana, ka nihiaka toy izao izy: “Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika”! (Romana 7:21-25). Afaka misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy koa isika, noho ny nanomezany izay ilaina mba hiatrehantsika amim-pahombiazana ny fahalemen’olombelona sy tsy hitsaharantsika hihevitra ny fanahy, ka hananantsika ilay fanantenana mahatalanjona, dia ny fiainana mandrakizay.​—Romana 6:23.

Tadidinao Ve?

• Inona no tiana holazaina amin’ny hoe mihevitra ny fanahy?

• Ahoana no amelantsika ny fanahin’i Jehovah hiasa eo amintsika?

• Hazavao hoe nahoana no faran’izay zava-dehibe ny hianarana ny Baiboly, sy ny hankatoavana ny lalàn’i Jehovah, ary ny hivavahana aminy, rehefa miady amin’ny ota isika.

• Amin’ny ahoana no afaka mihazona antsika hatrany eo amin’ny lalan’ny fiainana ny fananana tanjona ara-panahy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Manampy antsika hahatohitra ireo fanafihana atao amin’ny fahasalamantsika ara-panahy ny fianarana ny Baiboly

[Sary, pejy 17]

Mety ny hangatahana amin’ny vavaka ny fanampian’i Jehovah, mba handresena ny faniriana hanota

[Sary, pejy 18]

Afaka ny hanampy antsika tsy hitsahatra hihevitra ny fanahy ny tanjona ara-panahy