Fandresena ny Fahalemen’olombelona
Fandresena ny Fahalemen’olombelona
“Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana”.—ROMANA 8:6.
1. Ahoana no fiheveran’ny sasany ny vatan’olombelona, ary fanontaniana inona no mendrika hodinihina?
“HIDERA Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovanao ahy”. (Salamo 139:14). Izany no nohirain’i Davida mpanao salamo fony izy nandinika ny iray tamin’ireo zavatra noforonin’i Jehovah, dia ny vatan’olombelona. Mifanohitra amin’izany teny fiderana marim-pototra izany anefa, dia misy mpampianatra ara-pivavahana mihevitra fa toerana amitsahan’ny ota sy fitaovana hoenti-manota, ny vatana. Lazaina fa ny vatana dia ‘salotra anakonana ny tsy fahalalana, fototry ny fitondran-tena ratsy, fiainam-pahoriana tsy maha te hiaina, fasana mandehandeha’. Marina aloha fa nilaza ny apostoly Paoly hoe “tsy misy zavatra tsara mitoetra (...) ato amin’ny nofoko”. (Romana 7:18). Midika anefa ve izany fa voafandrika ao anatin’ny vatana mpanota isika, ary tsy misy lalan-kivoahana?
2. a) Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “fihevitry ny nofo”? b) Inona no ady anaty mampifanandrina ny “nofo” sy ny “fanahy”, izay mitranga ao amin’ny olona maniry hampifaly an’Andriamanitra?
2 Indraindray ny Soratra Masina dia mampiasa ny teny hoe “nofo” mba hoenti-manondro olombelona tsy lavorary, izay taranaka mpanota avy amin’i Adama mpikomy. (Efesiana 2:3; Salamo 51:5; Romana 5:12). Niteraka ‘fahalemen’ny nofo’ ny toetra nolovantsika taminy. (Romana 6:19). Ary nampitandrina toy izao i Paoly: “Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana”. (Romana 8:6). Ny tiana holazaina amin’ny hoe “fihevitry ny nofo” dia hoe fehezin’ny fanirian’ny nofo mpanota sy entanin’izany faniriana izany. (1 Jaona 2:16). Koa raha miezaka hampifaly an’Andriamanitra àry isika, dia misy ady foana mampifanandrina ny fifikirantsika amin’ny zavatra ara-panahy sy ny nofontsika mpanota, izay tsy mitsahatra manery antsika hanatanteraka “ny asan’ny nofo”. (Galatiana 5:17-23; 1 Petera 2:11). Rehefa avy nilazalaza an’io ady anaty nampahory io i Paoly, dia nihiaka hoe: “Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” (Romana 7:24). Tsy afa-nanoatra teo anoloan’ny fakam-panahy nahazo azy ve i Paoly? Sanatria izany, hoy ny valin-teny hentitra omen’ny Baiboly!
Tena misy ny fakam-panahy sy ny ota
3. Ahoana no fiheveran’ny maro ny ota sy ny fakam-panahy, nefa inona no fampitandreman’ny Baiboly mahakasika ny toe-tsaina toy izany?
3 Ho an’ny olona maro amin’izao andro izao, dia tsy eken’ny sainy ny fisian’izany ota izany. Ataon’ny sasany ho fihomehezana ny teny hoe “ota” ka lazainy ho teny efa lany andro hoenti-manondro kileman-toetran’olombelona. Tsy takatr’izy ireo fa “isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy”. (2 Korintiana 5:10). Ny hafa kosa mety hanao izao teny fanarabiana izao: “Voatohitro daholo na inona na inona, afa-tsy ny fakam-panahy!” Ny sasany indray dia miaina eo anivon’ny kolontsaina mifantoka amin’ny fahazoana fahafaham-po eo no ho eo, na eo amin’ny sakafo izany, na eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, na ny zava-mahafinaritra, na ny fahavitan-javatra. Tsy vitan’ny hoe tian’izy ireo ho azo daholo ny zava-drehetra fa tiany ho azo eo no ho eo koa! (Lioka 15:12). Tsy mijery any ankoatra ny fahafinaretana eo no ho eo izy ireo, tsy mijery ny fifaliana hisy ao amin’ilay “tena fiainana”. (1 Timoty 6:19). Ny Baiboly anefa dia mampianatra antsika hieritreritra tsara sy hijery lavitra, amin’ny fanalavirana an’izay rehetra mety hanimba antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy na amin’ny lafiny hafa. Hoy ny ohabolana ara-tsindrimandry iray: “Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.”—Ohabolana 27:12.
4. Fananarana inona no nomen’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 10:12, 13?
4 Nanoratra ho an’ireo Kristianina tany Korinto i Paoly. Tanàna fantatra ho nanjakan’ny fitondran-tena ratsy i Korinto. Rehefa nanoratra ho azy ireo i Paoly, dia nanome fampitandremana mifanaraka amin’ny zava-misy, dia fampitandremana mahakasika ny fakam-panahy sy ny herin’ny ota. Hoy izy: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:12, 13). Isika rehetra, na tanora isika na antitra, na lahy na vavy, dia tojo fakam-panahy maro any am-pianarana, any am-piasana, na any an-toeran-kafa. Andeha àry hodinihintsika ny tenin’i Paoly sy ny hevitra fonosin’izany ho antsika.
Aza matoky tena loatra
5. Nahoana no mampidi-doza ny fatokian-tena loatra?
5 Hoy i Paoly: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” (1 Korintiana 10:12). Mampidi-doza ny fatokiana loatra ny tanjatsika ara-pitondran-tena. Hita miharihary avy amin’izany mantsy fa mbola tsy tena takatsika ny atao hoe ota sy ny herin’ny ota. Latsaka tao amin’ny fahotana ny olona toa an-dry Mosesy, Davida, Solomona, ary ny apostoly Petera, ka tokony hihevitra ny tenantsika ho tsy mety ho tratran’izany ve isika? (Nomery 20:2-13; 2 Samoela 11:1-27; 1 Mpanjaka 11:1-6; Matio 26:69-75). “Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ny ratsy; fa ny adala fatra-pirehareha ka [matoky tena, NW ]”, hoy ny Ohabolana 14:16. Fanampin’izany, dia izao no nolazain’i Jesosy: “Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” (Matio 26:41). Koa satria tsy misy olona tsy lavorary vita fanefitra amin’ny faniriana mafy hanao ratsy, dia mila mihevitra ny fampitandreman’i Paoly ho zava-dehibe isika ary mila manohitra ny fakam-panahy, satria mety ho lavo isika raha tsy izany.—Jeremia 17:9.
6. Rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no tokony hiomanantsika ho amin’ny fakam-panahy?
6 Fahendrena ny miomana ho amin’ny zava-manahirana tsy ampoizina. Takatr’i Asa Mpanjaka fa ny fotoam-pilaminana no fotoana nety mba hanorenana rafi-piarovana. (2 Tantara 14:1, 5, 6). Fantany fa ho tara loatra raha amin’ny fotoana isian’ny fanafihana vao hiomana. Mitovy amin’izany koa fa rehefa tony ao anatin’ny tarehin-javatra milamina ianao no tsara indrindra hanapahana hevitra momba izay hatao rehefa hisy fakam-panahy. (Salamo 63:6). Nanapa-kevitra ny hifikitra hatrany tamin’ny lalàn’i Jehovah i Daniela sy ny namany natahotra an’Andriamanitra, talohan’ny nanerena azy ireo hihinana tamin’ny sakafo aingitraingitra fihinan’ny mpanjaka. Noho izany, dia tsy nisalasala izy ireo nifikitra tamin’izay zavatra efa masaka tao an-tsainy, ka tsy nihinana sakafo maloto. (Daniela 1:8). Alohan’ny hisian’ny fakam-panahy, dia aoka isika hanatanjaka ny fahatapahan-kevitsika hitoetra ho madio ara-pitondran-tena. Amin’izay, dia hanan-kery hoenti-manohitra ny ota isika.
7. Nahoana no mampionona ny mahafantatra fa nisy olon-kafa nahatohitra fakam-panahy tamim-pahombiazana?
7 Mampionona antsika erỳ ireto tenin’i Paoly 1 Korintiana 10:13). Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Tohero [ny devoly], ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.” (1 Petera 5:9). Eny, nisy olon-kafa tojo fakam-panahy mitovy amin’izay mahazo antsika, nefa nahatohitra tamim-pahombiazana ireny fakam-panahy ireny noho ny fanampian’Andriamanitra. Afaka manao toy izany koa isika. Miaina eo anivon’ny tontolo iray manana fitondran-tena ratsy anefa ny Kristianina marina, ka afaka manampo ny halaim-panahy isika rehetra na ho ela na ho haingana. Ahoana àry no ahafahantsika matoky fa ho resintsika ny fahalemen’olombelona sy ny fakam-panahy hanota?
ireto: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona”! (Afaka manohitra fakam-panahy isika!
8. Inona no fomba fototra iray analavirana ny fakam-panahy?
8 Ny fomba fototra iray ‘tsy hanompoana ny ota’ intsony dia ny fanalavirana ny fakam-panahy rehefa azo atao izany. (Romana 6:6). Mampirisika mafy toy izao ny Ohabolana 4:14, 15: “Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny làlan’ny ratsy. Manalavira azy; aza mandalo eo akory; mivilia azy, ka mizora.” Matetika no fantatsika mialoha hoe azo inoana hitarika antsika hanota na tsia ny tarehin-javatra sasany. Mazava àry fa ny ‘mizotra’ no zavatra tokony hataon’ny Kristianina, izany hoe ny manalavitra ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra ary ny toerana rehetra mety hamelona fanirian-dratsy sy mety hahatonga antsika harehitry ny filana maloto.
9. Ahoana no anamafisan’ny Soratra Masina ny amin’ny tokony handosirana toe-javatra mampisy fakam-panahy?
9 Ny fandosirana toe-javatra mampisy fakam-panahy no dingana fototra hafa iray handresena fakam-panahy. Izao no torohevitra nomen’i Paoly: “Mandosira ny fijangajangana.” (1 Korintiana 6:18). Hoy ny nosoratany: “Mandosira ny fanompoan-tsampy.” (1 Korintiana 10:14). Nampitandrina an’i Timoty koa ilay apostoly mba handositra ny faniriana tafahoatra hanan-karena, mbamin’ny “filan’ny tanora fanahy”.—2 Timoty 2:22; 1 Timoty 6:9-11.
10. Ohatra roa mifanohitra inona avy no mampiseho ny hasarobidin’ny fandosirana fakam-panahy?
10 Diniho ny nitranga tamin’i Davida mpanjakan’ny Isiraely. Raha nitazana avy teo an-tampon’ny lapany izy, dia nahita vehivavy tsara tarehy iray nandro, ka nameno ny fony ny fanirian-dratsy. Tokony ho niala teo amin’ilay tafo izy ary nandositra an’ilay fakam-panahy. Tsy izany anefa no nataony fa nofotopotorany kosa ny mombamomba an’io vehivavy io, izany hoe i Batseba, ka nanimba ny vokany. (2 Samoela 11:1–12:23). Nanao ahoana kosa anefa ny fihetsik’i Josefa rehefa nampirisika azy mafy hiara-mandry taminy ilay vehivavy ratsy fitondran-tena vadin’ny tompony? Milaza amintsika toy izao ilay fitantarana: “Na dia niteny tamin’i Josefa isan-andro isan-andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy.” Na dia mbola tsy nisy aza ireo didy tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, izay mbola tsy nomena tamin’izany fotoana izany, dia namaly azy toy izao i Josefa: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Indray andro, dia nihazona an’i Josefa izy ka nanao hoe: “Avia handry amiko”! Moa ve i Josefa nijanona teo sady nanandrana nifanazava taminy? Tsia. “Nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.” Tsy nomen’i Josefa fahafahana hitranga ny fakam-panahy hanao firaisana. Nandositra izy!—Genesisy 39:7-16.
11. Inona no mety ho azo atao raha tojo fakam-panahy miverimberina isika?
11 Heverina ho hakanosana indraindray ny fandosirana, kanefa lalam-pahendrena matetika ny fialan’ny tenantsika ara-bakiteny amin’ny toe-javatra iray. Angamba isika tojo fakam-panahy miverimberina any am-piasana. Na dia mety tsy ho afaka hiova asa aza isika, dia mety hisy fomba hafa hialantsika amin’ny tarehin-javatra mampisy fakam-panahy. Mila mandositra an’izay rehetra fantatsika fa ratsy isika, ary tokony ho tapa-kevitra tsy hanao afa-tsy izay tsara. (Amosa 5:15). Any an-toeran-kafa, ny hoe mandositra fakam-panahy dia hitaky ny hanalavirana sary vetaveta ao amin’ny Internet sy toeram-pialam-boly mampiahiahy. Izany koa dia mety hidika ho fanariana gazetiboky na fitadiavana namana vaovao, dia ireo tia an’Andriamanitra sy afaka hanampy antsika. (Ohabolana 13:20). Na inona na inona maka fanahy antsika hanota, dia maneho fahendrena isika raha mandà izany amin’ny fomba hentitra.—Romana 12:9.
Ny fomba ahafahan’ny vavaka manampy antsika
12. Inona no angatahintsika amin’Andriamanitra rehefa mivavaka isika hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”?
12 Manome izao fanomezan-toky mampahery izao i Paoly: “Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13). Ny fomba iray anampian’i Jehovah antsika dia ny famaliany ireo vavaka ataontsika rehefa mangataka ny fanampiany mba hiatrehana amim-pahombiazana ny fakam-panahy isika. Nampianatra antsika hivavaka toy izao i Jesosy Kristy: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy.” (Matio 6:13). Ho valin’ny vavaka amim-pahatsorana toy izany, dia tsy handao antsika ao anatin’ny fakam-panahy i Jehovah fa hanafaka antsika amin’i Satana sy ireo zavatra ataony feno hafetsen-dratsy. (Efesiana 6:11). Tokony hangataka amin’Andriamanitra isika mba hanampiany antsika hahay hanavaka ireo fakam-panahy sy hanan-kery hanoherana azy ireny. Raha mitalaho aminy isika mba tsy hamela antsika ho lavo rehefa alaim-panahy isika, dia hanampy antsika izy mba hahatonga antsika tsy ho resin’ilay “ratsy”, dia i Satana.
13. Inona no tokony hataontsika rehefa tojo fakam-panahy maharitra isika?
13 Tena mila mivavaka amim-kafanam-po isika rehefa tojo fakam-panahy maharitra. Mety hiteraka ady anaty mahery vaika ny fakam-panahy sasany, eny, ady amin’ny eritreritra sy ny fihetsika izay mampahatsiahy antsika mafy fa malemy isika raha ny marina. (Salamo 51:5). Inona, ohatra, no azontsika atao raha mampahory antsika tsy an-kijanona ny fahatsiarovana zava-dratsy nataontsika taloha? Ahoana raha alaim-panahy hiverina amin’izany isika? Aza mianina fotsiny amin’ny fifehezana ny fihetseham-po toy izany, fa ento eo anatrehan’i Jehovah amim-bavaka ilay raharaha—imbetsaka raha ilaina izany. (Salamo 55:22). Amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny fanahiny masina, dia afaka manampy antsika hanadio ny saintsika amin’ny fironana maloto izy.—Salamo 19:8, 9.
14. Nahoana no tena ilaina ny vavaka mba hiatrehana amim-pahombiazana ny fahalemen’olombelona?
14 Rehefa voamarik’i Jesosy fa rendremana ireo apostoliny, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, dia nampirisika mafy toy izao izy: “Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” (Matio 26:41). Ny fomba iray handresena fakam-panahy dia ny fisehoana ho mailo amin’ireo endriny maro samihafa mety hisehoan’ny fakam-panahy, ary eo koa ny fahaiza-manavaka ireo endriny an-kolaka. Faran’izay zava-dehibe koa ny mivavaka tsy misy hataka andro momba ilay fakam-panahy, mba hahatonga antsika ho voaomana ara-panahy hiady amin’ilay izy. Tsy afaka hanohitra samirery ny fakam-panahy isika satria mamely antsika amin’izay mora ahavoazana antsika indrindra izy io. Tena ilaina ny vavaka, satria afaka manamafy ny fiarovantsika ny tenantsika amin’i Satana, ny herin’Andriamanitra. (Filipiana 4:6, 7). Mety hilaintsika koa ny fanohanana ara-panahy sy ny vavaka ataon’ny “loholon’ny kongregasiona”.—Jakoba 5:13-18, NW.
Manaova zavatra hoenti-manohitra ny fakam-panahy
15. Inona no tafiditra amin’ny fanoherana fakam-panahy?
15 Ankoatra ny fanalavirana fakam-panahy rehefa azo atao izany, dia tsy maintsy manao zavatra Matio 4:1-11). Nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7). Manomboka manohitra ny fakam-panahy isika rehefa manatanjaka ny saintsika amin’ny Tenin’Andriamanitra sy manapa-kevitra amin’ny fomba hentitra fa hifikitra amin’ireo fari-pitsipiny. Maneho fahendrena isika raha manao tsianjery sy misaintsaina ireo andinin-teny fototra mifandray amin’ny fahalemen’ny tenantsika manokana. Ho fahendrena ny mitady Kristianina matotra iray—angamba loholona—izay amborahantsika ny fanahiantsika sy azontsika itadiavana fanampiana rehefa sendra tojo fakam-panahy isika.—Ohabolana 22:17.
hoenti-manohitra azy io isika mandra-pahalasan’ilay izy na mandra-piovan’ny toe-javatra. Rehefa nalain’i Satana fanahy i Jesosy, dia nanohitra izy, mandra-pahalasan’ny Devoly. (16. Ahoana no ahafahantsika manana fitondran-tena mahitsy hatrany?
16 Mampirisika mafy antsika mba hitafy ny toetra vaovao ny Soratra Masina. (Efesiana 4:24). Izany dia midika ho famelana an’i Jehovah hamolavola sy hanova antsika. Hoy i Paoly raha nanoratra tamin’i Timoty mpiara-miasa taminy: “Miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao”. (1 Timoty 6:11, 12). Afaka ‘miezaka hitady fahamarinana’ isika, amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra mba hahafantarana tsara ny toetrany, ary koa mba hitondrantsika tena mifanaraka amin’ireo zavatra takiny. Faran’izay zava-dehibe koa ny fandaharam-potoana feno asa kristianina, toy ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fanatrehana fivoriana. Hanampy antsika hitombo ara-panahy sy hanana fitondran-tena mahitsy hatrany ny fanatonana an’Andriamanitra sy ny fanararaotana amin’ny fomba feno ireo fandaharana ara-panahy nataony.—Jakoba 4:8.
17. Ahoana no ahalalantsika fa tsy hahafoy antsika Andriamanitra mandritra ny fakam-panahy?
17 Manome toky antsika i Paoly fa tsy hihoatra mihitsy an’izay azontsika atrehina araka ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika, ny fakam-panahy rehetra mahazo antsika. ‘Hanisy lalana hahafahantsika hahazaka izany’ i Jehovah. (1 Korintiana 10:13). Eny tokoa, tsy hamela ny fakam-panahy hanjary hahery loatra Andriamanitra ka hoe tsy ho ampy hery ara-panahy hihazonana tsy fivadihana isika raha manohy miantehitra aminy. Iriny ny hahitantsika fahombiazana eo amin’ny fanaovan-javatra hoenti-manohitra ny fakam-panahy hanao izay ratsy eo imasony. Fanampin’izany, dia afaka mino izao fampanantenany izao isika: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.—Hebreo 13:5.
18. Nahoana isika no afaka matoky fa ho resintsika ny fahalemen’olombelona?
18 Tsy nisalasala ny amin’izay hiafaran’ilay ady nataon’ny tenany tamin’ny fahalemen’olombelona, i Paoly. Tsy nihevitra ny tenany ho toy ny saribakoly nampahonena sy tsy afa-nanoatra teo an-tanan’ny fanirian’ny nofony, izy. Mifanohitra amin’izany fa izao no nolazainy: “Raha izaho (...), dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” (1 Korintiana 9:26, 27). Afaka mandresy amin’ny ady atao amin’ny nofontsika tsy lavorary koa isika. Ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra dia mampiasa ny Soratra Masina, ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, ireo fivoriana kristianina, ary ny Kristianina matotra hafa, mba hanomezana antsika fampahatsiahivana tsy tapaka, izay manampy antsika handeha amin’ny lala-mahitsy. Noho ny fanampiany, dia afaka ny handresy ny fahalemen’olombelona isika!
Tadidinao Ve?
• Inona no tiana holazaina amin’ny hoe ‘mihevitra ny nofo’?
• Ahoana no iomanantsika ho amin’ny fakam-panahy?
• Inona no azontsika atao mba hiatrehana amim-pahombiazana ny fakam-panahy?
• Inona no anjara asan’ny vavaka eo amin’ny fiatrehana ny fakam-panahy?
• Nahoana no fantatsika fa azo atao ny mandresy ny fahalemen’olombelona?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 10]
Tsy zavatra ampianarin’ny Baiboly ny hoe tsy afa-manoatra eo anoloan’ny fanirian’ny nofo isika
[Sary, pejy 12]
Ny fandosirana fakam-panahy no fomba fototra iray hanalavirana ny ota