Miatrika Fitsarana ny Fitsanganan’i Jesosy Tamin’ny Maty
Miatrika Fitsarana ny Fitsanganan’i Jesosy Tamin’ny Maty
“Afaka milaza aminareo amim-pahatsorana aho fa na dia azontsika antoka tanteraka aza fa velona i Jesosy (...), dia tsy azontsika antoka toy izany kosa ny nananganan’Andriamanitra Azy tamin’ny maty.” Izany no nolazain’ny arsevekan’i Cantorbéry, mpitondra fivavahana mitana toerana ambony ao amin’ny Eglizy Anglikanina.
TSY nanana fisalasalana toy izany i Paoly, apostoly kristianina. Ao amin’ny toko faha-15 amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry voalohany, nosoratany ho an’ireo Kristianina tany Korinto fahiny, dia izao no nambarany: “Natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina”.—1 Korintiana 15:3, 4.
Ny finoana ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty no nanosika ny mpianany hitory ny filazantsara nanerana ny tontolo grika sy romanina, eny, ‘teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’. (Kolosiana 1:23). Raha ny marina, dia ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty mihitsy no fototry ny finoana kristianina.
Vao teo am-piandohana mihitsy anefa, dia efa nisy nisalasala sy tsy nino, ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Ho an’ireo Jiosy tamin’ny ankapobeny, dia fitenenan-dratsy ny nilazan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy fa iny lehilahy nohomboana iny no Mesia. Ary ho an’ny ankamaroan’ireo Grika nahita fianarana, izay nino ny tsy fahafatesan’ny fanahy, dia tsy azon’ny saina ekena ny fitsanganana amin’ny maty.—Asan’ny Apostoly 17:32-34.
Olona maoderina misalasala
Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy manam-pahaizana sasany mitonona ho Kristianina, kanefa namoaka boky sy lahatsoratra izay nanilika ny fitsanganan’i Jesosy ho toy ny angano, ka nahatonga adihevitra mafana momba io foto-kevitra io. Misy manam-pahaizana maro samihafa koa manao fikarohana momba “ilay Jesosy voalazan’ny tantara”. Manizingizina izy ireo fa zavatra noforomporonina fotsiny, hono, ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara momba ilay fasana foana sy ny nisehoan’i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Noforonina ela be tatỳ aorian’ny nahafatesan’i Jesosy, hono, ireo fitantarana ireo, mba hoenti-manaporofo ireo filazana fa nahazo fahefana any an-danitra i Jesosy.
Raiso, ohatra, ny fomba fijerin’ilay manam-pahaizana alemà atao hoe Gerd Lüdemann, mpampianatra Testamenta Vaovao sy mpanoratra ilay boky hoe Izay Nitranga Marina Tamin’i Jesosy—Fandinihana Ara-tantara Ilay Fitsanganana Tamin’ny Maty (anglisy). Manizingizina izy fa “hevitra poakaty” tsy maintsy lavin’izay rehetra manana ny “fomba fijery siantifikan’izao tontolo izao”, hono, ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.
Manantitrantitra ny Profesora Lüdemann fa ilay Kristy natsangana tamin’ny maty niseho tamin’i 1 Korintiana 15:5, 6). Raha fintinina, dia izao: Ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty dia aravon’ny manam-pahaizana maro ho zavatra any an-tsaina fotsiny, izay nahatonga ireo mpianatra hanana fatokian-tena indray teo amin’ny lafiny ara-panahy sy hanana zotom-po indray teo amin’ny fitoriana.
Petera, hono, dia tsy inona fa fahitana vokatry ny alahelo mafy nahazo azy sy vokatry ny fahatsapany ho meloka loatra noho ny nandavany an’i Jesosy. Araka ny filazan’i Lüdemann, dia toe-javatra nahitana “vahoaka nientana tafahoatra ka toa tsy tompon’ny tenany” ilay fisehoan’i Jesosy indray mandeha tamin’ny mpino maherin’ny 500. (Mazava loatra fa maro no tsy liana firy amin’ny adihevitra ifanaovan’ireo manam-pahaizana. Tokony hahaliana antsika rehetra anefa ny fandinihana ny amin’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Fa nahoana? Satria raha tsy natsangana tamin’ny maty izy, dia diso ny fototra iorenan’ny Kristianisma. Raha tena nisy kosa anefa ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, dia miorina amin’ny fahamarinana ny Kristianisma. Ary raha izany no izy, dia tsy vitan’ny hoe voamarina fotsiny izay nambaran’i Kristy, fa voamarina koa izay nampanantenainy. Raha misy fitsanganana amin’ny maty, dia tsy mpandresy akory ny fahafatesana, fa fahavalo azo resena kosa.—1 Korintiana 15:55.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Avy amin’ny Self-Pronouncing Edition of the Holy Bible, misy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques sy ny Dikan-teny Nohavaozina