Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nandresy ny Fanenjehan’ny Nazia Ireo Olona Be Herim-po Tsy Nivadika

Nandresy ny Fanenjehan’ny Nazia Ireo Olona Be Herim-po Tsy Nivadika

Miorena Amin’ny Fomba Feno sy Amim-piekena Mafy

Nandresy ny Fanenjehan’ny Nazia Ireo Olona Be Herim-po Tsy Nivadika

“ANAKA, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11). Ahariharin’io fiangaviana amim-pitiavana io fa afaka mampifaly ny fon’i Jehovah ireo zavaboary manan-tsaina nataony, satria tsy mivadika aminy izy ireo. (Zefania 3:17). I Satana, ilay mpiteny ratsy an’Andriamanitra anefa, dia tapa-kevitra ny hitarika an’ireo manompo an’i Jehovah hivadika.​—Joba 1:10, 11.

Nanomboka tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faha-20 indrindra, no nanamparan’i Satana fahatezerana lehibe tamin’ny vahoakan’i Jehovah, rehefa nazera avy tany an-danitra ho etỳ amin’ny manodidina ny tany izy. (Apokalypsy 12:10, 12). ‘Niorina tamin’ny fomba feno sy tamim-piekena mafy’ anefa ny Kristianina marina, no sady tsy nivadika tamin’Andriamanitra. (Kolosiana 4:12, NW ). Andeha isika handinika vetivety ny ohatra miavaka iray ny amin’ny tsy fivadihana toy izany, dia ny ohatr’ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, taloha sy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Nahatonga fitsapana ny tsy fivadihana ny asa natao tamin-jotom-po

Nandritra ireo taona 1920 sy teo am-piandohan’ireo taona 1930, dia nizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly be dia be ireo Bibelforscher, araka ny nahafantarana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, tamin’izany fotoana izany. Teo anelanelan’ny 1919 sy 1933, dia boky, na bokikely, na gazety valo, tamin’ny antsalany, no napetrak’izy ireo tamin’ny fianakaviana tsirairay tany Alemaina.

Anisan’ireo tany nisy voahosotra mpanara-dia an’i Kristy betsaka indrindra i Alemaina, tamin’izany fotoana izany. Raha ny marina, dia efa ho 30 isan-jaton’ireo olona 83 941 naneran-tany, nandray anjara tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo tamin’ny 1933, no nipetraka tany Alemaina. Tsy ela dia niharan’ny fitsapana faran’izay mafy ny tsy fivadihan’ireo Vavolombelona alemà ireo. (Apokalypsy 12:17; 14:12). Noroahina tamin’ny asany, nanaovana bemidina tany an-tranony, ary noroahina tany an-tsekoly izy ireo, ary vetivety teo dia nihamafy izany, ka nokapohina sy nosamborina ary naiditra am-ponja izy ireo. (Sary 1). Vokatr’izany, tao anatin’ireo taona nitarika ho amin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia Vavolombelon’i Jehovah ny 5 ka hatramin’ny 10 isan-jaton’ireo olona rehetra tany amin’ny toby fitanana.

Ny antony nanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelona

Nahoana anefa ireo Vavolombelon’i Jehovah no nampahatezitra mafy ny fitondrana nazia? Ao amin’ilay bokiny hoe Hitler​1889-1936: Avonavona Tafahoatra (anglisy), dia nomarihin’i Ian Kershaw, mpampianatra tantara, fa nanjary lasibatry ny fanenjehana ireo Vavolombelona, satria tsy nety “nanaiky ny fitakiana jadon’ny fanjakana nazia” izy ireo.

Ilay boky hoe Fivadihana​Ireo Eglizy Alemà sy ny Fandripahana Tambabe (anglisy), natontan’i Robert P. Ericksen, mpampianatra tantara, sy i Susannah Heschel, mpampianatra ny tantaran’ny Jiosy, dia nanazava fa ireo Vavolombelona dia “nanda tsy handray anjara tamin’ny herisetra na ny fampiasana ny hery ara-tafika. (...) Nino ny fialanalanana teo amin’ny politika ny Vavolombelona, ka nidika izany fa tsy ho nandatsa-bato ho an’i Hitler izy ireo, ary tsy ho nitsaoka an’i Hitler”. Araka io boky io ihany, dia izany no nampahatezitra mafy ny Nazia, ka nahatonga ireo Vavolombelona ho lasibatra, satria “tsy ho nilefitra nanoloana izany fandavana izany ny Sosialisma Nasionaly [Nazia]”.

Olona naneran-tany nilaza ny tsy fankasitrahany sy fanafihana nahery vaika

Tamin’ny 9 Febroary 1934, i Joseph F. Rutherford, izay loha laharana tamin’ny asa tamin’izany fotoana izany, dia nandefa iraka manokana iray hitondra taratasy ho an’i Hitler, nilazany ny tsy fankasitrahany ny tsy fileferan’ny Nazia. (Sary 2). Tamin’ny 7 Oktobra 1934, nanaraka ny taratasin’i Rutherford, dia nandefa ho an’i Hitler, taratasy sy telegrama tokony ho 20 000, nilaza ny tsy fankasitrahany koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany 50, anisan’izany i Alemaina.

Ho setrin’izany, dia vao mainka nanenjika azy ireo ny Nazia. Voarara ny asan’ny Vavolombelona nanerana ilay firenena, tamin’ny 1 Aprily 1935. Ary nampihatra fanafihana nahery vaika tamin’izy ireo ny Gestapo (na polisy miafina), nanomboka tamin’ny 28 Aogositra 1936. Na izany aza, dia nomarihin’ilay boky hoe Fivadihana​Ireo Eglizy Alemà sy ny Fandripahana Tambabe (anglisy) fa “nanohy nizara taratasy mivalona sy nitana ny finoany ihany” ireo Vavolombelona.

Tamin’ny 12 Desambra 1936, ohatra, dia toa jamba ny Gestapo fa tsy nahita akory ireo Vavolombelona tokony ho 3 500, teo ambanin’ny masony, nizara taratasy an’aliny maro mahakasika ny fampijaliana azy ireo. Nilaza toy izao momba iny fizarana manokana iny Ny Tilikambo Fiambenana: “Fandresena lehibe izy iny ary nanindrona mafy ny fahavalo koa, ka tsy hay lazaina ny fifalian’ireo mpiasa nahatoky.”​—Romana 9:17.

Nandamòka ny fanenjehana!

Nitady ireo Vavolombelon’i Jehovah hatrany ny Nazia. Tamin’ny 1939, dia efa 6 000 izy ireo no naiditra am-ponja, ary an’arivony maro no nalefa tany amin’ny toby fitanana. (Sary 3). Nanao ahoana ny toe-javatra tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa? Tokony ho 2 000 ireo Vavolombelona naiditra am-ponja ka maty, ary maherin’ny 250 tamin’izy ireo no novonoina ho faty. Na izany aza, dia “nifikitra tamin’ny finoany ny ankamaroan’ireo Vavolombelon’i Jehovah, tao anatin’ny fahoriana”, hoy ny nosoratan’i Ericksen sy i Heschel, mpampianatra. Vokatr’izany, dia maherin’ny arivo ireo Vavolombelona nivoaka ho mpandresy avy tany amin’ireo toby, rehefa niongana ny fitondran’i Hitler.​—Sary 4; Asan’ny Apostoly 5:38, 39; Romana 8:35-37.

Avy aiza no nahazoan’ny vahoakan’i Jehovah ilay hery hoenti-miaritra fanenjehana? Manazava toy izao i Adolphe Arnold, izay tafavoaka velona avy tany amin’ny toby fitanana: “Na dia faran’izay ketraka sy osa aza ianao, dia mahita anao i Jehovah, mahafantatra ny manjo anao izy, ka hanome anao ny tanjaka ilainao mba handresena ilay toe-javatra, ka tsy hivadika. Tsy fohy loatra ny tanany.”

Tena mihatra tsara amin’ireo Kristianina nahatoky ireo ny tenin’i Zefania mpaminany! Nilaza izy hoe: “Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, mahery Izy ka hamonjy; hiravoravo anao amin’ny fifaliana Izy”. (Zefania 3:17). Enga anie izay rehetra mivavaka amin’ilay Andriamanitra marina ankehitriny ka hanahaka ny finoan’ireo Vavolombelona nahatoky ireo, izay tsy nivadika mihitsy na dia nenjehin’ny Nazia aza, ka hampifaly ny fon’i Jehovah toa azy ireo koa.​—Filipiana 1:12-14.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

Państwowe Muzeum Oświȩcim-Brzezinka, courtesy of the USHMM Photo Archives