“Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”
“Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”
SADY poety izy no mpanao mari-trano no mpanjaka. Nanankarena nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra eran-tany izy, satria maherin’ny 10 000 tapitrisa iraimbilanja ny vola noraisiny isan-taona. Fanta-daza tamin’ny fahendreny koa ilay lehilahy. Niaiky volana aoka izany ny mpanjakavavy iray nitsidika azy, hany ka vaky vava hoe: “Hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.” (1 Mpanjaka 10:4-9). Izany no toeran’i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely fahiny.
Sady nanankarena i Solomona no nanam-pahendrena. Ary izany no nahatsara toerana azy manokana hilaza hoe iza amin’ireo roa ireo no tena tsy maintsy ilaina. Izao no nosoratany: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.”—Ohabolana 3:13-15.
Aiza anefa no mety hahitana ny fahendrena? Nahoana no sarobidy kokoa noho ny harena izy io? Inona avy no lafiny mahasarika aminy? Manome valiny tena mahaliana amin’ireo fanontaniana ireo ny Ohabolana toko faha-8, boky ao amin’ny Baiboly, nosoratan’i Solomona. Aseho ho toy ny olona afaka miteny sy manao zavatra ny fahendrena ao. Manasa mivantana koa ny fahendrena ary mampiharihary ny hasarobidiny.
Tsy mitsahatra ‘miantso mafy’ izy
Manomboka amin’izao fanontaniana fampieritreretana izao ny Ohabolana toko faha-8: “Tsy miantso va ny fahendrena, ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?” Tsy mitsahatra miantso tokoa ny fahendrena sy ny fahalalana, nefa tena tsy mitovy amin’ilay vehivavy ratsy fitondran-tena izay mamitsaka eny amin’ny toerana maizina sy mibitsibitsika teny mandrobo ao an-tsofin’ny tanora tsy mana-namana sy mora fitahina. (Ohabolana 7:12). “Eo an-tampon’ny fitoerana avo amoron-dàlana sy eo an-tsampanan-dàlana no ijoroany. Eo anilan’ny vavahady, amin’ny fidirana ho ao an-tanàna, sy eo anaty vavahady no iantsoany mafy”. (Ohabolana 8:1-3). Re tsara sy mazava eny amin’ny toerana faleham-bahoaka—dia eny am-bavahady sy eny amin’ny sampanan-dalana ary eny amin’ny fidirana ao an-tanàna—ny feo mafy sy feno fahasahian’ny fahendrena. Mora amin’ny olona ny mandre io feo io sy manaraka azy io.
Tsy marina ve fa saika ny olona rehetra maniry hahazo ny fahendren’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly, Teniny ara-tsindrimandry, no afaka mahazo azy io? “Ny Baiboly no boky be mpamaky indrindra teo amin’ny tantara”, hoy Ny Boky Rakipahalalana Momba Izao Tontolo Izao (anglisy). Izao koa no lazainy: “Ny Baiboly no boky voazara betsaka kokoa noho ny boky hafa rehetra. Nadika imbetsaka kokoa sy tamin’ny fiteny maro kokoa noho ny boky hafa rehetra koa ny Baiboly.” Maherin’ny 90 isan-jaton’ny fianakavian’olombelona no afaka mahazo, fara faharatsiny, ampahany amin’ny Tenin’
Andriamanitra amin’ny fiteniny, satria misy amin’ny fiteny sy fitenim-paritra 2 100 ny Baiboly manontolo na ny tapany aminy.Mitory ny hafatry ny Baiboly amin’ny besinimaro hatraiza hatraiza ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazoto mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy mampianatra ny olona ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, any amin’ny tany 235. Avoaka amin’ny fiteny 140 Ny Tilikambo Fiambenana, ary amin’ny fiteny 83 ny Mifohaza! Miorina amin’ny Baiboly ireo gazety ireo, ary maherin’ny 20 tapitrisa avy no indray mivoaka aminy. Tena tsy mitsahatra miantso mafy eny amin’ny toerana faleham-bahoaka tokoa ny fahendrena!
“Ny feoko ho amin’ny zanak’olombelona”
Manomboka miteny ny fahendrena aseho ho toy ny olona hoe: “Hianareo no antsoiko, ry olona; ary ny feoko ho amin’ny zanak’olombelona. Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; ary fantaro ny fahalalana, ry adala.”—Ohabolana 8:4, 5.
Ho an’ny rehetra ilay antson’ny fahendrena. Alefany ho an’ny taranak’olombelona manontolo ny fanasany. Na dia ny kely saina aza dia asaina mba hahazo fahiratan-tsaina, na fahamalinana, ary ny adala asaina hahazo fahalalana na fahazoana hevi-javatra. Mino tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah fa boky ho an’ny olona rehetra ny Baiboly, ary miezaka mafy izy ireo tsy hizaha tavan’olona, fa mampirisika ny olona hitany kosa handinika azy io mba hahita ny tenim-pahendrena ao anatiny.
‘Ny marina no holazain’ny vavako’
Manohy ny fanasany toy izao ny fahendrena: “Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ny molotro. Fa ny marina ihany no holazain’ny vavako; ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ny molotro. Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.” Eny, tsara dia tsara sady marina sy mahitsy ny fampianaran’ny fahendrena. Tsy misy fitaka na fiolakolahana ao aminy. “Miharihary avokoa izy, raha amin’ny mazava saina, ary mahitsy, raha amin’ny efa nahazo fahalalana.”—Ohabolana 8:6-9.
Mety indrindra raha mampirisika toy izao ny fahendrena: “Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.” Ara-dalàna io fiangaviana io, satria “ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy”. (Ohabolana 8:10, 11). Nahoana anefa? Nahoana ny fahendrena no sarobidy noho ny harena?
“Ny vokatro dia tsara noho ny volamena”
Sarobidy kokoa noho ny volamena sy ny volafotsy ary ny voahangy ny fanomezana atolotry ny fahendrena ho an’ny mpihaino azy. Niteny toy izao ny fahendrena, rehefa nitanisa ireny fanomezana ireny: “Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, ary hitan’ny fahalalako ny fisainana mazava. Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny làlana ratsy ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.”—Ohabolana 8:12, 13.
Ohabolana 9:10). Noho izany, dia mankahala izay ankahalain’i Jehovah izy. Tsy miavonavona izy, tsy mirehareha, tsy ratsy fitondran-tena, ary tsy mandainga. Miaro azy tsy hanararaotra fahefana ny fankahalany ny ratsy. Zava-dehibe tokoa ny itadiavan’ireo manana andraikitra eo amin’ny kongregasiona kristianina sy ny loham-pianakaviana fahendrena!
Manome fahiratan-tsaina sy fisainana mazava ho an’ny manana azy ny fahendrena. Sady manaja no matahotra an’Andriamanitra koa ny olona manana ny fahendren’Andriamanitra, satria “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. (“Ahy ny fisainana sy ny fanambinana”, hoy ihany ny fahendrena. “Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery; izaho no anjakan’ny mpanjaka sy andidian’ny mpanapaka araka ny rariny; izaho no anapahan’ny andriandahy sy ny lehibe, dia ny mpitsara rehetra amin’ny tany.” (Ohabolana 8:14-16). Anisan’ny vokatry ny fahendrena ny fahaiza-mahataka-javatra sy ny fahalalana ary ny hery, dia ireo lafin-javatra tena ilain’ny mpanapaka sy ny andriandahy ary ny lehibe. Tena mila fahendrena ireo manana fahefana sy manoro hevitra ny hafa.
Afaka mahazo ny tena fahendrena mora foana ny rehetra, nefa tsy ny rehetra no mahita azy io. Mandà na manalavitra azy io ny sasany, na dia efa eo ambany masony aza izy io. “Tiako izay tia ahy”, hoy ny fahendrena “ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.” (Ohabolana 8:17). Izay mazoto mitady ny fahendrena ihany no hahita azy.
Marina sy mahitsy ny lalan’ny fahendrena. Mamaly soa ny mpitady azy izy io. Hoy ny fahendrena: “Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana. Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, ary ny fitomboan’ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina. Amin’ny alehan’ny fahamarinana no izorako, dia ao amin’ny làlan’ny fitsarana marina, mba hampandovako harena izay tia ahy, sy hamenoako ny firaketany.”—Ohabolana 8:18-21.
Ankoatra ireo toetra tsara dia tsara toy ny fahamalinana, ny fahaiza-misaina, ny fanetren-tena, ny fahaiza-mahataka-javatra, ny fahendrena azo ampiharina sy ny fahalalana, dia anisan’ny fanomezana atolotry ny fahendrena koa ny harena sy ny voninahitra. Mety hahazo harena amin’ny fahamarinana tokoa ny olona hendry, no sady hambinina ara-panahy koa. (3 Jaona 2). Ahazoan’ny olona iray voninahitra koa ny fahendrena. Ankoatra izany, dia afa-po noho izay azony izy, ary milamin-tsaina sy manana fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra. Eny, sambatra izay olona mahita fahendrena. Tena tsara noho ny tena volamena sy volafotsy voafantina tokoa ny vokatry ny fahendrena.
Isika dia miaina ao amin’ny tontolo miahy fatratra ny amin’ny zavatra ara-nofo, izay manantitrantitra ny fahazoana harena amin’ny fomba rehetra, na inona na inona vidiny. Tonga amin’ny fotoana ilantsika azy tokoa àry io torohevitra io! Enga anie isika tsy hanadino mihitsy fa sarobidy ny fahendrena, na hitady fomba Matio 24:45-47, NW.
tsy marina hahazoan-karena. Aoka tsy hataontsika tsirambina mihitsy—mba hoe hahazoana harena fotsiny—ireo fandaharana manome fahendrena, dia ireo fivoriantsika kristianina sy ny fianarantsika manokana ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”.—“Izaho notendreny hatramin’ny fahagola”
Tsy fomba hanazavana ny lafiny mampiavaka ny toetra iray tsy azo tsapain-tanana fotsiny akory ilay fahendrena aseho ho toy ny olona, ao amin’ny Ohabolana toko faha-8, fa mampiseho an-tsary an’ilay lehibe indrindra amin’ny zavaboarin’i Jehovah koa. Manohy ny teniny toy izao ny fahendrena: “Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ny alehany, ho voalohany amin’ny asany hatramin’ny taloha. Izaho notendreny hatramin’ny fahagola, eny, hatramin’ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho, fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, na ny voalohan’ny vovo-tany ambonin’izao rehetra izao.”—Ohabolana 8:22-26.
Mifanentana tsara amin’izay voalaza momba “ny Teny” ao amin’ny Soratra Masina tokoa io filazalazana momba ny fahendrena aseho ho toy ny olona io! “Tamin’ny voalohany ny Teny”, hoy ny apostoly Jaona, “ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” (Jaona 1:1). Mampiseho an’ohatra an’i Jesosy Kristy zanak’Andriamanitra, fony izy mbola tsy olombelona, ny fahendrena aseho ho toy ny olona.
I Jesosy Kristy no “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita”. (Kolosiana 1:15, 16). “Raha namorona ny lanitra Izy [ Jehovah]”, hoy ihany ny fahendrena aseho ho toy ny olona, “dia tany aho, raha namaritra ny habakabaka tambonin’ny lalina Izy. Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, raha niboiboika fatratra ny loharanon’ny lalina, raha nanisy faritra ho an’ny ranomasina Izy, mba tsy hahazoan’ny rano mihoatra ny fetrany, ary nandidy ny amin’ny fanorenan’ny tany,—dia mpità-marika teo anilany aho sady ravoravo isan-andro isan-andro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, ary naharavoravo ahy ny zanak’olombelona.” (Ohabolana 8:27-31). Teo akaikin-dRainy sy niara-niasa taminy tamim-pahavitrihana ny Lahimatoan’i Jehovah Mpamorona tsy manan-tsahala ny lanitra sy ny tany. Rehefa namorona ny olombelona voalohany i Jehovah Andriamanitra, dia Mpità-marika niara-niasa taminy ny Zanany. (Genesisy 1:26). Tsy mahagaga raha nahaliana be an’ilay Zanak’Andriamanitra sady tiany erỳ mihitsy aza ny olombelona!
“Sambatra izay olona mihaino ahy”
Miteny toy izao ilay fahendrena aseho ho toy ny olona, dia ilay Zanak’Andriamanitra: “Mihainoa ahy hianareo, anaka; fa sambatra izay manaraka ny diako; minoa anatra, ka hendre, fa aza mandà. Sambatra izay olona mihaino ahy ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, ary miandry eo amin’ny tolam-baravarako. Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana sady mahazo sitraka amin’i Jehovah; fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ny fanahiny; ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.”—Ohabolana 8:32-36.
I Jesosy Kristy mihitsy no sary velon’ny fahendren’Andriamanitra. Izy no “iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra”. (Kolosiana 2:3). Andeha àry isika hihaino azy amim-pitandremana sy hanaraka akaiky ny diany. (1 Petera 2:21). Raha mandà azy isika dia hitondra loza ho an’ny tenantsika, sady ho tia fahafatesana, satria “tsy misy famonjena amin’ny hafa”. (Asan’ny Apostoly 4:12). Andeha tokoa àry isika hanaiky an’i Jesosy ho ilay nomen’Andriamanitra hamonjy antsika. (Matio 20:28; Jaona 3:16). Amin’izay isika dia hahita fahasambarana, noho ny ‘fahitana fiainana sy fahazoana sitraka amin’i Jehovah’.
[Sary, pejy 26]
Tena mila fahendrena ireo manana fahefana
[Sary, pejy 27]
Aza atao tsirambina ireo fandaharana manome fahendrena