Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fankatoavana​—Zava-dehibe ve ny Hampianarana ny Ankizy Azy Io?

Fankatoavana​—Zava-dehibe ve ny Hampianarana ny Ankizy Azy Io?

Fankatoavana​—Zava-dehibe ve ny Hampianarana ny Ankizy Azy Io?

“OLONA Manana ny Maha Izy Azy, fa Tsy Ankizy Mpankatò Fotsiny, no Ilain’ny Ray Aman-dreny”. Izany no lohatenin’ny lahatsoratra an-gazety iray. Niorina tamin’ny vokatry ny fanadihadiana iray natao tany Nouvelle-Zélande io tatitra fohy io. Hita avy tamin’io fanadihadiana io fa tsy nisy afa-tsy “22 isan-jaton’ireo namaly no nihevitra fa tokony hampianarina hankatò ny ankizy, any an-tokantrano”. Izao koa no hita tamin’ilay fanadihadiana: Misy ray aman-dreny mihevitra ankehitriny fa zava-dehibe lavitra ny hampianarana ny ankizy zavatra, toy ny fahalalam-pomba, fahaleovan-tena, ary fahatsapana andraikitra.

Hindrahindraina amin’izao andro izao ny fanaovan’ny tsirairay zavatra araka izay saim-pantany, sy ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena manokana. Tsy mahagaga àry raha tsy azoazon’ny olona ny mankatò sy ny mampianatra ny ankizy hankatò. Tokony hoheverina tsotra izao ho lamaody antitra sy lany andro anefa ve ny fankatoavan’ny ankizy? Sa kosa izy io anisan’ireo zava-dehibe azon’ny ankizy ianarana sy andraisan-tsoa? Ary ny mbola zava-dehibe kokoa, dia hoe: Ahoana no fijerin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fianakaviana, raha ny fankatoavana ray aman-dreny no resahina? Ary inona no sasany amin’ireo tombontsoa azo avy amin’izany fankatoavana izany?​—Asan’ny Apostoly 17:28; Efesiana 3:14, 15.

“Marina izany”

Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny kongregasiona kristianina tany Efesosy tamin’ny taonjato voalohany: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany.” (Efesiana 6:1). Koa ny antony voalohany tokony hankatoavana ray aman-dreny àry, dia satria mifanaraka amin’izay marina eo imason’Andriamanitra izany. “Marina izany”, hoy i Paoly.

Mifanaraka amin’izany, dia tsara homarihina fa resahin’ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny firavaka tsara tarehy ny fifehezana amim-pitiavana ampiharin’ny ray aman-dreny. Eny, lazainy ho toy ny ‘fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao sy rado amin’ny vozonao’ izy io, ary resahiny koa ho toy ny zavatra “ankasitrahana ao amin’ny Tompo.” (Ohabolana 1:8, 9; Kolosiana 3:20). Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa fa mahatonga ny tena tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny tsy fankatoavana ray aman-dreny.​—Romana 1:30, 32.

“Mba hahita soa ianao”

Nanintona ny saina ho amin’ny lafiny hafa iray mahatsara ny fankatoavana i Paoly rehefa nanoratra hoe: “ ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’ ”. (Efesiana 6:2, 3; Eksodosy 20:12). Amin’ny ahoana ny fankatoavana ray aman-dreny no mety hitondra soa ho an’ny tena?

Tsy marina ve aloha fa tombony ho an’ny ray aman-dreny ny taona niainany sy ireo fiainana nodiaviny? Mety ho toa tsy mahalala firy momba ny ordinatera na taranja hafa ampianarina any an-tsekoly ny ray aman-dreny. Mahalala zavatra betsaka momba ny fiainana sy ny fiatrehana ireo olana eo amin’ny fiainana anefa izy ireo. Ny tanora kosa dia tsy manana ilay fomba fisaina voalanjalanja, izay azo avy amin’ny fahamatorana. Vokatr’izany, dia mirona hanao fanapahan-kevitra maimaika izy ireo, ary matetika no milefitra eo anoloan’ny fitaoman’ireo mitovy taona aminy, hany ka voa amin’ny ataony ihany. Araka ny zava-misy ilay voalazan’ny Baiboly, manao hoe: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”. Inona no vahaolana? “Ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.”​—Ohabolana 22:15.

Tsy mijanona eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka fotsiny ny soa azo amin’ny fankatoavana, fa mihoatra lavitra an’izany. Mba hahatonga ny fiaraha-monina hizotra tsara sy hamokatra, dia tsy maintsy misy ny fiaraha-miasa. Mitaky fankatoavana ihany anefa ny fiaraha-miasa. Ao amin’ny fanambadiana, ohatra, dia olona vonon-kandefitra, fa tsy olona sarotiny sy tsy miraharaha ny zon’ny hafa mbamin’ny fihetseham-pony, no mampisy filaminana, sy fifanarahana, ary fahasambarana. Any am-piasana, dia tena zava-dehibe ny haneken’ny mpiasa ny lehibeny raha tiana hahomby izay asa atao. Raha ny lalàna sy ny fitsipika ara-panjakana kosa no resahina, dia tsy vitan’ny hoe mahatonga antsika tsy hiharan’ny sazy ny fankatoavana, fa miaro antsika amin’ny loza koa, fara faharatsiny.​—Romana 13:1-7; Efesiana 5:21-25; 6:5-8.

Matetika no manjary ailiky ny fiaraha-monina ireo tanora tsy mankatò fahefana. Mifanohitra amin’izany kosa fa andraisan-tsoa mandritra ny androm-piainana ny fankatoavana nianarana nandritra ny fahazazana. Mahasoa tokoa ny mianatra azy io mandritra ny fahazazana!

Ny valisoa lehibe noho ny fankatoavana

Mampisy fifandraisana tsara eo amin’ny mpianakavy ny fankatoavana, ary andraisan-tsoa mandritra ny androm-piainana manontolo. Tsy vitan’izany ihany fa izy io koa no fototra azo anorenana ilay fifandraisana lehibe indrindra amin’ny fifandraisana rehetra, dia ny fifandraisan’ny olona iray amin’ilay Mpamorona azy. Rariny loatra raha mendrika ny hankatoavintsika tanteraka i Jehovah Andriamanitra, satria “Mpanao” antsika izy ary ao aminy no misy “loharanon’aina”.​—Mpitoriteny 12:1; Salamo 36:9.

Miseho imbetsaka ao amin’ny Baiboly ireo endriny maro samihafa amin’ny teny hoe “mankatò”. Fanampin’izany, dia misy an-jatony maro ny firesahana momba ireo lalàna, didy, didim-pitsarana, ary fitsipik’Andriamanitra, ary mitaky fankatoavana avokoa izy rehetra ireny. Azontsika antoka fa mihevitra ny fankatoavana ho fepetra takina mba hahazoana ny fankasitrahany Andriamanitra. Eny, anisan’ireo zavatra tena ilaina mba hanorenana fifandraisana amin’i Jehovah ny fankatoavana. (1 Samoela 15:22). Mampalahelo anefa fa ny tsy fankatoavana no fironana efa raiki-tampisaka ao amin’ny olombelona. “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany”, hoy ny Baiboly. (Genesisy 8:21). Noho izany, dia tsy maintsy ianarana ny fankatoavana, tsy mandritra ny fahazazana ihany fa mandritra ny androm-piainana manontolo mihitsy. Mitondra soa lehibe ny fanaovana izany.

Tsarovy fa, araka ny nilazan’ny apostoly Paoly azy, dia misy fampanantenana roa sosona ao amin’ilay didy ny amin’ny tokony hankatoavana ny ray aman-dreny, dia ny hoe: “Hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ny tany”. (Izahay no manao sora-mandry.) Hita ao amin’ny Ohabolana 3:1, 2 ny fanamafisana an’io fampanantenana io. Izao no voalaza ao: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao.” Ny valisoa lehibe ho an’ny olona mankatò dia ny fananana fifandraisana amin’i Jehovah dieny ankehitriny, ary fiainam-piadanana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao.​—Apokalypsy 21:3, 4.

[Sary, pejy 30, 31]

Ny fankatoavana dia mampisy fifandraisana tsara eo amin’ny mpianakavy, sy eo amin’ny mpiara-miasa, ary amin’i Jehovah