Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fisehoan-javatra Iray Tsy Tokony Havelanao Handalo Fotsiny

Fisehoan-javatra Iray Tsy Tokony Havelanao Handalo Fotsiny

Fisehoan-javatra Iray Tsy Tokony Havelanao Handalo Fotsiny

“Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” dia avy amin’Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra.​—Jakoba 1:17.

NY FANOMEZANA lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona mpanota dia ilay fandaharana natao mba hanarenana azy ireo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana. Noho ny nahafatesan’i Jesosy Mpanavotra antsika, dia manjary azo atao ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa. Didiana hahatsiaro ny nahafatesany isika, ao amin’ny Lioka 22:19.

Manasa anao amim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiara-mitandrina aminy an’io didin’i Jesosy io. Io fankalazana fanao isan-taona io dia hatao aorian’ny filentehan’ny masoandro, amin’ny daty mifanitsy amin’ny 14 Nisana amin’ny kalandrie araka ny volana ao amin’ny Baiboly, dia ny alahady 8 Aprily 2001. Mariho io daty io mba tsy hanadinoanao azy. Afaka milaza aminao ny toerana sy ny ora marina hanaovana ilay fivoriana ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao.