“Nanohy Nitombo ny Tenin’i Jehovah”
“Nanohy Nitombo ny Tenin’i Jehovah”
“Mampandeha ny didiny ho amin’ny tany Izy; miely faingana dia faingana ny teniny.”—SALAMO 147:15.
1, 2. Notendren’i Jesosy hanao inona ireo mpianany, ary inona no tafiditra tamin’izany?
HITA ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8 ny iray amin’ireo faminaniana mahatalanjona indrindra ao amin’ny Baiboly. Taloha kelin’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia hoy izy tamin’ireo mpanara-dia azy nahatoky: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko (...) hatramin’ny faran’ny tany.” Ho asa goavana tokoa izany!
2 Notendrena hitory ny tenin’Andriamanitra manerana ny tany ireo mpianatra ireo. Tamin’izy ireo, dia azo antoka fa toa fanendrena nampiraviravy tanana ilay izy, satria vitsy dia vitsy izy ireo. Diniho tokoa ange izay tafiditra tamin’izany e! Tsy maintsy hanampy ny olona hahatakatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. (Matio 24:14). Ny fanaovana fanambarana momba an’i Jesosy dia nitaky koa ny hiresahana tamin’ny hafa ireo zavatra mafonja nampianariny, ary ny hanazavana ny anjara asany ao amin’ny fikasan’i Jehovah. Anisan’ilay asa koa ny fanaovana mpianatra sy ny fanaovana batisa azy ireny. Ary tokony hatao maneran-tany izany!—Matio 28:19, 20.
3. Inona no toky nomen’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy, ary nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo nanoloana ilay asa nomena azy ireo?
3 Na izany aza anefa, dia nanome toky an’ireo mpanara-dia azy i Jesosy fa homba azy ireo ny fanahy masina, eo am-panatanterahana ilay asa nomeny azy ireo. Noho izany, dia nahavita izay nasain’i Jesosy nataony ireo mpianany tany am-boalohany, na dia goavana aza ilay asa nanendrena azy ireo, ary na dia niezaka tsy an-kijanona sy tamin-kerisetra hampangina azy ireo aza ny mpanohitra. Zava-nisy tsy azo lavina teo amin’ny tantara izany.
4. Ahoana no nisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra teo amin’ilay fanirahana hitory sy hampianatra ny hafa?
4 Fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany an’ireo tsy nahalala azy, ny asa fitoriana sy fampianarana maneran-tany. Nahafahan’izy ireo nanatona an’i Jehovah sy nahazo famelan-keloka izany. (Asan’ny Apostoly 26:18). Nampiseho ny fitiavan’Andriamanitra an’ireo nitondra ilay hafatra koa ilay fanirahana azy ireo hitory sy hampianatra, satria namela azy ireo hampiseho ny fifikirany tamin’i Jehovah sy haneho ny fitiavany ny hafa. (Matio 22:37-39). Sarobidy tamin’ny apostoly Paoly aoka izany ny fanompoana kristianina, hany ka niresaka azy io ho toy ny “harena sarobidy” izy.—2 Korintiana 4:7, NW.
5. a) Aiza no ahitantsika ny tantara azo itokisana indrindra momba ny Kristianina tany am-boalohany, ary inona no fitomboana voalazalaza ao? b) Nahoana no misy heviny ho an’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, ny bokin’ny Asan’ny Apostoly?
5 Hita ao amin’ny boky ara-tsindrimandrin’ny Asan’ny Apostoly, izay nosoratan’i Lioka mpianatra, ny tantara azo itokisana indrindra momba ny asa fitoriana nataon’ny Kristianina tany am-boalohany. Fitomboana mahazendana sy haingana no tantaraina ao. Izany fitomboan’ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra izany dia mampahatsiahy antsika ny Salamo 147:15, manao hoe: “Mampandeha ny didiny ho amin’ny tany [i Jehovah]; miely faingana dia faingana ny teniny.” Sady mampientam-po no misy heviny tena lehibe ho antsika ankehitriny, ilay fitantarana momba ireo Kristianina tany am-boalohany, izay nahazo hery tamin’ny fanahy masina. Mitory sy manao mpianatra toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy amin’ny ambaratonga lehibe lavitra. Miatrika zava-manahirana mitovy amin’izay natrehin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany koa isika. Eo am-pandinihantsika ny fomba nitahian’i Jehovah sy nanomezany hery ny Kristianina tany am-boalohany, dia hihamatanjaka ny finoantsika ny fanohanany antsika.
Fitomboana teo amin’ny isan’ny mpianatra
6. Inona no teny milaza fitomboana, izay miseho intelo ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, ary manondro inona izy io?
6 Ny fomba iray andinihana ny fahatanterahan’ny Asan’ny Apostoly 1:8, dia ny famakafakana ilay teny hoe “nanohy nitombo ny tenin’i Jehovah”. Ao amin’ny Baiboly, dia tsy miseho afa-tsy intelo io teny io, sy ireo teny hafa mitovitovy aminy, ary ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly avokoa no ahitana azy rehetra ireo. (Asan’ny Apostoly 6:7, NW; 12:24, NW; 19:20, NW ). Ilay “tenin’i Jehovah” na “tenin’Andriamanitra” voalazan’ireo andininy ireo, dia manondro ny vaovao tsara, izany hoe ilay hafatra mampientam-po momba ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, hafatra velona sy mahery izay nanova ny fiainan’ireo nandray azy io.—Hebreo 4:12.
7. Mifamatotra amin’ny inona ilay fitomboan’ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:7, ary inona no nitranga tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i.?
7 Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:7 no misy firesahana voalohany momba ny fitomboan’ny tenin’Andriamanitra. Izao no vakintsika ao: “Dia [nanohy nitombo, NW ] ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.” Mifamatotra amin’ny fitomboana teo amin’ny isan’ny mpianatra ilay fitomboana resahina eo. Taloha kelin’izay, tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i., dia nilatsaka tamin’ny mpianatra tokony ho 120, izay nivory tao amin’ny efitrano ambony rihana iray, ny fanahy masin’Andriamanitra. Nanao lahateny nampientam-po, avy eo, ny apostoly Petera, ka 3 000 teo ho eo tamin’ireo mpihaino no lasa mpino ny androtr’iny ihany. Tsy maintsy nisahotaka be ihany ny olona rehefa nisy an’arivony maro ireo nitanjozotra tany amin’ny dobo tao Jerosalema sy ny manodidina, mba hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy, izay tsy iza fa ilay lehilahy nohomboana toy ny mpanao heloka bevava, 50 andro teo ho eo talohan’izay!—Asan’ny Apostoly 2:41.
8. Ahoana no nitomboan’ny isan’ireo mpianatra nandritra ireo taona nanaraka ny Pentekosta 33 am.f.i.?
Asan’ny Apostoly 2:47). Tsy ela dia “tonga tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy”. Taorian’izay, dia “nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany”. (Asan’ny Apostoly 4:4; 5:14). Izao no vakintsika momba ny fotoana iray tatỳ aoriana kokoa: “Nanam-piadanana ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ny Fanahy ka nihamaro.” (Asan’ny Apostoly 9:31). Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, angamba tamin’ny 58 am.f.i. tany ho any, dia nisy firesahana ny amin’ny olona ‘an’arivony maro nino’. (Asan’ny Apostoly 21:20, Fandikan-teny Katolika). Efa maro koa ny mpino jentilisa tamin’io fotoana io.
8 Mazava anefa fa vao fiandohana fotsiny izany. Very maina ny ezaka tsy an-kiato nataon’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy mba hampitsaharana ny asa fitoriana. Kivy ratsy ireo mpitarika ireo, satria “ny olom-bonjena dia nanampin’ny Tompo isan-andro ho isan’[ny mpianatra]”. (9. Ahoana no ilazalazanao ny Kristianina tany am-boalohany?
9 Ireo olona niova finoana indrindra indrindra no nahatonga izany fitomboan’isa izany. Vaovao ilay fivavahana, nefa tena narisika ireo olona tao anatiny. Tsy mpiangona nipetra-potsiny ireo mpianatra fa nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah sy ny Teniny kosa. Nianatra ny fahamarinana avy tamin’ireo nenjehina tamin-kalozana izy ireo indraindray. (Asan’ny Apostoly 16:23, 26-33). Ireo nanaiky ny Kristianisma dia nanao izany noho ny fanapahan-kevitra voahevitra tsara sy araka ny feon’ny fieritreretany. (Romana 12:1). Nampianarina ny lalan’Andriamanitra izy ireo; tao an-tsainy sy tao am-pony ny fahamarinana. (Hebreo 8:10, 11). Vonona ny ho faty noho ny finoany izy ireo.—Asan’ny Apostoly 7:51-60.
10. Inona no andraikitra neken’ny Kristianina tany am-boalohany, ary inona no hitantsika mifanitsy amin’izany ankehitriny?
10 Ireo nandray ny fampianarana kristianina dia nanaiky ny andraikiny hilaza ny fahamarinana tamin’ny hafa. Nandray anjara mivantana tamin’ilay fitomboan’isa izany. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Tsy noheverina ho voatokana ho an’ireo tena be zotom-po na ny mpitory voatendry tamin’ny fomba ofisialy ihany, ny fitoriana ny finoana. Tombontsoa sy adidin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny fiangonana, ny fitoriana ny filazantsara. (...) Niezaka an-tsitrapo hiresaka tamin’ny hafa ny Kristianina rehetra, ka niroborobo be hatrany am-piandohana mihitsy ny asan’izy ireo.” Izao koa no nosoratany: “Ny fitoriana ny filazantsara mihitsy no hery nanome aina ny Kristianina tany am-boalohany.” Toy izany koa no izy amin’ny Kristianina marina ankehitriny.
Fitomboana teo amin’ny isan’ny tany nitoriana
11. Karazana fitomboana inona no lazalazaina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:24, ary ahoana no nitrangan’izany?
11 Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:24 ny firesahana fanindroany momba ny fitomboan’ny Tenin’Andriamanitra. Izao no voalaza ao: “[Nanohy nitombo, NW ] sy niely ny tenin’Andriamanitra.” Mifamatotra amin’ny fitomboana teo amin’ny isan’ny tany nitoriana io teny io eto. Niroborobo hatrany ilay asa na dia teo aza ny fanoheran’ny fitondram-panjakana. Tany Jerosalema no nilatsahan’ny fanahy masina voalohany indrindra, ary avy tao no nielezan’ny teny tamin’ny fomba haingana. Nanaparitaka ireo mpianatra tany amin’ireo faritra nanerana an’i Jodia sy Samaria ny fanenjehana tao Jerosalema. Inona no vokany? “Izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.” (Asan’ny Apostoly 8:1, 4). Nasaina nitory tamin’ny lehilahy iray i Filipo. Avy eo, dia nitondra ilay hafatra tany Etiopia ilay lehilahy rehefa avy natao batisa. (Asan’ny Apostoly 8:26-28, 38, 39). Vetivety dia namaka tany Lyda, sy ny Lemak’i Sarôna, ary Jopa, ny fahamarinana. (Asan’ny Apostoly 9:35, 42). Tatỳ aoriana, dia nanao dia an-dranomasina sy an-tanety an’arivony kilaometatra maro ny apostoly Paoly, ka nanorina kongregasiona nanerana ireo tany manamorona an’i Mediterane. Nankany Babylona kosa ny apostoly Petera. (1 Petera 5:13). Telopolo taona taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta, dia nanoratra i Paoly fa ‘notorina teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’ ny vaovao tsara. Ny faritra amin’ny tany efa fantatra tamin’izany fotoana izany angamba no noresahiny teo.—Kolosiana 1:23.
12. Ahoana no nieken’ny mpanohitra ny Kristianisma fa nisy fitomboana teo amin’ny isan’ny tany nitoriana ny tenin’Andriamanitra?
12 Na dia ny mpanohitra ny Kristianisma aza dia niaiky fa namaka nanerana ny tontolo romanina ny tenin’Andriamanitra. Miresaka, ohatra, ny Asan’ny Apostoly 17:6 fa nisy mpanohitra nihiaka toy izao tany Tesalonika, any amin’ny faritra avaratr’i Gresy: “Tonga atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo”. Tany am-piandohan’ny taonjato faharoa, dia nanoratra ho an’i Trajan, Emperora romanina, i Pline Tanora. Tany Bitynia no nanoratany an’io taratasiny io, izay niresahany momba ny Kristianisma, ka nitarainany hoe: “Tsy voafetra ho ao amin’ny tanàn-dehibe fotsiny [ilay izy] fa lasa toy ny areti-mifindra nihanaka tany amin’ireo vohitra sy faritra manodidina.”
13. Nahoana no manome taratry ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona ny fitomboana teo amin’ny isan’ny tany nitoriana?
13 Fisehoan’ny fitiavan’i Jehovah lalina ny olombelona azo avotana, izany fitomboana teo amin’ny isan’ny tany nitoriana izany. Rehefa tsinjon’i Petera fa hita niharihary teo amin’i Kornelio jentilisa ny fiasan’ny fanahy masina, dia hoy izy: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Eny, hafatra ho an’ny olona rehetra ny vaovao tsara. Nihamaro ny isan’ny tany nitomboan’ny tenin’Andriamanitra ka nanana fahafahana hanao zavatra ho setrin’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona, na taiza na taiza nisy azy. Miely ara-bakiteny manerana ny faritra rehetra amin’ny tany ny tenin’Andriamanitra amin’izao taonjato faha-21 izao.
Fitomboana nandresy
14. Karazana fitomboana inona no lazalazaina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:20, ary inona avy no resin’ny tenin’Andriamanitra?
14 Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:20 (NW ) no misy firesahana fanintelony momba ny fitomboan’ny Tenin’Andriamanitra. Izao no voalaza ao: “Tamin-kery, dia tsy nitsahatra nitombo sy nandresy ny tenin’i Jehovah.” Ny teny grika tany am-boalohany nadika hoe “nandresy” dia mampita hevitra hoe “mampihatra hery”. Milaza ireo andinin-teny eo aloha fa maro no tonga mpino tany Efesosy, ary maro tamin’ireo mpanao ody no nandoro ny bokiny teo anoloan’ny olona rehetra. Nandresy an’ireo finoana ara-pivavahana diso àry ny tenin’Andriamanitra. Nandresy vato nisakana hafa, toy ny fanenjehana, koa ny vaovao tsara. Tsy nisy na inona na inona afaka nahasakana azy io. Eto indray koa dia hitantsika fa mifanitsy tsara amin’ny Kristianisma marina amin’izao androntsika izao izany.
15. a) Inona no nosoratan’ny mpahay tantara ara-baiboly iray, mahakasika ny Kristianina tany am-boalohany? b) Iza no nomen’ny mpianatra voninahitra noho ny fahombiazan’izy ireo?
15 Nanambara ny tenin’Andriamanitra tamin-jotom-po ny apostoly sy ny Kristianina hafa tany am-boalohany. Nanamarika toy izao momba azy ireo ny mpahay tantara ara-baiboly iray: “Rehefa maniry hiresaka momba ny Tompo ny olona, dia mahita fomba maro hanaovana izany. Raha ny marina, dia ny antony nanosika ireny lehilahy sy vehivavy ireny no mampiaiky volana anay kokoa noho ny fomba fiasany.” Nanaiky anefa ireny Kristianina tany am-boalohany ireny fa tsy niankina tamin’ny ezaky ny tenany samirery akory ny fahombiazany teo amin’ny fanompoana. Nasain’Andriamanitra hanatontosa ilay asa nanirahany azy izy, ary nanohana azy teo am-panatanterahana izany Andriamanitra. Avy amin’Andriamanitra ny fitomboana ara-panahy. Niaiky ny amin’izany ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’ny kongregasiona tany Korinto. Hoy ny nosoratany: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay”.—1 Korintiana 3:6, 9.
Miasa ny fanahy masina
16. Inona no mampiseho fa nanome hery an’ireo mpianatra ny fanahy masina ka nahatonga azy ireo hiteny tamim-pahasahiana?
16 Tsarovy fa nanome toky an’ireo mpianany i Jesosy fa sady handray anjara amin’ny fitomboan’ny tenin’Andriamanitra ny fanahy masina no hanome hery an’ireo mpianatra, eo amin’ny asa fitoriana ataon’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 1:8). Ahoana no nitrangan’izany? Tsy ela taorian’ny nilatsahan’ny fanahy tamin’ireo mpianatra tamin’ny Pentekosta, dia voantso mba hiteny teo anatrehan’ny Synedriona jiosy, i Petera sy i Jaona. Tsy inona akory ny Synedriona fa ny fitsarana tampony tao amin’ilay tany. Tompon’andraikitra tamin’ny famonoana an’i Jesosy Kristy ireo mpitsara tao amin’izy io. Nipararetra noho ny tahotra ve ireo apostoly nanoloana an’io vondron’olona nanan-kaja sy feno fankahalana io? Tsy izany velively! Nanome hery an’i Petera sy i Jaona mba hiteny tamim-pahasahiana aoka izany ny fanahy masina, hany ka zendana ny mpanohitra azy ireo, ary “fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy”. (Asan’ny Apostoly 4:8, 13). Noho ny asan’ny fanahy masina koa, dia afaka nitory tamim-pahasahiana teo anatrehan’ny Synedriona i Stefana. (Asan’ny Apostoly 6:12; 7:55, 56). Taloha kelin’izay, dia nanosika ireo mpianatra hitory tamim-pahasahiana ny fanahy masina. Mitantara toy izao i Lioka: “Rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.”—Asan’ny Apostoly 4:31.
17. Tamin’ny fomba hafa inona avy no nanampian’ny fanahy masina an’ireo mpianatra, teo amin’ny fanompoany?
17 Nitarika ny asa fitoriana tamin’ny alalan’ny fanahiny masina mahery i Jehovah, miaraka amin’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. (Jaona 14:28; 15:26). Nilatsaka tamin’i Kornelio, sy ny havany, mbamin’ireo sakaiza tsy foiny, ny fanahy. Nanaiky i Petera, noho izany, fa nahafeno fepetra mba hatao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy ny Jentilisa tsy voafora. (Asan’ny Apostoly 10:24, 44-48). Tatỳ aoriana, dia nanana anjara asa lehibe teo amin’ny fanendrena an’i Barnabasy sy i Saoly (ny apostoly Paoly) ho misionera ny fanahy, ary tsy izany ihany fa teo amin’ny fitarihana azy ireo tany amin’izay tokony halehany sy tsy tokony halehany koa. (Asan’ny Apostoly 13:2, 4; 16:6, 7). Nitari-dalana ny apostoly sy ny loholona tao Jerosalema izy io, teo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. (Asan’ny Apostoly 15:23, 28, 29). Teo ambanin’ny fitarihan’ny fanahy masina koa ny fanendrena mpiandraikitra tao amin’ny kongregasiona kristianina.—Asan’ny Apostoly 20:28.
18. Ahoana no nanehoan’ny Kristianina tany am-boalohany fitiavana?
18 Ankoatra izany, dia hita niharihary teo amin’ny Kristianina koa ny fiasan’ny fanahy masina, noho izy io namokatra toetra tsara, toy ny fitiavana. (Galatiana 5:22, 23). Nanosika ny mpianatra hifampizara tamin’ny hafa koa ny fitiavana. Taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i., ohatra, dia nisy tahiry niombonana iray natsangana mba hikarakarana izay zavatra ara-nofo nilain’ireo mpianatra tao Jerosalema. Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo, ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.” (Asan’ny Apostoly 4:34, 35). Tsy ny mpiray finoana ihany no nanehoana izany fitiavana izany, fa ny hafa koa, satria nitoriana ny vaovao tsara sy nanaovana asa naneho hatsaram-panahy izy ireny. (Asan’ny Apostoly 28:8, 9). Nilaza i Jesosy fa ho famantarana ireo mpanara-dia azy ny fitiavana miharo fahafoizan-tena. (Jaona 13:34, 35). Azo antoka fa ny fitiavana, izay toetra tena lehibe, dia nanintona olona ho amin’Andriamanitra ary anisan’ny nahatonga fitomboana tamin’ny taonjato voalohany, tsy misy hafa amin’ny ankehitriny.—Matio 5:14, 16.
19. a) Tamin’ny fomba telo inona avy no nitomboan’ny tenin’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Amin’ny fitambarany, dia miseho in-41 ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny teny hoe “fanahy masina”. Mazava fa nifamatotra akaiky tamin’ny herin’ny fanahy masina sy ny fitarihan’izy io, ny fitomboan’ny Kristianina marina tamin’ny taonjato voalohany. Nitombo ny isan’ireo mpianatra, niely nanerana ny faritra nidadasika ny tenin’Andriamanitra, ary nandresy fivavahana sy filozofia maro nisy tamin’izany fotoana izany izy io. Mifanitsy amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny izany fitomboana tamin’ny taonjato voalohany izany. Miavaka toy izany koa ny fitomboan’ny tenin’Andriamanitra amin’izao andro maoderina izao, ka izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
• Ahoana no nitomboan’ny isan’ny mpianatra tany am-boalohany?
• Tamin’ny fomba ahoana no nielezan’ny tenin’Andriamanitra tany amin’ny tany maro?
• Tamin’ny fomba ahoana no nandresen’ny tenin’Andriamanitra, tamin’ny taonjato voalohany?
• Inona no anjara asan’ny fanahy masina teo amin’ny fitomboan’ny tenin’Andriamanitra?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 12]
Nitory tamin’ilay Etiopianina i Filipo, ka nampiely ny vaovao tsara tany an-tany hafa izany
[Sary, pejy 13]
Nitarika ireo apostoly sy loholona tao Jerosalema ny fanahy masina
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]
Zorony ambony ankavanana: Fampisehoana ny Tanànan’i Jerosalema tamin’ny fotoan’ny Tempoly Faharoa-eo an-tokotanin’ny Hotely Holyland, any Jerosalema