Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nifanohana Izahay

Nifanohana Izahay

Tantaram-piainana

Nifanohana Izahay

NOTANTARAIN’I MELBA BARRY

Tany amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah izaho sy i Lloyd, vadiko, ny 2 Jolay 1999, toy ny efa fanaonay tao anatin’ireo 57 taona nivadianay. Teo am-panaovana ny lahateny farany tamin’ilay fivoriamben’ny distrika tany Hawaii i Lloyd ny zoma no safotra tampoka. Na dia natao aza ny ala nenina rehetra, dia maty izy. *

TENA mamiko tokoa ireo anadahy sy rahavavy tany Hawaii! Nidodododo nanampy izy ireo mba hahazakako iny fahoriana iny. Nanan-kery teo amin’ny fiainan’ny maro tamin’izy ireo, sy ny maro hafa naneran-tany, mantsy i Lloyd.

Efa ho roa taona izay no lasa hatramin’ny nahafatesany, ary nandritra izany, dia nieritreritra momba ireo taona nahafinaritra niarahanay aho​—taona maro nanaovana ny asa misionera tany an-tany hafa, ary koa teto amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Brooklyn, New York. Namisavisa ny fiainako fony kely tany Sydney, Aostralia, koa aho. Novisavisaiko koa ireo zava-tsarotra nodiavinay sy i Lloyd mba hahafahanay hivady teo am-piandohan’ny Ady Lehibe Faharoa. Aleo aloha hotantaraiko anareo ny nahatongavako ho Vavolombelona sy ny fomba nifankahitako tamin’i Lloyd tamin’ny 1939.

Tonga Vavolombelona aho

I James sy i Henrietta Jones no ray aman-dreniko. Be fitiavana sy fiahiana izy ireo. Vao 14 taona aho dia efa nahavita ny fianarako, tamin’ny 1932, ary tao anatin’ny Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe izao tontolo izao tamin’izay. Nanomboka niasa aho mba hanampiana ny fianakaviako: nanan-jandry roa vavy aho. Nahazo asa be karama aho tao anatin’ny taona vitsivitsy, ary tonga lehiben’ny tovovavy mpiasa maromaro.

Nandray boky ara-baiboly avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray i Neny tamin’ny 1935, ary tsy ela dia niaiky fa nahita ny fahamarinana. Noheverinay rehetra hoe ho lasa adala izy. Indray andro anefa, dia hitako ny bokikely Aiza moa Ireo Maty? (anglisy), ary nanitikitika ny saiko ilay lohateny. Nangalatra namaky azy io àry aho. Izay no nampiova ahy! Tonga aho dia nanomboka niaraka tamin’i Neny tany amin’ny fivoriana iray andavanandro nantsoina hoe Fampianarana Modely. Nisy fanontaniana sy valiny ary koa andinin-teny hanohanana ny valin-teny tao amin’ny bokikely Fampianarana Modely (anglisy)​—nisy fizarana telo izy io tatỳ aoriana.

Tokotokony ho tamin’izay, tamin’ny Aprily 1938, dia nitsidika an’i Sydney i Joseph F. Rutherford, solontena avy teto amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny lahateny nataony no lahateny voalohany natrehiko. Tokony ho natao tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Sydney ilay izy, saingy nisy mpanohitra nahavita nanafoana ny fahafahanay hampiasa ilay toerana. Tao amin’ny Kianjam-panatanjahan-tenan’i Sydney​—izay lehibe lavitra​—àry no nanaovana azy io. Koa satria vao mainka nampahalaza an’ilay izy ilay fanoherana, dia nisy 10 000 teo ho eo nanatrika. Betsaka izany raha eritreretina ny hoe tsy nisy afa-tsy Vavolombelona 1 300 monja tany Aostralia tamin’izany.

Nandray anjara voalohany tamin’ny asa fanompoana aho, fotoana fohy taorian’izany​—tsy nisy fampiofanana akory. Rehefa tonga teny amin’ny faritany itoriana izahay, dia hoy ilay nitarika tamiko: “Irỳ trano irỳ no anjaranao.” Nitebiteby be aho, hany ka rehefa namoha varavarana ilay vehivavy, dia hoy aho nanontany: “Amin’ny firy izao, aza fady?” Lasa niditra izy, nijery famantaranandro, ary niverina nilaza ny ora. Izay fotsiny, dia niverina tany amin’ilay fiara aho.

Tsy nilavo lefona anefa aho, ary tsy ela dia nanambara tsy tapaka ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny hafa. (Matio 24:14). Tamin’ny Martsa 1939, dia nasehoko tamin’ny alalan’ny batisa ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah, ka tao anaty koveta be fandroan’i Dorothy Hutchings, mpifanila trano taminay, no nanaovana izany. Koa satria tsy nisy anadahy tao amin’ny kongregasiona, dia nomena andraikitra tokony ho an’ny lehilahy kristianina aho, fotoana fohy taorian’ny batisako.

Tao amin’ny tranon’olona no nanaovana ny fivorianay tamin’ny ankapobeny, fa indraindray ihany izahay vao nanofa efitrano hanaovana lahateny ho an’ny besinimaro. Nisy anadahy tanora tsara tarehy avy tany amin’ny Betela, izany hoe ny biraon’ny sampanay, tonga mba hanao lahateny tao amin’ilay kongregasiona kelinay. Tsy fantatro akory fa, hay, nisy antony hafa koa nahatongavany tao​—ny hamantatra misimisy momba ahy. Eny, izany no nifankahitako tamin’i Lloyd.

Nihaona tamin’ny fianakavian’i Lloyd

Tsy ela dia naniry hanompo an’i Jehovah manontolo andro aho. Rehefa nanao fangatahana ho mpisava lalana (hitory manontolo andro) anefa aho, dia nanontaniana raha tiako ny hanompo tao amin’ny Betela. Tamin’ny Septambra 1939 àry, volana nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia tonga mpianakavin’ny Betela tao Strathfield, faritanàna manamorona an’i Sydney, aho.

Nandeha nanatrika fivoriambe tany Nouvelle-Zélande aho tamin’ny Desambra 1939. Nankany koa i Lloyd, satria avy tany no fiaviany. Tafara-dia tao amin’ny sambo iray izahay, ary nanjary nifankahalala bebe kokoa. Nataon’i Lloyd izay hihaonako tamin-dray aman-dreniny sy ireo anabaviny tany amin’ilay fivoriambe tany Wellington, ary tatỳ aoriana, dia tao an-tranon’izy ireo tany Christchurch.

Voarara ny asanay

Tonga tao amin’ny biraon’ny sampana ny fiara lehibe sy mihaja mainty enina teo ho eo, an’ny manam-pahefana, ny asabotsy 18 Janoary 1941, mba haka ilay toerana. Izaho no voalohany nahita azy ireo, satria niasa tao amin’ilay trano kelin’ny mpiambina teo am-pidirana ny Betela aho. Efa nampahafantarina anay ny omalin’iny fa voarara ny asa, hany ka saika efa nesorina tsy ho ao amin’ny sampana avokoa ny boky sy antontan-taratasy rehetra. Ny herinandro nanaraka, dia natao am-ponja ny mpikambana dimy tao amin’ny fianakavian’ny Betela, anisan’izany i Lloyd.

Fantatro fa sakafo ara-panahy no nilain’ireo anadahy indrindra tany am-ponja. Mba hankaherezana an’i Lloyd, dia nanapa-kevitra ny hanoratra “taratasim-pitiavana” ho azy aho. Tenin’ny mpifankatia no nanombohako azy, ary avy eo dia nandika lahatsoratra manontolo avy tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana aho, ary nanao sonia hoe ilay malalanao. Nafahana i Lloyd efa-bolana sy tapany tatỳ aoriana.

Fanambadiana sy fanompoana nitohy

Nitsidika an’i Aostralia ny renin’i Lloyd tamin’ny 1940, ary nilazan’i Lloyd fa nikasa ny hivady izahay. Tsy nampirisika azy ho amin’izany ny reniny, satria, hono, efa tena akaiky ny faran’ny fandehan-javatra. (Matio 24:3-14). Nilaza ny fikasany tamin’ny namany koa izy, saingy nandresy lahatra azy hatrany hatrany tsy hanao izany ry zareo. Tamin’ny farany àry, indray andro tamin’ny Febroary 1942, dia nentin’i Lloyd nangingina tany amin’ny birao fisoratam-panambadiana aho sy ny Vavolombelona efatra, izay efa nianiana fa tsy hiteniteny, ary dia nivady izahay. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy neken’ny fanjakana hanoratra fanambadian’olona ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia.

Na dia tsy navela hanohy ny fanompoanay tao amin’ny Betela aza izahay mivady, dia nanontaniana kosa raha tianay ny hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana. Faly izahay nanaiky fanendrena ho any amin’ny tanàna ambanivohitra antsoina hoe Wagga Wagga. Mbola voarara ny asa fitorianay, ary tsy nahazo fanampiana ara-bola izahay, koa tena tsy maintsy niantehitra tamin’i Jehovah izahay.​—Salamo 55:22.

Nitaingina bisikileta roa mifampitohy izahay nankany ambanivohitra, ary niresaka naharitra tamin’olona maromaro nahafinaritra. Tsy maro no nanaiky hianatra Baiboly. Nisy anefa mpivarotra iray nankasitraka be ny asanay, hany ka nanome anay voankazo sy legioma isan-kerinandro. Nasaina hiverina tany amin’ny Betela izahay rehefa avy nanompo enim-bolana tany Wagga Wagga.

Niala tao amin’ilay birao tao Strathfield ny fianakavian’ny Betela tamin’ny May 1942, ary nifindra tany amin’ny tranon’olona manokana. Nifindrafindra trano isaky ny herinandro vitsivitsy ry zareo, mba tsy hisy hahamarika. Tany amin’ny iray tamin’ireny trano ireny no nahatongavanay sy i Lloyd rehefa niverina tao amin’ny Betela izahay tamin’ny Aogositra. Niasa tao amin’ny iray tamin’ireo fanaovam-pirinty niafina izahay nandritra ny andro. Farany, dia nesorina ny fandrarana ny asanay tamin’ny Jona 1943.

Niomana hanompo tany ivelan’ny taninay

Nomena fangatahana savaranonando izahay tamin’ny Aprily 1947, mba hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, tatsy South Lansing, New York, Etazonia. Mandra-pahatongan’izany, dia notendrena hitsidika kongregasiona tany Aostralia izahay mba hanatanjaka azy ireo ara-panahy. Nahazo fanasana hanatrika ny kilasy faha-11-n’i Gileada izahay, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Roa tokom-bolana no nanananay mba hiomananay sy hamehezanay ny entanay. Nandao ny tapaka sy namana izahay tamin’ny Desambra 1947, ary nitodi-doha nankatỳ New York niaraka tamin’ny Vavolombelona 15 hafa avy tany Aostralia izay nasaina hanatrika ilay kilasy koa.

Tsy hitahita akory ny fandalon’ireo volana vitsivitsy nanatrehana ilay Sekolin’i Gileada, ary nahazo fanendrena ho misionera tany Japon izahay. Koa satria elaela vao vita ny taratasinay hahafahanay hankany, dia notendrena ho mpiandraikitra mpitety faritany indray aloha i Lloyd. Nanomboka tao Los Angeles ka nidina hatrany amin’ny sisin-tanin’i Meksika ny kongregasiona nanendrena anay hotsidihina. Tsy nanana aotomobilina izahay, hany ka nitondra anay avy tamin’ny kongregasiona iray ho any amin’ilay manaraka, isan-kerinandro, ny Vavolombelona be fitiavana. Ankehitriny izany faritra midadasika izany dia lasa distrika telo miteny anglisy sy telo miteny espaniola, ka ny distrika tsirairay dia misy fizaran-tany folo eo ho eo!

Vetivety dia tonga ny Oktobra 1949, ary vonona ho any Japon izahay misionera, saingy sambo mpitondra miaramila taloha no nitondra anay. Natokana ny lehilahy, ary natokana ny zaza amam-behivavy. Iray andro sisa tsy hahatongavanay tao Yokohama raha sendra rivo-doza izahay. Hita fa nampisava ny lanitra ilay izy, satria rehefa niposaka ny masoandro ny ampitso 31 Oktobra, dia afaka nahita ny Tendrombohitra Fuji manerinerina izahay. Fandraisana nanetriketrika izany ho anay izay nahazo fanendrena vaovao!

Niara-niasa tamin’ireo Japoney

Rehefa nanatona ny fiantsonan-tsambo izahay, dia nahita olona mainty volo an-jatony maro. ‘Be tabataba ireto olona ireto izany!’, hoy ny tao an’eritreritray rehefa nandre feon-javatra nifampikapokapoka be izahay. Hay izy rehetra samy nanao kapa hazo izay nikapokapoka teo amin’ny hazo fiantsonan-tsambo. Natory tao Yokohama izahay, ary avy eo dia nandray lamasinina nankany amin’ny toerana nanendrena anay, tany Kobe. Efa nisy tranon’ny misionera nohofan’i Don Haslett tany. Niara-nianatra taminay tany Gileada izy, ary tonga tany Japon volana vitsivitsy talohanay. Trano tsara tarehy sy lehibe ilay izy, nisy rihana iray, ary toy ny trano tandrefana, saingy tsy nisy na inona na inona tao anatiny!

Mba hisian’ny kidoro hatoriana, dia nanapaka ahitra avo tao an-tokotany izahay ary nametraka izany teo amin’ny gorodona. Toy izany no nanombohan’ny fiainanay misionera, tsy nisy na inona na inona afa-tsy ny entana nentinay. Nahazo fatam-pera kely, antsoina hoe hibachi, izahay mba hanome hafanana sy handrahoan-tsakafo. Indray alina, dia hitan’i Lloyd fa tsy nahatsiaro tena ny misionera roa, i Percy sy i Ilma Iszlaub. Nanokatra ny varavarankely izy mba hidiran’ny rivotra madio sy mangatsiatsiaka, dia izay no nahavelona indray azy ireo. Safotra koa aho indray andro raha teo am-pandrahoan-tsakafo tamin’ny fatam-pera. Misy tokoa zavatra sasany tsy tonga dia mahazatra!

Laharam-pahamehana ny fianarana ilay fiteny, ary nianatra teny japoney nandritra ny adiny 11 isan’andro izahay nandritra ny iray volana. Taorian’izany, dia nanao fanompoana izahay, nitondra taratasy nisy fehezanteny vitsivitsy ho fanombohana. Nihaona tamin’i Miyo Takagi, vehivavy mahafinaritra, izay nandray ahy tsara aho, tamin’ny andro voalohany nitoriako. Rehefa niverina nitsidika aho, dia sahirana izahay roa nifampiresaka tamin’ny alalan’ny diksionera Japoney, mandra-panomboka fampianarana Baiboly nahafinaritra. Hitako indray i Miyo, sy ny olona maromaro hafa nampianariko, nandritra ny fitokanana ny tranon’ny sampana nitarina tany Japon, tamin’ny 1999. Dimampolo taona izay no lasa, nefa mbola mpitory ilay Fanjakana be zotom-po ihany izy ireo, ka manao izay ho afany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Nisy 180 teo ho eo nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tany Kobe, tamin’ny 1 Aprily 1950. Akory ny hagaganay ny ampitso maraina nahita olona 35 tonga mba handray anjara tamin’ny fanompoana. Samy naka telo na efatra tamin’ireo mpitory vaovao ireo ny misionera tsirairay. Tsy izaho izay vahiny tsy nahazo firy ny teny japoney, no niresahan’ireo tompon-trano, fa ireo Japoney nanatrika ny Fahatsiarovana izay niaraka tamiko. Nitohy lava be ny resaka ary tsy nisy azoko izay nolazain’izy ireo. Faly aho milaza fa nisy tamin’ireny vaovao ireny nandroso tamin’ny fahalalana sy nanohy ny asa fitoriana hatramin’izao andro izao.

Tombontsoa sy fanendrena maro

Nitohy hatramin’ny 1952 ny asa misioneranay tany Kobe, ary tamin’io taona io izahay dia voatendry ho any Tokyo. Nanankinana ny fanaraha-maso ny biraon’ny sampana i Lloyd. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voatendry tany amin’ny toerana samy hafa tany Japon sy firenena hafa izy. Tatỳ aoriana, dia hoy i Nathan H. Knorr, avy tany amin’ny foibe maneran-tany, rehefa nitsidika tany Tokyo: “Mba fantatrao moa hoe aiza no halehan’ny vadinao amin’ny fitsidihan’ny zaonina hataony manaraka? Any Aostralia sy any Nouvelle-Zélande.” Hoy ihany izy: “Afaka mandeha koa ianao raha mianto-tena amin’ny saran-dalana.” Nientam-po erỳ aho! Efa sivy taona tokoa anie izay no nandaozanay ny taninay e!

Nanoratra haingana tany amin’ny fianakavianay izahay. Nanampy ahy hahazoako ny saran-dalana i Neny. Revo teo amin’ny asa nanendrena anay erỳ izahay sy i Lloyd, ka tsy nanam-bola hitsidihana ny fianakavianay akory. Valin’ny vavaka nataonay àry io. Azonareo vinanina ny hafalian’i Neny nahita ahy. Hoy izy: “Izao dia hanomboka hanangom-bola indray aho mba hahatongavanareo atỳ indray rehefa afaka telo taona.” Nanantena izany izahay rehefa nandao azy, saingy nampalahelo fa maty ny Jolay nanaraka izy. Manantena aho fa ho tafaraka indray izahay ao amin’ny tontolo vaovao. Tena hahatalanjona tokoa amin’izay fotoana izay!

Hatreo amin’ny 1960, dia ny asa misionera no hany asa nanendrena ahy. Naharay taratasy anefa aho avy eo, nanazava hoe: “Manomboka izao dia voatendry hanasa sy hipasoka ny lamban’ny fianakavian’ny Betela manontolo ianao.” Roa ambin’ny folo teo ho eo monja izahay tamin’izay, ka afaka nanao io asa io sady nanao ny asa misionera aho.

Noravana ny trano japoney nisy anay tamin’ny 1962, ary Trano Betela vaovao nisy rihana dimy no vita teo amin’ilay toerana, ny taona nanaraka. Notendrena hanampy ireo anadahy tanora, betelita vaovao, aho mba hitanan’izy ireo ny efitranony ho madio hatrany sy mba hanadiovany izay nolotoiny. Fomban’ny Japoney mantsy tamin’izany ny tsy mampianatra ny zanakalahy hanao na inona na inona tao an-tranony. Nantitranterina ny fandrantoana fianarana, ka ny reniny no nanao ny zava-drehetra ho azy ireo. Tsy ela dia fantatr’izy ireo fa tsy reniny akory aho. Rehefa nandeha ny fotoana, dia maro no nandroso ka voatendry hanao asa vaovao sy nitana andraikitra tao amin’ny fandaminana.

Indray andro nafana be, dia nisy mpianatra ny Baiboly nitsidika ny Betela ary nahita ahy nikosoka mafy ny efitra kely fandroana. Hoy izy: “Mba ilazao ange izay tompon’andraikitra eto fa vonona aho hanakarama mpiasa an-trano ho tonga hisolo anao amin’io asa io.” Nohazavaiko taminy fa nankasitrahako ny fiahiany, saingy tena vonona hanao izay rehetra nanendrena ahy hataoko ato amin’ny fandaminan’i Jehovah aho.

Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay, dia nahazo fanasana hanatrika ny kilasy faha-39-n’i Gileada izahay sy i Lloyd! Tombontsoa lehibe ny anay tamin’ny 1964, satria hoe handeha hianatra indray nefa ny tena efa 46 taona! Natao indrindra hanampiana ireo izay manompo ao amin’ny biraon’ny sampana ilay izy, mba hianarany hiantsoroka ny andraikiny. Notendrena hiverina tany Japon indray izahay rehefa vita ny fianarana naharitra folo volana. Tamin’izay, dia maherin’ny 3 000 ny mpitorin’ilay Fanjakana tany.

Nitombo be aoka izany ny Vavolombelona, hany ka tamin’ny 1972, dia nisy maherin’ny 14 000 izy ireo, ary nisy biraon’ny sampana vaovao nisy rihana efatra naorina tany Numazu, any atsimon’i Tokyo. Tsara be ny fahitana ny Tendrombohitra Fuji avy eo amin’io trano io. Gazety maherin’ny iray tapitrisa isam-bolana, amin’ny fiteny japoney, no nanomboka navoakan’ilay milina fanontam-pirinty vaovao goavana be. Nisy fiovana nanangasanga anefa.

Teo amin’ny faramparan’ny taona 1974, dia nahazo taratasy avy tamin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Brooklyn i Lloyd nanasa azy hanompo ao amin’ny Fitambara-mpitantana. Hoy ny eritreritro tamin’ny voalohany: ‘Izay koa izany ny aminay. Koa satria manana fanantenana ho any an-danitra i Lloyd ary izaho ho eto an-tany, na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hisaraka ihany izahay. Angamba tokony handeha irery ho any Brooklyn i Lloyd.’ Tsy ela anefa dia nanitsy ny fihevitro aho ary nanaiky ny hifindra hiaraka taminy, tamin’ny Martsa 1975.

Fitahiana azo eto amin’ny foibe

Na dia efa tonga teto Brooklyn aza izahay, ny fon’i Lloyd dia mbola nalahelo mafy ny saha tany Japon ihany, ary niresaka momba ny zavatra niainanay tany foana izy. Nisy fahafahana maro hifankahalalana amin’olona maro kokoa anefa izao. Nandritra ireo 24 taona farany niainany i Lloyd dia niasa be tamin’ny naha mpiandraikitra ny zaonina, ka nivezivezy eran’izao tontolo izao. Niaraka taminy imbetsaka aho.

Nanampy ahy hahatakatra ny toe-javatra iainana sy iasan’ny ankamaroan’ ireo Kristianina tany an-tany hafa, ny fitsidihana azy ireo. Tsy ho afaka ato an-tsaiko mihitsy ny endrik’i Entellia, ankizivavikely folo taona, nihaona tamiko tany amin’ny faritra avaratr’i Afrika. Tiany ny anaran’Andriamanitra, ary nandeha an-tongotra adiny iray sy sasany izy nandroso ary toy izany koa niverina avy tany amin’ireo fivoriana kristianina. Nanolo-tena ho an’i Jehovah i Entellia, na dia nanenjika azy mafy aza ny fianakaviany. Rehefa nitsidika ny kongregasionany izahay, dia nahita fa tsy nisy afa-tsy jiron’aratra iray tsy mazava tsara nihantona teo ambonin’ny mpandahateny, fa ny faritra hafa tamin’ilay toeram-pivoriana dia maizina tanteraka. Nampihetsi-po ny nandre ny fomba kanto nihiran’ireo anadahy sy rahavavy ireo tao anatin’izany haizina izany.

Nisy zava-nisongadina teo amin’ny fiainanay tamin’ny Desambra 1998: anisan’ny delegasiona nanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” tany Cuba izahay mivady. Tena nampiaiky volana anay ny fankasitrahana sy ny hafalian’ireo anadahy sy rahavavy tany noho ny fitsidihan’ny avy tatỳ amin’ny foibe tatỳ Brooklyn! Misy fahatsiarovana maro be ankamamiko, dia ny fihaonana tamin’ireo olona tsy foy izay mazoto manao hiakam-piderana ho an’i Jehovah.

Mety erỳ ny fiainana miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra!

Na dia i Aostralia aza no tany niaviako, dia nanjary tiako ny olona tany amin’izay rehetra nanirahan’ny fandaminan’i Jehovah ahy. Izany no izy tany Japon, ary izao dia hitako fa izany koa no izy eto Etazonia, izay misy ahy efa hatramin’ny 25 taona mahery. Rehefa maty ny vadiko, dia tsy nieritreritra ny hiverina tany Aostralia aho, fa ny hijanona eto amin’ny Betelan’i Brooklyn, izay nanendren’i Jehovah ahy.

Efa 80 taona mahery aho izao. Mbola maniry hanompo an’i Jehovah any amin’izay hitany fa mety amiko aho, na dia efa nahavita 61 taona teo amin’ny fanompoana manontolo andro aza. Tena nikarakara tsara ahy mihitsy izy. Ankamamiko ireo 57 taona mahery nahafahako niara-niaina tamin’ny vady malala izay tia an’i Jehovah. Matoky aho fa hanohy hitahy antsika i Jehovah, ary fantatro fa tsy hohadinoiny ny asantsika sy ny fitiavana izay nasehontsika ho voninahitry ny anarany.​—Hebreo 6:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1999, pejy faha-16, 17.

[Sary, pejy 25]

Izaho sy i Neny, tamin’ny 1956

[Sary, pejy 26]

Izaho sy i Lloyd ary mpitory japoney vitsivitsy, teo am-piandohan’ireo taona 1950

[Sary, pejy 26]

Izaho sy i Miyo Takagi, olona voalohany nampianariko Baiboly, teo am-piandohan’ireo taona 1950 sy tamin’ny 1999

[Sary, pejy 28]

Nizara gazety teny an-dalana niaraka tamin’i Lloyd, tany Japon