Ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana—Inona moa Izy Io?
Ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana—Inona moa Izy Io?
Tamin’ny taon-dasa, tany amin’ny tany 235 maneran-tany, dia olona 6 035 564, antitra sy tanora, no nanokana 1 171 270 425 ora niresahana momba azy io tamin’ny hafa. Nampita azy io am-bava izy ireo, no sady nametraka zavatra vita pirinty maherin’ny 700 tapitrisa tamin’ny olona, mba hampahafantarana sy hanazavana azy io. Nizara kasety sy kasety vidéo an’arivony maro koa izy ireo mba hanelezana azy io. Inona moa “izy io”?
“IZY io” dia ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Marina tokoa fa hatramin’izay, teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia mbola tsy nitatra toy ny hitantsika ankehitriny mihitsy ny fitoriana “ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity”.—Matio 24:14, NW.
Mpiasa an-tsitrapo daholo ireo olona manatontosa io asa fitoriana sy fampianarana maneran-tany io. Araka ny fomba fijery tsy ara-pivavahana, dia toa tsy ampy fahaizana hanao io asa io izy ireo. Inona àry no mahatonga azy ireo hanana herim-po sy hahita fahombiazana? Anisan’ny antony lehibe iray ny herin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, satria izy io dia vaovao mahakasika ireo fitahiana hirotsaka amin’ny olombelona. Fitahiana irin’ny olona rehetra fatratra izy ireo, dia fahasambarana, tsy fananana olana ara-bola intsony, fitondram-panjakana tsara, fiadanana sy filaminana, ary zavatra hafa iray heverin’ny ankamaroan’ny olona ho tsy mampino—ny fiainana mandrakizay! Tena vaovao tsara ho an’ireo mikaroka ny zava-kendren’ny fiainana tokoa izy io. Eny, afaka mahazo ireo fitahiana rehetra ireo sy ny maro hafa koa ianao, raha raisinao tsara ny fanambarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ka arahinao.
Inona moa ilay Fanjakana?
Inona anefa ilay Fanjakana izay ambara ho vaovao tsara? Izy io dia ilay Fanjakana nampianarina ny olona an-tapitrisany maro hangatahina ao amin’izao vavaka fantatra tsara izao: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.”—Matio 6:9, 10.
Izy io dia ilay Fanjakana noresahin’i Daniela, mpaminany hebreo, maherin’ny 2 500 taona lasa izay, rehefa nanoratra izy hoe: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”—Daniela 2:44.
Araka izany, ilay vaovao tsara dia mahakasika ilay Fanjakana, na fitondram-panjakana, hotarihin’Andriamanitra. Hanaisotra ny faharatsiana rehetra izy io, ka hanapaka ny tany manontolo ao anatin’ny fiadanana. Hanatanteraka ilay fikasan’ny Mpamorona tany am-boalohany ho an’ny olombelona sy ny tany izy io.—Genesisy 1:28.
“Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”
Efa ho 2 000 taona lasa izay, dia ny lehilahy iray be fandavan-tena, izay nahasarika ny sain’ny olona maro tamin’ny fisehoany ivelany sy ny fihetsiny, no nanambara voalohany tamin’ny besinimaro ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. I Jaona Mpanao Batisa io lehilahy io, zanak’i Zakaria, mpisorona jiosy, sy i Elizabeta vadiny. Nitafy lamba volon-drameva i Jaona ary nanao fehikibo hoditra tamin’ny valahany, toy ny nataon’i Elia mpaminany, izay tandindony. Ny hafatra nampitain’i Jaona anefa no nanintona ny sain’ny maro. Nanambara izy hoe: “Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”—Matio 3:1-6.
Ireo mpihaino an’i Jaona dia Jiosy nihambo ho mpanompon’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Nahazo ny faneken’ny Lalàna tamin’ny alalan’i Mosesy ny firenen’izy ireo, tokony ho 1 500 taona talohan’izay. Mbola tao Jerosalema ilay tempoly kanto, izay nanolorana fanatitra, araka ny nandidian’ny Lalàna. Natoky ny Jiosy hoe neken’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahan’izy ireo.
Rehefa nihaino an’i Jaona anefa ny olona sasany, dia nanomboka nahatakatra fa tsy araka ny niheverany azy ny fivavahany. Tafatsofoka tao amin’ireo fampianarana ara-pivavahana jiosy ny kolontsaina sy ny filozofia grika. Izao dia voaloto, ary tsy nanan-kery intsony mihitsy aza, ny lalàna nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, noho ireo zavatra ninoana sy lovantsofina noforonin’olombelona. (Matio 15:6). Notarihin’ireo mpitondra fivavahana mafy fo sy tsy niantra ho amin’ny lalan-diso ny olona, ka tsy azon’Andriamanitra nekena intsony ny fanompoam-pivavahan’ny ankamaroan’izy ireo. (Jakoba 1:27). Nila nibebaka izy ireo, noho ireo fahotany tamin’Andriamanitra sy ny tsy fankatoavany ny faneken’ny Lalàna.
Tamin’izany fotoana izany, dia niandry ny Mesia, na Kristy, nampanantenaina, ny Jiosy maro, ary nieritreritra ny sasany fa angamba i Jaona no Kristy. Nanda izany anefa i Jaona, fa nisarika ny sain’izy ireo kosa ho amin’ny olon-kafa iray, izay nolazainy hoe: “Tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho”. (Lioka 3:15, 16). Nampahafantatra an’i Jesosy tamin’ny mpianany i Jaona, rehefa nanambara hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!”—Jaona 1:29.
Vaovao tsara tokoa izany, satria, raha ny marina, dia natoron’i Jaona ny olona rehetra ny lalana mankany amin’ny fiainana sy ny fahasambarana, dia i Jesosy, izay “manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. Taranak’i Adama sy i Eva ny olombelona rehetra, ka teraka eo ambanin’ny fangejan’ny ota sy ny fahafatesana. Manazava toy izao ny Romana 5:19: “Tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray [i Adama], no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray [i Jesosy].” Toy ny zanak’ondry iray natao sorona, dia natao ‘hanaisotra ny fahotana’ sy hanafoana ny toe-javatra mampalahelo misy ny olombelona i Jesosy. Manazava ny Baiboly hoe: “Fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.”—Romana 6:23.
Nanomboka nitory ny vaovao tsara i Jesosy, lehilahy lavorary—ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany mihitsy aza. Izao no tantarain’ny Baiboly amintsika ao amin’ny Marka 1:14, 15: “Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara.”
Nahazo fitahiana be dia be ireo olona nandray tsara ny hafatr’i Jesosy, ka naneho finoana ny vaovao tsara. Milaza ny Jaona 1:12 hoe: “Izay rehetra nandray [an’i Jesosy] dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany”. Zanaka, na zanakalahin’Andriamanitra, izy ireo, ka hahazo ny fiainana mandrakizay ho valisoa.—1 Jaona 2:25.
Tsy ireo olona tamin’ny taonjato voalohany ihany anefa no manana tombontsoa hahazo ireo fitahian’ilay Fanjakana. Araka ny voalaza teo aloha, dia torina sy ampianarina manerana ny tany manontolo ankehitriny ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Koa mbola misokatra àry ny fahafahana hahazo ireo fitahian’ilay Fanjakana. Inona no tsy maintsy ataonao mba hahazoanao ireo fitahiana ireo? Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.