Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Handresena Fihetseham-po Manimba?

Ahoana no Handresena Fihetseham-po Manimba?

Ahoana no Handresena Fihetseham-po Manimba?

● Nitaraina i Asafa hoe: “Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasako ny tànako tamin’ny fahamarinana. Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.”​—Salamo 73:13, 14.

● Velon-taraina i Baroka hoe: “Idiran-doza aho ity! fa nampian’i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.”​—Jeremia 45:3.

● Nitoloko i Naomy hoe: “Mangidy indrindra ny nataon’ny Tsitoha amiko. Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?”​—Rota 1:20, 21.

AO AMIN’NY Baiboly dia misy ohatra maro ny amin’ny mpivavaka nahatoky tamin’i Jehovah, izay nanjary kivy be indraindray. Tsy azo lavina fa olombelona tsy lavorary isika rehetra, ka samy mahatsapa izany fihetseham-po izany indraindray. Mety ho mora kivy kokoa ny sasany amintsika​—mety hitsetra tena mihitsy aza​—noho ny zavatra nampahory niainany.

Raha tsy voafehy anefa izany fihetseham-po izany, dia mety hanimba ny fifandraisanao amin’ny hafa sy amin’i Jehovah Andriamanitra. Niaiky toy izao ny vehivavy iray, izay mora mitsetra tena: “Tsy nety nandeha tany amin’ireo fiaraha-mikorana aho matetika, satria nahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hiarahan’ny olona tao amin’ny kongregasiona aho.” Tena mety hanimba ny fiainan’ny olona iray mihitsy ny fihetseham-po toy izany! Inona no azonao atao mba handresena izany?

Manatòna an’i Jehovah

Very hevitra i Asafa, ka nanoratra tamim-pahatsorana momba izany ao amin’ny Salamo 73. Nanjary nitsiriritra izy, rehefa nampitaha ny toe-javatra nisy azy tamin’ny fiainana niroborobon’ny ratsy fanahy. Hitany fa nieboebo sy nahery setra ny olona tsy tia an’Andriamanitra, nefa toa afa-maina tamin’izany. Nilaza i Asafa avy eo fa nisalasala izy raha nisy dikany tokoa ny fanaovany ny marina eo amin’ny fiainana na tsia.​—Salamo 73:3-9, 13, 14.

Nahamarika tahaka an’i Asafa ve ianao fa toa mahomby ny ratsy fanahy tsy menatra manao ratsy? Ahoana no nandresen’i Asafa ny fihetseham-pony nanimba? Nanohy ny teniny toy izao izy: “Nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany, mandra-piditro tao amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany”. (Salamo 73:16, 17). Nety ny nataon’i Asafa nitodika tany amin’i Jehovah tamin’ny vavaka. Azo lazaina hoe nanafoana ilay “olona izay araka ny nofo” i Asafa, rehefa namoha ilay “olona araka ny Fanahy” tao anatiny, araka ny tenin’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana. Nanana fomba fijery ara-panahy vaovao izy, ka nahatakatra fa mankahala ny faharatsiana i Jehovah ary hosazina ny ratsy fanahy, amin’ny fotoana mety.​—1 Korintiana 2:14, 15.

Tena zava-dehibe mihitsy ny hamelanao ny Baiboly hanampy anao hifantoka amin’ny zava-misy eo amin’ny fiainana! Mampahatsiahy antsika i Jehovah fa tsy jamba akory izy, ka tsy mahita izay ataon’ny ratsy fanahy. Izao no ampianarin’ny Baiboly: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. (...) Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika”. (Galatiana 6:7-9). Hapetrak’i Jehovah “eo amin’izay mahasolafaka” ny ratsy fanahy, mba ‘haripany ho ringana’. (Salamo 73:18). Handresy foana ny rariny araka an’Andriamanitra amin’ny farany.

Rehefa mandray sakafo ara-panahy tsy tapaka eo amin’ny latabatr’i Jehovah sy mifanerasera hatrany amin’ny vahoakany ianao, dia hanjary hatanjaka ny finoanao ka ho resinao ny fahakiviana sy ny fihetseham-po hafa manimba. (Hebreo 10:25). Rehefa mitoetra ho akaiky an’Andriamanitra, toa an’i Asafa, ianao, dia hanohana anao amim-pitiavana izy. Nanohy ny teniny toy izao i Asafa: “Izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tànako ankavanana Hianao. Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho”. (Salamo 73:23, 24). Takatry ny Kristianina iray, izay novetavetaina fony izy ankizy, fa feno fahendrena ireo teny ireo. “Nanampy ahy hanana fomba fijery hafa momba ny fiainana”, hoy izy, “ny fiarahana akaiky tamin’ny kongregasiona”. “Hitako mazava tsara fa feno fitiavana ireo anti-panahy kristianina, ary tsy polisy akory izy ireo fa mpiandry ondry.” Eny, manampy be dia be ny hafa mba handresy ny fihetseham-po manimba, ny anti-panahy kristianina be fangoraham-po.​—Isaia 32:1, 2; 1 Tesaloniana 2:7, 8.

Ekeo ny torohevitr’i Jehovah

Nisento i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia mpaminany, noho ilay fihenjanana ara-pihetseham-po nateraky ny asa nanirahana azy. Notenenin’i Jehovah tamin-katsaram-panahy anefa i Baroka mba hampifantoka ny sainy amin’ny zava-misy. “Mitady zavatra lehibe ho anao va hianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.”​—Jeremia 45:2-5.

Nolazain’i Jehovah nivantana tamin’i Baroka fa ny fikatsahany zavatra ho an’ny tenany manokana ihany no nahakivy an’i Baroka. Tsy afaka hahita fifaliana i Baroka, raha sady hanatanteraka ny asa nanirahan’Andriamanitra azy no hitady zavatra lehibe ho an’ny tenany. Hitanao koa angamba fa tena mandresy ny fahakiviana ianao, rehefa manalavitra izay manelingelina sy mahazo ilay fiadanan-tsaina vokatry ny fahaiza-mianina araka an’Andriamanitra.​—Filipiana 4:6, 7.

Ketraka i Naomy mpitondratena, nefa tsy nitoka-monina fotsiny tao Moaba, rehefa maty ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Toa nalahelo mafy izay nanjo azy sy ny vinantony roa anefa izy indraindray. Rehefa nandefa azy roa vavy i Naomy, dia nilaza hoe: “Mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan’i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy”. Rehefa tonga tao Betlehema izy, dia mbola nanantitrantitra hoe: “Aza atao hoe Naomy [“Ny Fahafinaretako”] intsony aho, fa ataovy hoe Mara [“Mangidy”], satria mangidy indrindra ny nataon’ny Tsitoha amiko”.​—Rota 1:13, 20.

Tsy nitoka-monina nanohy nisaona lavitra an’i Jehovah sy ny vahoakany anefa i Naomy. Reny tany Moaba fa “novangian’i Jehovah ny olony ka nomeny hanina”. (Rota 1:6). Takany fa ny niaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah no nety indrindra taminy. Niverina tany Joda niaraka tamin’i Rota vinantony àry i Naomy, ary nanoro tamim-pahakingana an’i Rota ny fomba tokony hitondrany an’i Boaza, havany sady mpanavotra azy.

Toy izany koa amin’izao andro izao. Mandresy ny fihenjanana ara-pihetseham-po ateraky ny fahafatesan’ny vadiny ny olona mahatoky, noho izy revo hatrany amin’ny asa ao amin’ny kongregasiona kristianina. Toa an’i Naomy, dia mifantoka amin’ny zavatra ara-panahy hatrany izy ireo, ka mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro.

Soa azo rehefa mampihatra ny fahendrena araka an’Andriamanitra

Manazava amintsika ny fomba handresena ny vokatry ny fihetseham-po manimba ireo tantara ao amin’ny Baiboly ireo. Nitady fanampiana tany amin’ny toerana masin’i Jehovah i Asafa, ary niandry azy tamim-paharetana. Nandray tsara ny torohevitra nomena azy i Baroka, ary nanalavitra ny fikatsahana zavatra ara-nofo, izay nanelingelina azy. Nanao zavatra betsaka foana niaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah i Naomy, ary nanomana an’i Rota tanora ho amin’ny tombontsoany eo amin’ny fanompoana an’ilay Andriamanitra marina.​—1 Korintiana 4:7; Galatiana 5:26; 6:4.

Afaka mandresy ny fahakiviana sy ny fihetseham-po manimba hafa ianao, amin’ny fifantohana amin’ireo fandresena lehibe nomen’i Jehovah ny vahoakany, isam-batan’olona sy tamin’ny fitambarany. Mba hanaovana izany, dia saintsaino ilay fanehoam-pitiavana lehibe indrindran’i Jehovah, dia ny fanomezany ny avotra ho anao. Ankasitraho ilay fitiavana marina asehon’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina. Mifantoha amin’ilay fiainanao ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra efa antomotra. Ary enga anie ianao ka hitovy fihetsika amin’i Asafa, izay nilaza hoe: “Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.”​—Salamo 73:28.