Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fikambanana Iraisam-pirenena Iray Mifampiahy ny ao Anatiny

Fikambanana Iraisam-pirenena Iray Mifampiahy ny ao Anatiny

Fikambanana Iraisam-pirenena Iray Mifampiahy ny ao Anatiny

OLONA daholo hatrany amin’ny farany taza-maso. Maro aminy no zokiolona, ary ny sasany amin’ireo aza kilemaina ka zara raha afa-mamindra. Misy vehivavy bevohoka sy mpivady tanora mitarika ny zanany kely. Mpitsoa-ponenana daholo izy ireo​—lehilahy sy vehivavy ary ankizy​—izay nandositra ny fonenany mba hitady fialofana any amin’ny tany manodidina, satria noteren’ny ady an-trano na ny loza araka ny natiora na ny tarehin-javatra hafa. Imbetsaka ny sasany no voatery nandao ny fonenany. Raha vao manangasanga fotsiny ny hotakotaka na loza araka ny natiora, dia mandray zavajavatra kely ilaina ao an-trano izay voarambin’ny tanany izy ireo, manangona ny zanany, ary mitady fialofana azo antoka kokoa. Rehefa miverina amin’ny laoniny indray ny toe-javatra, dia maro amin’ireo mpitsoa-ponenana no miverina mba hanamboatra ny tranony sy hanomboka fiainana vaovao indray.

Efa hatramin’ny taona maro no nandray ny mpitsoa-ponenana avy any amin’ny tany maro ny République centrafricaine. Vao haingana, dia nisy olona an’arivony maro, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah maro, voatery nandositra ny Repoblika Demokratikan’i Congo rotidrotiky ny ady, mba hahitana toerana mety ho azo antoka kokoa tany amin’ny République centrafricaine.

Nisy rahalahy tonga hamonjy

Noraisin’ireo Vavolombelona tao amin’ny République centrafricaine ho tombontsoa ny fandaminana asa fanasoavana. Nisy trano nomanina hovantanin’ireo rahalahy kristianina. Tamin’ny voalohany, dia nisy efitrano nomanina tany amin’ny tranon’olona manokana; rehefa nihamaro anefa ireo mpitsoa-ponenana, dia hita fa nisy fandaharana bebe kokoa nilaina natao. Novana ho efitrano fatoriana iombonana ny Efitrano Fanjakana sasany. Niasa mafy ireo Vavolombelona teo an-toerana mba hametraka jiro fanampiny sy fantson-drano ary nanao simenitra ny gorodona mba hampety tsara ny fiainan’ireo hipetraka ao. Niara-niasa tamin’ireo rahalahy teo an-toerana mihitsy ireo mpitsoa-ponenana mba hanamboatra ireny efitrano fatoriana iombonana vonjimaika ireny. Nisy fandaharam-pivoriana kristianina feno nalamina tamin’ny fiteny lingala mba hahazoan’ireo mpitsoa-ponenana sakafo ara-panahy manohana aina. Ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny Vavolombelona teo an-toerana sy ny vahinin’izy ireo dia nampiseho fa tena misy ny firahalahiana maneran-tany.

Tsy niara-tonga foana ny fianakaviana mpitsoa-ponenana. Indraindray ireo fianakaviana tafasaraka dia tafaray tany amin’ny toerana nalehany. Nisy lisitr’ireo tonga soa aman-tsara napetraka tany amin’ny Efitrano Fanjakana tsirairay. Nisy fandaharana natao mba hitadiavana ireo mbola tsy hita. Nandefa aotomobilina telo isan’andro ny biraon’ny sampana mitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay tany mba hanampiana ireo Vavolombelona mbola teny an-dalana sy hitady izay mety ho very. Nisy soratra lehibe famantarana hoe “TILIKAMBO FIAMBENANA​—Vavolombelon’i Jehovah” teo amin’ireny fiara ireny.

Alao sary an-tsaina ny fifaliana tsapa rehefa nahatazana fiaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ankizy fito mpitsoa-ponenana tafasaraka tamin’ny ray aman-dreniny. Nihazakazaka avy hatrany nankeo amin’ilay fiara izy ireo ka nilaza fa Vavolombelona ny tenany. Nampiditra azy ireo tao anaty fiara ireo rahalahy ka nitondra azy tany amin’ny Efitrano Fanjakana iray, izay nihaonany indray tamin’ny fianakaviany, tamin’ny farany.

Inona no nanampy ireo kristianina tso-po ireo hiatrika tarehin-javatra toy izany, tsy indray mandeha monja fa niverimberina? Tena manaiky tanteraka izy ireo fa miaina amin’ny andro farany, nolazain’ny Soratra Masina mialoha, isika.​—2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 6:3-8.

Noho izany, dia fantatr’izy ireo fa hofaranan’i Jehovah Andriamanitra tsy ho ela ny ady, ny fankahalana sy ny herisetra ary ny tsy fifanarahana. Ho zavatra efa lasa ny olana momba ny mpitsoa-ponenana. Mandra-pahatongan’izany, dia miezaka mafy hifampiahy ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny fananaran’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 12:14-26. Na dia sarahin’ny renirano, ny sisin-tany sy ny fiteny ary ny elanelan-tany aza izy ireo, dia mifampihevitra, hany ka manao zavatra haingana rehefa misy mila fanampiana.​—Jakoba 1:22-27.

[Sarintany, pejy 30]

(Jereo ny gazety)

AFRIKA

République centrafricaine

Repoblika Demokratikan’i Congo

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 30]

Novana ho fandraisana olona ny Efitrano Fanjakana telo

[Sary, pejy 31]

Natsangana avy hatrany ny lakozia

[Sary, pejy 31]

Maro hatrany no tonga

[Sary, pejy 31]

Vao teraka dia efa mpitsoa-ponenana sahady