Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Rain’ny Eglizy​—Mpanohana ny Fahamarinana Ara-baiboly Ve?

Ireo Rain’ny Eglizy​—Mpanohana ny Fahamarinana Ara-baiboly Ve?

Ireo Rain’ny Eglizy​—Mpanohana ny Fahamarinana Ara-baiboly Ve?

Na milaza tena ho Kristianina ianao na tsia, izy ireo dia mety ho tena nanan-kery teo amin’ny fiheveranao an’ilay Andriamanitra voalazan’ny Baiboly, sy i Jesosy, ary ny Kristianisma. Nantsoina hoe Mpandahateny Ikoizana ny iray tamin’izy ireo; ary ny iray hafa hoe Lehibe. Nolazalazaina ho “ny olona tena nampiseho tsara ny fomba fiainan’i Kristy” izy ireo tamin’ny fitambarany. Iza àry izany? Ireo mpisaintsaina momba ny fivavahana, ireo mpanoratra, ireo teolojianina, ary ireo filozofa fahiny izay namolavola ny ampahany lehibe amin’ny fomba fiheverana “kristianina” ankehitriny: ireo Rain’ny Eglizy.

“TSY mirakitra ny tenin’Andriamanitra rehetra ny Baiboly”, hoy ny nolazain’i Demetrios J. Constantelos, Ortodoksa grika iray mpampianatra momba ny fivavahana. “Tsy azo ferana ho ao amin’ny pejin’ny boky iray ny Fanahy Masina izay mampahafantatra ny tenin’Andriamanitra.” Fa inona koa no mety ho loharano hafa azo itokisana ahazoana fanambarana avy amin’Andriamanitra? Manizingizina toy izao i Constantelos ao amin’ilay bokiny hoe Fahatakarana ny Atao hoe Eglizy Ortodoksa Grika (anglisy): “Lafiny roa samy hafa amin’ny zavatra iray ihany ny Lovantsofina Masina sy ny Soratra Masina.”

Ny fampianarana sy ny asa soratr’ireo Rain’ny Eglizy no votoatin’izany “Lovantsofina Masina” izany. Teolojianina fanta-bahoaka sy filozofa “kristianina” niaina teo anelanelan’ny taonjato faharoa sy fahadimy am.f.i. izy ireo. Nanan-kery be teo amin’ny fomba fiheverana “kristianina” maoderina ve izy ireo? Nifikitra akaiky tamin’ny Baiboly ve izy ireo rehefa nampianatra? Ho an’ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, inona no tokony ho fototra mafy iorenan’ny fahamarinana kristianina?

Zava-nitranga ara-tantara

Teo antenatenan’ny taonjato faharoa am.f.i., dia nisy Kristianina anarana niaro ny finoany tamin’ireo Romanina mpanenjika sy tamin’ireo mpivadi-pinoana. Be loatra anefa ny hevitra ara-pivavahana nipoitra tamin’izany vanim-potoana izany. Niteraka tsy firaisan-tsaina ny adihevitra ara-pivavahana momba ny naha “Andriamanitra” an’i Jesosy sy ny atao hoe fanahy masina ary ny asan’izy io. Tsy vitan’izany ihany fa nanenika ny sehatra ara-politika sy ara-kolontsaina koa ny tsy fifanarahana nahery vaika sy ny fisaraham-bazana tsy azo narenina nahakasika ny foto-pinoana “kristianina”, hany ka niteraka rotaka, fikomiana, ary ady mihitsy aza izany indraindray. Manoratra toy izao ny mpahay tantara atao hoe Paul Johnson: “Niandoha tao anatin’ny fisafotofotoana sy ny adihevitra ary ny fisarahana ny Kristianisma [nivadi-pinoana] ary nitohy toy izany ihany. (...) Nifamahofaho tany amin’ny faritra afovoany sy atsinanan’i Mediterane ny hevitra ara-pivavahana tsy tambo isaina, tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa ar.J.K. Ary samy nanao izay hielezany ireo hevitra ireo. (...) Vao tany am-piandohana àry, dia efa nisy karazana Kristianisma maro be tsy nanan-javatra niombonana firy.”

Nandritra izany vanim-potoana izany, dia nanomboka nahazo vahana ny mpanoratra sy mpisaintsaina izay nihevitra fa tena nilaina ny hampiasana voambolana filozofika mba hanazavana fampianarana “kristianina”. Mba hanomezana fahafaham-po ny mpanompo sampy nahita fianarana, izay vao niova ho “Kristianina”, dia niantehitra be tamin’ny haisoratra grika sy jiosy taloha kokoa, ireo mpanoratra momba ny fivavahana ireo. Nisy Kristianina anarana nanjary nanasaro-javatra kokoa hatrany rehefa nandray ny hevitry ny filozofia nolovana avy tamin’ny kolontsaina grika. I Justin Maritiora (t. 100-165 am.f.i.), izay nanoratra tamin’ny teny grika, no voalohany nanao toy izany.

Nahitam-bokatra izany fironana izany raha jerena ny asa soratr’i Origène (t. 185-254 am.f.i.), mpanoratra grika avy tany Aleksandria. Nanao famoaboasan-kevitra atao hoe Momba ny Foto-pitsipika Voalohany (anglisy) i Origène. Io no santatry ny ezaka nitohy natao hanazavana ireo foto-pinoana lehibe ao amin’ny teolojia “kristianina” tamin’ny fampiasana voambolan’ny filozofia grika. Ny konsilin’i Nicée (325 am.f.i.), izay niezaka nanazava sy nanorina ny naha “Andriamanitra” an’i Kristy, no tena nanome tosika vaovao ho an’ny filazana ny hevitry ny foto-pinoana “kristianina”. Io konsily io no nanamarika ny fanombohan’ny vanim-potoana niezahan’ny konsilin’ny eglizy tamin’ny ankapobeny nanazavana ny foto-pinoana tamin’ny fomba voafaritra kokoa hatrany.

Mpanoratra sy mpandahateny

Nanambara ampahibemaso ny fiandaniany tamin’ny Emperora Constantin i Eusèbe avy tany Kaisaria, izay nanoratra tamin’ny fotoana nanaovana voalohany ny konsilin’i Nicée. Nandritra ny 100 taona mahery kely taorian’ilay konsily, dia nisy teolojianina, nanoratra tamin’ny teny grika ny ankamaroany, nanao adihevitra lava be sy nafana momba ny Trinite, izay nanjary ny foto-pinoana mampiavaka ny Kristianisma Anarana. Anisan’ny lohandohany tamin’ireny i Athanase, eveka natoky tena fatratra tany Aleksandria, ary mpitondra eglizy telo avy tany Kapadokia, any Azia Minora: i Basile Lehibe sy i Grégoire avy any Nysse, rahalahiny, ary i Grégoire avy any Nazianze, naman’izy ireo.

Nisy mpanoratra sy mpitory teny tamin’izany vanim-potoana izany nanjary nahay nandaha-teny fatratra. Mpandahateny faran’izay nahay i Grégoire avy any Nazianze sy i Jean Chrysostome (midika hoe “Mpandahateny Ikoizana”) izay nandaha-teny tamin’ny teny grika, ary koa i Ambroise avy any Milan sy i Augustin avy any Hippone, tamin’ny teny latinina. Nahafehy tsara ilay endri-javakanto nohajaina indrindra sy nalaza indrindra tamin’ny androny koa izy ireo. I Augustin no mpanoratra nanan-kery teo amin’ny mpamaky azy indrindra tamin’izany fe-potoana izany. Nanenika sy namolavola ny fiheverana “kristianina” ankehitriny ny famoaboasan-kevitra ara-pivavahana nataony. Mpandala haisoratra nisongadina indrindra tamin’izany fotoana izany i Jérôme. Izy no tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fandikana ilay Baiboly Vulgate latinina avy tamin’ireo fiteny tany am-boalohany.

Fanontaniana lehibe mipetraka anefa ny hoe: Nanaraka akaiky ny Baiboly ve ireny Rain’ny Eglizy ireny? Moa ve izy ireo nifikitra akaiky tamin’ny Soratra ara-tsindrimandry rehefa nampianatra? Mpitari-dalana mahasoa ho amin’ny fahalalana marina an’Andriamanitra ve ny asa soratr’izy ireo?

Fampianaran’Andriamanitra sa fampianaran’olombelona?

Vao haingana, dia nanoratra ilay boky hoe Ilay Fototra Grikan’ny Kristianisma (anglisy) i Méthode avy any Pisidia, lehiben’ny Fivavahana Ortodoksa Grika, mba hampisehoana fa ny kolontsaina sy ny filozofia grika no nandrafitra ny fototry ny fomba fiheverana “kristianina” maoderina. Manaiky tsy amim-pihambahambana toy izao izy ao amin’io boky io: “Saika ny Rain’ny Eglizy fanta-bahoaka rehetra no nihevitra fa tena nilaina ny foto-pitsipika grika, ary naka azy ireny avy tamin’ny foto-kevitra noheverin’ireo Grika fahiny ho sarobidy izy ireo ka nampiasa azy ireny mba hahatakarana sy hilazana araka ny tokony ho izy ny fahamarinana kristianina.”

Raiso, ohatra, ilay hevitra hoe mahaforona ny Trinite ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina. Maro tamin’ireo Rain’ny Eglizy no nanjary mpanohana nafana fo ny Trinite, taorian’ny konsilin’i Nicée. Nandray anjara lehibe tamin’ny fanaovana ny Trinite ho foto-pinoana ahafantarana ny Kristianisma Anarana, ny asa soratr’izy ireo sy ny fanazavany. Hita ao amin’ny Baiboly anefa ve ny Trinite? Tsia. Koa avy taiza àry no nahazoan’ireo Rain’ny Eglizy azy io? Marihin’ny Diksioneran’ny Fahalalana Ara-pivavahana (anglisy) fa maro no milaza fa ny Trinite “dia fanimbana nindramina tamin’ny fivavahana mpanompo sampy, ary narafitra tamin’ny finoana kristianina”. Ary manamafy toy izao Ny Fanompoan-tsampy eo Anivon’ny Kristianisma (anglisy): “Avy amin’ny mpanompo sampy tanteraka no niandohan’ny [Trinite].” *​—Jaona 3:16; 14:28.

Na diniho ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy, izay finoana fa hoe misy tapany amin’ny olombelona manohy miaina aorian’ny fahafatesan’ny vatana. Tamin’ny alalan’ireo Rain’ny Eglizy indray koa no nampidirana io hevitra io tao amin’ny fivavahana iray izay tsy nampianatra mihitsy ny amin’ny fanahy velona aorian’ny fahafatesana. Asehon’ny Baiboly mazava fa mety maty ny fanahy: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Inona no fototra iorenan’ny finoan’ireo Rain’ny Eglizy ny amin’ny fanahy tsy mety maty? “Vokatry ny fivoarana maharitry ny filozofia kristianina ilay fiheverana kristianina hoe misy fanahy tsy hita maso noforonin’Andriamanitra sy napetrany tao amin’ny vatana vao noforoniny, mba hahatonga ny olombelona ho zavamiaina iray feno. Raha tsy nisy an’i Origène tany Atsinanana sy i Md. Augustin tany Andrefana, dia tsy ho nekena ho zavatra tsy hita maso ny fanahy ary tsy ho niforona ny hevitra filozofika momba ny maha izy ny fanahy. (...) Avy tamin’ny Neôplatônisma no nakana ny ankamaroan’ny [foto-pampianaran’i Augustin] (anisan’izany ny lesoka sasany)”, hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy). Ary izao no nolazain’ilay gazetiboky hoe Fiainana Presbyterianina (anglisy): “Hevitra grika niforona avy tamin’ny fanompoam-pivavahana fahiny nifono mistery ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary nohatsarain’i Platon filozofa.” *

Fototra mafy iorenan’ny fahamarinana kristianina

Na dia aorian’iny fandinihana fohy momba ny tantaran’ireo Rain’ny Eglizy mbamin’ny fiandohan’ny fampianaran’izy ireo iny aza, dia mety ny hanontaniana hoe: Tokony hifototra amin’ny fampianaran’ireo Rain’ny Eglizy ve ny finoan’ny Kristianina tso-po iray? Avelao ny Baiboly no hamaly.

Voalohany aloha, dia i Jesosy Kristy mihitsy no nanilika ny fampiasana ny anaram-boninahitra ara-pivavahana hoe “Ray” sy “Mompera” rehefa nilaza izy hoe: “Aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.” (Matio 23:9). Sady tsy kristianina no tsy araka ny Soratra Masina ny fampiasana ilay teny hoe “Ray” mba hanondroana olo-malaza ara-pivavahana na iza na iza. Vita tokotokony ho tamin’ny 98 am.f.i. ny Tenin’Andriamanitra voasoratra, ka ny taratasin’ny apostoly Jaona no namarana izany. Noho izany, dia tsy mila miankina amin’olombelona na iza na iza ny Kristianina marina mba hahazoana fanambarana ara-tsindrimandry. Mitandrina izy ireo mba tsy ‘hanafoana ny tenin’Andriamanitra’ noho ny lovantsofin’olombelona. Mahafaty eo amin’ny lafiny ara-panahy ny famelana ny lovantsofin’olombelona hisolo toerana ny Tenin’Andriamanitra. Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.”​—Matio 15:6, 14.

Mila fanambarana hafa ankoatra ny tenin’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly ve ny Kristianina? Tsia. Mampitandrina ny amin’ny fanampiana zavatra na inona na inona amin’izay efa voarakitra an-tsoratra ara-tsindrimandry, ny bokin’ny Apokalypsy: “Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ity boky ity ho azy”.​—Apokalypsy 22:18.

Voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra, dia ny Baiboly, ny fahamarinana kristianina. (Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16; 2 Jaona 1-4). Tsy miankina amin’ny filozofia tsy ara-pivavahana ny fahazoana araka ny tokony ho izy ny hevitr’izy io. Raha ny amin’ireo olona niezaka ny hampiasa ny fahendren’olombelona mba hanazavana ny fanambarana avy amin’Andriamanitra, dia mety ny hamerenana ireto fanontanian’ny apostoly Paoly ireto: “Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?”​—1 Korintiana 1:20.

Ankoatra izany, dia “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” ny kongregasiona kristianina marina. (1 Timoty 3:15). Ireo mpiandraikitra dia miaro ny fahadiovan’ny fampianaran’izy ireo eo anivon’ny kongregasiona, ka misakana ny fitsofohan’izay mety ho foto-pampianarana mandoto. (2 Timoty 2:15-18, 25). Tsy avelany hisy ‘mpaminany sandoka, mpampianatra sandoka, ary fitokotokoana manimba’ ao amin’ny kongregasiona. (2 Petera 2:1, NW ). Rehefa maty ireo apostoly, dia namela “fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia” hamaka tao anatin’ny kongregasiona kristianina ireo Rain’ny Eglizy.​—1 Timoty 4:1.

Miharihary ao amin’ny Kristianisma Anarana ankehitriny ny vokatr’izany fivadiham-pinoana izany. Tsy mitovy mihitsy amin’ny fahamarinana ara-baiboly ny zavatra inoany sy ny fanaony.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Misy fandinihana lalina momba ny foto-pinoana ny amin’ny Trinite ao amin’ilay bokikely hoe Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 16 Raha mila fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba izay ampianarin’ny Baiboly mahakasika ny fanahy, dia jereo ny pejy faha-104-111 sy 148-153 amin’Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

IREO RAY TANY KAPADOKIA

“Manaja fatratra manokana ny mpanoratra tamin’ny taonjato fahefatra (...) ny Eglizy Ortodoksa, indrindra indrindra ireo antsoiny hoe ‘ireo Mpitondra Fivavahana Lehibe telo’, dia i Grégoire avy any Nazianze sy i Basile Lehibe ary i Jean Chrysostome”, hoy ilay mpanoratra sady moanina atao hoe Kallistos. Moa ve niorina tamin’ny Soratra ara-tsindrimandry ny fampianaran’ireo Rain’ny Eglizy ireo? Hoy ny boky Ireo Rain’ny Eglizy Grika (anglisy) momba an’i Basile Lehibe: “Asehon’ireo asa sorany fa mpankafy hatramin’ny ela an-dry Platon sy Homère mbamin’ireo mpahay tantara sy mpikabary matihanina izy, ary azo antoka fa nanan-kery teo amin’ny fomba fanorany izy ireo (...) Nitoetra ho ‘grika’ i Basile.” Toy izany koa ny amin’i Grégoire avy any Nazianze. “Araka ny fiheviny, dia tena miseho tsara ny fandresen’ny Eglizy sy ny fahamboniany rehefa raisiny ireo lovantsofina tao amin’ny kolontsaina nentim-paharazana.”

Izao no nosoratan’ilay profesora atao hoe Panagiotis K. Christou momba azy telo ireo: “Indraindray izy ireo dia mba mampitandrina ihany ny amin’ny ‘filozofia sy famitahana foana’ [Kolosiana 2:8]​—mba hifanarahana amin’ny didin’ny Testamenta Vaovao​—kanefa na izany aza, dia may erỳ izy ireo mianatra filozofia sy ny lalàm-pifehezana mifandray amin’izany, ary ampirisihiny mihitsy aza ny hafa mba hianatra azy ireny.” Miharihary fa noheverin’izany mpampianatra tao amin’ny eglizy izany fa tsy ampy mba hanohanana ny heviny ny Baiboly. Sao dia ny fitadiavany hiankina amin’ny fahefana hafa àry no mampiseho fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny fampianarany? Nampitandrina ny Kristianina hebreo toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mety havilin’izay fampianarana maro hafahafa hianareo.”​—Hebreo 13:9.

[Sary nahazoan-dalana]

© Archivo Iconografico, S.A./CORBIS

[Efajoro/Sary, pejy 20]

CYRILLE AVY ANY ALEKSANDRIA​RAIN’NY EGLIZY MALAZA RATSY

Rain’ny Eglizy anisan’ireo malaza ratsy indrindra i Cyrille avy any Aleksandria (t. 375-444 am.f.i.). Ilay mpahay tantaram-piangonana atao hoe Hans von Campenhausen dia milazalaza azy ho “tsy refesi-mandidy sy mahery setra ary fatsora, dedaka erỳ tamin’ilay fahalehibeazan’ny fiantsoana azony sy ilay voninahitry ny asany”, ary nolazainy koa fa “tsy mba nihevitra ny zavatra iray ho marina mihitsy izy raha tsy hoe nilainy hampandrosoana ny heriny sy ny fahefany angaha izany (...) Tsy nampihontsina azy velively ireo fombany tsy nifaditrovana sy tsy valahara”. Fony i Cyrille evekan’i Aleksandria, dia nampiasa tsolotra sy fanalam-baraka ary fanendrikendrehana izy mba hanonganana ny evekan’i Constantinople. Izy no heverina fa tompon’andraikitra tamin’ilay vonoan’olona feno habibiana nanjo an’ilay filozofa nalaza nantsoina hoe Hypathie tamin’ny 415 am.f.i. Hoy i Campenhausen momba ireo asa soratra teolojika nataon’i Cyrille: “Izy no nisantatra, tsy ilay fomba fanapahana ireo zavatra inoana tsy miorina amin’ny Baiboly fotsiny ihany, fa amin’ny teny sy fitambaran-teny nataon’olona eken-teny koa.”

[Sary, pejy 19]

Jérôme

[Sary nahazoan-dalana]

Garo Nalbandian