Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jereo Ilay Mpanao Asa Mahatalanjona!

Jereo Ilay Mpanao Asa Mahatalanjona!

Jereo Ilay Mpanao Asa Mahatalanjona!

“Mijanòna, ka mba diniho ny [asa mahatalanjon’Andriamanitra, “NW” ]”.​—JOBA 37:14.

1, 2. Inona no zava-mahagaga hita tamin’ny 1922, ary nanao ahoana ny fihetsika naterak’izany?

NIARA-NITADY ilay harena miafina, nandritra ny taona maro, ilay arkeology sy ilay andriana anglisy. Farany, tamin’ny 26 Novambra 1922, dia hitan’i Howard Carter, arkeology, sy i Lord Carnarvon, ilay lokany, dia ny fasan’ny farao Toutankhamon. Tao amin’ilay toeram-pandevenana ny farao ejipsianina, any amin’ilay lohasaha malaza antsoina hoe Lohasahan’ny Mpanjaka no nisy azy io. Rehefa tonga teo amin’ny varavarana iray nihidy mafy izy mirahalahy, dia nolavahany izy io. Natsofok’i Carter tao ny labozia iray, ary notsirihiny ny tao anatin’ilay lavaka.

2 Nitantara i Carter tatỳ aoriana hoe: “Rehefa tsy nahandry intsony i Lord Carnarvon fa liana mafy ta hahafantatra, dia nanontany tamim-panahiana hoe: ‘Misy zavatra hitanao ve e?’ Niezaka mafy aho vao nahateny hoe: ‘Ie, misy zavatra mahatalanjona ato.’ ” Anisan’ireo harena miafina an’arivony maro tao anatin’ilay fasana ny vatam-paty volamena iray mafy tsara. Angamba efa nahita ny sasany tamin’ireo “zavatra mahatalanjona” ireo ianao, tamin’ny sary na tany amin’ny tranombakoka. Na dia mety hahatalanjona be aza ireny zavatra aseho any amin’ny tranombakoka ireny, dia azo inoana fa tsy misy ifandraisany amin’ny fiainanao. Koa aoka àry isika hitodika any amin’ny asa mahatalanjona hafa izay sady tena misy ifandraisany aminao no sarobidy sy hitondra soa ho anao.

3. Aiza no ahitantsika fanazavana mahakasika ny zavatra mahatalanjona izay afaka hitondra soa ho antsika?

3 Eritrereto, ohatra, ny lehilahy iray niaina tamin’ny taonjato maro lasa izay, lehilahy mendri-komarihina kokoa noho izay olo-malazan’ny sarimihetsika, na ny fanatanjahan-tena na izay tarana-mpanjaka. Nantsoina hoe ilay lehilahy niavaka indrindra tamin’ny Tatsinanana rehetra izy. Ho fantatrao ny anarany​—Joba. Boky iray manontolo ao amin’ny Baiboly no nosoratana momba azy. Nahatsiaro ho voatery nanitsy an’i Joba anefa i Eliho, tovolahy iray niara-belona taminy. Raha ny marina, dia nilaza i Eliho fa nanisy fiheverana tafahoatra ny tenany sy ireo nanodidina azy i Joba. Ao amin’ny Joba toko 37, dia misy torohevitra hafa voafaritra tsara sady feno fahendrena, izay afaka hitondra soa ho an’ny tsirairay avy amintsika tokoa.​—Joba 1:1-3; 32:1–33:12.

4. Inona no nahatonga an’i Eliho hanome ilay fampirisihana ao amin’ny Joba 37:14?

4 Noheverin’izy telo mirahalahy nilaza ho naman’i Joba ho nanota tao an-tsainy sy tamin’ny asany i Joba. Nanao kabary lava be momba izany àry izy ireo. (Joba 15:1-6, 16; 22:5-10). Niandry tamim-paharetana ny hifaranan’io resaka io i Eliho vao nandray fitenenana nampiseho fahaiza-mahataka-javatra sy fahendrena. Namoaka hevitra mahasoa maro izy, nefa mariho ity hevi-dehibe ity: “Mihainoa izany, ry Joba; mijanòna, ka mba diniho ny [asa mahatalanjon’Andriamanitra, NW ].”​—Joba 37:14.

Ilay nanao ny asa

5. Inona no anisan’ny “asa mahatalanjon’Andriamanitra” noresahin’i Eliho?

5 Mariho fa tsy nanasa an’i Joba handinika ny tenany manokana, na handinika azy, na olombelona hafa, i Eliho. Nampirisika tamim-pahendrena an’i Joba​—ary nampirisika antsika koa​—i Eliho mba handinika ny asa mahatalanjon’i Jehovah Andriamanitra. Araka ny hevitrao, inona moa no tafiditra amin’ireo teny hoe “asa mahatalanjon’Andriamanitra”? Ambonin’izany, nahoana moa ianao no mbola tokony handinika ireo asa mahatalanjon’Andriamanitra, na dia efa miahy ny amin’ny fahasalamanao, ny toe-bolanao, ny hoavinao, ny ankohonanao, ny mpiara-miasa aminao, ary ny mpiara-monina aminao aza? Tsy isalasalana fa anisan’ny asa mahatalanjon’i Jehovah Andriamanitra ny fahendreny sy ny fahefana ananany amin’ny zavaboary rehetra manodidina antsika. (Nehemia 9:6; Salamo 24:1; 104:24; 136:5, 6). Mba hanazavana tsara izany, dia mariho ny hevitra iray ao amin’ny bokin’i Josoa.

6, 7. a) Inona no asa mahatalanjona nataon’i Jehovah tamin’ny andron’i Mosesy sy i Josoa? b) Raha nanatri-maso ny iray tamin’ireo asa ireo ianao, ho nanao ahoana ny fihetsikao?

6 Nandefa loza tamin’i Ejipta fahiny i Jehovah, ary avy eo dia nampisaraka ny Ranomasina Mena, mba hahafahan’i Mosesy hanafaka ny Isiraelita. (Eksodosy 7:1–14:31; Salamo 106:7, 21, 22). Misy tantara mitovy amin’izany ao amin’ny Josoa toko 3. Hitarika ny vahoakan’Andriamanitra hiampita rano iray sy hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina i Josoa, mpandimby an’i Mosesy. Hoy i Josoa: “Manamasìna ny tenanareo; fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.” (Josoa 3:5). Inona izany fahagagana, na asa mahatalanjona, izany?

7 Asehon’ilay fitantarana fa nosokafan’i Jehovah ny Ony Jordana, izay nisakana ny lalana, mba hahafahan’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy an’arivony maro hita tamin’ny tany maina. (Josoa 3:7-17). Raha teo isika, ka nijery ilay ony nisokatra sy ireo olona rehetra ireo nita azy io soa aman-tsara, dia ho zendana mihitsy nahita an’iny fisehoan-javatra tena nahatalanjona iny! Nampiharihary ny fahaizan’Andriamanitra mifehy ny zavaboary izany. Misy zavatra mahatalanjona tsy misy hafa amin’izany anefa amin’izao andro iainantsika izao mihitsy. Mba hahafantarana ny sasany amin’izy ireny sy ny antony tokony handinihantsika azy ireny, dia fakafakao ny Joba 37:5-7.

8, 9. Inona ny asa mahatalanjona asongadin’ny Joba 37:5-7, ary nahoana isika no tokony hieritreritra momba azy ireny?

8 Hoy i Eliho: “Mahagaga ny fikotrokotrok’Andriamanitra amin’ny feony; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.” Inona no tao an-tsain’i Eliho rehefa nilaza izy fa manao zavatra “mahagaga”, na mahatalanjona, Andriamanitra? Manonona ny orampanala sy ny oram-be mivatravatra izy. Tsy ho afaka hiasa eny an-tsaha intsony ny tantsaha iray, rehefa milatsaka ireny, hany ka hanam-potoana sy antony handinihana ny asan’Andriamanitra izy. Tsy tantsaha angamba isika, nefa mety hahakasika antsika ny orana sy ny orampanala. Arakaraka ny toerana misy antsika mantsy, dia mety hampijanona ny zavatra ataontsika koa ny orampanala sy ny orana. Moa ve isika maka fotoana hisaintsainana momba ny hoe iza no nanao ireny zava-mahatalanjona ireny sy ny hevitr’izany? Efa nanao toy izany ve ianao?

9 Tsara homarihina fa mitovy amin’izany mihitsy ny hevitr’i Jehovah Andriamanitra, araka ny vakintsika ao amin’ny Joba toko 38, rehefa nametraka fanontaniana misy heviny tamin’i Joba izy. Na dia i Joba aza no nametrahan’ny Mpamorona an’ireo fanontaniana ireo, dia mazava fa mahakasika ny fihetsitsika sy ny fisiantsika ary ny hoavintsika, izy ireo. Andeha àry isika hijery ny fanontanian’Andriamanitra, ka hieritreritra momba izay tiany hampitaina. Eny, aoka isika hanao izay ampirisihan’ny Joba 37:14.

10. Inona no tokony ho fiantraikan’ny Joba toko 38 eo amintsika, ary inona no fanontaniana apoitran’izy io?

10 Manomboka toy izao ny toko 38: “Teo anatin’ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’i Joba ka nanao hoe: Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ny teny tsy misy fahalalana? Misikìna ary tahaka ny lehilahy; fa hanadina anao Aho, ka valio”. (Joba 38:1-3). Ireo fanontaniana ireo no nanokatra ny resaka. Izany dia nanampy an’i Joba hanjary hahatakatra fa miatrika ny Mpamorona izao rehetra izao izy, ary hampamoahina eo anatrehany. Mitondra soa ho antsika sy ho an’ny mpiara-belona amintsika koa ny fanaovana izany. Avy eo, dia nisarika ny saina ho amin’ireo karazan-javatra notononin’i Eliho Andriamanitra. “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? Teo amin’inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehi-zorony?”​—Joba 38:4-6.

11. Inona no tokony hisongadina amintsika rehefa mamaky ny Joba 38:4-6 isika?

11 Taiza moa i Joba, ary taiza isika rehetra, fony noforonina ny tany? Isika ve no mpanao mari-trano nanao ny drafitry ny tanintsika, ka nampiasa izany drafitra izany mba hanipihana ny refiny, toy ny hoe tamin’ny fanipihana? Tsy izany velively! Mbola tsy nisy akory ny olombelona tamin’izany fotoana izany. Toy ny hoe tranobe iray ny tanintsika, ka nanontany Andriamanitra hoe: “Iza no nametraka ny vato fehi-zorony?” Fantatsika fa tena mety tsara ny elanelan’ny tany amin’ny masoandrontsika, mba hahafahantsika hiaina sy hiroborobo tsara. Ary mety tsara koa ny haben’ny tany. Raha lehibe kokoa mantsy izy io, dia hijanona ao anatin’ny atmosfera ny gaza hidrôzenina, ka tsy ho azo iainana eto an-tany. Mazava izany fa teo amin’ny toerana mety tsara no ‘napetraka ny vato fehizorony’. I Joba ve no mendrika homena ny voninahitra noho izany? Sa isika? Sa kosa i Jehovah Andriamanitra?​—Ohabolana 3:19; Jeremia 10:12.

Olombelona iza no manana ny valiny?

12. Mahatonga antsika hisaintsaina momba ny inona ilay fanontaniana ao amin’ny Joba 38:6?

12 Nanontany koa Andriamanitra hoe: “Teo amin’inona no nanorenana ny vodi-andriny?” Mampisaintsaina izany, sa ahoana? Fantatsika tsara angamba ny hoe hery misintona​—izay teny tsy fantatr’i Joba akory. Fantatry ny ankamaroantsika fa mavesatra be ny masoandro, ka miteraka hery misintona izay mihazona ny tany ho eo amin’ny toerany, toy ny hoe milentika tsara ny vodi-andrin’ny tany. Iza anefa no mahafantatra tsara ny hery misintona?

13, 14. a) Inona no tsy maintsy ekena momba ny hery misintona? b) Tokony hanao ahoana ny fihetsitsika manoloana ilay toe-javatra asongadin’ny Joba 38:6?

13 Ny boky iray natonta vao haingana, hoe Voazava Izao Rehetra Izao (anglisy), dia miaiky fa ‘ny hery misintona no herin’ny natiora be mpahafantatra indrindra, nefa koa tsy azon’ny olona indrindra’. Milaza koa io boky io hoe: “Toa mamakivaky ny habakabaka eo no ho eo ny hery misintona, nefa tsy hita mazava hoe ahoana no ahafahany manao izany. Tao anatin’ireo taona faramparany anefa, dia nanomboka nanombantombana ny mpahay fizika fa mety ho onja voaforona singan-javatra no mitondra ny hery misintona. (...) Tsy misy mahazo antoka tanteraka anefa hoe misy izy ireo sa tsia.” Saintsaino ange ny dikan’izany e!

14 Efa nandroso ny siansa nandritra ireo 3 000 taona taorian’ny nametrahan’Andriamanitra ireo fanontaniana ireo tamin’i Joba. Na isika anefa, na ny manam-pahaizana, dia samy mbola tsy misy afaka manazava amin’ny fomba feno ny atao hoe hery misintona. Izy io no mihazona ny tanintsika ho eo amin’ny lalany mihodidina ny masoandro, ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy indrindra mba hahafahantsika hankafy ny fiainana etỳ an-tany. (Joba 26:7; Isaia 45:18). Tsy mampirisika antsika rehetra mba handalina ny zava-miafin’ny hery misintona akory izany. Tokony hisy vokany eo amin’ny fomba fiheverantsika an’Andriamanitra anefa ny fandinihana na dia io asany mahatalanjona iray io fotsiny aza. Mahazendana anao ve ny fahendreny sy ny fahalalany, ary tsapanao ve ny antony hilantsika hianatra bebe kokoa momba ny sitrapony?

15-17. a) Nifantoka tamin’ny inona ny Joba 38:8-11, ary inona no fanontaniana napoitran’izany? b) Inona no tsy maintsy ekena mahakasika ny fahalalana momba ny ranomasimbe sy ny fitsinjarany eto ambonin’ny tany?

15 Nanohy ny fanontaniany toy izao ilay Mpamorona: “Iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony, ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?”​—Joba 38:8-11.

16 Anisan’ny misakana ny ranomasina ireo kontinanta sy ny ranomasimbe ary ny ranony misamonta sy misintona. Hafiriana no efa nandinihan’ny olombelona sy namotopotorany ny momba ireo? Efa an’arivony taona maro izao, ary nifofotra tamin’izany mihitsy izy tamin’ny taonjato lasa teo. Mety hihevitra ianao fa efa marim-pototra tsara izao ny ankamaroan’ny fahalalana momba azy ireo. Amin’izao taona 2001 izao anefa, inona no fanazavana farany ho hitanao, raha mamotopototra ny momba azy ireo ianao any amin’ny fitahirizam-boky goavana iray, na ao amin’ny Internet, izay ahafahana manao fikarohana be dia be?

17 Izao no hovakinao ao amin’ny boky iray eken’ny besinimaro: “Nanahirana indrindra ny mpikaroka sy mpanao teoria siantifika hatramin’ny ela ny fitsinjaran’ny kontinanta sy ny ranomasimbe eto ambonin’ny tany ary ny fitsinjaran’ireo vohon-tany fahita indrindra.” Avy eo dia nanolotra fanazavana efatra mety ho marina io rakipahalalana io, nefa nilaza koa fa “petra-kevitra toy ny maro hafa” ihany izy ireo. Araka ny mety ho fantatrao, ny petra-kevitra dia “midika fa tsy ampy ny porofo ka fanazavana andrana ihany no azo aroso”.

18. Inona ny fanatsoahan-kevitrao taorian’ny fandinihana ny Joba 38:8-11?

18 Moa ve izany tsy manasongadina fa mety tsara ireo fanontaniana vakintsika ao amin’ny Joba 38:8-11? Tsy isika velively no tokony homem-boninahitra, satria tsy isika no nandamina ireo lafiny rehetra amin’ny tanintsika ireo. Tsy isika no nametraka ny volana teo amin’ny toerany, mba hananany hery misintona izay mahatonga ny ranomasina hisamonta na hisintona, ka tsy manafotra ny morontsiraka na ny toerana misy antsika, raha ny tokony ho izy. Fantatrao hoe iza no nanao izany, dia ilay Mpanao asa mahatalanjona.​—Salamo 33:7; 89:9; Ohabolana 8:29; Asan’ny Apostoly 4:24; Apokalypsy 14:7.

Omeo an’i Jehovah ny voninahitra mendrika ho azy

19. Misarika ny saintsika ho amin’ny inona ireo teny poetika ao amin’ny Joba 38:12-14?

19 Tsy ny olombelona no omem-boninahitra noho ny fihodinan’ny tany, izay toa resahina ao amin’ny Joba 38:12-14. Io fihodinan’ny tany io no mahatonga ny fiposahan’ny andro, izay tena kanto dia kanto matetika. Rehefa miakatra ny masoandro, dia mihamazava ireo endriky ny tanintsika, toy ireo marika mazava tsara atao amin’ny tanimanga amin’ny alalan’ny tombo-kase. Raha mandinika kely fotsiny ny fihodinan’ny tany isika, dia tsy maintsy ho talanjona, satria tsy haingana loatra izany. Fantatsika tsara mantsy fa hisy loza, raha izany no mitranga. Tsy miadana loatra koa anefa ny fihodinany. Raha izany mantsy dia hanjary ho lava kokoa ny andro sy ny alina, ka hafana na hangatsiaka be loatra, ary tsy ho afa-miaina ny olombelona. Soa ihany fa Andriamanitra, fa tsy olombelona, no mamaritra ny hafaingan’ny fihodinan’ny tany.​—Salamo 148:1-5.

20. Ahoana no hamalianao ny fanontaniana ao amin’ny Joba 38:16, 18?

20 Eritrereto izao hoe mbola manontany anao toy izao Andriamanitra: “Efa niditra hatrany amin’ny loharanon-dranomasina va hianao, ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?” Na ny manam-pahaizana momba ny ranomasina aza tsy afaka hanome valiny feno! “Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ny fahalalahan’ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.” (Joba 38:16, 18). Efa nitsidika sy nizaha ny faritra rehetra eto an-tany na ny ankamaroany fotsiny ve ianao? Firy taona no mety ho lany raha tiana ny handinika ny toerana tsara tarehy sy ny zava-mahatalanjona eto amin’ny tanintsika? Ary tena hahafinaritra be mihitsy izany!

21. a) Inona no hevitry ny mpahay siansa mety hapoitran’ireo fanontaniana ao amin’ny Joba 38:19? b) Tokony hanosika antsika hanao inona ny fahalalana momba ny fahazavana?

21 Diniho koa ny fanontaniana lalina ao amin’ny Joba 38:19: “Aiza ary no làlana ho any amin’ny fonenan’ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ny maizina?” Fantatrao angamba fa ninoan’ny maro hatry ny ela be hoe mandeha toy ny onja iray ny fahazavana, ary toy ny alon-drano hitantsika ao anaty dobo. Avy eo, tamin’ny 1905, dia nohazavain’i Albert Einstein fa toy ny fitambaran’angovo, na singan’angovo, ny fahazavana. Voazava tamin’izay ve ny zava-drehetra? Manontany toy izao ny rakipahalalana vaovao iray: “Onja ve ny fahazavana sa sombin-javatra bitika?” Mamaly izy io hoe: “Toa tsy afaka ny ho izy roa [ny fahazavana], satria samy hafa be ny toetoetrany [ny onja sy ny sombin-javatra bitika]. Ny valin-teny tsara indrindra dia hoe sady tsy onja izy io no tsy sombin-javatra bitika.” Mahazo hafanana (mivantana na tsia) avy amin’ny hazavan’ny masoandro foana anefa isika, na dia mbola tsy misy olombelona afaka manome fanazavana feno momba izany asan’Andriamanitra izany aza. Faly isika mahazo sakafo sy ôksizenina vokarin’ny zavamaniry mahazo hazavana. Afaka mamaky teny isika, mahita ny tarehin’ireo olo-malalantsika, mitazana ny masoandro mody, sy ny zavatra maro hafa koa. Tsy tokony hanaiky ve isika eo am-panaovana izany fa tena mahatalanjona tokoa ireo asan’Andriamanitra?​—Salamo 104:1, 2; 145:5; Isaia 45:7; Jeremia 31:35.

22. Nanao ahoana ny fihetsik’i Davida nanoloana ireo asa mahatalanjon’Andriamanitra?

22 Inona no kendren’ny fisaintsainana momba ireny asa mahatalanjon’i Jehovah ireny? Ny hampiaiky volana antsika fotsiny ve, ka hahatonga antsika ho zendana na ho ankona? Tsy izany velively. Neken’i Davida mpanao salamo fa tsy azon’ny saintsika takarina sy hazavaina daholo ny asan’Andriamanitra rehetra. Izao no nosoratany: “Nohamaroinao ny fahagaganao (...), Jehovah Andriamanitro ô (...) raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.” (Salamo 40:5). Tsy te hilaza velively akory izy hoe tsy hanambara ireny asa lehibe ireny izy. Porofon’izany ny fahatapahan-keviny ao amin’ny Salamo 9:1, manao hoe: “Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.”

23. Ahoana ny fihetsikao manoloana ny asa mahatalanjon’Andriamanitra, ary ahoana no ahafahanao hanampy ny hafa?

23 Tsy tokony ho tohina toy izany koa ve ny fontsika? Raha mahagaga antsika ireo asa lehibe ataon’Andriamanitra, moa ve izany tsy tokony hanosika antsika hiresaka momba azy sy izay nataony ary izay mbola hataony? Miharihary ny valiny: Tokony ‘hambarantsika amin’ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony’. (Salamo 96:3-5). Eny, afaka mankasitraka amim-panetren-tena ireo asa mahatalanjon’Andriamanitra isika, amin’ny fanambarana amin’ny hafa izay nianarantsika momba azy. Na dia tsy miraharaha ny Mpamorona aza ny tontolo niainan’izy ireo, dia mety hanaitra azy ny fanazavana mahafinaritra omentsika, ka hahatonga azy hino an’Andriamanitra. Izany dia mety hanosika azy ireo mihitsy haniry hianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah sy hanompo azy, dia ilay “nahary ny zavatra rehetra” sady Mpanao asa mahatalanjona.​—Apokalypsy 4:11.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no asan’Andriamanitra tonga ao an-tsainao noho ilay fampirisihana ao amin’ny Joba 37:14?

• Inona avy no anisan’ny zavatra asongadin’ny Joba toko 37 sy 38, nefa tsy hain’ny siansa hazavaina amin’ny fomba feno?

• Manao ahoana ny fihetseham-ponao manoloana ireo asa mahatalanjon’Andriamanitra, ary manosika anao hanao inona izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 7]

Iza no nisakana ny ranomasina, ka mihazona azy io ho eo amin’ny toerany?

[Sary, pejy 7]

Iza no efa nitsidika ny faritra kanto rehetra eto an-tany, izay noforonin’Andriamanitra?