Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manimba Mangingina ny Fahasalamam-bahoaka”

“Manimba Mangingina ny Fahasalamam-bahoaka”

“Manimba Mangingina ny Fahasalamam-bahoaka”

MAHAZENDANA fa ny ampahatelon’ny olon-dehibe mpampiasa Internet any Etazonia no efa nijery zavatra manaitaitra ny filan’ny nofo ao amin’ny Internet, araka ny nasehon’ny fanadihadiana iray natao vao haingana, momba io raharaha io. Olona maro dia maro ankehitriny no mampanaram-po ny filan’ny nofony, amin’ny alalan’ny Internet. “Sady manimba mangingina ny fahasalamam-bahoaka izy io no mirongatra, satria, amin’ny lafiny iray, dia tena vitsy no manaiky azy io ho toy izany na mihevitra azy io ho zava-dehibe”, hoy ny Dr. Al Cooper, psikology nitarika ilay fanadihadiana.

Iza indrindra no mora alaim-panahy hijery zavatra manaitaitra ny filan’ny nofo ao amin’ny Internet? “Ireo mpampiasa Internet izay tsy afaka manao firaisana intsony na voafetra ny fahafahany nanao firaisana nandritra ny fiainany manontolo”, nefa “tampoka teo dia nahita fahafahana tsy hita lany hanomezana fahafaham-po ny filany”, noho ny Internet, hoy ny Dr. Cooper.

Mihevitra anefa ny ankamaroan’ireo mpijery zavatra manaitaitra ny filan’ny nofo ao amin’ny Internet fa tsy mampaninona izany. Izany tokoa ve? Toy ny mpidoroka zava-mahadomelina lasa tsy mihontsina intsony amin’ilay zava-mahadomelina efa manandevo azy, dia mitady “daozy” ambony kokoa ny maro amin’ireo andevozin’ny fijerena zavatra manaitaitra ny filana ao amin’ny Internet, mba hahitany fahafaham-po amin’ilay filana mirehitra ao aminy. Mety hamoy asa sy hanimba ny fifandraisany amin’ny vadiny mihitsy aza izy ireo!

Manana antony hafa tsy hijerena zavatra manaitaitra ny filan’ny nofo ao amin’ny Internet anefa ireo maniry hampifaly an’Andriamanitra. Mananatra toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, [filana mafy eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, NW ], fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. (Kolosiana 3:5, 6). Mila mamboly fitiavana lalina an’i Jehovah Andriamanitra ny olona iray mba ‘hamonoana ny momba ny tena’ mifandray amin’ny faniriana maloto hanao firaisana. (Salamo 97:10). Manimba ny fahasalamam-bahoaka ireo zavatra manaitaitra ny filan’ny nofo ao amin’ny Internet. Raha voasarik’izany ny olona iray, dia tokony hanatanjaka ny fitiavany an’i Jehovah, amin’ny fianarana ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Tena manampy ny olona iray mba hanatanjaka ny fahatapahan-keviny hampifaly an’Andriamanitra, ny fifaneraserana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana, ary mahasoa ny fanaovana izany.