Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany tamin’Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

Nahoana ny fanantenana no napetraky ny apostoly Paoly any amin’ny faran’ilay fitanisana ao amin’ny Romana 5:3-5?

Mitanisa zavatra maro iainan’ny Kristianina i Paoly: fahoriana, faharetana, fahazoana fankasitrahana, ary fanantenana. Tsy ilay fanantenana voalohany azo avy tao amin’ny Baiboly akory io “fanantenana” io, fa fanantenana nihanatanjaka sy nihalalina ary nihanameno ny Kristianina iray rehefa nandeha ny fotoana.​—15/12, pejy faha-22, 23.

Nahoana no mety ho liana amin’ireo lalao atletisma natao tany Gresy fahiny ny Kristianina ankehitriny?

Mety hanazava andinin-teny maromaro ao amin’ny Baiboly ny fahazoana ny hevitr’ireny karazana lalao ireny sy ny fomba fanao tamin’izy ireny. Ny andinin-teny sasany dia miresaka ny amin’ny hoe “manezaka araka ny lalàna”, ‘manaisotra izay rehetra mitambesatra sy mijery ny ohatr’i Jesosy’, ‘mahatanteraka ny fihazakazahana’, ary mahazo ny satroboninahitra, na loka. (2 Timoty 2:5; 4:7, 8; Hebreo 12:1, 2; 1 Korintiana 9:24, 25; 1 Petera 5:4).​—1/1, pejy faha-28-30.

Inona no fomba vaovao nanambarana ny vaovao tsara naseho tamin’ny Janoary 1914?

Tamin’izay no nivoaka ny “Photo-Drame de la création”. Voaforona fizarana efatra mahafaoka sarimihetsika sy sary diapositives miloko an-jatony maro izy io, ka ny ankamaroan’izany dia nampivadina na nampiarahina tamin’ny lahateny fanazavana natao tamin’ny grafofaonina. Nisy 20 tamin’ilay Photo-Drame no nomanina sy nampiasaina imbetsaka mba hampianarana ny olona ny hafatra ao amin’ny Baiboly.​—15/1, pejy faha-8, 9.

Inona no maha samy hafa ny Fitambara-mpitantana sy ny fikambanana ara-dalàna?

Na dia ny mpikambana ao amin’ny fikambanana ara-dalàna ihany aza no mifidy ny mpitantana ao aminy, dia tsy olona mihitsy no manendry ny Fitambara-mpitantana fa i Jesosy Kristy. Tsy voatery ho anisan’ny Fitambara-mpitantana akory ireo mpitantana ao amin’ireo fikambanana maro samihafa ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona ho an’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania natao vao haingana, dia nametra-pialana an-tsitrapo tsy ho mpitantana na ho tompon’andraikitra ao amin’izy io, ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana izay nitana ireo toerana ireo. Rahalahy matotra anisan’ny “ondry hafa” no nameno ny toerana banga. (Jaona 10:16). Vokatr’izany, dia afaka manokana fotoana bebe kokoa hanomanana sakafo ara-panahy sy hikarakarana amin’ny fomba hafa ny zavatra ara-panahy ilain’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany, ny Fitambara-mpitantana.​—15/1, pejy faha-29, 31.

Inona no ohatra roa ao amin’ny Baiboly azontsika dinihina mba hianarana ny fomba handresena ny fahakiviana?

I Hana, renin’i Samoela, ny iray. Azony natao ny nanaiky ho kivy rehefa notsarain’i Ely, mpisoronaben’ny Isiraely, tamin’ny fomba diso izy. Nilaza ny zava-misy taminy tamim-pahatsorana nefa tamim-panajana kosa anefa izy. Tsy nitahiry lolompo tamin’i Ely koa i Hana. Ny faharoa dia i Marka izay tsy maintsy ho kivy rehefa tsy nety nitondra azy tamin’ny dia misionera iray ny apostoly Paoly. Tsy namoy fo noho ny namoizany izany tombontsoa izany izy, fa nanohy nanompo tamim-paharisihana kosa, ka nanao dia niaraka tamin’i Barnabasy.​—1/2, pejy faha-20-22.

Nahoana no tokony hitandrina ny Kristianina rehefa manome na omen’olona kopian’ny programana ordinatera ?

Ny ankamaroan’ny programana ordinatera (anisan’izany ny lalao) dia ilana fahazoan-dalana, izay misakana ilay tompony/mpampiasa ilay programa tsy hametraka azy io afa-tsy amin’ny ordinatera iray ihany. Fandikana ny lalàna momba ny zon’ny mpamorona matetika ny fanaovana kopia ho an’ny hafa, na dia omentsika azy ireo fotsiny aza izany. Maniry hankatò lalàna ny Kristianina, amin’ny ‘fandoavana ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’. (Marka 12:17).​—15/2, pejy faha-28, 29.

Iza moa i Cyrille sy i Méthode ary inona no anjara noraisiny tamin’ny fampianarana Baiboly?

Mpirahalahy teraka tamin’ny taonjato fahasivy tany Tesalonika, any Gresy, izy ireo. Namorona abidy ho an’ny fiteny slavy izy mirahalahy ary nandika tapany lehibe tamin’ny Baiboly tamin’ny fiteny slavonika.​—1/3, pejy faha-28, 29.

Inona no dikan’ilay teny hoe “fihevitry ny fanahy”?​Romana 8:6.

Izany dia midika hoe fehezin’ny hery miasan’i Jehovah, eo ambanin’ny fifehezan’izy io, ary famelana azy io ho hery manosika ny tena. Afaka mamela ny fanahin’Andriamanitra hiasa ao anatintsika isika amin’ny famakiana sy fianarana ny Baiboly, amin’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra amin’ny fo rehetra ary amin’ny fivavahana mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra.​—15/3, pejy faha-15.

Ahoana raha diso fandray ny hevitsika ny hafa?

Zava-dehibe ny iezahana hanazava amim-pitiavana ny toe-javatra. Raha toa tsy mahomby izany, dia aza manary toky. Mangataha fahazoana hevi-javatra sy fanampiana amin’i Jehovah, izay “Mpandanja ny fo”. (Ohabolana 21:2; 1 Samoela 16:7).​—1/4, pejy faha-21-23.