Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Irery Izahay Rehefa Nosedraina ny Finoanay

Tsy Irery Izahay Rehefa Nosedraina ny Finoanay

Tsy Irery Izahay Rehefa Nosedraina ny Finoanay

Zazavavy kely mahate ho tia i Vicky​—salama sy mahafatifaty ary matanjaka. Tsy omby tratra tokoa ny fifalianay rehefa teraka izy tamin’ny lohataona 1993. Nipetraka tany amin’ny tanàna kely iray tany atsimon’i Soeda izahay, ary nahafinaritra be ny fiainana.

TOA nanomboka tsy nilamina anefa ny fiainanay rehefa feno herintaona sy tapany i Vicky. Efa tsy salama nandritra ny fotoana kelikely izy, ka nentinay tany amin’ny hopitaly. Tsy hohadinoinay mihitsy ilay fotoana nilazan’ny dokotera taminay fa voan’ny leucémie lymphoblastique mahery ny zanakay vavy. Karazana kanseran’ankizy mamely ny liofotsy izy io.

Tsy mampino hoe voan’io aretim-be io ny zanakay vavikely. Mbola vao manomboka kely ny fiainany, nefa dia mety ho faty izy izao. Niezaka nampahery anay ny dokotera ka nilaza fa misy fitsaboana mahomby ihany azo atao, ka anisan’izany ny fitsaboana simika miaraka amin’ny fampidiran-dra imbetsaka. Nanaitra anay indray koa izany.

Nosedraina ny finoanay

Tena tianay ny zanakay ary nirinay hahazo ny fitsaboana tsara indrindra. Na izany aza, dia tsy azo ekena mihitsy ny fampidiran-dra. Inoanay mafy ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, izay milaza mazava fa tsy maintsy ‘mifady ny ra’ ny Kristianina. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Fantatray koa fa tena mety hampidi-doza na dia ny fampidiran-dra aza. Olona an’arivony maro no nahazo aretina, na maty noho ny fampidiran-dra. Ny hany fitsaboana hafa dia fitsaboana tsara indrindra tsy nanaovana fampidiran-dra. Nanomboka izao ny adinay ho an’ny finoana, teo amin’io lafiny io.

Inona no azonay natao? Nitady fanampiana tany amin’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly, any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Soeda, izahay. * Avy hatrany dia nisy fax nalefa tany amin’ny hopitaly samihafa nanerana an’i Eoropa mba hitadiavana hopitaly sy dokotera manaiky hanao fitsaboana simika tsy anaovana fampidiran-dra. Tena nampahery ny zotom-po sy fitiavana nasehon’ireo rahalahinay kristianina, tamin’ny fiezahany hanampy anay. Tsy niady irery izahay tamin’ny adinay ho an’ny finoana.

Tao anatin’ny ora vitsivitsy, dia nisy hopitaly sy dokotera hita tany Homburg/Saar, Alemaina. Nisy fandaharana natao mba handehananay fiaramanidina ho any ny ampitson’iny sy hizahana an’i Vicky. Rehefa tonga tany izahay, dia tonga nitsena anay ireo rahalahinay kristianina avy amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Homburg sy ny sasany tamin’ireo havanay. Niarahaba anay tamin-kafanam-po tonga soa koa ny solontenan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Nanatitra anay tany amin’ny hopitaly izy ary nanohana anay araka izay azony natao. Nampahery anay ny nahita fa manana rahalahy ara-panahy manohana anay izahay, na dia any an-tany hafa aza.

Mbola natanjaka indray izahay rehefa nihaona tamin’ny Dr. Graf tao amin’ny hopitaly. Tena takany tsara ny nahazo anay ary nanome toky anay izy fa hataony izay rehetra azony atao mba hitsaboana an’i Vicky tsy misy fampidiran-dra. Na dia sanatria aza ka hidina ho 5 g/dl ny hemôglôbininan’i Vicky, dia mbola ho vonona hanohy ny fitsaboana tsy misy fampidiran-dra ihany izy. Nilaza koa izy fa ny fahafantarana aloha be ny aretina sy ny nitondrana haingana an’i Vicky teo dia mety hahatonga azy ho voatsabo tsara. Nanaiky izy fa sambany tamin’io izy vao hanao fitsaboana simika tsy anaovana fampidiran-dra amin’ny aretina toy ny an’i Vicky. Tena nankasitrahanay sy noderainay ny herim-po sy ny fahatapahan-kevitry ny Dr. Graf mba hanampiana anay.

Olana ara-bola

Izao indray ny fanontaniana manaraka: Ahoana no andoavanay ny saram-pitsaboana an’i Vicky? Gina izahay rehefa nampahafantarina fa 150 000 vola alemà no saram-pitsaboana azy mandritra ny roa taona. Tsy nanana izahay na dia ampahany kely tamin’io vola io aza, nefa tsy maintsy natomboka avy hatrany ny fitsaboana an’i Vicky. Noho izahay niala tany Soeda mba ho any Alemaina hanaraka ny fitsaboana, dia tsy nisy saram-piantohana ny fahasalamana nety ho azonay. Teo izahay niaraka tamin’ny zanakay vavikely narary mafy sy ny mpitsabo mahay vonon-kanampy, nefa tsy nanam-bola ampy.

Namonjy anay ny hopitaly ary nilaza taminay fa hanomboka avy hatrany ny fitsaboana raha mandoa 20 000 vola alemà izahay ary manao sonia fanekena handoa ny ambiny. Ny tahiry kelinay sy ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ireo namana sy havana no nahafahanay nandoa ireo 20 000 vola alemà. Ahoana anefa ny ambiny?

Teto indray koa dia nampahatsiahivina anay fa tsy miady irery izahay amin’ny adinay ho an’ny finoana. Vonona handoa ilay vola ny rahalahy ara-panahy iray, izay tsy fantatray tamin’izay. Nisy fandaharana hafa azonay natao anefa, hany ka tsy nila nampiasa ny fanolorana feno fahalalahan-tanana nataony izahay.

Eo am-perinasa ny mpitsabo mahay

Nanomboka ny fitsaboana simika. Nivadika ny andro sy ny herinandro. Indraindray dia tena sarotra sy nandreraka anay sy ny zanakay vavikely ny tarehin-javatra. Tetsy an-danin’izany anefa dia tena faly sy velom-pankasitrahana izahay isaky ny toa nisy fihatsarana ny fahasalamany. Naharitra valo volana ilay fitsaboana simika. Nitana ny teny nataony ny Dr. Graf, ary 6 g/dl ny farany ambany tamin’ny hemôglôbininan’i Vicky.

Enin-taona mahery izay no lasa, ary tsy nahitana soritry ny fisian’ny kanseran’ny ra intsony ny tsiranoka ao amin’ny hazon-damosin’i Vicky, tamin’ny ny fizaham-pahasalamana farany. Zazavavy kely sambatra izy ankehitriny, sady tsy misy soritr’ilay aretina intsony. Toa fahagagana ny nahasitranan’i Vicky tanteraka. Fantatray fa ankizy maro manana aretina toy ny azy no maty na dia nanao fitsaboana simika sy fampidiran-dra aza.

Nandresy tamin’ny adinay ho an’ny finoana izahay, nefa tsy nahavita izany raha tsy teo ny fanampian’ireo havana sy ny rahalahy sy anabavy kristianina ary ireo mpitsabo mahay. Nanohana anay andro aman’alina ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly. Nampiasa ny fahaizany ny Dr. Graf sy ny mpiara-miasa taminy mba hahasitrana an’i Vicky. Velom-pankasitrahana noho ireo rehetra ireo izahay.

Nohatanjahina ny finoanay

Ambonin’ny zava-drehetra anefa dia misaotra an’i Jehovah Andriamanitray izahay, noho ny fikarakarany feno fitiavana sy ny hery azonay avy tamin’ny Baiboly, Teniny. Rehefa mitodika ny lasa izahay dia takatray fa nisy zavatra maro nianaranay, ary nanatanjaka ny finoanay iny zavatra mafy niainanay iny.

Ny fanirian’ny fonay izao dia ny hihazona ny fifandraisanay akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny hampianatra ny zanakay vavy fa sarobidy ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny zavatra takin’i Jehovah. Eny, maniry hanome azy lova ara-panahy tsara izahay, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary Paradisa ho avy.​—Nisy nanome.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly dia manara-maso ny asa maneran-tanin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Ireo indray kosa dia voaforon’ny Kristianina mpiasa an-tsitrapo nampiofanina mba hampitombo ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitsabo sy ny marary Vavolombelona tsaboiny. Misy 1 400 mahery ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly manampy ny marary any amin’ny tany maherin’ny 200.